Trano May Etsy, Trano May Eroa

Raha misy lohateny iray fahita tamin’ny gazety tato ho ato dia isan’ireny ny fahamaizana miseho lany etsy sy eroa.

DSC_00051Io hariva io dia toeram-ponenana maro no may sy levon’ny afo tetsy Antsahakely Besarety.
Tokony ho 20mn taorian’izay indray dia tranombarotra iray lehibe tetsy Ambatomitsangana Andravoahangy, mpivarotra ireny kojakoja ilaina amin’ny asa fanorenana sy ny fanamboarana ny atitrano ireny, no nirehitra. Loko sy akora simika, ary nahitàna zavatra vita tamin’ny plastika avokoa no hita tao. Izany hoe mora mirehitra. Araka ny voalazan’ny nanatri-nmaso ihany koa, dia nisy fipoahana avy ao anatin’ity trano ity taoriana kelin’ny nahitan’izy ireo ny afo sy ny setroka.

Azo ambara ho tsy nisy azo raisina ny entana tao anatin’ity tranombarotra ity, satria izay kely voasaringotra navoaka taorian’ny nifehezan’ny mpamono afo ny teo-draharaha, dia izay sisa tsy levon’ny afo, ary tafiditra anaty sokajin’ny brokatera.

DSC_00211

Soa aza fa tsy nahazo ireo tahirin’entana ahitàna valonan-damba marobe sy ireny simili-cuir ireny, izay tao amin’ny rihana voalohany. Raha sanatria nahazo ny rihana voalohany ny afo, dia tsy ho hita noanoa ny faharavana mety ho natrehana, ary tsy ho azo nialàna ny fahamaizana hatrany amin’ny ACEP.

ny fotoana nitadiavana izay fomba hamahàna ny misy ireo tahirinà valonan

ny fotoana nitadiavana izay fomba hamahàna ny misy ireo tahirinà valonan

Eto dia deraina manokana ny fahafoizan-tenan’ireo mpamono afo, nitolona nanao izay hifehezana izany, ary nisy mihitsy aza iray tamin’izy ireo torana teo amperinasa noho ny setroka.

nifamonjen'ireo namany ilay zalahy ity fa sempotra nitambotsitra

nifamonjen’ireo namany ilay zalahy ity fa sempotra nitambotsitra

Voatery mandady moa izy ireo mitady izay fototra niavian’ny afo, no sady mitifitra rano ihany.

natevina be ny setroka ka voatery nandady nizaha izay niaingàn'ilay firehetana

natevina be ny setroka ka voatery nandady nizaha izay niaingàn’ilay firehetana

Tombony ho an’ity tranobe ity ka tsy nihitaran’ny afo ho amin’ireo rihana rehetra sy ny efitra marobe taminy, ny fisian’ny toerana fanovozan-drano tsy lavitra teo, sy ny tsy fitohanan’ny fifamoivoizana, ka nahafahan’ny mpanono afo niasa haingana sy tamin-kalalahana tanteraka. Nampian’ire mpitandro filaminana. ihany koa.

Ndeha ary ny sary no avelantsika hiteny amin’izay e!

DSC_00141

DSC_00301

DSC_00331

DSC_00041

Raharaha hafa indray moa ny resaka andiam-balàla matory ao Ivato izao alina izao. Entanina ny olona tsy hihinana azy ireny rahampitso fa efa asiana fanafody izao alina izao

Publicités

Loza raha may ny ala kely … farihin’i Mandroseza

Tsy nisy andro iray tsy nandrenesana anjomara fanairan’ireny fiarabe mpamono afo ireny teto Antananarivo. Na andro na alina dia tsy maintsy mandre azy ireny foana ny mponina. Toa zary lasa fahazarana mihitsy indray aza angamba, mba tsy hilazana hoe lasa tsy mahataitra.

Fiaraben'ny mpamono afo

Toa mampahatahotra ny hiteny hoe efa misy tia milalao afo sy faly mahita zavatra may koa ve ny Malagasy (pyromane)? Teo aloha teo mantsy dia tsy nisy tsy taitra nandre fa may ny ampahany tamin’ny valan-javaboahary voajanaharin’Ankarafantsika, nanaraka azy avy eo ny valan-javaboaharin’Isalo. Tsy hoe adino akory ny « hain-trano faobe » mitranga eto an-drenivohitra, toy ny teny Antohomadinika, raha tsy hiresaka afa-tsy io isika.

Tamin’ireny tranga ireny dia saiky tonga nidodododo sy nihazakazaka nijery ny zava-nitranga sy hoe « hitondra anjara biriky » ny olona isan’ambaratongany. Fa raha ity nitranga androany ity kosa no lazaina, dia tena nampalahelo: May ny ala kely (mbola tamin’ny ampahany ihany aloha) manodidina ny farihin’i Mandroseza. Ampahany hoy aho, nefa tsy azo tsinontsinoavina ny haben’ilay faritra may. satria lehibe ihany.

Kely fa zava-doza raha avela hihanaka

Hoy ny manodidina

Tokony ho tany amin’ny 8 ora sy sasany maraina tany  no tonga teo niaraka tamina fiara 404 misy labasy ny olona vitsivitsy. Anton-dian’izy ireo ny handoro  antontan-taratasy am-patorana teo anatin’io faritra io. izay efa fanaon-dry zareo isaky ny andro sabotsy.

ireo antontan-taratasy nodorana nefa tsy may

Nilaza moa ireo mpiasa sendra ny tena teo amin’ilay toerana nisy ny fahamaizana fa tsy amperin’asa izy ireo no nisy niantso tamin’ny finday fa hoe

mirehitra ny ao anatin’ilay faritry ny ala kelin’ny JIRAMA.

Dia ho aiza izany ireo tarondro be teto?

Ary dia tonga nanohina ny antso tsy nisalasala. Na dia faran’ny herinandro tokony hialan-dry zareo sasatra sy hirevireveny aza (tsy afenina fa efa nahazohazo avy any amin’ny faritra nisy azy tokoa ny sasany tamin’izy ireo no tonga namaly ny antso).

Ankoatra ahy izay naharay antso avy amin’ny anabaviko monina eny amin’ny faritra akaikin’ny afo, dia nisy efatra teo ho eo angamba ireo mpiasa nijery ny fihanaky ny afo. Tsy fantatro na ny mponina  na ireo mpiasa no niantso voalohany ny mpamono afo. Tsy haiko na tamin’ny firy ireto mpiasa ireto no tonga teo an-toerana fa raha ny tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro nahatongavako teny dia tena mbola teo amperiny tamin’ny famonoana ny afo tokoa ny avy ao amin’ny mpamono afon’ny kaominina.

Raha ny teny heno avy amin’ireo mpiasa nanontaniana moa dia hoe tsy avy amin’ireo fako sy antontan-taratasy nodorana no niavian’ny afo fa avy amin’ny faritra ambany, akaikin’ny rano. Toerana izay lazain-dry zareo fa fieren’ny jiolahy sy ny mpanjono an-tsokosoko ary ireo mpifoka rongony. Fieren’ireo mpangalatra ihany koa hoy ny mponina eo akaiky eo.

Toa sarintsarim-piarovana ho an’ilay faritra ihany raha ilay tamboho natsangana manamorona ny arabe mankany Ankadindratombo iny. Raha tena miditra ao anatiny mantsy ianao dia hahita fa feno lala-masaka ao, izay efa ela nivezivezena tokoa. Mifampitohy sy mifandray avokoa izy ireny ary mivoaka mankany amin’ny lalam-by ery akaikin’ny lagara fiantsonan’ny fiarandalam-by ho any, na avy any Toamasina.

Saiky hangalatra fitia fa tsy nety ny androany e! Ramatoa nialoha lalana ka rehefa nifanena taminay (mpaka kitay) dia nitsiky sisa azo natao. Rangahy indray nitsirika ery ankavian'ny tamboho akaikin'ny lalamby ka tsy sahy nanaraka intsony. Amin'ny manaraka indray eeee!

Raha mihaino ny feon’ireo mponina eo akaiky eo indray, izay nilaza fa nahita ny fiandohan’ny afo sy nampandre ny tompon’andraikitra, dia avy amin’ilay fako nodorana ka nasavoritaky ny tadio no niavian’ny firehetàna. Tokony ho mba nisy ny fanaraha-maso ny afo natsangana araka ny fanamarihan’ireto mponina ireto, satria nambaran-dry zareo ihany koa fa indraindray maharitra iray andro mahery ny firehetana amin’ireo fako sy antontan-taratasy dorana eo ireo. Toy ny afon’ampombo misoko mangina.

Iverenana ilay sarintsarina fiarovana ilay faritra: sarintsariny amiko satria raha ny zavatra hafa tsikaritra tao dia vitan’ny olona ny mikapa hazo ao anatin’io faritra io, raha tsy ny tompony no nàka.

Dia hazo be no teto. Iza no nikàpa, tsy nisy nahita ve?

ny maka tanimena ao,

Ary sao mba ny mponin'ny citè ihany kosa no naka tanimena tety hananganana trano e? Asa lahy!

ny manao azy ho ‘trano fandriam-bahiny vonjy maika’, ny mametraka tsy amin-tahotra ny lakana fanjonoany eo amoron-drano eo,

tsy afenina intsony ny lakana fa avela ery amoron'ny lalam-by

tsy afenina intsony ny lakana fa avela ery amoron'ny lalam-by

ao ny mamadika azy ho trano fivoahana sy toerana fanariana fako na fanariana fatin’olona mihitsy aza ka indraindray dia efa mihintsa-nofo vao misy mahita (indrindra fa rehefa fahavaratra) hoy ny mponina eny. Na dia raisintsika hoe voafefy aza ilay mivoaka any amin’ny lagara, dia tsy olana ho an’izay te-hiditra ao ny miakatra ny tamboho avy aty amin’ny arabe ka miditra mankao. Nitaraina mihitsy aza ireto mponina eo akaikin’ilay faritra fa misy jiolahy tonga mifoka rongony ao anatin’io toerana io, ary amin’ny alina dia tafakatra hatrany ambony tafontranon-dry zareo. Nisy fotoana aza, amin’ny 11 ora alina, dia efa voasokatr’ireto jiolahy ireto mihitsy ny varavaran-kely tany ambony rihana.

Momba ilay hoe maka tanimena ao ny sasany dia tena zava-doza no hitranga atsy ho atsy satria feno lava-davaka be tokoa ao anatiny ao – lalina – ary ny iray amin’ireny dia ao ambany tamboho izay inoako fa efa tonga any ambanin’ny sisin-dàlana aloha kelin’ny tetezana mankany Ankadindratombo. Izany hoe dia efa miomàna izany fa atsy ho atsy mety hianjera ilay tamboho,ary hisy amin’ny ampahan-dalana , na farafaharatsiny sy sisin-dalana (trottoir) hanaraka azy.

Ny arabe mankany Ankadindratombo no ao ambadik’io tamboho io nakàna tanimena io

Nolazain’ny mpiasa iray ihany koa fa raha ny nanomanana ity faritra ity tany amboalohany dia ny ho fametrahana fitaovan’ny direksiona DLA ao amin’ny JIRAMA. Porofon’izany ny nahitàna andrin-jiro vitsivitsy mitsidrahaka ao anatiny ao. Ahitana vavahady roa ilay toerana, ilay ety ambony nidiran’ilay fiara nitondra antontan-taratasy hodorana, dia tariby monja no mba hidiny, raha mihidy cadenas tsy nahitàna fanalahidy hamohàna azy kosa ilay faharoa ery ambanimbany.

Saiky hatao fametrahana kojakoja no nanomanana ny toerana tany ampiandohana

Tokony ho tamin’ny 5 ora hariva latsaka kely tany ho any dia niala teo an-toerana ireo mpamono afo. Teny an-dalana hody koa anefa ny tena no nahatsikaritra avy eny amin’ny toerana avo fa mbola misy afo niha-nahazo vàhana indray avy ery amin’ny morony ambany akaikin’ny farihy. Niverenana nantsoina indray ireo mpamono afo (efa tany Besarety ry zareo tamin’ny antsoko voalohany). Indroa niantso aho ka nielanelana teo amin’ny 5 mn teo izany. Fotoana vitsy taorian’ny niantsoana azy ireo ( 15 mn) dia tafaverina ireo fiarabe roa nantsoina. Ny afo amin’io efa mahavitra  2 na 3  metatra indraindray, rehefa sendra mitsoka be ny rivotra. Marihana fa avy nandalo ririnina isika ary be ny ravina maina nihintsna nameno ilay faritra. Nanamora ny fitaran’ny afo izany, nampian’ireo fako sy ‘sachet’ maro arian’ny sasany ao anatin’ilay faritra.

Olana iray teny an-toerana koa ny tsy fisian’ny atao hoe ‘bouche d’incendie’. Voatery noho izany ireo fiarabe nandeha tany Ambanidia tamin’ny voalohany, ary avy eo vao teny amin’ny tohodranon’ny JIRAMA tamin’ny fanindroany no naka rano.

