Aoka lehiretsy a !

Fa raha misy olona arahan’ny eto amin’ity bilaogy ity sy ankafiziny ny fomba fanoratra teny Malagasy, dia isan’ireny hoy aho i Ony Rambelo.
Ankafizo anie ilay fomba entiny maneho hevitra e

 

Aoka lehiretsy a !

Aza mba manao tsimbadi-boanampotsy, lehiretsy, ka ho azon’olona tambatambazam-bola amin-karena ka hivadika amin’ny marina. Fa ny daka no misy ambadika, ny loka no misy an-koatra, ny akanjo no misy paosy, ny trano no tsara raha misy efitra, ny tambi-toko no atao anankina, ny salaka no atao sisik’ila, ary ny hofak’ondry no soa mitsimbadika ; fa ratsy koa raha ratsy lehiretsy ny mivadika amin’ny marina.

Aza mba manao kitapo miara-peno, lehiretsy, fa ratsy anie ny manao toy ny akondro mifanafin-dravina e. Tsy soa anie ny parasy mitovy volo e ! Tsy tsara anie ny manao talapetraky ny mpiaotra e ! Tsy mendrika anie ny mpanao tsikombakomba e ! Mahasimba anie ny manao tetika iraisana e, indrindra fa ny mandimby entana ny mpangalatra.

Koa tsory lehiretsy fa fitiavan-tena sy kevo-dahasa tsy nisasarana ianareo a ! Lazao mazava fa noho ny haingitraingitra no nakàna ny fananan’olona tsy nila sota sy vaniny. Lazao mazava fa tsy zaka ny entana, tsy mandry ny saina, ary indrindra tsy velona ny vady aman-janaka ka nandrombinanareo ny an’ny hafa.

Aza mihevitra ny hanjehy ny andro ho lava lehiretsy, fa saino ny am-parany. Aoka izay fa ny zava-tsy hay, lehiretsy, tsy azo ibitabitahana a ! Aza mandrangitra ny efa valaka sy ny trotraka fa ny tody, hono, tsy misy fa ny atao no miverina. Ary farany : Na dia tsy manan-tahotra intsony aza ianareo, lehiretsy, dia mba itafio ihany ny henatra a !

Ony RAMBELO – FB 11 Nov 2014 – 05h 17

OLONDIA MIDELIRA (31 Okt 2014)

Tsy Burkinabé aho fa Bôbôlita

Aty Andavabato ( Kapingo) aho fa tsy ao Ouagadougou…Soa fa tsy Burkinabé aho fa Bôbôlita. Efa ela no fantatry ny olondia toa ahy fa ny korontana politika efa lasa fomban-drazana tsy hita izay naharatsy azy ary efa iainana an-davanandro io ho an’ireo manan-tsaina sy olon-kendry.

Ho dorantsika raha mbola misy azo dorana satria mety ho maro no mihevitra fa fanehoany hevitra ny fandorana izay kely ananany. Efa may ny lapan’ny tanàna, ny teny Andafiavaratra, ny tao Manjakamiadana, ny RNM sy ny TVM…Fa olona adala kosa izay te-ho Burkinabé handoro an’i Tsimbazaza e! Tsy maintsy hiverina aty Kapingo izany ny gidro?

Raha tianao dia aleo aho hijanona aty Andavabato ihany hiaraka amin-dry Lemizo . Amin’izay na tsy hisy ho tantaraina intsony aza aho amin’ireo taranako dia mba afaka hihirahira ihany! Averimberiko eo ny hoe: ”foza orana,ho’aho, biby mi-torina”.

Ony Rambelo

Dikamitovy nanomezan’ny tompony alàlana

TSIMBAZAZA (Dafy Noely 26/10/2014)

TSIMBAZAZA

Malaza ary fantatra ny ao Tsimbazaza
Fa lapan’ny biby sy zava-maniry.
Koa raha manam-potoana mba ento ny zaza,
Hijery rajako tsy fahita firy.

Mitsambikimbikina sy milalao,
Mandany hery tsy mifampitsitsy.
Ka rehefa reraka, indreo ny anao,
Vao mahita akondro tsy tana mihitsy.

