Fampanginana ny #WakeUpMadagascar – Fanampenam-bava Ny Serasera

Ny rehetra no nahamarika fa hatramin’ny omaly efa alim-be (05 Desambra 2014) dia faran’izay nanahirana tokoa  ny niditra tamin’ny tontolon’ny serasera (ny #TELMA #Moov aloha no tsikaritro, fa tsy haiko ny tambajotra hafa). Ny alina tokoa mantsy no mba afaka manokana fotoana betsaka kokoa hanarahana izay mitranga sy hifaneraserana ny ankamaroan’ny vahoaka.

Rehefa nifoha io maraina io indray dia izao no zavatra tsikaritra: afaka miditra amin’ny tontolon’ny aterineto ianao, saingy nobahanana ny fidiranao amin’ny #Facebook (tsy tapaka tanteraka fa nohasarotina). Marihako mihitsy hoe ny fidirana amin’io sehatra iray io no nobahanana (niniana amiko fa tsy hoe antony ara-teknika) satria izay tambajotra hafa rehetra fampiasako isanandro (mavesatra lavitra noho ny FB aza) dia azo nidirana vetivety daholo.

Tahotra:

Efa andro maro ihany koa no niarahan’ny rehetra nahafantatra ny fisian’ny fanentanana nataon’ny #WakeUpMadagascar ho an’ny olom-pirenena rehetra tsy ankanavaka, mba ho avy hanao tohivakana manodidina ny farihin’ #Anosy haneho ny tsy fahazakàna intsony ny fahatapahan-jiro sy rano #JIRAMA manjo matetika ny vahoaka. Sady ho fanairana ihany koa ny mpitondra momba ny hirifiry zakain’ny vahoaka.

Raha ny lamina tany aloha (izay tsy nisy fanovàna hatreto) dia anio Sabotsy 06 Desambra 2014 amin’ny 10 ora no hanaovana izay tohivakana izay. Kisendrasendra angamba hoy ianao no nifandrifian’ireo rehetra ireo. Tsia kosa anefa hoy aho!

Tsy kisendrasendra ny fibahanana ny fidirana Facebook (FB) nanomboka omaly Zoma, nitohy androany Sabotsy. Hetsika niainga avy tao anaty FB ny Wake Up Madagascar. Tsy vitsy ny olona no nahita ny hafatra (na dia tsy nilaza mivantana ny heviny teo amin’ilay pejy aza). Nifampizaràna rahateo tany anaty vondrona (groupes) isankarazany tany ny fisiana sy ny antom-pisian’ilay hetsika, izay efa nomarihana fa hatao am-pilaminana. Nasain’ny mpikarakara ny hetsika mihitsy aza ny EMMO mba ho tonga eny an-toerana ka hamerina ny olona izay midina anaty arabe, hiverina hiakatra eny ambony trottoir natao ho an’ny mpandeha an-tongotra. Tanjona amin’izany ny tsy hanelingelenana ny fifamoivoizana sy ny hahitàna izay miketrika korontana.  Tsy kisendrasendra, hoy aho, ilay fibahanana satria atahoran’ny mpitondra fanjakana fa sao mbola ho be no hahita ny hafatra ka ho avy hamaly ny antso; atahoran’ny fanjakana fa sao tena ho sahy hatramin’ny farany tokoa hiroso hanatanteraka ny hetsika ireo mpikarakara; atahoran’ny fanjakana fa sao ho vanja handrehitra ny afon’ny lonilonim-bahoaka efa nihotrika ela io.

Lonilony mihotrika:

Efa ela tokoa ny vahoaka no nilaza fa leo, efa ela no niaritra mangina, ary malaza loatra amin’ny fahendrena sy fahaizana miaritra ‘treffle’ amin’izay rehetra mitranga. Hatramin’izay anefa dia nifori-dava tsy niteny, ary samy nahita ireo rehetra nifandimby nitondra ity firenena ity, fa rehefa io vahoaka niaritra ‘trefle’ io no mitroatra, dia efa ratsy izay no fiafaran’ny tantara. Koa io loinilony nihotrika ela tany anaty fiarahamonina io no heveriko (izaho manoratra) ho antony iray nanosika ny Wake Up Madagascar hanaitra ny sain’ny maro. Io lonilony nihotrika ela io no mbola heveriko fa tian’ny mpifehy hampanginina mba tsy hihitatra lavitra fa sao hanapaka ny tongon-tsezany; io lonilony nihotrika ela io no mbola eritreretiko koa ho ao ambadiky ny fibahanana ny FB manjo ny maro nanomboka omaly ka mitohy androany.

