Hevitra manodidina ny 29 Martsa

Fanontaniana no nentin’i Ony Rambelo nanokatra ny fanehoankeviny momba ny fety sy fankalazana ny andro 29 Martsa ataon’ny taranaka ankehitriny. Toy ny fanehankevitra rehetra ihany no amoahantska azy eto, fa anjaran’ny tsirairay mamaky no maka na tia izay fmba fijery tandrify azy.

Hoy indrindra izy:

Hotakotaka no niainan’ny malagasy rehetra niaina ny 29 martsa taona 47.Tondro-molotra mahafaty no nitranga tamin’izany. Mpikomy no anarana niantsoana ireo niana-kendry nitaky ny fahaleovantenan’I Madagasikara mba hiverenany hiaina izany indray. Tsy ny hoe hamono tena amin’ny tsy antony akory no nanesika ny ankabeazan’ireo mpikomy ireo, fa misy antony tena naharesy lahatra azy tany anatiny tany…ary tsy tongatonga ho azy fa nisy hatrany ireo nanohitra ny fanjakana mpanjanaka  teto hatrany ampiandohany mihitsy. Matoa famonoan’olona marobe tsy hita isa no nitranga tamin’iny fikomiana iny dia tao raha, tao ny fomba fijery samy hafa tsy nitovizana ka nahatonga ny faharesena sy ny tsy fahombiazana.

Raha ny tokony ho izy dia tsy misy antony tokony hahatsiarovana ity datin’ny FIKOMIANA ity. Resy anie ny Malagasy tamin’io andro mainty teo amin’ny tantarany io e! Ny mpanjana-tany no nifaly sy nitoto rebika tamin’izany faharesena izany, ary nahomby ny fampiasany ireo malagasy nahazo tombony manokana tamin’ny fanjakana tamin’izany ka sahy “nanontsana” ireo mpiray rà aminy. Faty olona mikararàna ny tao anaty lamasinina, ny tany amoron-dramomasina rehetra tany, ny fandoroana trano , ny fametavetana, ny teny ratsy maharary marobe natao nandrabirabiana sy nanafokàna ireo nipelipelika tsy nanaiky ny fanjanahana.. Dia izany ve no hotsaroantsika ankehitriny? Ho tsaroana dia hitondra inona? Mandraka ity ny anio dia mbola tsy niala tsiny tamin’ny malagasy noho ny famonon’olona nigagan’izao tontolo izao iny ny fanjakana Frantsay .Verivery maina izany ny rà latsaka teto? Fanahy iniana nodisoina ny tantarantsika Malagasy teto ka nahatonga antsika ho very hasina sy tsy manana ny maha izy azy antsika satria tsy fantatry ny taranaka ankehitriny ny tena zavamisy marina sy ny tena antom-pisian’ny fikomiana tamin’izany taona 47 izany. Ireo be tati-bolana sy nitorotoroka tamin’ny fanjakana ny fisian’io fikomiana io no nandresy sy nahomby, ka izy ireo ve tokony hifaly sy hifetifety rehefa tonga ny vanim-potoana toa izao? Tsaroana etoana fa fifaliana sy hoby ary dihy no nameno ny tanàna tamin’ny fahadimampolo taonan’io fikomiana io, ary dia fanilo miampita hono e! Firenena resy ve dia hobiana sy handihizana e!

Ankehitriny dia tonga indray ny fijery samihafa eo amin’ny tontolo politika malagasy ary tsy misy maritoerana (répère) tena azo ijoroana sy hanamarinana ny tantarany intsony ny firenena malagasy..Entin’ny fanatontoloana sy ny fitsokan’ny rivotry ny fahefan’ny matanjaka ara-toekarena ny fikorian’ny hevitra eto. Fahatsiarovana ny vanipotoana toy izao ary tokony ho fisaonana sy fandinihan-tena. Ary tokony hangina izay minia mandiso ny tantara ka tsy mijery afa-tsy ny tombotsoany manokana..Ho tsarain’ny tantara e!, aoka ny tantara no hitsara e! Fa tantara inona anefa no resahana amin’io e? Ny vahoaka Malagasy tokoa ve no nanao ny tantarany sy niaina ny tantarany hatramin’izay? Sa notefena fotsiny izy hanaraka sy hiaina ny tantara efa  tsy maintsy hizorany? Ohatra an’ireny tantara ataon’ny ankizivavy kely amin’ny vato ireny e!

Ony RAMBELO

Publicités

29 MARTSA, FAHATSIAROVANA INONA?

…66 taona aty aoriana: Toa zary mihena hatrany ny fahatsapan’ny Malagasy ny hasarobidin’ny LOVA izay napetrak’ireo zoky-raiamandreny…

Vao nifoha handray ny asako aho io maraina io, dia itsy voasoratra matavy etsy ambony itsy no hitako voalohany tao amin’ny pejy Facebook. Ny zavatra tonga tao an-tsaiko voalohany dia ny hoe: 29 MARTSA, FAHATSIAROVANA INONA? Ny resaka tao Moramanga ve?

Be ny ho taitra, ary misy mihitsy ny hiteny hoe: Sao tsy Malagasy ilay Manoratra? – Tsia, Malagasy, ary niezaka nanakatra sy nandinika izay kely mba nety ho takatry ny sainy tokoa. Ka inona ary no mba takatr’ilay saina kely niketriketrika tao e?

Izao:

Nitolona tokoa ny zoky-raiamandreny, tsy lavina izany. Tafita ve? Tsia no valiny. Noho izany TSY FANDRESENA no azo tamin’izay fotoana izay (1947)

Nandeha ny andro sy ny taona. Nitaky fahaleovantena ny firenena maro erantany, VietNam, sns…hatraty Afrika. Mba isan’ireny koa ireo zoky-raiamandreny teto Madagasikara.

Tonga ny 1960, notolorana sarintsarinà fahaleovantena i Madagasikara. Notolorana hoy aho, fa tsy hoe « nàka na nandrombaka » an! Dia io andron’ny 26 Jona ankalazaintsika Malagasy isan-taona ho andro nahazoana ny fahaleovantena io. Saingy….saingy…. fahaleovantena tsy nankararirary ny aina intsony ny fomba nahazoana azy, hany ka sady tsy nisy, tsy misy, ary tsy nasiana vidiny akory hatramin’izao.

Rehefa mijery ny làlana izoran’izay rehetra tonga eo amin’ny fitantànana ny firenena ny tena, dia toa mahita saribakolin’ny Ntaolo vazaha hatrany. Tsy anavahako mpitondra nandalo teto amin’ny firenena io, na iray aza, ary hatramin’izao vaninandro iainako izao.

Afaka ary ve isika ankehitriny sa sao mbola ao anatin’ny tolona mikatsaka fahafahana sy fahaleovantena marina e?

Manalasala toa vozon’akoho Shinoa hoy ny fitenin’ny eny amoron-dàlana. Rehefa jerenao ny fomba fisaina, ny fomba fanao sy ny zavatra rehetra mihitsy, miainga amin’ireo mpitondra milaza azy ho tia an’i Madagasikara, mandalo amin’ireo mpanao politika tsy manaiky ho gisitra amin’izany lazaina ho fitiavan-tanindrazana izany, ary mipàka amintsika vahoaka lazaina ho valalabemandry (tena mandry tokoa – ary ho darohan’ny sasany amin’ny fanafody famonoana valalabemandry atsy ho atsy), dia malahelo. Ny inona sa iza no iantefan’ilay alahelo?

Malahelo ity tanindrazana iombonana ity ny tena,

  • satria ny olony -na ambony na ambany, mahantra sy manana- dia samy milaza azy ho tia tanindrazana avokoa. -nefa raha ny fisaina sy ny fihetsika dia ny mifanohitra amin’izay. Faly mifanenjika sy mifanipaka an-kàrona, manimba ny efa mijoro, nefa koa tsy miezaka manorina ho an’ny taranaka ho avy. Tsy mahalala afa-tsy ny anio sy ny ho an’ny tena ihany.
  • satria izay mba notoloran’ny besinimaro fahefana, dia tsy manan-katao afa-tsy ny hamoritra sy hambotry ireo nametraka azy ho solotena (satria asa fisoloana tena sy fanompoana ny vahoaka ny asa maha-mpitondra)
  • satria mitombo isan’andro ny fahantrana ka mampanaotao foana ny maro, tonga hatramin’ny fivarotana ny tanindrazana sy ny mpiray rà amin’ny tena mihitsy aza
  • satria ezahan’ny vahiny ampifandrafesina ny Malagasy nefa tsy mety mahatsiaro tena (sa tsy te-hahalàla), jereo ny fifamonoana any Atsimon’ny Nosy. Ezahana tsy atao maresaka, ary anagadràna izay mba sahy miteny ny tsy rariny sy hitan’ny masony. Mitaraina ny mponina amin’ny fomba mamohehatra ataon’ny mpitandro tsy filaminana nalefa hampangiana ny tany (vahoaka) any an-toerana, noho ny fanaovana tsinontsinona ny hasina maha-olona, « rehefa tsy manao didin’ny besandry maka fananan’olona, dia manao ramatahora sy manolana », hoy izy ireo rehefa mba tafaresaka aminao. Mba henoy mangingina anie ny resaky ny olona rehefa mitakoritsika ireo tonga avy any atsimo ery amin’ny fasan’ny kàrana e!
  • satria vao mainka lasa manantena hatrany ny vahiny hamaha ny olany ny Malagasy, fa tsy mba mihevitra ny hanana ny fiandrianany sy ny fanapahankeviny manokana (izany tsy miteny akory hoe tsy ilaina ny miara-miasa amin’ny vahiny), ka angamba atsy ho atsy, na ny vady ho alainao aza, mbola ny vahiny koa no hanapaka hoe METY IO, na SOLOY FA RATSY.
  • satria raha izao no mitohy dia mizotra ho any amin’ny fifamonoana toy ny atsy Afrika sy ireo firenena nijabajabahan’ny vahiny ny Malagasy. Hifampitoroka toy izay nitranga tany Frantsa tamin’ny andro fanenjehana Jiosy, ary hifampitsimpona sy hifamaly faty avy eo, rehefa tapitra ny fotoanan’ny FISOLELAHANA sy ny HALAKO BIKA TSY TIAKO TAREHY, mandra-pisindan’ny alahelo sy ny fifankahalàna vaovao ezahana volena eo aminy
  • satria efa tonga eto Madagasikara ny mpanani-bohitra vahiny, saingy tsy misy taitra ny maro, fa toa ny hanan-taranaka amin’izy ireny aza no hihazakazahan’ny sasany (sitrany ahay mba mihatsaratsara bika ny taranaka e!)
  • ….

Mbola be raha ny alahelo no hotanisaina, fa ndeha hiverenana ny fanontaniana ery ambony hoe 29 MARTSA, FAHATSIAROVANA INONA?

Valim-panontaniana: 
Ny valiny ho ahy dia FAHATSIAROVANA FAHARESENA, tsy misy afa-tsy izay. Amiko izany raha ny marina dia tokony ho andro fandinihan-tena sy fisaonana isan-taona no atao anaran’izy io fa tsy ho fety firavoravoana. Fahafatesana, hirifiry ary fiondrehana teo anatrehan’ny vahiny no nisy tamin’io andro io, koa tsy dia mendrika loatra hatao ho andro firavoravoana. Tsy mahatsiaro tena ho ataon’ny frantsay ho fihomehezana va re isika e? Indrisy !

29 Martsa 1947

Sary nalaina tao amin’ny pejy Facebook-n-ny https://www.facebook.com/MadagascarHier

 

Na ny 26 Jona aza dia mbola ametrahako fanontaniana toy izay ihany koa, saingy efa  » nentin’ny teo aloha, ka ombako tsy mahazaka ihany koa e!  » Fa raha ny sitrapo, dia mbola mitady datin’andro hafa ho tena hatao rakitry ny tantaram-pahaleovantena MARINA aho io.

Azafady raha nanafintohina anao ny lahatsoratro, fa izay aloha no fahatsapana niainga avy ao anatiko ao vao maraina tamin’ity 29 MARTSA 2013 ity

Ho entiko mamarana azy dia ireto fanehoan-kevitra notsongaiko avy atsy amin’ny Facebook:

firy amintsika no sahy sy hanana ny fitiavan-tanindrazan’ireo maty tamin’ny 47. … Andao hiaraka haningotra sy hanafongana ireo mpanao politika mpitsetritra sy mpanandevo ny malagasy. Maninona tokoa moa raha mba atao anaty wagon iray ireo dia mba tifirina ho faty any e! « ho mba lasa mahery fo, maty ho an’ny tanindrazany »!
Miarahaba antsika rehetra indray. Mahatsiaro ny 29 marsa isika anio, inona avy ireo endrika fitiavan-tanindrazana efa nasehonao ary mbola tokony hasehonao amin’ny tanora namanao?