Fa ao koa ny gidro mpanangana tanana,
Ao ny karazany mahay an-kisitrika,
Ao ny ragidro matory mitsangana,
Ao ny rajako malaza mpingitrika.

Dia misy ragidro mahay sarin’ady,
Mody manambana hanao ampamoaka,
Kanefa dia mifankatia toa mpivady,
Fa mifanebaka imasom-bahoaka.

Ny ao an-dapa tsy haharitra fa vetivety,
Ka ny mahamaika dia ny haka alalana,
Hividianan-dasantsy mihoatra ny mety,
Afahana fiara tsy mataho-dàlana.

Ny lazan’ilay Tsimbazaza tsy ho lany …
Hino ve ianao raha toa hilazako
Fa vola aman’hetsiny fotsiny ihany
Dia ampy hividianan-tsonian-drajako ?

Mino ve ianao ?

Dafy Noely 26/10/2014

Halatra Hitako Atsy Amin’ny Madagascar Matin Online

Raha nitsangana tamin’ny andro Paka ny Tompo, dia Alatsinainy Paka miavaka tokoa ity androany ity. Miavaka satria nahatsikaritra fitsanganana tamin’ny maty tamin’ny fomba hafahafa aho. Ary rehefa nitsangana tamin’ny maty dia niova anarana fa tsy ilay anarana tany ampiandohana.

Hafahafa koa izany raha fampidirana an! Hoy angamba ianao mamaky izay soratako. Hazavaiko ny tiako hambara:

Tany ampiandohan’ity volana ity dia nisy namana nanoratra lahatsoratra iray tamin’ny teny frantsay, niresahany mpanakanto iray antsoina hoe Jonny Andriamanankoavy. Mipetraka tsara ao anatin’izany lahatsoratra izany ny datin’andro namoahana ny lahatsoratra ( 03 / 04 /2014) sy ny anaran’ny tompon’ny lahatsoratra ( ikalamako tao amin’ny vaovao.org).

Efa dila tapa-bolana aty aoriana anefa dia nitsangana tamin’ny maty ve sanatrian’ny vava, sa niofo ilay lahatsoratra, fa dia hitako mivoaka ao amin’ny tranonkalan’ny Madagascar Matin, amin’ny lohateny mitovy, datin’andro hafa, ary anaran’ny mpanoratra hafa (Tahiana Andrianiaina).

Zendana tanteraka satria ny na ny firafitry ny fehezanteny aza, dia ny an’ilay namana manontolo no mìverina ao, ankoatra ilay nataon’i Tahiana anaty farango sosona manao hoe :

« Depuis quelques années je travaille avec les Ambassades, Consulats et Représentations de Madagascar à l’étranger : à Paris aux journées africaines de l’Unesco ; à Lyon au stand du consulat de Madagascar (Village Consulaire) ; à Bayonne pour représenter les artistes malgaches au Musée Basque avec son excellence Monsieur Razafy-Andriamihaingo ambassadeur de Madagascar en France. Ces manifestations sont très importantes puisque nous y montrons les premières vitrines du pays » affirme t-il

sy ny nanovany kely ny « contemporain » ho « moderne »

Isan’ireo tena faran’izay masika sy sarotiny amin’ny fangalarana asa tahaka izao n y tenako, ary efa nampahafantatra ny tompon’ny asa rahateo, mikasika ity lahatsoratra ity.

Tsy misy idirako ve hoy ianao mamaky? Tsia misy tokoa, namako akaiky no niharany, ary dia adidiko ny mampaneno lakolosy. Farafahakelin amin’izay tkony ho natao ny nametraka ny anaran’ny tompon’ilay asa navoakan’ny Madagascar Matin mba tsy hanondroana azy ho mpangalatra, fa raha nanao izay izy, dia tsy ho toy izao ny resaka. Mety ho ilay namana indray aza angamba no ho faly nankalaza ny anaran’ny Madagascar Matin raha nahita ny asany nivoaka tao.

Am-bava homana, am-po mieritra, tompoko.

Ato ny lahatsoratry ny tena tompony

ary ato koa ilay halatra nataon’ny mpanoratra ao amin’ny Madagascar Matin