Tsy nisy olon’ny fokontany nanatrika ny fahatongavan’ireo mpamono afo tamin’ny voalohany, ary tamin’ny famonoana afo faharoa aza dia nantsoina tany mihitsy ny lehiben’ny fokontany sy ny mpiara-miasa aminy vao mba nidina nijery ny zava-nitranga: Tsy takona nafenina anefa ny fisian’ny setroka sy ny anjomaran’ny fiarabe mpamono afo.

Tamin’ny 5 ora sy sasany hariva aho vao afaka tanteraka teny amin’ny faritra nisy ity fahamaizana ity, ary ny zavatra tena nanamarika ahy indrindra dia ny tsy nahitako tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny orinasa JIRAMA – na iray aza – tonga nanotrona sy nijery na nanadihady ny zava-misy. Teny anelanelany teny dia nisy ihany ny antso an-telefaonina nifanaovan’ny mpiasa iray tamin’ny ‘hoe lehibeny’ izay nangataka ny hifampiresaka amin’ny solontenan’ny mponina mipetraka eo akaikin’ilay faritra may, nefa tsy fantatro hoe inona no antony fa dia isak’izay mandray ny finday ireto mponina teo amin’ny faritra dia tsy misy namaly resaka any ambadika any, fa nangina na tapaka ny fifandraisana. Tsy nisy araka izany fifampiresahana teo amin’ilay ‘lehibe any anaty finday’ sy ny olona ‘saiky tra-boina’ teny an-toerana. Mahagaga an!  mahatalanjona!  Tsy zava-maivana velively anefa ny tohiny raha sanatrian’izany ilay firehetana faharoa ka tsy tsikaritra ara-potoana satria mety ho niredareda nandritry ny alina tao sy nandoro ireo ‘citè’ teo akaiky. Ireto farany rahateo efa nisy nipitihan’ny afo, ka raha ny filazan’ilay vavolombelona mitantara eto ambany dia nisy tamin’ny zanany mihitsy no may teo amin’ny tratrany. Soa fa tsy dia zava-doza loatra,. Fa na izany aza…

Talohan’ny nialan’ireo mpamono afo tamin’ny andiam-pamonoana voalohany dia nanafatra ireo mpiasa izy ireo (teo imasoko no nanaovany an’izay) mba hanara-maso ilay afo sy ny faritra manodidina. Ary tamin’ny fiverenany faharoa dia tezitra mafy izy ireo fa hoe tsy nandray ny andraikiny ireo mpiasa nafarana. Ireto farany izay nanamarika raha nanontaniako fa

avy any Atsimon’Ambohipo no naharay ny antso ka nidodododo namonjy an’i Mandroseza ny iray, ary ny iray hafa kosa avy any Avaratr’i Mahazoarivo.

Fomba ahoana hoy izy ireo no hanarahanay maso ny afo avy any ambadiky ny akata be any, ary izahay rahateo olona tsy amperin’asa fa mba tonga fotsiny nanohana ny antso sy manampy amin’izay tokony ho vita. Ny tokantranonay koa ve tsy kaontiana?

Isan’ny kiana nataon’ireto mpamono afo tamin’ireo mpiasa ny hoe

efa mba nilazana ianareo fa mba jereo ilay afo, nefa moa nareo aza mamo amperin’asa. Tsy eritreretinareo ny gas oil laninay sns…

Mino aho fa tsy nahafantatra itsy nolazaina tetsy ambony ireo mpamono afo hoe mpiasa tsy amperin’asa anie ary tany ampiatrehana ny fiainany manokana tany ireto manatrika azy eo amin’ity toerana ity.

Nisy olona sendra naheno izay ‘taim-bava’ avy amin’ny mpamono afo izay no tsy faly ka nimonomonona niteny hoe

Tsy ny asan’ialahy no atao tsara fa ialahy tsy namono tsara ny afo tokony hovonoin’ialahy no nahatonga an’io niverina. Ary ny hetra alohanay no miantoka ny gas oil fa tsy avy any ampaosin’ialahy. Ka vonoy ny afo dia mandehana mody

Soa fa tsy henon’iretsy avy any Tsaralalana ny teniny fa asa angamba izay ho tohiny. Mety tsy ny afo indray no voatondraka.

Mbola teo amperin’asa tanteraka ireo mpamono afo tamin’ny 5 ora sy sasany nialana teny an-toerana sy tsy nahitako tompon’andraikitry ny orinasa mba tonga teny an-toerana. Mampalahelo! Tena olom-pirenena tompon’andraikitra tokoa k’ah….! Hoy sisa  ilay iraikalahy nisotro kafe tetsy ampita hoe

izao no izy rehefa tany tsy misy fanjakana.

Fanjakana iza anefa ilay andrasana? Foibe sa fanjakan’ny JIRAMA ? Tsy fantatro ! F’angaha tokoa moa misy idiran’ny fanjakana ny fitiavana milalao afo? Ny andraikitry ny orinasa amin’ny tokony hiarovany ny fananany angamba no tokony hasiana resaka

Antenaina  fa mba efa maty tanteraka izay ny afo any an-toerana ary mba handry fahalemana ny olona.

Fa isan’ny tsy hita teny koa ny mpanao gazety matihanina!

Ato  ny video misy ny fijoroana vavolombelona nataona mponina iray monina tena eo akaikin’ity faritra nirehitra ity. Ao anatin’izay fijoroana vavolombelona izay no ilazany fa ny afo nandorana ny fakon’ny JIRAMA ihany no nandoro koa ny kirihitra manodidina ary nanampy tosika sisa ny rivotra. Afo izay raha nisy kely foana dia namoizan’ireto olona ireto ny fananana hàriny an-taona maro.

Fort Duchesne 20mai2010

Marihana eto ampiandohana fa azonao atao ny mijery ny sary ao amin’ny flickr (avylavitra)

Talohan’ny fifandonana dia ny mpihoko nanohana an’i Lieutnant Colonel Andrianjafy Raymond no tompon’ny faritra ambony rehetra.

Teny ihany koa ireo olona tonga nanohana ny antson’ny mpitondra fivavahana. Nisy ny sakana natao nanerana ireo lalana mankany amin’ny toby. Efa vonona tao anatin’ny faritra misy ny fasan’ny maherifon’ny firenena ireo seza sy trano lay hanaovan’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana fotoana.

Nidina avy any anaty toby tany ny Gl ZAFERA ka naneho ny tsy hafaliany amin’izao fihetsika ataon’ny ampahany avy ao amin’ny F.I.G.N izao; nakorontany daholo ireo seza efa voaomana teo no sady nolazainy fa fanonganam-panjakana izao ataon’ireto olona ireto izao. Rehefa vitany izany dia niverina nankany an-toby izy ary tsy niala tao hatramin’ny farany amin’ny maha-tompon’andraikitra voalohany azy ao amin’ity toby ity. Araka ny fantatra taty aoriana dia tsy nitsahatra ny nandresy lahatra iretsy mpihoko ny Gl ZAFERA mba hiverina amin’ny fanapahan-kevitra ka hitolo-batana.

Tokony ho tamin’ny 10:15 dia nanokatra ny ‘tantara’ teny amin’ny mankeny amin’ny fasan’ny maherifo (Mausolé) ny F.I.S

Rehefa nahita izany ireo tao an-toby dia nanomboka ny poa-basy voalohany. Naharitra tany amin’ny 20 mn na antsasakadiny mahery tany izany. Rehefa nahita ireo avy amin’ny EMMO/REG fa sarotra ny raharaha raha hidina tokoa ireto avy any ambony, dia nanomboka namaly tifitra sy niezaka ny niakatra nankany amin’ny toby.

Hatrany amin’ny manodidina ny tamin’ny 11 ora na mahery tany ho any ny fifanakalozana tamin’ny tifitra.

10:30.Nandefa ny mpianatra tany aminy nody ireo sekoly teny amin’ny manodidina. Hatrany amin’ny Anjerimanontolo (Ankatso) dia najanona daholo ny fampianarana. Ireo mpianatra, zanaky ny tao amin’ny toby ka saiky handeha hody, dia nasaina namonjy avy hatrany ny teny amin’ny Toby Ratsimandrava mba ho fitandroana ny ain’izy ireny. Ny fianakaviana, vady aman-janak’ireo tao amin’ny toby, koa dia niangaviana mba hiala tao sy hamonjy ny toby Ratsimandrava. Nisy tamin’ireny ny vao tera-bao.

12:30 Nanamafy ny filazana ny Cl RAVALOMANANA Richard fa efa nasaina nila tao daholo ny fianakavian’ireo mpihoko. Toy izany koa ireo sivily tonga hanatrika ny HMF. Saingy ireto mpomba ny HMF moa na dia efa voahodidina sy efa tsy afa-manao na inona na inona aza dia mbola nihogahoga sy nanompa ny EMMO/REG avy ery ambony akaikin’ny fasana ihany.

