10 maty, 200 latsaka naratra…

10 maty, ary 200 latsaka ny naratra, ireo no antontan’isa azo teny amin’ny sampana mpandray ny marary teny amin’ny Hoptaly lehibe iray teto Antananarivo. Nisy ny tsy te-hiampita amin’ny taona 2010 ka namarana an-tsitrapo ny androm-piainany. Nisy 3 tamin’ireny anefa no avotra soa aman-tsara ny ainy. Nisy kosa ireo tratry ny lozam-pifamoivoizana, na matin’ny nasesiky ny tanany, toy ilay rangahy iray tsy nihinana ‘tsaky’ sady tsy nikaly, nefa dia niboboka toaka. Dia atao ahoana moa fa tonga any amin’ny zavatra niriany angamba izy.

Tsy ireny rehetra ireny anefa no ho entintsika hilazana fa nosaronan-drahona ny fandraisana ny nidirana tamin’ny taona vaovao. Satria ireny ilay 0,01% tsy naha-100% ny hafaliana niditra tamin’izany taona vaovao izany, na dia ireo niantoka ny fiandrasan-draharaha tany rehetra tany noho ny asa aman-draharaha aza mantsy dia nahita fotoana kely foana mba hifaliana sy hifampirariana soa tamin’io fotoana iray tsy mba roa io. Misaotra anareo mpiasan’ny fampielezam-peo nampiaina any izay nitranga tany rhetra tany. Misaotra ny mpitsabo niandry sy nitaty ny hadalan’ny sasany teny an-dalambe teny. Misaotra ny mpitatitra niantokla ny fivezivezen’ny olona. Misaotra ny mpamonjy voina avy ao Tsaralalana satria dia nahavita nampaneno ny anjomarany na dia ny andron’ny 01 volana janoary aza mba hamonjena ny hafa. Misaotra ny toeram-pivarotana fanafody tratry ny fiandrasan-draharaha. Misaotra anareo rehetra izay mety tsy ho voatonona etoana fa asa soa goavana no vitanareo ho an’ny mpiara-belona.

Publicités

Nilamina ny fandraisana ny taona 2010

Marina fa ny tany tsy ilaozan’adala, kanefa kosa na dia izany aza dia azo lazaina ho tao anaty filaminana 99.99% no nandraisana ny taona vaovao 2010. Eny fa na dia teo aza ny tenin’ny mpanao politika sasany hoe ‘Tsy misy fety izany eo’.

Niantso an’i Andry Rajoelina hiverina an-databatra boribory ingahy Mamy Rakotoarivelo

Nasehon’ny Malagasy fa hainy tsara ny mifanaja rehefa tonga ny tokony hanehoana an’izany, ary tsy ny mpanao politika foana no tompony sy mpandidy ny fiainany. Enga anie mba ho raikitra lalina ao anatin’ny foto-pisainana Malagasy izany.

Nisy moa ny mpaminany vavy Shaberah nilaza ny tsy mbola hilaminan’ny raharaha politika ato ho ato, sy ny hisian’ny zava-tsy ampoizin’ny maro (indrindra fa ireo mpanao politika), nefa ny ahy dia tsotra ihany: Andriamanitra no antsoy, izy no ivavaho, fa ny vavaka manova zavatra. Nefa aoka tsy ho vavaka masirasira, fa ho tena anaty finoana (arakarak’izay finoana misy anao).

Efa mba somary miha-malalaka ankehitriny ny arabe, na dia tsy tena mbola afaka tanteraka aza ireo mpivarotra nibodo azy ireny.

Koa manantena ary isika rehetra, araka ireo fiteny Malagasy maro, ka isan’ireny ny hoe ‘Valim-piakarana, fidinana, Aorian’ny haizina, ny mazava, …’ ,fa mba hahita vokatra soa ao anaty filaminana eo am-panatanterahana ny asa aman-draharahany ny tsirairay, ho taona zina sy taom-pahombiazana anie ny taona 2010  an’i Madagasikara.

Mba tsy hatahotra hanova intsony anie ny Malagasy, ka hitady sy hampiasa ny fomba vaovao mety hahitana vokatra sy hampitombo izany haingana ny tantsaha, fa tsy hifikitra lava amin’ny nentim-paharazana lava izao. Na ny vahoaka hitny foana fa hoe ‘aleo ny eo ihany no eo , fa izay tonga eo toa mitovy foana ihany e!’ Sahia manao dingana, hoy ilay rangahy izay.

ARAHABA NAHATRATRA NY TAONA 2010

Tsy ny taona tokoa no manenjika antsika fa isika no manenjika ny taona. Noho izany, dia ARAHABA NAHATRATRA NY TAONA 2010 no atolotro anareo rehetra mpamaky ny gazety_adaladala. HAHATRATRA NY MARO MBOLA HITSINGERINA ANIE ary HO AMPOKY NY SOA SY NY TSARA AMIN’IZAY FIKASANA TSARA REHETRA KASAINTSIKA anie isika amin’ity taona vaovao ity.

ANDRIAMANITRA MANAN-KAREM-PAHASOAVANA ANIE HOMBA SY HITAHY MANDRAKARIVA NY TSIRAIRAY;