10 Aogositra 1991/07 Febroary 2009

Tsy dia naresaka loatra sy tsy dia tsaroan’ny maro tamin’ny Malagasy ny tantaran’ny 10 Aogositra 1991. Eny fa na izaho izay manoratra aza dia isan’izay tsy dia nahatsiaro loatra azy io. Asa na noho ny hazakazaka amin’ny fiainana, na izy saro-javona noho ny raharaha politika misy ankehitriny.

Fa miresaka ny ankehitriny ihany isika, maro no efa mahafantatra, saingy ho an’izay mbola tsy mahafantatra kosa dia anio no fotoam-pitsarana ny raharaha 07 Febroary 2009.

Fa maninona moa no niaraka notsiahiviko ireo raharaha roa ireo? Tsotra ny antony: satria na iry voalohany, na ity farany dia samy namoizana aina avokoa. Nisy rà nandriaka. Rà nandriaka noho ny fitiavan-tena sy ny fitadiavan-tseza (ara-politika). Tsy hidirantsika izay hoe iza no tia tena, na iza no nitady/namikitra seza. Ny tena tiana hotsindriana dia ny hoe isak’izay misy resaka sy tombontsoa politika tian’ny sasany hahatongavana dia ny vahoaka hatrany no atao sorona.

Efa fanta-poko fanta-pirenena fa zava-pady sy tsy tokony hatao ny miaka-dapa haka fanjakana izany, nefa dia mbola natao nandritra ireo vanim-potoana roa notsiahiviko ireo.

Tamin’ny 1991 dia lany rora ampitsanganana i Zokibe RAZANAMASY nanakana ny sasany tsy hitarika vahoaka ho any Mavoloha, noho ny fahalalany fa efa nivonona ara-pitaovam-piadiana hiatrehana ny zava-misy Ingahy RATSIRAKA sy ny ekipany. Fa dia rano nararaka tao an-damosin’ny gana teny amorom-pasika ireny, ka na nisy aza ny tsy voahazon’ny volo, tsy nisy ny azo noraofina izay latsaka an-tany. Be ny maty, be ny tsy hita, be ny nitondra takaitra tsy satry. Tao ny rava fananana sy fianakaviana noho ny hambom-po politikan’ny sasany sy ny fitiavan-tenany.

Ny taona 2009 (tsy midika akory izany fa hoe adinontsika ny 2002 – fa noho ny fisian’ny fitoviana sy ny andro androany fotoana hitsaràna ny 2009 no anasongadinana manokana ireo roa ireo), dia mbola toy izay ihany koa no azo ilazàna ny zava-nitranga raha nitondra ny vahoaka hiakatra an’Ambohitsorohitra ny avy etsy amin’ny kianjan’ny 13 Mey, sy ireo mpanara-dia an’ingahy RAJOELINA.

Isan’ny iraisan’ireo vanim-potoana roa ireo araka izany ny fitondràna ny olona ho fitaovana hanatanterahana ny tian’ny mpanao politika hatao, sy ny filalaovan’izy ireny ilay lazain’ny teny frantsay hoe ‘sensibilité-ny’. Dia nifanandrina teo ny mitady seza sy ny mpifikitra amin’hy seza, ary dia toro teo ny vahoaka. Moa va tsy araka ilay ohabolana Malagasy hoe « Ny mpivady no miady, ka ny ankizy no voatorotoro! »

Fotoana angamba izao tokony hanànan’ny vahoaka saina mahay mandinika, mba tsy ho zary fitaovana ho enti-manatratra tanjona lava izao isika rehetra. Mbola ankasitrahanao ve ny ho Vavolombelona ho an’ny Tanindrazana noho ny resaka toy ireny? Sa irinao ny ho velona hifanantitra amin’ny taranakao? Tsarovy fa izay maty tamin’ireny dia toy ny kintana manan-drambo ihany, nandalo…tsaroana fotoana vitsy…ananganana tsangambato…adino avy eo. Fa ny hirifiry entiny ho an’ny taranakao, tsapanao ve? Ny anao efa vita ihany fa ny azy kosa hitohy

5 Réponses

  1. Tena mety tsara ny fomba fanoratrao azy hodinihin’ny rehetra! mankasitraka!

  2. Hoy ianao hoe :

    « Efa fanta-poko fanta-pirenena fa zava-pady sy tsy tokony hatao ny miaka-dapa haka fanjakana izany, nefa dia mbola natao nandritra ireo vanim-potoana roa notsiahiviko ireo »

    Raha ny fijeriko anao dia niova hevitra ihany ‘kay ianao amin’izao fotoana izao. Satria teo aloha dia nanome rariny ireo mpiaka-dapa t@ 7 febroary ianao hatrizay.