Fomba hafa:

Entaniko ianareo rehetra izay afaka manao izany mba hikarokaroka sy hifanontany, hitady fomba hafa hifampizaràna vaovao sy fanentanana, satria misy tokoa izay fomba hafa izay, izay tsy hotononiko eto fa sao dia hosakanany eo koa sanatria. Tsy hoe manentana anao hanatrika ny hetsika androany akory no tanjoko amin’ny fanoroana anao hoe misy fomba hafa, fa fanoroako anao hoe « Zonao ny hahalala vaovao, zonao ny ho afaka hikaroka sy haharay izany vaovao izany », ka ny fanakànana anao toy izay mitranga ankehitriny tsy ho afaka hanatrika na miserasera amin’ny manodidina anao, dia fanimbazimbàna ny zo fototra omen’ny lalam-panorenana anao. Koa raiso fa « Anao ny fitenenana »

Fomba fanao:

Tsy i Madagasikara akory, na ny Wake Up Madagascar, no voalohany nampiasa ny fomba fanaovana tohivakan’olombelona mba ho fanehoana AM-PILAMINANA ny tsy fahafaliana, na ho fanairana. Firenena maro maneran-tany no efa nanao izany, vahoaka maro sesehena no efa nampihatra izany, ary isan’ny vahoaka iharan’ny tsy fetezan-javatra ihany koa na ny mpitandro filaminana aza, ka dia namela ireny hetsika ireny hizotra am-pilaminana. Tsy voatery hanao herisetra akory vao ho fantatra fa hoe NIHAINO NY VAHOAKANY NY MPIFEHY.

Avylavitra (http://mg.globalvoicesonline.org)

 

Aoka lehiretsy a !

Fa raha misy olona arahan’ny eto amin’ity bilaogy ity sy ankafiziny ny fomba fanoratra teny Malagasy, dia isan’ireny hoy aho i Ony Rambelo.
Ankafizo anie ilay fomba entiny maneho hevitra e

 

Aoka lehiretsy a !

Aza mba manao tsimbadi-boanampotsy, lehiretsy, ka ho azon’olona tambatambazam-bola amin-karena ka hivadika amin’ny marina. Fa ny daka no misy ambadika, ny loka no misy an-koatra, ny akanjo no misy paosy, ny trano no tsara raha misy efitra, ny tambi-toko no atao anankina, ny salaka no atao sisik’ila, ary ny hofak’ondry no soa mitsimbadika ; fa ratsy koa raha ratsy lehiretsy ny mivadika amin’ny marina.

Aza mba manao kitapo miara-peno, lehiretsy, fa ratsy anie ny manao toy ny akondro mifanafin-dravina e. Tsy soa anie ny parasy mitovy volo e ! Tsy tsara anie ny manao talapetraky ny mpiaotra e ! Tsy mendrika anie ny mpanao tsikombakomba e ! Mahasimba anie ny manao tetika iraisana e, indrindra fa ny mandimby entana ny mpangalatra.

Koa tsory lehiretsy fa fitiavan-tena sy kevo-dahasa tsy nisasarana ianareo a ! Lazao mazava fa noho ny haingitraingitra no nakàna ny fananan’olona tsy nila sota sy vaniny. Lazao mazava fa tsy zaka ny entana, tsy mandry ny saina, ary indrindra tsy velona ny vady aman-janaka ka nandrombinanareo ny an’ny hafa.

Aza mihevitra ny hanjehy ny andro ho lava lehiretsy, fa saino ny am-parany. Aoka izay fa ny zava-tsy hay, lehiretsy, tsy azo ibitabitahana a ! Aza mandrangitra ny efa valaka sy ny trotraka fa ny tody, hono, tsy misy fa ny atao no miverina. Ary farany : Na dia tsy manan-tahotra intsony aza ianareo, lehiretsy, dia mba itafio ihany ny henatra a !

Ony RAMBELO – FB 11 Nov 2014 – 05h 17

6 novambra faha-19 (Nahamay ny Rova Manjakamiadana)

Mba miangavy ny olom-panjakan’ny repoblika mba hijery ny boky tahiry rehetra momba ny tantaran’ity Madagasikara ity. Rehefa tsy mahay sy tsy mahafantantra dia mbola maro ireo « mahatadidy ny ela » no azo anontaniana sy hakàna ny hevitra. Dia mankanesa eny Anosizato eny mba manao fanadihadiana tsotsotra fa ianareo rehetra ireo moa toa mahay sy havanana amin’ny « fitsikilovana » ny misitery miafina rehetra any ambadimbadika any. Anontanio eny Anosizato, fa teny no nisy an’ilay lehilahy iray nahafoy ny ainy tamin’ny fananganana ny rova itoeran’ny mpanjaka teto.

