Hirefotra indray ny baomba…

Manaitra anao angamba ny lohateny. Nefa dia niniana mihitsy ho tonga amin’izany izy ity.

Ny antony ve?

Raha nanambara ireo olona am-polony tonga nitarika ny hetsika tny amin’ny MAGRO androany fa handeha hanatevin-daharana ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana eny Antsahamanitra rahampisto Sabotsy 09 Janoary 2010, dia tsy tokony hahagaga ny rehetra iry lohateny ery ambony iry.

Satria nahoana?

Tsy mifanalavitra velively Antsahamanitra sy Ambohitsorohitra. Raha nikasa ny hanatitra taratasy ho an’ingahy Andry Rajoelina teny Ambohitsorohitra ny Ankolafy Madagasikara, dia noravana tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso. Dia tsy sarotra araka izany ny manao tsoa-kevitra momba ity hetsika rahampitso ity, fa dia hirefotra indray izany raha sanatria…

Tonga nidodododo teny amin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy moa ireto mpitarika ny hetsiky ny mpitondra fivavahana ireto, ary naneho ampahibemaso ny ‘firehana politika’ ananany (na dia tsy miteny mivantana izany aza sy milaza ho ‘neutre’ izy ireo). Ny amin’ny sazy nomena ny Radio Fahazavana no iray amin’ny lazain’izy ireo ho tena tsy tantiny sy toheriny. Ka dia

haneho ny heriny ny fiangonana,

hoy ingahy Tiana, iray amin’ireo mpitarika ny hetsika.

Vaka ihany ny sain’ny maro naheno izany ary nisy mihitsy ny nilaza fa

latsaka lalina loatra ao anatin’ny sehatra politika ny mpitondra fivavahana

(nisy mihitsy ny fanondroana antokom-pinoana) , fa indrindra ny FJKM, ka hoy ireo sahisahy niteny hoe

‘ovay ho A.P.F.J.K.M ny anaran’ny F.J.K.M fa efa niova loko tanteraka ary tsy miafina intsony ny foto-kevitra ijoroany.

Fanehoan-kevitry ny olona tsy azo nosakanana moa izany, nefa koa fanehoan-kevitra tsara hosainina ihany. Tonga hatramin’ny fitenenan’ny sasany hoe,

‘nisy ny fanakatonana ny F.P.V.M tamin’ny fotoan’andro, taiza ireto mpitarika ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana ireto, fa nony ny Radio Fahazavana no niharan’ny sazy, toa be vava’.

Marihana fa tany aloha dia tsy nahitàna ny avy amin’ny Katolika ity hetsika ity (niniana ve? asa !) fa dia ireo pastera protestanta no nameno ny sehatra.

Taorian’ny fanadihadiana teny amin’ny mpitandro filaminana sy ny nitondràna azy ireo teny anatrehan’ny fitsarana (tsy azo natrahana, na dia ny mpanao gazety aza), dia nelefa eny am-ponja ilay mpanao gazety avy amin’ny Radio Fahazavana, sy ny Talen’izany onjam-peo izany. Andrasana izay ho fanehoan-kevitry ny holafitry ny mpanao gazety momba ity tranga ity.

Publicités

Indray andro, hono, tao amin’ny Moov….

Vaovao hitako tao amin’ny tranonkalan’ny Moov ity, ary somary nahalasa saina ahy ihany ny namaky azy. Asa izay hevitrao fa, amiko, dia efa nahitàna olana ny fidiran’ny mpitondra fivavahana amin’ny pataloha tery toy itony, nefa dia mbola mitranga indray izy izao. Sady izay indray anaty fotoana fitoriana no anaovana fanambarana politika. Sao dia diso kianja e! Raha nanao fampiantsoana mpanao gazety mantsy ry zareo dia mety ho azoazo ihany ny nieritreritra azy ho toy ny olom-pirenena rehetra afaka maneho hevitra. Fa ilay izy natao teo anoloan’ny mpino tonga nanatrika ny fotoana no mahasadaikatra.

Vakio anie ny fomba nitaterana azy tao amin’ny Moov e!

Raharaham-pirenena: Mpitondra fivavahana nampiaka-peo sy handray andraikitra raha toa…

(29-12-2009) – Miha miakatra ny maripana politika. Efa hatramin’ny mpitondra fivavahana avy no mihetsika ary nanambara fa: “lava reny ny krizy izay hita ho iniana ampitarazohana”.

Mpitondra fivavahana avy amin’ny fiangonana maro no nitsangana sy nampiaka-peo manoloana ny toe-draharaha politika ankehitriny. “Hetsiky ny mpitondra fivavahana” no nataon’izy ireo omaly teny Antsahamanitra ary avy hatrany dia fitakiana sy famakiana bantsilana ny zava-misy eto amin’ny firenena no nataon’izy ireo. “Mijaly ny vahoaka. Asa maro no efa votsotra ka olona maro no tsy an’asa sy ho very asa. Iainana ny tahotra sy tebiteby nefa misy ireo hita fa mitombo harena vetivety. Manjaka ny tsy fahamarinana, ny fampihorohoroana ny vahoaka, ny fisamborana olona tsy mitovy hevitra, ny fampidirana am-ponja”, hoy ny fanambarana. Dia hentitra ry zareo nilaza fa: “raha mbola ikirizana tohizana ny fomba ratsy ary iniana tsy karohina ny vahaolana dia vonona handray andraikitra ary hijoro hatramin’ny farany ny mpitondra fivavahana. Ny fitondrana miorina amin’ny herisetra dia miafara amin’ny herisetra”, hoy izy ireo.

Mbola miantso ireo mpanao politika mba hiverina hidinika anefa ireto mpitondra fivavahana ireto fa: “tsy hitondra ny vahoaka any amin’ny lojikan’ny ady an-trano ary ny fifampidinihana no lalana hivoahana amin’ny krizy”.
Takian’izy ireo tsy misy fepetra koa ny hamelana ny Radio Fahazavana handefa vaovao sy ny hamerenana ny “Ampenjiky”. Takiany koa ny hampiasana ny TVM sy RNM ho an’ny rehetra sy handefa vaovao tsy mitanila.
Tehaka mirefodrefotra no nandraisan’ireo kristianina tonga teny izany rehetra izany. Tsy nisy nahalala kosa anefa fa hisy fanambarana pôlitika tahaka ireny tamin’io fotoam-pivavahana io.

Ny Tahiry R.

hafatra nampitaina dia nampitaiko koa e

De: »mbudu duala »
À:serasera@yahoogroupes.fr
Cc: »sera »

ZAVA-MIAFINA LEHIBE MOMBA AN’I MADAGASIKARA

* * * * * * *

Vakio tsara ity, mivavaha, aparitao hatraiza hatraiza, ataovy tonga any amin’ireo Kristiana olon-tsotra, ireo mpitondra Fiangonana sy mpitarika fivavahana, ireo Toby Fifohazana, raha mety, ataovy peta-drindrina, fa maika ny hafatra, maika ny Tompo, vonjeo ny Firenenao !

Fanambarana avy amin’ilay lehilahin’Andriamanitra, mpanompo sady olom-pahasoavana.

Zava-miafina voalohany

Momba ny harenaben’i Madagasikara sy ny fahantran’ny vahoaka Malagasy

* Andriamanitra nametraka harena maro sarobidy eto Madagasikara : harena ambonin’ny tany, harena ambanin’ny tany, zavaboaary tsisy mpanana, tany midadasika, ireo rehetra ireo mba ho an’ny Malagasy, saingy tsy manana ny toe-panahy mendrika ireo harena soa napetraky ny Tompo ao amin’ny taniny ireo ny Malagasy, any ka tsy afaka manjaka amin’ireo harena voajanahary ireo, fa voatery miantso firenena afa hitrandraka ny harenany.
* Tsy hiala amin’ny fahantrany i Madagasikara raha tsy miverina amin’Andriamanitra avokoa ny Malagasy, izay no takian’ny Tompon’ny harena : “Ary ataovy izay mahitsy sady tsara eo imason’ny Tompo mba hahita soa ianao ary mba hidiranao handova ny tany soa” Deo 6:18.
* Tsy ampy handresena ny fahantrana eto Madagasikara ny tetikasa, ny programme, ny vokatry ny asa saina, fa iray ihany no lalana sy vaha-olana : “Madagasikara ho an’i Kristy ary Kristy ho an’i Madagasikara” : “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany dia hanampy ho anareo izany rehetra izany” Matio 6:33.

