Fréquence Plus 67Ha

Tsy vao voalohany izao nandritra ity krizy misy eto Madagasikara ity no nisy fikasihan-tànana mpanao gazety. Nefa ny irariana dia enga anie ho farany.

Ny mampalahelo dia mpano gazety eo ampanatanterahana ny asany no sady voakasi-tànana no simba fitaovam-piasana.

Raha atao vazivazy ny resaka dia hoe ny lehibe no miady dia ny ankizy no voatorotoro. Nandritry ny fandaharana ‘Tamberim-baovao’  fandefan’ity onjam-peo (Fréquence Plus) ity tokoa mantsy, izay nanasany mpanohitra sy mpomba ny HAT hitafatafa no nisy olona niditra tsy nasaina, sady tsy niera tao amin’ny trano fitenenana. Tsy vitan’ny hoe nisambotra an-dry RAVONISON Ambroise, RAZAFINDRAKOTO Harison sy RANDRIAMIANDRISOA Joseph ireto olona ireto fa mbola nanimba ny fitaovana ihany koa.

Raha ny marina mantsy dia ireo olona naneho hevitra tao no tena anton-dian’ireo mpisambotra, saingy izay rehetra nolalovany sy sendra ny làlan’izy ireo, araka ny tatitra voaray, dia nahita faisana avokoa. Voalaza fa mpikambana ao amin’ny Cellule Tactique tarihin’ingahy Alian RAMAROSON ireto olona tonga nanao fisamborana ireto (vakio gazety Midi androany).

Ny minisitry ny serasera moa raha naneho hevitra tamin’ny Radiom-pirenena io androany io dia nilaza fa manameloka ny herisetra natao tamin’ny mpanao gazety. Ampy ve anefa ny fanamelohana, sa tokony hisy fandraisana andraikitra hafa mba hiatrehana ny toy izao sy hisorohana azy amin’ny hoavy?

********************************

Une fois de plus, la liberté d’expression et la liberté de presse ont été bafouées. Des éléments armées, en tenues civiles, ont fait irruption dans les locaux de la Radio Fréquence Plus, sis aux 67Ha,  samedi dernier. La raison de leur ‘visite’: arrêter les intervenants ce jours-là. Ils ont tabassée tous ceux qui ont la malchance de se trouver sur leur passage. Une journaliste et des techniciens ont été brutalisés. Des matériels ont été abîmés.  L’AJRP (Association des Journalistes des Radios Privées) puisqu’il s’agit d’une station privée, a demandé l’ouverture d’une enquête.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :