TAPAKILA TEDx Antananarivo – CCI IVATO

Vaovao farany: Nilaza ny Mpikarakara fa ho maimaim-poana indray ny fidirana eny amin’ny CCI Ivato amin’ny andron’ny Sabotsy 14 Mai 2011.

Toy izao ny hafatra :

Entrée Gratuite au CCI pour le TEDx Antananarivo !!! ceux qui ont déjà acheté leur ticket à 10 000 Ariary seront remboursés. Places limités et venez nombreux, d’autres surprises sont prévus

Mbola azontsika atao ny mvidy ny tapakila hahafahana manaraka ny TEDx Antananarivo eny amin’ny CCI Ivato, izay hatao amin’ny Sabotsy 14 Mai ho avy io, iarahana amin’ny Fondation Akbaraly sy ny Orange Madagascar. Ireto ambany ireto ny toerana azonao ividianana izany

Agence Orange Galerie Smart Jumbo Score – Tanjombato

-Agence Orange Galerie Zoom CORA – Ankorondrano

-Agence Orange Ampasamadinika bâtiment ex Teillet Labrousse Ampasamadinika

Marihana fa ankoatra ny maha conférence azy dia hisy mpanakanto hanafana ny fotoana amin’io, koa hiara-ho hita ao izany ny mahasoa sy ny mahafinaritra.  Mpandray anjara 40 be izao no hitondra ny soa sy ny mamy ho antsika mandritra izany

http://www.ted.com/tedx/events/2449

Raha any ampita moa no misy anao nefa fanirianao ny hanaraka izany, dia ity ny rohy haanarahana azy mandritra io andro io

livestreaming ao amin’ny  www.tedxantananarivo.com

Publicités

TEDx Antananarivo – CCI Ivato

Afaka andro vitsy

Dans quelques jours

In a few days

TEDx Antananarivo avec Orange Madagascar – Fondation Akbaraly et plein d’autres invités de marque

TEDx Antananarivo – CCI Ivato: mandeha ny andro

Mandeha tokoa ny andro fa dia efa ho tapitra ity ny volana Aprily, ary ora sisa no isaina dia volana May indray isika. Volana May ifamotonan-tsika koa amin’ny hetsika TEDx Antananarivo 2011 miaraka amin’ny Orange sy ny Fondation Akbaraly eny amin’ny CCI Ivato amin’ny 14 May manomboka amin’ny 9 ora maraina. Hiresahana manokana momba ny homamiadana eo amin’ny vehivavy aty Afrika.

Tsy ho monamonaina ny mpanatrika satria ankoatry ny famelabelarana dia hisy ny fandraisan’anjaran’ny mpanakanto samihafa mandritra io hetsika io.

Efa mandeha anaty fampahalalam-baovao maro samihafa ny fampahafantarana ny hetsika, ka isan’ny nanao izany ny gazety L’Express de Madagascar hitako androany

Toy ity ny sary fanentanana ao anatin’ilay gazety

Tsiky toy izao no handray anao eny amin'ny CCI Ivato ny 14 May ho avy izao, Sary an'ny L'Express de Madagascar

TEDx Antananarivo / CCI Ivato 14 Mai 2011

Tapa-bolana mahery andro vitsy monja sisa dia higadona ny 14 Mai 2011. Andro nofinidin’ny TEDx Antananarivo hampanakoako ho ren-tany ho ren-danitra ny feo mitondra ireo hevitra afaka hampandroso ny mpiara-belona. Hevitra tsy avy aiza fa avy teny anivon’ny fiaraha-monina ihany, saingy tsy dia re loatra ve, sa nodiana tsy norenesina? Raha izany, fotoana iray io hilazàna amin’ny olona rehetra fa any ho any misy olona mikatsaka ny hahasoa ny hafa, any ho any misy olona manana hevitra azo zaraina hampivoarana ny tontolo, any ho any misy manam-piniavana hijery ny hafa fa tsy ny tenany ihany. Ary indrindra indrindra, fotoana io hitondràna ho an’ny maro ny lohahevitra amin’ity andiany ity manao hoe « Des idées pour endiguer le cancer chez la femme en Afrique ».

Ankoatry ny zavatra hafa azo ifampizarana araka izany, dia horesahana mandritra io fotoana io ny hevitra azo aroso hisorohana ny homamiadana mahazo ny vehivavy aty Afrika.

Homamiadana, antony fahatelo mahafaty ny olona aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, ary hamono olona 84 tapitrisa manerantany ato anatin’ny folo taona ho avy raha tsy misy ny ezaka hamongorana azy.

Homamiadana, aretina faharoa mamono ny olona any amin’ny tany mandroso ihany koa.

Homamiadana, tsy afaka miala amin’izany i Madagasikara. Hita eto ny karazana homamiadana samihafa, toy ny mahazo ny rà, ny nonom-behivavy sy ny maro hafa.

Misy toerana manokana omena antsika mpitoraka bilaogy amin’io andro io, izay isaorana manokana ny mpikarakara, koa entanina ianao mpitoraka bilaogy io, na raha misy fantatrao fa mpitoraka bilaogy tokony ho afaka manely ny feo mandritra io andro io, mivantana avy eny amin’ny CCI Ivato, dia ampitapitao ity hafatra ity. Homena fahafahana miditra maimaim-poana ianao amin’izany. Saingy kosa mila misoratra anarana. Raha manana solosaina finday moa ianao ho entina eny hanelezana ny zava-mitranga, dia vao mainka tsara, satria hisy WIFI matanjaka be hapetraky ny orinasa ORANGE Madagascar, miara-miasa amin’ny Fondation Akbaraly sy ny TEDx Antananarivo. Mandefasa hafatra momba anao sy ny bilaoginao ao amin’ny kaonty twitter @TEDxTNR manambara ny faharisihanao hiara-hiasa.

Ny CCI Ivato toerana handraisana ny TEDx Antananarivo 2011

Koa manentana anao tsy hanadino ny andron’ny 14 Mai 2011, fa ny TEDx Antananarivo dia miezaka hatrany manokatra valan-dresaka mora takatry ny rehetra, ho ahy, ho anao, ho an’ny tsirairay.

Ireo tenifototra azo anarahana ny TEDx Antananarivo : ao amin’ny Twitter @TEDxTNR , ao amin’ny Facebook  TEDx Antananarivo

#TEDx Antananarivo J-13

Vous êtes à Antananarivo, vous avez un blog, un micro blog, un public (quel que soit sa taille) qui pourra être intéressé par TEDx Antananarivo, et l’idée d’une entrée gratuite à la conférence TEDx Antananarivo ne vous déplait pas ? Nous avons réservé quelques places pour vous ! laissez nous un commentaire ci dessous avec le lien de votre site!

Dia araka io filazana amin’ny teny frantsay io izany dia mbola misy toerana ho an’izay liana hanatrika ilay fampihaonana karakaraina amin’ny 26 Novambra 2010 ao amin’ny Cafe de la Gare Soarano – Salle de l’Horloge

Ny tena andrasana ao anatin’ny « comment » hapetrakao dia ny mombamomba ny bilaoginao sy ny hevitra hitanao fa azo ampandrosona an’i Madagasikara, ka tsy mikitika ny resaka politika sy ny ara-pinoana.

Mihazakazaha sao tara ary e!

#TEDxTana 2010

NY AMINY (Lahatsary amin’ny teny Anglisy)

TED mivaky hoe Technology – Entertainment –Design, na ny Teknolojia – Fialamboly – Fanomezana endrika, sehatra telo lehibe miara-mamolavola ny hoavintsika.

Tao anatin’ny 25 taona, ny TED dia manangona isan-taona ao Etazonia ireo sangany amin’ny sehatra misy azy tsirairay mba hizara ny heviny sy ny zava-mahaliana azy ireo eo anatrehan’ireo mpanatrika voafantina manokana.

Arakaraky ny nandehanan’ny fotoana, dia naka ny endrika fihaonana momba ny fahalalàna sy ara-kolotsaina tena manana ny lanjany manerantany ny TED izay andraisana hatrany ireo mpandray anjara toa an-dry Bill Clinton, Bill Gates, Jane Goodall, Frank Gehry, Paul Simon, Sir Richard Branson, Philippe Starck ary Bono.

Ny fanahy, ny endrika ary ny fitsipika toavin’ny TED dia mahatonga azy ho vanimpotoana iray tokana an-tany.

Tany Monterey no niforonan’ny TED, any Californie, tamin’ny 1984. Tamin’ny 2001, Chris Anderson sy ny Sapling Fondation no naka ny TED teo ampela-tanan’ny mpamorona azy, Richard Saul Wurman.

TEDx

Noho io fahombiazany io, nikatsaka ny hahafahan’ireo mpankafy azy izay efa midadasika tokoa mba hanely ny fanahy TED eran’izao tontolo izao ny TED.

Ny fandaharan’asa TEDx dia natsangana mba hanohizana mizara ireo hevitra sy fahalinana amin’ny fahazoam-pahalalàna.

Ny « X » amin’ny TEDx dia midika fa hetsika karakaraina tsy miankina izy io ary ao anatin’ny fanajàna fepetra vitsivitsy nofaritan’ny TED

1. FAMARITANA NY HETSIKA: TEDxAntananarivo 2010

TEDx Antananarivo : Time to Go Green, io no lohahevitra hatrehina eto Antananarivo ny Zoma 26 Novambra 2010 ao amin’ny Café de la Gare, Soarano.

TEDx Antananarivo dia fitohizan’ny resaka natomboka nandritry ny TEDGlobal 2007 – « Africa the Next Chapter » tany Tanzanie… Vahaolana mahatalanjona maro amin’izao fotoana no ampiharina mba hiadiana amin’ny sasantsasany amin’ireo olana tena sarotra momba ny tontolo iainana sy ny fiovaovan’ny toetrandro. Misy ankehitriny ny orinasa afaka manova fiainan’olona an-tapitrisany, ary ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisana dia ahafahan’ireo hevitra sy vaovao marobe ho azo alefa amin’olona tsy tambo isaina.

Miditra lagara ao Antananarivo ny TED !

Ny TEDxAntananarivo andiany 2010 dia hibanjina lohahevitra fototra hoe « teknolojia maitso », dia ny angovo azo havaozina izay hanaovana pi-maso kely amin’ireo mpandàla tontolo iainana sy mpandraharaha ara-tsosialy eto Madagasikara. Ho fotoana hanan-karena betsaka ara-pihetseham-po sy amin’ny fahazoana zava-baovao io, ary ny faniriana voalohany indrindra dia ny haneho amin’izao tontolo izao fa i Madagasikara, na dia anatin’ny olana lalina ara-toekarena sy ara-politika mianjady aminy aza, dia mahatsapa fa raha tsy misy fandrosoana maharitra sy fikajiana ny tontolo iainana, tsy misy hoavy antenaina.

Maro amin’ireo mpandray fitenenana avy aminay no mpitondra tetikasam-pampandrosoana izay maneho fanantenana fiainana lafatra kokoa ho an’ny Malagasy an’alinaliny, ary nahoana moa, ao anatin’ny fotoana fohy, ho ana firenena afrikana hafa koa.

Aza avela handalo fotsiny io fotoana tokana hiainana hetsika miavaka io, aza taraiky fa tongava ho namanay.