    Sa kosa, mba te ho neutre kokoa ndray, mba hampandrimpandry ny fijerin’ny sasany🙂 lol.

    Betsaka ihany izay lahatsoratrao izay, fa raha ity dia hitako ho tena milaza ny zava-misy tokoa.

    Fomban’ny sasany mantsy, rehefa tsy te hilaza ny zava-misy, dia :
    – na mandainga, na
    – minia milaza zavatra tsy misy dikany akory lol.

    • Misaotra anao amin’ny fanamarihana. Misy teny vahiny izay raha adika tsotsotra dia manao hoe  » manefy ny olona ny fivezivezena ». Ka asa raha izay fivezivezena izay no nanefy na ahoana. Hatreto tokoa dia nolokoin’ny maro tamin’ny lahatsoratra navoakany ny teto amin’ny Gazety_Adaladala – tena adala tokoa, Nefa raha ny fitondrany ny fiainany andavan’andro sy ny fifaneraserany mivantana amin’ny olon-drehetra no alalinina dia be ny ho diso fijery. Toy ny mpihira sy mpanao tononkalo e, misy ny zava-niainana ary misy ny zavatra indramina. Poetika be loatra angamba ny filazako azy saingy inoako fa tsy ho sarotra ny manakatra ny hevitra ambadika tiana havoitra. Mankasitraka hatrany

  3. Izaho dia mankasitraka tanteraka ny nitarihanao ny hevitra mba isian’ny fieritreretana hendry sy tsara kokoa, satria tsy tokony hadino kosa fa tsy olona adala tsy akory ny vahoaka ka azo fitahina.

    Mahalala ny ataony ny vahoaka… ka ny fahitako azy dia isika Malagasy mihitsy no matahotra fahafatesana sy rà mandriaka ka tsy mahatsapa ny alalin’ny hevitra hoe « mahery fo ».

    Amintsika ny mahery fo dia ireo mpanoratra sy mpikabary mahay ny ankamaroany fa ny tena nirotsaka an’ady ary niatrika fahafatesana dia na odian-tsy hita sy tsy fantatra (toa ireo nanao ny ainy tsy ho zavatra namonjy ny entana farany tao an-drova tamin’ny taona 1995, ankoatr’ireo maty tamin’ny 1991 sy tamin’ny 2007) na iniana adino tsotra izao (toa ireo tena mpitolona marina tamin’ny 1947 izay maty, fa tsy ireto olona tsy nanao tsinontsinona nefa misora-tena ho tia tanindrazana).

    Ny kolon-tsaina nanefy antsika manokana amin’ny maha-nosy sy amin’ny maha-mponina tena iray ny Malagasy… sy ny tahotra fahafatesana ary ny finoana nentim-paharazana no mahatonga antsika ho « kanosa » amin’ny ankapobeny ka rehefa mila fanapan-kevitra hentitra sy fandraisana andraikitra, na dia handray fitaovam-piadiana aza dia ny lazain’ny vava no betsaka fa ny fanatanterahana « tsy misy »…

    Raha nitranga ireny tolona ireny, (ny t@ 2007 no akaiky), moa tsy ny nimpirina tany an-trano no nataon’ny maro??? nihomehy, niteny ratsy, naniratsira, nanamavo… (ny vava no betsaka) fa rehefa nipoaka ny tsy hay tohaina vao nahatsapa fa hay loza ny vokatry ny « hakanosana »…

    Tsy haintsika Malagasy izany hoe manapoaka mafy indray mandeha dia tsy misy resaka intsony mandritra ny zato taona sisa, manafongatra ny tena olana (izay tsy olona, na loko, na foko, na hevitra akory aza) dia ny kolontsaintsika ihany izay mila havaozina… sady toy tsy tontan’ny ela, kay lany andro nefa ihany koa mamiratra ivelany nefa lo an’aty dia sady aloan’ny tanora no maharikoriko ny antitra…

    Mirary soa!

    • Tena misy hosaintsainin’ny Malagasy rehetra ny teninao ary dia ankasitrahana indrindra. Mba firy re no mety hahatsapa ny toy izay e? Enga anie ka hitombo isa isan’andro.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :