TEDxAntananarivo : Communiqué de Presse

 

Communiqué de presse

TedxAntananarivo le 1er Septembre 2012 en un clin d’oeil

 TED:Technology, Entertainment, Design.

Fort de ses débuts en 2009 initié par Harinjaka Ratozamanana – boursier TED et titulaire de la licence TEDx Antananarivo (TED fellow), le collectif TEDx Antananarivo renouvelle l’expérience le 1er Septembre 2012 prochain à l’Hotel Carlton Anosy pour une quatrième édition organisé à Madagascar, invitant près de 500 spectateurs et proposant 13 prestigieux orateurs malgaches présélectionnés qui interviendront devant un public pour donner leur analyse du monde sans cesse changeant.

« BACK TO… » sera le thème qui fera référence au retour à la vie active et au redémarrage des activités après les vacances, à l’échelle de l’individu comme de la communauté. Inspirer et booster à travers les différentes interventions axées sur ce qui se fait de meilleur dans le domaine de la Technologie, de l’Entertainment (divertissement) et du Design.  Comme l’ensemble des conférences TED et TEDx, sachant que le « x » est utilisé pour les conférences organisées de manières indépendante, en partenariat avec TED au niveau international. Ces conférences visent  à ouvrir une plateforme de discussion et de rencontres pour des idées riches et toujours plus innovantes.

Le « mouvement-phénomène » TED (Technology-Entertainment-Design) est une organisation à but non lucratif. Une conférence TED  rassemble une série de conférenciers pour de courtes interventions de 18 minutes au plus, visant chacune à présenter une idée, un concept. 18 minutes où chaque conférencier doit prendre possession de l’espace sur scène, pour partager ses connaissances et sa vision… Quelques minutes riches animées avec un ton passionnant et enrichissant.

Filmées et diffusées sur le site TED lors des TED Events ou des TEDx pour les conférences organisées de manières indépendantes à travers les licences.

TED rassemble chaque mois de fevrier durant quatre jours des participants venant d’horizons différents et passionnés de TED.

Suivant leur slogan «Ideas worth spreading», les organisateurs de conférences TED espèrent ainsi faire circuler les meilleures idées à l’échelle du globe.

 Contact presse :

Centre de presse malagasy: ivongazety@gmail.com

contact@tedxantananarivo.mg

http://www.tedxantananarivo.mg

Publicités

Ambohijatovo #m1905, vakio hoe Madagasikara 19 May

Ho tohin’ny tantara lavabe nampifanolana ny #FreeFM amin’ny Fitondrana Tetezamita tarihan’Atoa #Rajoelina Andry Nirina, dia nanatanteraka famoriam-bahoaka teny Ambohijatovo i #LalatianaRAKOTONDRAZAFY sy #FidelRAZARAPIERA tamin’ny Sabotsy 19 May 2012 lasa teo (azonao arahana ao amin’ny Twitter amin’ny tenifototra #m1905 ny amin’izany). Nilaza ny hirotsaka hiaraka taminy ny avy amin’ny Ankolafy ZAFY Albert, sy ny sendikan’ny mpanao gazety (niala an-daharana tamin’ny fotoana farany ity sendika ity). Nilaza ny hiandry ireo mpitarika teny an-toerana koa moa ny jeneraly Ravalomanana, saingy mandra-pahatapitry ny fofona lacrymogene dia tsy hita tava teny mihitsy izy.

Teo akaikin’ny tsangambato #MDRM

Raha tamin’ny 9 ora maraina no efa tsinjo fa tsara petraka teny ireo fiara maro an’ny mpitandro filaminana, nanoloana ny vavahadin’ny kianja (-n’ny demaokrasia), tery ampita tsy lavitra teo kosa efa nisy olona vitsivitsy nanomboka nitangorona.

Mihamatevina hatrany ny isan’ny olona

Faritra maromaro nanodidina ny kianja no nametrahana ny mpitandro filaminana (Instat Anosy, Gare Soarano, Tonelina Ambanidia, Station Essence Jovenna Ambohijatovo, Ministeran’ny mponina…),ankoatra ireo mandeha mivezivezy amin’ny fiara mbola raitra sy matanjaka.

Ireo mpitandro filaminana napetraka teny akaikin’ny Station Jovenna Ambohijatovo

Nitombo miandalana ny olona. na dia tsy mbola hita aza ireo mpitarika ny hetsika hatramin’ny tamin’ny mitatao vovonana.

Ny tena nahazendana ahy dia ny nahita Malagasy iray nitondra vazaha efatra mianaka, handeha hilalao ao anaty kianja, hono, ary rehefa nanontaniako teo am-bavahady ilay ranamana Malagasy, dia izaho indray no tratry ny fanontaniana hoe :

Fa misy inona fa tsy arako?

Dia Gaga elah!

Tsy mahay afa-tsy teny Anglisy moa ireto mpivady nitondra an-janany (izy roavavy kely mba nahazo teny frantsay ihany), ka dia voatery ny tena nanazava taminy tamin’ny teny Anglisy ny zava-mitranga sy mety hitranga. Ary aleo nandefa azy ho any Tsimbazaza.

Hiverenantsika ny tena ventin-kanina.

Manomboka feno olona koa ny midina mankany #Analakely

Oayyyy eee! Mpiantsena daholo ve ireto?

Rehefa ela niandrasana teo ny olona maro izay efa nihamarobe tokoa, dia nanomboka tsindrian-daona. Nisy delegasiona voalohany nanatona ny lehiben’ny mpitandro filaminana mba hifampiraharaha. Valiny: tsia, tsy azo idirana ny tanàna fa any an-kafa, na magro manao hetsika

ireo saika hifampiraharaha tamin’ny EMMO

Nanomboka teo koa no efa nisy ny nanandrana nitarika ny olona hisahotaka, saingy tsy nandaitra fa voatosiky ny mpitandro filaminana, sy resy lahatr’ireo delegasiona voalohany, mba hihemotra hiandry ny mpitarika,  alohan’ny hanaovana dingana hafa.

Efa nanomboka feno ny teo anoloan’ny fiakarana ho any Antaninarenina, Ambatonakanga sy ny manodidina ny tsangambato MDRM, ary ny sisiny amin’ny fiandrasana taxibe 119. Toy izany koa ireo lalana miakatra miverina mankany Ambondrona sy ny tohotohobato Tavao, ary ireo havoana sy tranokely misy terasse manodidina lavitra eny

Na terrasse, na tamboho, nitazanana avokoa

Miantrana ny fiara, nefa mitombo koa ny olona

Mandram-piandry ny mpitarika sy izay hiseho ary dia mba afaka niala voly ihany ny mpanatrika taty amin’ny lohalaharana, satria dia nisy an’ilay ramatoa iray sahy nihantsy ireo mpitandro filaminana sy manipy vato tany amin’ny fiara, eny fa hatramin’ny mitsilany eo amin’ny arabe mihitsy aza, mba hanakana ny fiaran’ny EMMO tsy hiroso. Voatery mihitsy moa ireo mpitandro filaminana nibata sy nanipy azy ho eny amin’ny sisin’ny tsangambato.

Andao raha sahy…Oay, diso fa Tifiro raha sahy no nolazainy

Nodradradrain’ity ramatoa ity fa maty noho ny entona mandatsa-dranomaso nalefan’ny mpitandro filaminana ny zanany, koa raha sahy ireto mitana ny basy eny an-tanany, dia aoka koa hitifitra azy. Vitany mihitsy ny nitety tsirairay ireo fiara niantsona teo. « Hiady amin’adala tokoa ve moa » hoy ny sasany. Saingy adala noho ny inona tokoa moa izy? Ary raha isika no teo amin’izay toerana lazainy sy tantarainy izay. Marihana fa somary nandrairay kely ramatoa ka vao mainka koa nampiakatra ny hafanam-pony sy ny fahasahiany izany.

Mivoaha izay mafy e!

« Itsaho raha sahy fa ny zanako aza efa matin-tenisany tamin’ny lacrymogene »

Nolanjaina toy ny entana ary nahilika tery amin’ny sisiny, rehefa nitsilany nibahan-dàlana ny fiara tsy hiainga. Fahasahiana re izany!

Teo ampiandrasana hatrany ny mpitarika dia nisy tovolahy iray ihany koa, nijoro nanatrika ireo mpitandro filaminana, nifatotra scotch ny vavany, ary voafehy nihodidina toy izany ihany koa ny tànany roa, nipetaka tamin’ny vatany.

dia gaga elah!

Ary ny seho hafakely farany, alohan’ny tena nafàna, dia ilay rangahy iray mpampianatra nidradradradra ny alahelony nankeny amin’ireo mpitandro filaminana ihany koa. Hoy izy:

« Efa ho retraité aho »  « 30 ans de service, ary tsy mpikambana amin’izay SEMPAMA any, nefa kosa dia aoka lazaiko an’laisany miaramila sy zandary tsy misy ilana azy ireo, apetraho ny basy dia andao hifandahatra. Misy mpianatro ialahy isany no hitako eto, tao anatin’ny firy taona monja dia mandray in-telo avo heny amin’ny karama raisko, nefa aho ity efa fotoana vitsy sisa dia hitsahatra. Mba misaina, aza dia faly ataon’ny olona fitaovana, ary avenir manao ahoana moa no tadiavin’laisany ho an’ny taranak’laisany ‘reo? »

zaho efa hiato, nefa 1/3 amin’ny raisin’ialahy isany no mba karama rasiko

Tsy diso anjara tamin’izany seho rehetra izany ireo roalahy solontenan’ny SADC eto #Madagascar. Tsy vitan’ny nanatrika ny fampisehoana tetsy ambony izy ireo, fa sady naka sary no nandefa izany sy niresaka nivantana tamin’ny findainy avy. Raha mba niezaka nanokatra ny vavany mba hampiresaka azy moa ireo mpanao gazety sy mpaka sary teny an-toerana, dia tsy nety niteny mihitsy ry zareo fa ny hany naverimberiny dia ny hoe

No comment

ry zalahy SADC izany, sady mizahatany no manao « ady idy »

Toy ireny mpizahatany ireny moa no bikan-dry zalahy amin’izany fotoana izany.

Eto isika dia hiditra amin’ny fotoana nahatongavan’ny ‘sono mobile’. Teo akaikin’ny Agha Khan no nipetraka ny fiara, ary nangatahan’ny olona hakarina any aloha (Ambohijatovo), saingy tsy nihetsika teo kosa mandra-pahatongan’i Fidel Razarapiera.Ny hiakan’ny olona teny an-toerana moa dia niantso ny hoe:

aiza ianareo, sa ho alainay any?

Rehefa tonga teny an-toerana i Fidel (14h 20 teo ho eo) dia nirohotra nitsena azy sy nitondra azy ho eny amin’ny sono mobile ny olona. Rehefa nandray fitenenana nanoloana ny vahoaka ranamana, dia ny nampitony ny olona no nataony satria tsy ho afaka hiditra ao anaty kianja. Tsy nanaiky izany anefa ireo olona marobe fa ny hiditra ihany no tao an-doha. Izay marihana etoana fa nisy antokon’olona efa tsinjo nialoha ihany fa nivonona ny hanao zavatra hafa no tanjony.

Tsy nahatohitra ny antsoantson’ny olona, raha tsorina dia hoe tsy naharesy lahatra sy tsy nahafehy ny olna marobe nihaino azy ranamana, ka nisy tamin’ireo olona tety ambony, nanakaiky ny vavahady College de France Ambohijatovo, no nihetsika nanao dia maika niharo hazakazaka madinika hiakatra ho eny amin’ny faritra manodidina ny mpitandro filaminana.

Ento aho ry tongotro

Vao nahita ireo olona marobe nirohotra niakatra ireo EMMO teo amin’ny vavahady dia sady nampaneno mafy ny anjomaran’ny fiarany, no mba nisy niteny tamin’ny fanamafisam-peo avy ao anatin’ireto 4 x 4 vaovao (nefa dia marihako fa ny 1 metatra miala ny fiara ihany no afaka naheno izany, satria tsy hainy angamba ny mampiasa ilay fitaovana).

Nirefotra amin’izay ny entona mandatsa-dranomaso voalohany nanomboka teto, ary raikitra ny Ento aho ry tongotro

Booom, booom Atsaharo ny hira dia mba mitomania amin’izay

Vetivety dia tsy hita izay nisy an’i Fidel, fa ny sono mobile sy ny mpikirakira azy kosa no tratra tany Ambodifilao tany. Hatramin’ny fotoana anoratana dia mbola voatàna any amin’ny mpitandro filaminana i Rado, teknisiana ao amin’ny FreeFM (toa tokony ho androany 22/05 no niakatra teny amin’ny fampanoavana). Efa nambara ihany koa fa hokarohana sy hosamborina izy mianadahy nanentana ny olona hidina an-dalambe, satria nisy ny fanimban-javatra hoy ny mpitandro filaminana.

teo alohan’ny tsangambato #Ralaimongo

ny fakom-baoritra nodoran’ireo mpanao fihetsiketsehana

Soa fa misy ny miaramila hanala sakana

Ny zavatra iray isan’ny nahatsikaiky dia ny fitangoronan’ny mpaka sary sy ny mpanao gazety nanaoloana ny varavarana fidirana ao amin’ny Hotel Le Glacier. Samy nanontany tena ny rehetra nahita ireo lehibe mpitarika ny EMMO niditra tao fa hoe

ao ve ry Lalatiana sy Fidel, ka hosamborina? Sa inona no mitranga eto?

Tsara ny lany sefo isany a!

Tsy nahitana valiny io raha tsy fotoana ela taty aoriana. Tsy inona ilay izy fa hay niditra hisakafo tao ireo lehibe ireo. (Nefa ny an’ireo mpanatanteraka tery an-kianja dia mofo dipaina sy fromage La Vache Qui Rit, niampy EAU VIVE).

Eo am-piandrasana ny hetsika hitranga rahampitso, famoriam-bahoaka, mbola eo amin’io kianja io ihany, iantsoan’ny Profesora Rajaonarivelo Paul , dia ndeha isika hijery sary mikasika ny #m1905 tamin’ny Sabotsy ao amin’ny Fickr momba izany.

 

IZA NO MAHITA TOMBONY?

Hagagàna ny an’ny teto amin’ny bilaogy Gazety_Adaladala androany alina raha nanokatra ny bilaogy. Fanehoan-kevitra 79 be izao no nivadika ho ‘En attente de modèration’, na raha adika malalaka dia ‘miandry fankatoavana’.  Tsy ny fanamarihana vao haingana ihany no tratra tamin’izany fa hatramin’ireo fanehoan-kevitra efa tany amin’ny taona 2008 koa aza.

Mba mahazendana ihany sy mampanontany tena ny amin’izay antony nahatonga izany. Dia sanatria ve misy mitsofoka, na ilay antsoina hoe manao ‘piratage’ / fijirihana ity bilaogy ity? Ary raha izany tokoa, dia mipetraka indray ny fanontaniana hoe, FA MISY INONA?INONA NO KAROHANA ATO? AIZA NO TIANA HAHATONGAVANA?

Ny tsikaritra hatramin’ny taona 2008 dia betsaka tamin’ireo mpitondra fanamarihana sy fanehoan-kevitra no olona tsy matotra sy mametraka adiresy mailaka tsy izy. Nisy fotoana aza moa dia napetraka ho fitsipika anaty teto ny fanamarinana amin’ny alalan’ny fandefasana valin-kafatra anaty mailaka ho azy ireny, vao avoaka ny fanehoan-keviny, indrindra ho an’ireo fanehoan-kevitra somary masiatsiaka sy mitoroka zavatra tsy mety. Ho an’ireo izay feno teny tsy manaja ny hafa na fanompàna olona moa, na miaty fihantsiana ny olona hifankahala na hiady, dia mazava ho azy fa dia tsy navoaka mihitsy. Asa na izany no atao he sivana (censure) an-tery na ahoana! (Raha sanatria ka misy aminareo mpamaky mbola mahatsikaritra any ho any fanamarihana mitovy amin’izay voalaza izay, dia iangaviana indrindra hampilaza, mba hanesorantsika azy).

Misy efa naverina navoaka ireny fanehoan-kevitra tany aloha lasa nanjary niandry fankatoavana ireny.

HO AN’ILAY na IREO IZAY NIJIRIKA TATO: tohizo raha izay no hitanareo fa mety, fa tsy hahasakana ny famoahana hevitra eto izany. Avoaka eto foana izay hita sy re eny rehetra eny, toy ny efa natao hatrizay. Toa lasa nahafinaritra aza ilay izy, na dia somary nahalàny andro ihany aza ny niverina nijery sy namoaka ireny fanehoan-kevitry ny mpamaky ireny. Lasa fotoana iray namerenana nanao jery todika ireo lohateny samihafa efa nisoratra tato tany aloha tany.

3 May, Andron’ny Fahalalahan’ny Asa Fanaovana Gazety

Tsy tompon’ny lalàna aho no sady tsy nianatra manokana momba izany rahateo. Saingy kosa mba te-hisitraka ny zo HALALAKA HITENY SY HANEHO HEVITRA, HAHAZO VAOVAO sy HIZARA VAOVAO.

loharanon’ny sary : Google

Andron’ny fahalalahan’ny asa fanaovana gazety ny 3 Mai ho avy rahampitso. Ny gazety izay natao hampahafantatra ny daholobe ny zava-mitranga any ambadika tsy hitany any, sy izay mety hiantraika amin’ny fiainany. Satria zoko, zonao ary zon’ny olom-pirenena tsirairay ny hahazo izany vaovao izany. Araka izany dia mpitaiza   ny gazety, mpitaiza ahy, mpitaiza ny kely, mpitaiza ny lehibe, mpitaiza ny mpitondra sy ny entina.

Raha ny fandaharana farany dia faha 84 amin’ny firenena 179 eran’izao tontolo izao no misy an’i Madagasikara amin’io resaka io. Tobin’onjam-peo 80 teo no efa nakatona hatreo amin’ny Oktobra 2010.

Tsy natao hanasoaso mpitondra foana koa, sahala amin’izay ataon’ny onjam-peo sasany eto Madagasikara amin’izao fotoana anefa, fa afaka maka ny toeran’ny tsindrin’entam-pahefana ihany koa, mba ho aro sy ho fefy amin’izay tsy mety hita fa ataon’ny mpitondra. Na izany aza anefa dia tokony hisy porofo sy zavatra mivaingana izay rehetra itondràna fanakianana.

Raha sanatria araka izany ka misy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ilay kianina sy ny manakiana, dia fahendrena ny mifanatona aloha, amin’ny alalan’ny fifampiantsoana.

Zavatra tsy vaovao amin’ny rehetra ny olana mahazo ny onjam-peo FREE FM 104.2 amin’izao fotoana. Ekena fa maherihery fiteny ireo mpanao gazety roa misahana ny fandaharana ‘Anao ny Fitenenana‘ ao amin’izany onjam-peo izany. (Lalatiana Rakotondrazafy – Fidel Razarapiera) Saingy ny mampiavaka ny fanakianana ataon’izy ireo, ary inoako fa antony mahabe mpihaino azy, dia ny filazan’izy mianadahy ireo fa ananany porofo daholo izay zavatra ambarany sy anakianany ny tsy mety hitany. Sahin’izy ireo mihitsy aza tamin’izany ny mangataka fihaonana mivantana amin’ny Filohan’ny Tetezamita Andry Nirina RAJOELINA, sy izay olona tratry ny kiana, mba hifanazava amin’izay resaka tsy milamina sy zavatra tsy mety lazainy ao amin’ny onjam-peo. Efa imbetsaka no nanaovan’izy mianadahy an’izay antso hifampitafatafa izay, saingy…..

Tsy izay anefa no nitranga. Tsy nisy ny famaliana ny antso matetika nataon’izy mianadahy tamin’ny mpitondra mba hifanatrika mivantana aminy sy hiady hevitra momba ireny teboka tsy mampilamina ireny, fa fiantsoana ho eny amin’ny sampana mpikaroka ny heloka bevava teny Fiadanana no nahazo azy ireo, ary herinandro taty aoriana dia nafindra indray ho eny amin’ny Zandary eny Betongolo.

Tamin’ity androany 2 May 2012 ity, dia efa ny tolakandro tamin’ny 3 ora sy sasany tany ho any no nanombohan’ny fanadihadiana azy mianadahy teny, ary tsy mbola mifarana amin’izao amin’ny 9 ora alina mahery amoahana ny lahatsoratra izao. Nanamarika moa ny mpanao gazety mpiara-miasa amin’izy mianadahy ireto, fa i Fidel Razarapiera dia tsy salama ary manaraka fitsaboana sy mitsindrona. Tsy horesahantsika betsaka ny fanamarihana momba izay hitan’ireo namana eny an-toerana mikasika ny fomba fizotry ny fitazonana sy fanadihadiana azy mianadahy, toy ny hoe fanesorana ny kirarony, sy ny zavatra teny aminy sns…

Fa izay mba nahazendana ny mpanoratra fotsiny dia ity: Raha nisy tokoa zavatra diso tamin’izay voalazan’izy ireo, inona no tsy namalian’ireo mpitory azy mianadahy ny antso nataony, dia nifanatri-tava sy nifampidera porofo, ary nitondra ny fanazavana sahaza? Sa tafiditra amin’ny antsoina hoe fandemena sy fampitandremana ny hafa tsy hanaraka ny diany no tiana hahatongavana?

Raha ireo rehetra ireo no jerena dia teny tsotra sisa no azo ambara alohan’ny hamaranana ity lahatsoratra ity: TSARA FIATOMBOKA NY FIOMANANA HANKALAZA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHALALAHAN’NY ASA FANAOVANA GAZETY na ny Liberté de la presse. Ity no tatitra ho an’izao taona 2012 miandoha izao, manerantany, avy amin’ny REPORTERS SANS FRONTIERES:

Ny RSF izay manana solontena eto Madagascar, fa dia ho hita eo hoe hatraiza no hidirany amin’ity raharaha ity. Hatreto mantsy aloha dia tsy naheno aho hoe inona no zavatra efa nataony mikasika ity raharaha ity. Tsy haiko rahateo amin’ny antsipirihany koa moa ny fomba fiasany, na efa misy midona vao mihetsika, na miaro mialoha ny dona tsy hiantraika. Rahja hisy ny fampidirana am-ponja mpanao gazety dia izy mianadahy ireto izany no hisantatra azy amin’ity taona 2012 ity, hiditra ao anatin’ny boky firaketan’ny Tetezamita(tra).

Teny farany: Nisy tany aloha tany ny sarintsarim-piraisankinan’ny mpanao gazety Malagasy fony nisy ny namana voasambotra, dia ho hita eo indray izay lazaina amin’ity indray  mandeha ity raha mbola hiverina izay sarintsarinà firaisankina izay! Tsy aleo tokoa ve moa misy sarintsariny toy izay tsy misy mihitsy? Sa ahoana hoy ianareo?

Misy fampiantsoana ho fanamarihana io Andro ho an’ny Fahalalahan’ny Asa Fanaovana Gazety io rahampitso eny amin’ny Ivon-gazety Malagasy, ahoana re no mba ho fizotrany e?

Fanavaozam-baovao: (00h :05) Re fa voatana any amin’ny zandary, 48 ora izy mianadahy

03 Mai 2012 : Navotsotra androany tolakandro izy mianadahy, ary nanao lahateny nanoloana ireo olona marobe niandry azy teny amin’ny foiben’ny Free FM teny Ankorondrano

#Apps4Africa #Madagascar

Ny Apps4Africa dia fifaninanana mamorona ireny karazana rindrambaiko fametraka amin’ny finday ireny. Natao ho an’ireo firenena aty Afrika izy io, ary tamin’ity taona ity dia tafiditra ao anatin’ny firenena nofidiana hiditra amin’ny andiany faha-7 i Madagasikara. Marième Jamme no nanazava tamin’ireo mpanatrika ny zavatra rehetra andrasana amin’ny mpirotsaka sy ireo mpanatrika tonga maro tao Tsimbazaza CIDST / Malagasy i-Hub. Anisan’ny mpiara-miombona antoka ao anatiny ny TED sy Indigo Trust. Ary raha ny fikarakaràna ny hetsika eto Madagasikara dia isan’ny nanohana tamin’ny fampitaovana ny Ambasady Amerikana.

Raha vao miresaka TED isika dia tsara ny manamarika fa Harinjaka Ratozamanana dia sady tompon’ny licence TEDx eto Madagasikara no mpikambana mpiara-manorina ihany koa ny Malagasy i-Hub.

Ny Fiovan’ny Toetrandro no ifantohana amin’ity andiany ity. Tonga maro ireo avy amin’ny sehatra maro samihafa: Antenimieram-pirenena, Conservation Internationale, WWF, Club Vintsy, Mpianatra momba ny fambolena avy any amin’ny ambaratonga ambony, mpikirakira teknolojia, ireo liam-baovao, ny mpandraharaha isan-karazany sy ny maro hafa tsy voatanisa. Saingy ny tena nahavariana sy nahalasa ny saina dia ity. TSY NISY SOLOTENA NY FITONDRAM-PANJAKANA, eny fa na dia hoe farafaharatsiny ny ministera voakasika aza, mba hanatrika ity sehatrasa ity.

Misokatra hatramin’ny faran’ity volana ity ny fandraisana ireo tetikasa vonona hifaninana.

Ny tsy nahitàna solotenan’ny fitondrana teny amin’ity hetsika nokarakarain’ny Malagasy i-hub ity dia toa milaza fa tsy ny sehatry ny fampianarana izay efa nasiana resaka teto ihany no tsy iasàn’ny mpitondra saina, fa tafiditra koa ny fiarovana ny resaka tontolo, sy ny fiovaovan’ny toetrandro.

Fa hiverina amin’ny Apps4Africa isika. Raha fanentanana sy fifanakalozan-dresaka tamin’ny fomba malalaka sy fifandresen-dahatra no nisy ny maraina, dia nizara ho andiany roa kosa ny mpanatrika tamin’ny tolakandro. Tao anatin’ireo andiany ireo dia samy nametrahana manampahaizana amin’ny fanoratana rindrambaiko, ary ny ambiny dia manampahaizana amin’ny sehatra misy azy avy. Ny tanjona tamin’ny fametrahana ireto andiany ireto dia ny hanaovana fifanakalozan-dresaka sy hamoahana foto-kevitra iray azo havadika ho vokatra fanjifa amin’ny alalan’ny finday, ka ho azon’ny rehetra ampiasaina mba hiadiana amin’ny fiovan’ny toetrandro. Ary dia nisy tokoa moa ny vinavina 2 tafavoaka nandritra izany. Nafàna tokoa ny fifanakalozana, ka tao ny naneho ahiahy ny amin’ny tsy mbola maha-ara-potoana ny zavatra toy itony ho an’ny Malagasy, izay ny tsy mbola maika afa-tsy izay ho ao am-biliany, noho ny fhasahiranana’ny isan-tokantrano.

Ny dingana arahana rehefa manana tetikasa azo iatrehana ny fiovan’ny toetandro ianao, nefa tsy manana fahaizana hamadika izany ho rindrambaiko azo ampiasaina ho an’ny rehetra anby anaty finday, dia ny mitady olona hanampy anao amin’ny fanatanterahana izany. Izay no tanjona tamin’ity androany ity.

Mbola hitohy ny hetsika rahampitso, saingy tsy eny Tsimbazaza (CIDST) intsony, fa ho eny amin’ny Ivontorean’ny Gazety Malagasy (Centre de Presse Malagasy) – WWF Antsakaviro indray. Manomboka amin’ny 10 ora.

Indro omena eto ambany ny rohy ahafahanao mamantatra bebe kokoa momba ity Apps4Africa ity. Alohan’ny hisoratanao anarana hifaninana dia tsara ny mahafantatra fa tsy mety ovàna intsony izay efa naelfa, koa vakio tsara alohan’ny hanoratanao ny tenanao, na ny tarikao hirotsaha hifaninana ao. Ny loka ho an’ny voalohany dia 15.000 dolara Amerikana, Ary ny irariana dia mba ho Malagasy izay voalohany izay.

http://apps4africa.org/fr/enter.php

Mandria am-piadanana Steve Jobs

Nodimandry teo amin’ny faha-56 taonany i Steve Jobs, PDG Apple, rehefa nitolona tamin’ny homamiadan’ny Pancreas nandritra ny fotoana maharitra.

Teraka ny taona 1956 izy , ary tsy mba notezain-dray sy reny, fa nomena hatsangan’olon-kafa kosa (Paul sy Clara Jobs ). Rehefa izany dia ireto farany no nanome anarana azy sy nanabe. Tany Mountain View sy Cupertino, toerana misy ny foiben’ny Apple izy no lehibe.

Fantatra amin’ny kiriny sy ny fihenjanany i Steve nandritra ny androm-piainany sy ny tontolon’ny fandraharahana nirotsahany.

Bandy tsotra fitafy, nefa mitaky mandrakariva ny hatsaran’endriky ny zavatra nataony.  Steve Wozniak no niara-niasa taminy nanangana ny Apple tamin’ny taona 1976. Raha vao miresaka iPod, iTunes sy, taty aoriana kely, ny iPhone sy ny iPad, ny Macintosh , NeXT, Pixar izay namidiny tamin’i Disney tamin’ny 2006, ilay sarimihetsika Toy Story »  nivoaka tamin’ny 1995,  dia tsy misaraka amin’ireny  koa ny  anaran’i Steve Jobs. Isan’ny olona nampivoatra tanteraka ny tontolon’ny teknolojia sy ny resaka finday ilay rangahy iny fony fahavelony.

Efa niomana ho amin’ity andro fitsaharany ity ihany izy raha n y teniny nataon’ny nanolona aireo mpianatra maro tamin’ny taona 2005 no dinihana

hoy izy tamin’izany:

« Me rappeler que je serai mort bientôt est l’outil le plus important que j’ai jamais trouvé pour m’aider à faire les choix importants dans ma vie. Car presque tout (toutes les attentes externes, toute la fierté, toute la peur de l’embarras ou de l’échec) disparaît face à la mort, ne laissant que ce qui est réellement important. »

Ny fahatsiarovako fa ho faty tsy ho ela aho no fitaovana manan-danja indrindra manampy ahy hanao safidy goavana eo amin’ny fiainako. Satria saika ny zavatra rehetra mihitsy […] no tsinontsinona manoloana ny fahafatesana, ary tsy mamela afa-tsy izay tena manan-danja

Namela mananontena iray (Laurene Powell) sy zaza telo hary tao anaty tokantrano ara-dalana izy (Reed,  Erin,  Eve), ary zaza iray hafa ivelan’ny trano (Chris-Ann Brennan), zanaka iraisany amin’ilay mpiray sekoly taminy (Lisa ) . Ary indrindra fa ireo mpiasa miisa 49.000 niaraka taminy.

Raha te-handefa fiaraha-miory amin’ireo fianakaviany sy mpiara-miasa dia azonao atao izany amin’ny alalan’ity adiresy mailaka ity

 rememberingsteve@apple.com

Mianatra mi-blaogy fa tsy miblagy

Na vitsy aza ny mpianatra, mitohy ny fampianarana mamorona bilaogy sy manoratra ato amin’ny Foiben’ny asa fanaovan-gazety WWF / Antsakaviro.

Mahafinaritra ny fahalinan’ny maro amin’ity tontolo iray midadasika ity.

Natomboka tamin’ny famerenana malakilaky ny lesona teo aloha, ho an’ireo vaovao ny fotoana, ary heverina ho tohizana amin’ny tontolon’ny Twitter kosa avy eo

sombin-tsary avy amin’ny kaonty Twitpic an’ny namana iray mpiara-mampiofana azo jerena ato

Sary nentina hanaingoana fotsiny