GMAIL: mitandrema zalahy!

Manana mpnome tolotra aterineto maromaro isika eto Madagasikara amin’izao fotoana. Tombony tokoa ary isan’ny fanoitra tokony hitondra ho amin’ny fivoarana izany. Na ho an’ny isam-batan’olona, na ho an’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny mihitsy.

Toy ny zavatra rehetra dia misy ny lafiny tsara ary misy ny lafiny ratsy amin’ny fampiasana ireny zavatra sy tolotra entin’ny fivoarana ara-teknolojia ireny. Maro amintsika no mahita rehefa manoratra ny hoe GOOGLE ery amin’ny faritra natokana hmetrahana ny adiresy, fa tonga dia voavily ho any amin’ny http://www.google.mg izay te-hiditra amin’io sehatra fifaneraserana sy fikarohan-javatra io.

Tsikaritra tato ho ato fa somary manahirana ny miditra GMAIL, ary indraindray aza dia misy sasany amintsika no angatahana mba hamerina mampiditra ny tenimiafiny. TANDREMO ZALAHY fa AO RAHA.

Rehefa ianao no angatahana hamerina mampiditra ny tenimiafinao, dia mba mailo fa efa manomboka izay ny halatra sy ny fitsikilovana ary ny fanarahamaso manokana ny zava-panaonao. Tsy ny GMAIL irery no tompon’andraikitra amin’ny zavatra toy izany, fa (mety) misy fandraisan’anjaran’ny FAI (mpanome tolotra aterineto) koa ao anatin’ilay resaka fangalarana ny tenimiafinao.

Tsy eto Madagasikara no voalohany (misy) hisy an’izany. Fa efa be ireo tany izay maetra ny fahalalahana miteny; efa maro ireo mpitondra matahotra ny hivoahan’ny tsy mety sy ny goragora any amin’ny tany samihafa any no manery ny FAI ao aminy hanao io asa maloto io. Toy izay mitranga any amin’ny tany Arabo maro, sy any Sina.

Ho anao mmponin’ny aterineto Malagasy (Madagaskara no resahako eto) ka efa sendra ny olana toy izany dia mba angatahana indrindra hifampizara izany etoana. Fanimbazimbana ny zo maha-olona sy ny fiainana manokan’ny tena ary ny fahalalahana miteny mantsy izany.

Raha sendra efa niharan’izany ianao, dia tsidoho haingana ny kaonty Gmail-nao ka tsikilovy daholo ireo mailaka rehetra ao sao misy navily antsokosoko (tsy tamin’ny nahim-ponao) hankany amina kaonty mailaka hafa. Jereo dahony ny fandrindrana kaonty (settings), Ovay ny tenimiafina raha tsy te-hiala Gmail. Ary ho an’ireo tofoka moa dia mazava ho azy fa ny miala tsy mampiasa no fanafody, mba tsy hahazo aretim-po sy rarin-tsaina.

Tsindrio eto raha hijery lahatsoratra hafa mifandraika amin’izany, amin’ny teny Malagasy na teny Anglisy ianao.

Ato koa mbola azonao tsidihana ho an’izay mahay teny Anglisy ka liana manokana amin’ny reaka fahalalahàna miteny.

Laisser un commentaire