Zava-miafina faharoa

Momba ny fisian’ny korontana miverimberina eto Madagasikara.

* Midadasika loatra i Madagasikara, maro no mbola tany maizina, tsy tratry ny Filazantsara ary tsy resy hatramin’izao ny herin’ireo fanahy ratsy avy amin’ny fanompoan-tsampy, ny fanaon-drazana isan-karazany, ny fanaovana ody gasy sy famosaviana, sy ny sisa, fa miparitaka hatraiza hatraiza : “Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-drà fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra” Efes 6:12.
* Misy fotoana, miha mahery be sy miha maro ireo fanahy ratsy ireo sady miampy ny fanahy ratsy avy any ivelany, avy any Afrika, Inde, Asia sy avy amin’ireo nosy manodidina, entin’ny olona mivezivezy. Rehefa mitambatra ny heriny dia miteraka korontana mahery vaika eto amin’ny Firenena.
* Maro karazana ireo fanahy ratsy ireo ary sarotra ny mandresy azy, araka ny tenin’ny Tompo manao hoe : “iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin’ionona na amin’inona afa-tsy amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina ihany” Marka 9:29. Manjaka araka izany ny herin’ny maizina, tsy mahalala ny marina sy ny rariny intsony ny olona, tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy, ny mety sy ny tsy mety, very ny “personnalité morale”. Izay rehetra tratran’izany herin’ny maizina izany, na iza na iza, dia tsy tompon’ny tenany intsony, romodromotra, manaonao foana satria ao anaty fisavoritahan- tsaina tanteraka.

Diniho ny fandehan’ny tantara dia ho hitanao ny fahamarinan’izany.

Mampioro-koditra ny asan’ny fanahy ratsy eto amin’ny firenena, hita sy tsapa amin’ny fihanaky ny zava-mahadomelina sy toaka, fitenenan-dratsy eny an-dalambe, asan-dahalo, asan-jiolahy, famonoana olona amin’ny fomba feno habibiana, fametavetana vehivavy sy ankizy, herisetra tsy voafehy, famonoan-tena, sy ny sisa, hita isan’andro ao amin’ny gazety. Fa ny vokany maharitra dia ny fahantrana tsy ahitana fanafany hatramin’izao fa toa vao mainka aza miha lalina hatrany.

Inona ary no fanafodiny ?

« RAHA NY OLOKO izay nantsoina tamin’ny Anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako dia hihaino any an-danitra Aho ka hanasitrana ny taniny » IITantara 7:14

1. Isika Malagasy tsirairay, izay tia Tanindrazana, aoka hanavao toetra isa-maraina, hiala amin’ny ratsy fanao, mba ho ekem-bavaka manomboka izao.
Mba ho isan’izany ve ianao ?
2. Na mpiandry ianao na tsy mpiandry, na relijiozy na tsia, ataovy isan’andro ny fandroahana ny devoly, ny demony sy satana fahavalo : “Ka dia maneke an’Andriamanitra hianareo ary manohera ny devoly dia handositra anareo izy” Jak 4:6.
Mba hanao izany ve ianao ?
3. Ny Kristiana tsirairay, aoka samy hitory amin’ny manodidina azy, mba hisian’ny fivoarana eo amin’ny fiaraha-monina. Tsy mandeha irery ny vavaka ary tsy ampy ny finoana raha tsy arahina asa : “Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa dia maty mihitsy” Jak 2:17.
Hitory ve ianao sa hatory ?
4. Ny Fiangonana rehetra, na inona na inona anarana entiny, aoka hikatsaka fifohazam-panahy, hiala haingana amin’ny fanompoam-pivavahan a fahazarana ary hanao ho laharam-pahamehana sy asa mitohy ny fitoriana ny Filazantsara ivelan’ny rindrina efatry ny trano Fiangonana, “handeha hatrany amin’ny faran’ny tany” (ny morontsiraka no faran’i Madagasikara) .
Mba hanampy ny Fiangonanao ve ianao !

