Loza mahatsiravina

Ankizilahy kely mipetraka ety amin’ny manodidina an’Ambatomitsangana, eo amin’ny 14 taona eo ho eo no naratra mafy sy mety hitondra takaitra mandram-pahafatiny noho ny lozam-pifamoivoizana nitranga izao antoandro izao.
Avy nianatra ary handeha hamonjy fodiana ity zaza ity no sendra taxibe 126 mitondra ny Laharana 3555 TAJ.
sunp02912 Ny zavatra hita dia nampihoron-koditra satria dia ny tongotr’ity zaza no nanampy ny tsindryhisatra (frein) nampiato ny hazakazak’adalan’ilay mpamily, izay nitondra ity fiara ity, tsy misy frein afa-tsy ny kodiarana aloha amin’ny ankavia fotsiny. Fahasahiana re izany!
Jereo ny sary dia ho hitanao fa dia tena na ny ba-kiraron’ilay zaza aza mbola tavela eo ambanin’ny kodiaran’ny fiara. Ary ny dian’ny frein dia metatra maro vao mijanona.
Tsy vao izao fa efa imbetsaka no nisy ny toy izao teto amin’ny faritra ary efa nanaovana antso avy fony mbola Ben’ny tanana ingahy RAMIARAMANANA Patrick, hoe mba asio faritra hiampitan’ny mpianatra eo, nefa indrisy! Betsaka anefa ny mpianatra mifamoivoy eo, satria misy sekoly eo am-pita ao ambadikin’ny LOOK’S ao.
sunp03002 Asa raha miandry faty firy vao mba hisy izany hetahetan’ny mponina izany, ary handray fepetra amin’ny fanaraha-maso ny fiarany koa ny tompon’ireny fiara tsy ara-dalàna ireny. Mino aho fa tsy ho vitavita mora iny loza iny ary raha ilain’ny raialmandrenin’ny naratra ny sary, dia omeko azy mba ho ampiasainy amin’izay ilàny azy. Enga anie mba ho hitako izy ireo!
Tsy tanty ny nijery ireo rà very sy nanmonto ny arabe androany. Mivavaka mafy mba tsy haninona ny ain’ilay zazalahy, fa mafy ihany izay fahavoazany any izay.
Izany Erica izany no anaran’ny Dadany. Hatreo aloha no fantatro. Ary mba ahoana ny resaka visite technique amin’izao e? Sa vita risoriso ity zavatra ity mato afaka nisosa tety?
sunp02871