NY MPIKARAKARA

Ny mpikambana :

Andriankoto Ratozamanana – tompom-panasàna

Andriankoto RATOZAMANANA dia nofidian’ny TED, amin’ny maha-mpiara-miasa azy amin’ny TED tany Arusha, Tanzanie tamin’ny 2007, ary mpiara-miasa TED tany Long Beach California tamin’ny 2009. Fantatra manerantany ho isan’ny mpitarika nahomby sy nampiseho lenta avo, indrindra indrindra amin’ny maha-mpamaky lay azy eo amin’ny resaka media vaovao teto amin’ny Taniben’i Afrika ary amin’ny maha-mpandraharaha ara-tsosialy azy koa eto Madagasikara.

Jacques SHMITT – Talen’ny hetsika
Henitsoa Andrianilaina – Tale misahana ny fandaharan’asa
Hamina Nirina Rapelanoro – Talen’ny fiaraha-miombon’antoka
Henri Rachel – Talen’ny Fandrindran’asa
Tosoa ‘Ndrianiaina – Talen’ny serasera (Media)

TEDx Antananarivo 2010

2. Ny FANOMANANA

Toy ilay andiany teo aloha teto Madagasikara, dia ho eto Antananarivo renivohitra no hisy ny #TEDx.

Ny toerana nofinidy dia ao afovoan’Antananarivo, ny marimarina kokoa dia eo amin’ny teboka fiaingana, kilaometatra aotra, ho an’ireo lalam-Pirenena sy ny zotran-dàlamby eto Madagasikara

Toerana iray ao anatina faritra manan-tantara, dia ny Garan’i Soarano.

Ny Café de la Gare miaraka amin’ny toerana mampiavaka azy manokana dia hanova manokana ny orany mba hahafahana mandray antsika rehetra.

Kaonferansy : Efitranon’ny famantaranora lehibe ao amin’ny (Salle de l’horloge) Café de la gare

Fiaraha-misakafo: Restaurant Café de la gare

Toerana : Café de la Gare P.K 00 Soarano Antananarivo

Isan’ny vahiny asaina : 150

Isan’ny mpandray fitenenana : 20 avy amin’izao tontolo izao

Endriky ny fandraisam-pitenenana: 3 minitra / 9 minitra / 18 minitra

Fanombohana : 14 heures

• Dingana 1 : Fihainoana ny Natiora

• Fampisehoana ara-javakanto

• Dingana 2 : Ireo hevitra mendrika hapariaka

• Pause café

• Dingana 3 : Angano / tantaran’ny famoronana

• Fampisehoana ara-javakanto

• Dingana 4 : Fanomezana endrika vao mipongatra

• Cocktail dînatoire

Famaranana: à 21heures

Nahoana no tohanana ny TEDx Antananarivo

Satria ianao ho mpandray anjara amin’ny fananganana fiarahamonina mino ny herin’ireo «hevitra mendrika hapariaka».

Satria ianao mino ny fiaraha-mironan’ireo orinasa sy olon-tsotra maniry ho mpandray anjara amin’ny fanovàna manodidina ny fomba fisainana sy ny hevitra miavaka.

Satria ianao te-ho fanoitran’ireo hevitra, teknolojia, famoronana sy fanabeazana ho fanampiana amin’ny fananganana hoavy mendrika an’i Madagasikara.

Satria ny TEDx Antananarivo dia ho hetsika fanao isan-taona tsy azo hihodivirana eto Madagasikara, eto amin’ny Taniben’i Afrika sy aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana.

Mpiara-miasa:  Facebook, Twitter, YouTube, TEDx Global ary iarahana amin’ireo tranonkala Malagasy toy ny Sobika.com, TananaLife.com, Takariva.com

Ity misy rohy amin’ny teny Anglisy manazava ny ezaka nataona mpanome endrika amam-bika iray, Becky Barber, 22 taona, mpianatra ao amin’ny University of Plymouth, nanamboatra vata fampielezam-peo tamin’ny volotara (Bamboo) ary mandeha amin’ny herin’ny masoandro: Izany hoe tsy miala amin’ilay lohahevitry ny #TEDxTana. Ezaka izay irian0ilay mpamorona indrindra raha mba manampy ny fanatsarana ny fiainana ara-tsosialy eto Madagasikara