Na dia tsy mitohy aza, dia nisy mitsitapitapy eny ihany ny poa-basy.

12:45. Lehilahy iray no tratra niakatra tamin’ny moto ho any amin’ny FIGN (araka ny teniny mihitsy io an), ary rehefa nosavaina ingahirainy dia nahitana saron-tava tany aminy. Tonga dia notazonin’ny Cl Ravalomanana ny karapanondrony ary nasainy namonjy ny toby Mahamasina izy sy ny moto nentiny. Tsy nanda mihitsy moa ity olona ity fa nilaza mazava hoe azy vao avy novidiany teny Andravoahangy ilay ‘cagoule’ ary handeha hamonjy ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana no anton-diany.

13:05.  Heno teny amin’ny toerana avo teny fa nisy tamin’ireo mpomba ny HMF no tsy te-halaina sary ka nitora-bato ny foiben’ny La Gazette de la Grande Ile, izay tsy aiza fa aty amin’ny sampana-dàlana miakatra ho any amin’ny Mausolé iny. Nanome baiko teo noho eo ny Cl Ravalomanana Richard ny mba hisian’ny andiana mpitandro filaminana hijery haingana any sy hisambotra izay tompon’antoka amin’izany.

16:XX Niresaka mivantana tamin’ny mpanangona vaovao ny Cl Ravalomanana Richard ary nitady manokana ny mpanao gazety avy amin’ny Radio Fahazavana sy ny Antsiva (fa toa izany no radio henoin’ireo mpihoko tao an-toerana nisy azy ireo tao). Hita teny foana ny mpanao gazety avy amin’ny Radio Fahazavana talohan’io fampiantsoana io, saingy nony natao ilay antso dia nanjavona ranamana. Ny anton’ny fampiantsoana moa dia ny mba hahazoan’ny Cl Ravalomanana miditra mivantana amin’ireo onjam-peo ireo hilaza ny faniriany hifampiresaka mivantana amin’ireo ao an-toby mba tsy hisian’ny rà mandriaka. Aleo hoy izy mifampiresaka. Lany fahana mantsy ny findainy araka ny filazany ka dia naleony nandeha tamin’izay làlana izay

Nisy ny fifampiraharahana tany ambadika tany ary niandry hatramin’ny ora farany ny Cl Ravalomanana vao nangataka ny hidirany mivantana amin’ny fampielezam-peo ka nilazany fa ala nenina farany io ataony io satria nadamoka ny fanelanelanana natao hatramin’ny tamin’ny 4 ora sy sasany tany ho any.

Talohan’io anefa dia efa nisy, araka ny filazany, ny fikazan’ny Lt Cl Raymond hitolo-batana saingy matahotra ny amin’ny ainy izy, no koa tsy navelan’ireo namany hivoaka fa hoe miara-maty ao.

4:30 hariva na mahery kely teo ho eo no nanomboka ny fiakarana sy fakàna tanteraka ny toby nisy ireo mpihoko. Rehefa azo anefa ny toby dia efa tsy tao intsony fa tafaporitsaka ny Lt Cl Raymond sy ny mpiara-dia sasany taminy. Nisy ny maty tavela tao anaty toby.

Araka ireo vavolombelona nanatri-maso dia nanao akanjo sivily ary namonjy fiara Prado Fotsy efa niandry azy teny amin’ny manodidina teny izy ireo ary nirifatra nanitsy tany Besarety tany. Tsy nisy laharana ny fiara. Nisy ny fanamiana sy fitaovam-piadiana nariana tany anaty kirihitra, ary nisy ny navela tao anatin’ny toby ihany rehefa nandositra izy ireo. Ny hafa tamin’ireto nandositra ireto anefa, araka ny filazan’ireo nahita hatrany, dia nitondra ny fitaovam-piadiany nanaraka azy. Ary nihazo ny renivohitra ny diany.

Tombana: Nanomboka tamin’ny 10 ora mahery tany ka hatramin’ny tamin’ny 5 ora hariva nialana teny an-toerana dia toy izao ny tarehimarika azo:

3 no maty ka FIS (Ramarson Mahafaly) iray, F.I.G.N iray, olon-tsotra iray (Raharinjatovo Justin 65 taona).
maherin’ny 7 ny naratra