Bois de Rose Malagasy: Nandika lalàna ve i Michelle Obama?

Niteraka resabe, sy mbola tsy vita hatramin’izao ny resaka Andramena, hazo mainty, sy ireo hazo sarobidy hafa avy eto Madagasikara (Madagascar) ka misy manondrana an-tsokosoko any ivelany any.

Efa samy nahita tamin’ny alalan’ny gazety maro samihafa angamba isika fa voasaringotra amin’izany resaka izany ny mpamokatra gitara Amerikana Gibson.

Fantatry ny Amerikana tsara tokoa izany.

Fa ny tena anton-dresaka eto dia ny fanomezana nomen’ny vadin’ny filoha Amerikana, Michelle Obama ho an’i Carla Bruni, vadin’ny filoha frantsay Sarkozy, nandritra ny vovonan’ny OTAN tany Strasbourg tamin’ny taona 2009. Gitara Gibson no natolony tamin’izay fotoana izay, vita avy amin’ny hazo Andramena, hazo sarobidy voarara ny fmoahana azy avy aty Madagasikara, araka ny voalazan’ny Slate.fr.

Tsy nahafantatra ary ve ny vadin’ny filoha Amerikana, tamin’izany fotoana izany, sa hoe vehivavy voalohany eo am’ny firenena ka afaka mano izay tiany hatao?

Mipetraka izany fanontaniana izany satria isan’ny milaza ho sarotiny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny ady atao amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny Amerikana hatreto.

Efa samy namoaka ity raharaha ity na ny Slate.fr , na ny  Wopular izay nanoratra hoe:

First Lady MICHELLE OBAMA is being accused of break­ing the law over a gift she gave French First Lady CARLA BRUNI-SARKOZY! Michelle presented Carla with a Gibson Hummingbird acoustic gui­tar in 2009 – but the problem is that it may have been made from wood that was illegally obtained. The guitar, which Michelle took from the U.S.

dikanteny malalaka: Voampanga ho nandika lalàna ny Vevhivavy voalohany …noho ny fanomezana natolony ho an’i CARLA BRUNI-SARKOZY! Gitara akostika Gibson no natolotr’i Michelle Obama ho an’i Carla tamin’ny 2009..vita avy amin’ny hazo sarobidy azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna…Gitara nentiny avy any Etazonia.

Ary ny mahatsikaiky dia teo ambany fitarihan’ingahy Obama vadiny mihitsy ny bemidina natao tany amin’ny ozinina fanamboarna gitara Gibson tao Memphis sy Nashville tamin’ny 24 Aogositra, nataon’ireo andiany mitam-piadiana avy amin’ny U.S. Fish & Wildlife Service (USFWS).

Raha ny ambaran’ny abovetopsecret.com dia tokony hisazy dimy taona an-tranomaizina izy noho io tranga io, ary handoa onitra 250.000 dollars. Ho tanteraka ve izany? Raha eny, mba aiza ho aiza amin’izany ny  fitsarana olona ambony nanao hadalàna teto Madagasikara?

Michelle Obama Faces Five Years in Prison – Active Federal Investigation Against Her

Misy amin’ireo mpitondra fanamarihana no tsy dia matoky loatra ny hahatanterahan’izany ka miteny toy izao:

Please spare us all, her husband will find a way to get her out of the slammer
Until I see her wearing the jumpsuit then I’ll believe it. And you got this from the national enquirer, I wouldn’t trust them to tell me the news on a flea!

….., hahita hevitra hanalàna azy amin’ny resaka famonjàna ny vadiny. .Rehefa hitako izy misalotra ny salopety dia hino aho….tany amin’ny The National Enquirer no nakanareo an’it…tsy dia matoky an-dry zareo aho

Hatreo ny amin’iny tsetsatsetsa tsy aritro iny

Raha hitady lahatsoratra mifandraika amin’ity ianao dia azo karohana ao amin’ny lohamilina Google ny teny hoe  » The National Enquirer + gibson + carla +michelle obama« 

3 Réponses

  1. […] a Gibson guitar to the model/singer and France's first lady Carla Bruni [fr]. Malagasy blogger Avylavitra explains the incident [mg]: Fa ny tena anton-dresaka eto dia ny fanomezana nomen’ny vadin’ny filoha Amerikana, […]

  2. […] e primeira-dama da França Carla Bruni com um violão Gibson [fr]. O blogueiro malgaxe Avylavitra explica o incidente [mg]: Fa ny tena anton-dresaka eto dia ny fanomezana nomen’ny vadin’ny filoha Amerikana, […]

  3. […] till modellen/sångerskan och Frankrikes första dam, lady Carla Bruni [fr]. Malagasibloggaren Avylavitra förklarar incidenten [mg]: Fa ny tena anton-dresaka eto dia ny fanomezana nomen’ny vadin’ny filoha Amerikana, […]

Laisser un commentaire