An’iza ny lamba mihaha…

Fiteny matetika ny hoe « tsy misy miafina izay tsy ho hita ». Dia mba tena tsy rariny kosa raha eo an-damosin’ny sasany no atao fitadiavana tombontsoa mihoam-pampana ho an’ny tena, raha marina ity tantara nivoaka tao amin’ny tranonkala mydago ity (izay nomarihan’ny mpanoratra ao fa trakta voarainy , ary itondran’ny eto amin’ny Gazety_Adaladala fanamarihana ihany koa fa tsy azy. Ny hany natao teto dia ny nampita fotsiny izay tazana tao amin’io tranonkala io).

Anarana mpitondra ambony maro amin’izao fotoana sy manamboninahitra jeneraly maro hatramin’nyfitondrana teo aloha no voatonontonona ao. Tsy afa-bela amin’izany koa anefa ny mpanao politika.

Raha marina tokoa ireo voalazan’io tranonkala io dia mba mangata-panazavana aminareo mpitondra izahay vahoaka, lazao ny marina ary ataovy ampahi-bemaso sy resaka ifanakalozana. Toy ilay tany Filipina e!

Tsy aritro ny tsy hilaza ity zavatra hitako matetika manoloana ny Look’s Ramasy Andravoahangy ity: matetika no misy mpitandro filaminana misakafo eo, ary na dia efa voalaza izao aza fa ‘parking privé » ilay eo ampita, dia tsy miraharaha sy mampiseho ny maha-mitam-basy sy tompon’ny hery azy ry zalahy. Sasa-poana ireo mpiambina miteny azy ireo, ary na mba misy olon-tsotra sahy miteny azy ireo aza dia toa fandrahoana no azo. Natrehiko maso ny zavatra lazaiko etoana. Vao tamin’ny Talata 21 Spetambra 2010 teo izao no nahitako tranga iray nampivanàka (soa fa tsy taty amiko ny fitaovana fandraketana an-tsary ny zava-misy fa raha tsy izany dia ho afa-baraka tanteraka ry zalahy – raha tsy voatifitra koa aho).

Inona no nitranga?:

Tsy miafina amin’ny maro angamba ny halehiben’io arabe manoloana ny Look’s Ramasy io. Alaivo an-tsaina ny sakany (largeur). Ny fitohanan’ny fifamoivoizana isan’andro, tsy vitan’izay manorisory, fa mitondra fatiantoka ho an’ny isan-tokantrano manana fiara, no sady miteraka fatiantoka ho an’ny firenena ihany koa rehefa mitambatambatra. Nefa dia teo no nanao ‘manoeuvre’ hiverina hitodi-doha ity fiaraben’ny mpitandro filaminana iray (camion, ireny ilay fitondra rehefa manao fampandrian-tany mandritra ny gidragidra ireny). Tsy taitra mihitsy ry zareo (ilay mpamily sy ilay iraikalahy manome toro-marika avy ety ivelany) fa dia naka ny fotoanany tokoa, na iza faly na iza tsy faly. Azy tokoa va re ny tany sy ny lalàna? Asa re…! Nefa mandra-pahoviana? Mandra-pahoviana no hitomoeran’izany toe-tsaina mpanao didiko fe lehibe izany eo anivon’ny fiarahamonina Malagasy? Mandra-pahoviana koa no hiaretan’ny olona ny tsindry toy izany? Mandra-pahoviana no hiaritra fiforetana noho ny hery tsy mitovy? Mandra-pahoviana no hiandry màna avy any an-danitra vao handray fepetra ny tsirairay, miainga amin’ny toerana misy azy tsirairay avy?

Laisser un commentaire