TEDx Antananarivo / CCI-Ivato. Hoy i Mialy Rajoelina

Mialy Rajoelina izao no mandray fitenenana izao

milaza ny hafaliany mandray anjara amin’ty kaonferansa lehibe ity sy ny mahazava-dehibe ny ady atao amin’ny homamiadana

Tsy manakana anao tsy ho tia na ho tiana ny homamiadana hoy izy ary azo resena sy azo atao tsara ny miaina miaraka aminy

Ilaina ny miresaka azy, fa tsy tokony hahamenatra, mijanona ho namana hatrany ny namana , havana hatrany ny havana

Aza adino fa raha misy vehivavy iray tratry ny homamiadana, olona mbola miaina io, te-hiaina toa anao, tiavo izy , ampio izy. Azonao atao ny manampy azy hanatsara ny fiainany , sy hanatsara koa ny fiainanao manokana.
Nanolotra fisaorana manokana ho an-dramatoa Akbaraly izy amin’izao hetsika #TEDxTNR, TEDxAntananarivo 2011 tohanana’ny Fondation izao

TEDx Antananarivo – CCI Ivato

Afaka andro vitsy

Dans quelques jours

In a few days

TEDx Antananarivo avec Orange Madagascar – Fondation Akbaraly et plein d’autres invités de marque

TEDx Antananarivo – CCI Ivato: mandeha ny andro

Mandeha tokoa ny andro fa dia efa ho tapitra ity ny volana Aprily, ary ora sisa no isaina dia volana May indray isika. Volana May ifamotonan-tsika koa amin’ny hetsika TEDx Antananarivo 2011 miaraka amin’ny Orange sy ny Fondation Akbaraly eny amin’ny CCI Ivato amin’ny 14 May manomboka amin’ny 9 ora maraina. Hiresahana manokana momba ny homamiadana eo amin’ny vehivavy aty Afrika.

Tsy ho monamonaina ny mpanatrika satria ankoatry ny famelabelarana dia hisy ny fandraisan’anjaran’ny mpanakanto samihafa mandritra io hetsika io.

Efa mandeha anaty fampahalalam-baovao maro samihafa ny fampahafantarana ny hetsika, ka isan’ny nanao izany ny gazety L’Express de Madagascar hitako androany

Toy ity ny sary fanentanana ao anatin’ilay gazety

Tsiky toy izao no handray anao eny amin'ny CCI Ivato ny 14 May ho avy izao, Sary an'ny L'Express de Madagascar

TEDx Antananarivo / CCI Ivato 14 Mai 2011

Tapa-bolana mahery andro vitsy monja sisa dia higadona ny 14 Mai 2011. Andro nofinidin’ny TEDx Antananarivo hampanakoako ho ren-tany ho ren-danitra ny feo mitondra ireo hevitra afaka hampandroso ny mpiara-belona. Hevitra tsy avy aiza fa avy teny anivon’ny fiaraha-monina ihany, saingy tsy dia re loatra ve, sa nodiana tsy norenesina? Raha izany, fotoana iray io hilazàna amin’ny olona rehetra fa any ho any misy olona mikatsaka ny hahasoa ny hafa, any ho any misy olona manana hevitra azo zaraina hampivoarana ny tontolo, any ho any misy manam-piniavana hijery ny hafa fa tsy ny tenany ihany. Ary indrindra indrindra, fotoana io hitondràna ho an’ny maro ny lohahevitra amin’ity andiany ity manao hoe « Des idées pour endiguer le cancer chez la femme en Afrique ».

Ankoatry ny zavatra hafa azo ifampizarana araka izany, dia horesahana mandritra io fotoana io ny hevitra azo aroso hisorohana ny homamiadana mahazo ny vehivavy aty Afrika.

Homamiadana, antony fahatelo mahafaty ny olona aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, ary hamono olona 84 tapitrisa manerantany ato anatin’ny folo taona ho avy raha tsy misy ny ezaka hamongorana azy.

Homamiadana, aretina faharoa mamono ny olona any amin’ny tany mandroso ihany koa.

Homamiadana, tsy afaka miala amin’izany i Madagasikara. Hita eto ny karazana homamiadana samihafa, toy ny mahazo ny rà, ny nonom-behivavy sy ny maro hafa.

Misy toerana manokana omena antsika mpitoraka bilaogy amin’io andro io, izay isaorana manokana ny mpikarakara, koa entanina ianao mpitoraka bilaogy io, na raha misy fantatrao fa mpitoraka bilaogy tokony ho afaka manely ny feo mandritra io andro io, mivantana avy eny amin’ny CCI Ivato, dia ampitapitao ity hafatra ity. Homena fahafahana miditra maimaim-poana ianao amin’izany. Saingy kosa mila misoratra anarana. Raha manana solosaina finday moa ianao ho entina eny hanelezana ny zava-mitranga, dia vao mainka tsara, satria hisy WIFI matanjaka be hapetraky ny orinasa ORANGE Madagascar, miara-miasa amin’ny Fondation Akbaraly sy ny TEDx Antananarivo. Mandefasa hafatra momba anao sy ny bilaoginao ao amin’ny kaonty twitter @TEDxTNR manambara ny faharisihanao hiara-hiasa.

Ny CCI Ivato toerana handraisana ny TEDx Antananarivo 2011

Koa manentana anao tsy hanadino ny andron’ny 14 Mai 2011, fa ny TEDx Antananarivo dia miezaka hatrany manokatra valan-dresaka mora takatry ny rehetra, ho ahy, ho anao, ho an’ny tsirairay.

Ireo tenifototra azo anarahana ny TEDx Antananarivo : ao amin’ny Twitter @TEDxTNR , ao amin’ny Facebook  TEDx Antananarivo