Santiago – Lahatsoratro voalohany

Dezaka ny lalana vao tonga taty Santiago de Chili izahay 3 mianaka dia i Zokibe Jentilisa, Felana Candy ary ny tenako.

Ny 3 may 2010 tamin’ny 1 ora maraina sy 30 mn no niainga ny sidina  hitondra anay ho any Paris. Ary niandry 13 ora tao indray mandra-piainga ho aty Santiago ny alin’iny. Rehefa atambatra dia maharitra 24 ora teo ny sidina rehetra.soa aman-tsara ihany anefa.

Raha vao tonga eny an-tseranam-piaramanidina ianao dia mihevitra avy hatrany fa tanana efa mandroso sy lasa lavitra tokoa i Chili, saingy eny an-dalana hamonjy hamonjy hotely kosa dia hahita fa misy ny faritra toy ireny ‘bidons villes’ fahita any amin’ny tany mahantra ireny. Lehibe sy ñigodana ny lalana, ary nahavariana ny fanajan’ny rehetra ny lalana mifehy ny fifañoivoizana. Tsy ñisakana ny vitsivitsy haningana anefa izany, saingy zara raha nisy ireny maningana ireny.  Tsy dia rototra loatra amin’izay hianatra tenim-pirenena hafa ny olona aty noho ny teniny efa teny iraisam-pirenena rahateo. Goavana sy lava dia lava ny autobus aty.

Tanana maresaka i Santiago, ary be olona mifamezivezy tokoa. Kanto ny firafitry ny tanana, raha ny fijery ireo metro sy lalana ary tetezana mifamatopatotra eraky ny faritra aleha no itarafana azy.

Be alika ñivezivezy koa eraky ny tanana, ary maro ny vehivavy no mitantana alika eny an-dalana eny.

Fa anisan’ny tena mampiavaka ity tanana ity ny tsy fisian’izany hoe henatra izany ho an’ireo mpifankatia. Tsy an-dalam-be tsy anaty toeram-pivarotana fa dia mifanorokoroka etsy sy eroa. Ianao mijery na sendra mahita azy ireny indray no sadaikatra.

Miandry ny fisokafana amin’ny fomba ofisialin’ny Global Voices Summit 2010 sisa.

Reraka be nefa toga ka dia faly.

Une Réponse

  1. […] Jentilisa et Avylavitra  vont nous représenter au sommet de Global Voices qui se tient au Chili cette année. La contribution de la blogosphère malagasy est sollicitée pour […]

Laisser un commentaire