Cyclone_YVAN Fialan-tsiny

Dia tena misy tsy vanombanon-toetra ny olona an! Momba ilay resaka Sainte Marie dia nataon’ny mpanao gazety izay nahitana ny rain’ilay niantso nila vonjy avy any Sainte Marie . Ary isaorana i Fanja Saholiarisoa (www.lexpressmada.com du 20-02-2008 page 7)  fa nampitainy ao ny hafatra avy amin’ilay raim-pianakaviana. Toy izao izany hafatra izany « Les personnes ensevelies sous les decombres de l’hotel Antsara à Sainte Marie s(en sont, par contre, sorties saines et sauves« . Toraka voninkazo ho an’i Fanja. Fa ny tena zava-doza tamin’iny lalao ratsy iny dia raha sanatria moa ka mba olona taizan’aretim-po ilay fianakaviana namaky ny LA UNE nilazana ilay vaovao ratsy hoe maty , dia mba ahoana?

 Tsy dia hanome tsiny be fahatany anefa aho, satria dimy minitra talohan’ny nanoratako ity dia mbola tsy mety mahazo an’ireo laharana narosoko anao teto, fa tsy misy réseau angamba ny ORANGE any. Raha akapoka izany ny fandehan’ity tantara ity dia io lafiny fifandraisana io no  tsy nahafahana nanamarina haingana ny vaovao (raha tsy vao omaly) Izay no tena fositra. Niezaka ihany moa izahay ny nanangona, ary mbola hanangona araka izay azo atao. Fa hatreto aloha izany dia izay ny momba iny resaka iny

Eto dia manolotra fialantsiny betsaka aho ho anareo mpamaky, na izaho izay niandry tamin’ny RNM nandritry ny alina, sy nahita ny lohatenim-baovao vao maraina aza dia mba VOAFITAKA ihany koa. Tohina ka avy hatrany dia nampita taminareo ny vaovao vao mafana. Miala tsiny koa amin’ireo fianakaviana mety ho taitra nahita ity lahatsoratra ity. Tsy namoaka ity mihitsy aho androany raha tsy efa hoe « ny rain’ilay tra-doza mihitsy » no nanamafy ny vaovao tsara. Izay inoako fa dia noho ny fahaizan’ny Malagasy mifanome tanana manoloana ny loza sy antambo toy ireny no naha-avotra azy ireo..

Eto ampamaranana dia tsetsatsetsa tsy aritra ity. Nisy vehivavy teraka tampoka nandritry ny évacuation natao azy, ary dia nomen’ny chef du corps des sapeurs pompiers toro-hevitra ireo raiamandreny mba hahatsiarovana ny andro omaly. Iza hoy ianao no natao anaran’ny zaza : IVAN IKOPA.

Teo koa ny resadresaka fohy nataoko tamin’ireo olona hitako teo anoloan’ny Parking JUMBO SMART. Efa ho tamin’ny roa maraina ny sasany tamin’izy ireo no teo araka ny filazany, ary amin’ny dimy hariva aho no miresaka aminy. « Tsy mbola nisy nijery izahay » hoy izy ireo « ary ny ampitsonay mbola tsy fantatra. Ny fitaovana fiasako sy ny akoho amam-boroko lasan’ny rano any daholo, tsy nahavimbina afa-tsy ny tety an-koditra izahay miampy ireto seau sy vilany kely ireto. Ary lamba firakotra sendra voaramby. Ny ankizy manomboka manavin’ny hatsiaka, ny lehibe efa kodron’ny harerahana. Ny hanina tsy nisy afa-tsy izay natolotr’ireo sendra niantra. Tsy haiko intsony hoe ahoana no mbola hahafahanay miaina aorian’izao. Tsy fantatra izay ny trano na efa nirodana na ahoana fa efa iray metatra amin’ny tafonay sisa tazanay farany tamin’ny fotoana nakan’ny vedette anay tany. Eto (anoloan’ny JUMBO SMART Tanjombato) izahay no mitangorona sy mifampikarakara ambara-pahatongan’ny fanampiana sy ny hoe ho aiza« . Izany no toreo henonao raha nandeha teny an-toerana omaly hariva tamin’ny dimy ora. Ny orana anefa amin’izany tsy mitsahatra ny milatsaka, na dia tsy mivatravatra aza fa mitohy sy mijanona.

Azonao jerena amin’ireto rohy ireto ny herin’ny rano eny an-toerana

http://www.youtube.com/watch?v=TzqwfOBo-CI

http://www.youtube.com/watch?v=_VLOafeZqgw

http://www.youtube.com/watch?v=QlDaWSx_ri4

http://www.youtube.com/watch?v=Mh1tH_h-OTY

2 Réponses

  1. […] safe. Jentilisa warns (mg) of the danger of spreading too hastily unconfirmed informations. An explanation for the conflicting reports can be found here. The lack of emergency feedback and the overall difficulties to communicate and […]

  2. […] paralajmëron (mg) për rrezikun e përhapjes së shpejtuar të informatave të pakonfirmuara. Një sqarim për raportet kontradiktore mund ta gjeni […]

Laisser un commentaire