Fiara KARENJY

Tena tsy namitaka ahy ny fijeriko fa hay tena KARENJY tokoa ilay fiara tsinjoko namakivaky indray andro izay ny araben’Antananarivo.

Fiara ‘Vita Gasy’ ny KARENJY. Saingy noho ny fanamaivanana loatra ny vita avy eto an-toerana dia tsy nahita ny anjara-masoandrony teo amin’ny sehatry ny varotra anatiny ny orinasa nanamboatra azy. Toa henatra ho an’ny olona ambony mantsy ny fividianana zavatra ‘Vita Gasy’ tamin’izany fotoana izany.

Fa oviana tokoa moa no nanomboka ny fanamboarana azy ireny ary oviana no nitsahatra?

Tany amin’ny taona 1985 tany , no nanomboka ny fanamboarana KARENJY. Ny IMI, na Institut  Malgache d’Innovation no tompon’antoka taminy. Fiaraha-miasa tamin’ny vahiny no nentina nanana ny KARENJY Malagasy satria ny milina manodina azy dia avy amin’ny RENAULT (tanjaka Renault 18). Nisy sokajy roa no fantatro tamin’ izy ity tamin’izany fotoana izany ka:

ny iray dia nantsoina hoe MAZANA – natao hisedra ny lalan-dratsy eto Madagasikara sy sahaza ny tany Afrikana – Avy aoriana no misy ilay milina mpanetsika azy. Miara-mitondra ny kodiarana efatry ny sokajy MAZANA (4 roues motrices) – mandeha amin’ny solika mavezatra (gas oil) ary manana tanjaka soavaly 6 (6CV) – karazana hafainganana 5 mankany aloha ary iray mihemotra (5 vitesses avant et 1 en arriere) –

ny faharoa koa dia ny IRAKA izay kely momnja ny mahasamihafa azy amin’ny MAZANA satria kodiarana roa ihany ny azy no miara-mitondra (2 roues motrices) – mitovy herin-tsoavaly sy hafainganana mandroso sy mihemotra. (vitesse avant/arriere) izy roa ireo. Ity kosa mampiasa ny lasantsy fa tsy oty ny MAZANA


Maivana sy mora entina ny fiara KARENJY, saingy indrisy fa noho ny olana nateraky ny fihisatry ny tsena, dia nitsaha-niketrika ny fanamboarana azy folo taona monja taorian’ny nahaterahany (1995). Soa fa tsy maty anefa ilay zaza, fa farofy sy nitsabo tena tao anjorom-bala tao.

Efa naranty nandritra ny Salon de Paris tamin’ny taona 1985 ny KARENJY ho an’izay mahatsiaro. Raha tsy diso fitadidy aho dia sarin’ombalahy no sary namantarana azy. Angamba mbola ho izay hatrany no ho famantarana izay fiara hivoaka eo.

Niakatra ny avo indrindra teo amin’ny tantaran y ny KARENJY fony tonga nitsidika an’i Madagasikara ny Papa Katolika  JEAN PAUL II

Ankehitriny àry dia misy ny vondron’orinasa Malagasy miezaka ny hanarina sy hamokatra ny KARENJY avy amin’izay tapa-porohana sisa tsy may navelan’ny andro sy taona.

Isaorana betsaka amin’izany ny Le Relai, ny Miezaka ary Soatao izay handray an-tànana ny fanohizana ny tsy efan’ny teo aloha. Mirary faharetana sy fahombiazana ho azy, no sady manentana sahady ny Malagasy mba hanohana ny fahasahiana toy izao. Amin’ny fomba ahoana moa? Mba vidio ny vita Gasy e! Rehefa tsy nahazo 4 L ihany, dia mba mahazo KARENJY (mitovy laharana amin’ny R18 fa tsy 4L) fara-faharatsiny. Irariana fotsiny mba ho taka-bidy ho an’ny Malagasy ny KARENJY, na mba ho azony aloa tsikelikely. Sady handeha amin’izay fotoana ny orinasa Malagasy, hitombo ny asa – ary rehefa tonga koa ny solika vokarina eto an-toerana – oadrayyyyy, tsy ho tafaray ve ny tia sy ny manina.

Angamba mbola ho nofinofy hoy ianao! Tsy maninona fa ny ny hadalana sy ny nofinofy no nahatonga ny sasany teny amin’ny volana.

Ndeha hitsotsotra aho aloha hanonofy, sao mba mety hahazo KARENJY iray ao aoriana kely ao. Efa nanomboka namoaka fiara avy tamin’izay sisam-pitaovana tao mantsy ry zareo, ary mbola hanohy hanambatra sy  hanafatra, hono, rehefa lany ny eo an-tanana. Iza no hanaraka ahy? ‘Ndao e! Lasa izao, izao dieny izao. Efa an-jatony no kendreny havoaka ato ho ato. Hividy aho raha azoko aloa miandàlana. Marina e! Na dia ho fanomezako voninahitra ny anarana Vita Gasy fotsiny aza.

Mba ialao amin’izay ity toe-tsaina manaratsy ny ‘Vita Gasy’  ity e! Aiza rangahy koa faly manindrahindra ny an’ny hafa foana no atao raharaha hatramin’izay fa tsy miketrika izay mba hahasoa ny an’ny tena. Izay mba miezaka indray dia tsatsoina amin’ny hoe ‘matin-kambo’ fa tsy hankaiza io e. sns…

Mba vidio ilay HAMMER VITA GASY (mitovitovy endrika amin’ny Hammer tokoa aloha ny KARENJY an!) MArina fa omby mahia ihany raha milahatra amin’ilay amerikana mitovy endrika aminy, saingy miandry lelaka avy aminao izy, ho porofom-pitiavana.