Mbola misy ny taranak’Itrimofoloalina eny dia asaivo hazavain’izy ireo ny tantaran’ny razambeny. Mila sorona sy fanomezan-kasina ny fanorenan-javatra ka dia nanolo-tena io Itrimofoloalina io  mba handatsaka ny ainy noho ny fitiavany ny mpanjaka sy ny fireneny; kanefa ny Mpanjaka dia nanana ny fahendrena ihany koa fa tsy « masiaka » lozan-tany amin’ny tsy antony ka ny sofin’Itrimo ihany no nandalovan’ny meso mba hampiraraka an-tany ny ràny. Dia vita ny sorona. Samy nahavita ny tokony ho azy sy ny adidiny, ary nahazo tso-drano ny taranak’Itrimo rehetra teto amin’ny tany sy ny firenena.

Fa manana ny adidiny ho amin’ny fiarovana izany tantara sy hasina maha-fanjakana ny fanjakana izany ireo mpitonona ho fanjakana raha tena any aminy tokony ny fahefana fa tsy hifandroritana amin’ity resaka  tsy hihinanan-kanina ity. Aoka hianatra ny mpitondra zatra kitapo latsaka fa raha ny lapam-panjakana no misy mihanika sy manafika, misy mandroba, misy mametaveta dia tokony hangina ve ny ambanilanitra ?  Hiray hevitra amin’izay manatontosa an’izany ve ny olompirenena ?

Ony Rambelo

OLONDIA MIDELIRA (31 Okt 2014)

Tsy Burkinabé aho fa Bôbôlita

Aty Andavabato ( Kapingo) aho fa tsy ao Ouagadougou…Soa fa tsy Burkinabé aho fa Bôbôlita. Efa ela no fantatry ny olondia toa ahy fa ny korontana politika efa lasa fomban-drazana tsy hita izay naharatsy azy ary efa iainana an-davanandro io ho an’ireo manan-tsaina sy olon-kendry.

Ho dorantsika raha mbola misy azo dorana satria mety ho maro no mihevitra fa fanehoany hevitra ny fandorana izay kely ananany. Efa may ny lapan’ny tanàna, ny teny Andafiavaratra, ny tao Manjakamiadana, ny RNM sy ny TVM…Fa olona adala kosa izay te-ho Burkinabé handoro an’i Tsimbazaza e! Tsy maintsy hiverina aty Kapingo izany ny gidro?

Raha tianao dia aleo aho hijanona aty Andavabato ihany hiaraka amin-dry Lemizo . Amin’izay na tsy hisy ho tantaraina intsony aza aho amin’ireo taranako dia mba afaka hihirahira ihany! Averimberiko eo ny hoe: ”foza orana,ho’aho, biby mi-torina”.

Ony Rambelo

Dikamitovy nanomezan’ny tompony alàlana

TSIMBAZAZA (Dafy Noely 26/10/2014)

TSIMBAZAZA

Malaza ary fantatra ny ao Tsimbazaza
Fa lapan’ny biby sy zava-maniry.
Koa raha manam-potoana mba ento ny zaza,
Hijery rajako tsy fahita firy.

Mitsambikimbikina sy milalao,
Mandany hery tsy mifampitsitsy.
Ka rehefa reraka, indreo ny anao,
Vao mahita akondro tsy tana mihitsy.

Fa ao koa ny gidro mpanangana tanana,
Ao ny karazany mahay an-kisitrika,
Ao ny ragidro matory mitsangana,
Ao ny rajako malaza mpingitrika.

Dia misy ragidro mahay sarin’ady,
Mody manambana hanao ampamoaka,
Kanefa dia mifankatia toa mpivady,
Fa mifanebaka imasom-bahoaka.

Ny ao an-dapa tsy haharitra fa vetivety,
Ka ny mahamaika dia ny haka alalana,
Hividianan-dasantsy mihoatra ny mety,
Afahana fiara tsy mataho-dàlana.

Ny lazan’ilay Tsimbazaza tsy ho lany …
Hino ve ianao raha toa hilazako
Fa vola aman’hetsiny fotsiny ihany
Dia ampy hividianan-tsonian-drajako ?

Mino ve ianao ?

Dafy Noely 26/10/2014

TIM – Raharaha MADAGASCAR MATIN

Aoka tsy ho diso fihevitra fa tsy resaka antoko no tiana holazaina amin’ny lohateny
TIM, entina manafohy ny hoe ny Teo Ihany no Miverina, na mety ho manao bebe kokoa noho ny teo alohany aza angamba.
Ny tiana hasiana resaka ve? Tsy inona akory fa ny resaka fahalalahana maneho hevitra, mampita vaovao, maneho hevitra.
Namoaka taratasy avy amin’ny mpamaky ny gazety Madagascar Matin. Vokany: Voaantso teny amin’ny Zandary misahana ny fikarohana Heloka Bevava ny mpanao gazety tao aminy; talen’ny famoahana sy ny Tonian-dahatsoratra.
Taorian’ny fanadihadiana dia naiditra am-ponja vonjimaika ao Antanimora izy roalahy ireo, noho ilay taratasy voalaza fa niresaka andramena, ary nahavoatonona anaranà minisitra tao anatiny.
Ny fanontaniana apetraka amin’ny rehetra mahatsiaro ny tenany ho mpanao gazety izany izao dia ny hoe: Hiforitra noho ny tahotra ve, sa hanoratra mikasika ity raharaha ity amin’ny saina tony sy tsy misy tahotra, mba havoaka amin’ny famoahana rahampitso?
Fotoana efa naharitraritra ihany mantsy no nahitàna fa hiverina ity famoretana ny fahalalahana maneho hevitra ity.
Misy ny fivoriana handinihana ny resaka code de la communication any Antsirabe any amin’izao alina anoratana izao. Hanohy ny dinika ihany va re sa haneho firaisankina amin’ireo namana voatàna am-ponja?
Rahampitso isika mahita azy

Ireny Mpamily Ireny….

Resaka fifamoivoizana ny lahatsoratra atolotra anao. Ampahany aminà tononkira iray momba ny mpamily itsy natao lohateny. Voateny ao anatin’izay hira izay ny toetran’ny mpamily eny ambonin’iny fiara entiny iny, ary voalaza manokana amin’izany na tsy mivantana aza ny an’ireo mpampitohy faritra / faritany. Marihana anefa fa tsy ny mpamily rehetra kosa no manana ilay toetra lazain’ny tononkira nakàna io lohateny io. Resaka fampirafesana no malaza ao, saingy ity tantara ho entina aminao ity kosa dia toetra iray hafa mihitsy.

Antaninandro – Ambohijatovo no miseho ny tantara
Mizotra midoladola eo aloha ingahy sy ny fiarany 0919..D, fitaratra matroka daholo ny rehetra ankoatry ny any aloha, ary nijanona kely teo anaty arabe mihitsy rehefa tandrifin’ny Guitare Manako. Manaraka ato aoriana ny scooter iray, sady tsy afaka misongona akory.
Nampaneno anjomara ny scooter, fa tsy noraharahian’ingahy 0919..D
Rehefa afaka tamin’ilay mpivarotra fromage ery amin’ny tohotohobaton’Ambondrona dia nobahanan’ingahy 0919..D indray sady novohainy ny varavaran’ny fiarany hibahana ilay kodiaran-droa tsy ho afaka hisisika amin’ny haviany, dia nitrerona an’ity scooter izy: « Inona no imenomenonan’lah? « .
Namaly tsotra ingahy scooter: « Ianao sady mi-telefaonina eo ampamiliana sy mandeha mora ary mibahan-dàlana eraky ny arabe hatrany ambany any indray ve rangahy ity no hiteny ahy toy izany?- Tsy maintsy mampaneno klaxon aho raha izay no tianao ho fantatra. »
Hany herin’ingahy 0919..D nanakatona ny varavarany no sady nanome làlana. Anjaran’ilay scooter indray avy eo no nitarika moramora ny cortège nanomboka teo Ambondrona hatrany Ambohijatovo. Tsy sahy nanatona akaiky intsony ingahy 0919..D fa nanisy elanelana efa ho 50 m. Nony tonga teny amin’ny sampanana Ambohijatovo, saika nadofotr’ingahy 0919..D tamin’ny taxibe 119 ny fiarany raha nisy kely foana. Antony? Taitaitra tao izy ka saika hanenjika indray sy hibahana ilay scooter, izay efa afaka soa amantsara.
Hatreo ihany no hitako ny tantara, fa iny koa aho no lasa rehefa nahazo làlana.
Ataovy ihany ny manao kely tsy mba mamindro e! Saika nidiran’andro teo ingahy 0919..D sy ny palitao ary ny kiravaty tsy zakan’ny tendany.

Enga anie tsy ho sanatria ho toetra fanaony isanandro ity nataony ity (mihevitra ny tenany ho tompon’ny làlana sy ny lalàna), fa ‘ndeha hataontsika hoe sendra nisy olana nanjo na nitambesatra taminy tamin’io andron’ny 14 Jolay 2014 io. Na koa hoe mety niarahaba ny havany tany lafrantsa tany tratry ny fetin’ny fahaleovantena izy.