Aoka NY REHETRA samy hibanjina tanjona tokana ho tratrarina farany izay haingana indrindra:
“Madagasikara ho an’i Kristy ary Kristy ho an’i Madagasikara”

Matokia, mivavaha ka aza mitsahatra, miadia ny ady tsara, miasa ny asa tsara
« fa moa misy zava-mahagaga izay tsy hain’Andriamanitra va » (Gen 18:14) ary « ny zavatra rehetra dia hain’ny mino »(Marka 9:23)

FPVM: Fotoam-pivavahana lehibe niraisan’ireo mpanara-dia azy teo Mahamasina

100_0345
Taorian’ny 07 Aprily 2009 namoahan’ny HAT ny didy manafoana ny didy ny nanakatonana ny FPVM nivoaka tamin’ny 2005, dia androany no fotoana lehibe niantsoan’i Pasteur Jean Joseph Randrianantoandro,
100_0414
filoha mpanorina ny FPVM, ireo mpino marobe mpanara-dia izany fikambanam-pivavahana izany. Teny Mahamasina no fotoana, ary tamin’ny 10 ora maraina no voatondro hanombohana.

100_0352Tonga nanatrika ny fotoana ny filohan’ny HAT Andry RAJOELINA sy ny Praiminisitra Monja ROINDEFO, ny Ben’ny Tananan’Antananarivo Renivohitra sy ireo manam-pahefana maro hafa koa.
100_0410

Nivoha maraina be ny vavahady mba hahafahan’ireo mpino marobe miditra malalaka sy milamina tao an-kianja. Nanoatra noho ireny mpijery ady baolina goavana sy iraisam-pirenena ireny no fijery ireo olona marobe tonga nanatrika ity fotoana voalohany nikambanan’izy ireo ity. Saika feno hipoka i Mahamasina. Toerana vitsy sisa tsy nahitana olona nipetraka.
100_0418

100_0435

100_0475
Mandra-piandry ny tena fanombohana sy teo ampiandrasana ireo mpitarika, manampahefana sy ny mpanotrona nasaina, dia ireo sampana velona ao amin’ity fijambanam-pivavahana ity no nanafana ny fotoana tamin’ny alalaan’ny hira evajelika. Isan’ireny ny tarika ‘Ny zanak’ondry’, Christophe RATREMA sy ny hafa tsy voatanisa.
100_0407

100_0463

Voahaja tsara tokoa ny fotoana voatondro hanombohana, sy ny fotoana nahatongavan’ireo olom-panjakana nasaina. Tsy nisy araka izany ny fahadisoam-potoana ela loatra nahazatra sy nampahalaza ny fiteny maneso hoe ‘fotoan-gasy’. Nisy ny fampahatsiahivana ireo dingana sy lalan-tsarotra rehetra nolalovan’ireo mpanara-dia ny FPVM nandritra ity fotoana lehibe ity. Hatramin’ny fotoana nialàny tao amin’ny FJKM Andravoahangy Fivavahana, nandalo tamin’ny fanenjehan’ny FJKM sy ny fanakatonana ny FPVM Taninanandrano ka nanirahana miaramila 8 kamiao mirongo fitaovam-piadiana vao mangiran-dratsy, ary nipàka hatraty amin’ny taona 2009 izay nanokafana indray ny fiangonana FPVM. Voatsiahy tamin’izany ny tsy nahafahana nanao noely voalohany indrindra niainan’ireo olona marobe ireo sy ny fiafenana rehefa mivavaka ary ny tsy nahafahana nanonona akory ny anarana hoe FPVM, noho ny fandraràna nataon’ny fitondrana teo aloha. Izany fandraràna izany dia nitarika ny fiforonan’ireo vondrom-bavaka marobe teo anivony, izay nivavaka tamina toerana maro miafina sy voatery nifindrafindra matetika, mandra-piandry izay fitoniana kely tamin’ny toe-draharaha tany aloha tany.

Teny faneva noraisin’ny FPVM tamin’ity taona ity ny hoe ‘..Ary ny masoko sy ny foko ho ao mandrakariva..(IITantara 7:16b)
100_0465

Tamin’ny 12 ora sy sasany teo ho eo no nifarana ny fotoana.

Fanampim-baovao anio 24 jona 2010 : rohy nangatahan’ny FPVM Iavoloha (eto) mba hapetraka ary anasàna anao mba hitsidika izany koa.