Lahatenin’ny Filoham-pirenena – Lapan’Iavoloha, faha 26 jona 2016

Lahatenin’ny Filoham-pirenena – Lapan’Iavoloha, faha 26 jona 2016 nalaina tao amin’ny pejy Facebook « Présidence de la République de Madagascar Talata 28 Jona 2016 »

Fanamarihana: Natao dika/petaka ny lahatsoratra, koa raha misy hadisoana tsipelina, dia tsy avy amin’ny mpiandraikitra ny bilaogy. Navoaka eto ho saintsainin’ny ankehitriny , ho rakitahiry sy ho an’ny taranaka any aoriana ihany koa.

Ry vahoaka malagasy mpiray Tanindrazana,

Misaotra an’Andriamanitra isika tratry ny Asaramanitra, fotoana hifampiarahabantsika noho ny tsingerin-taona faha 56 niverenan’ny fahaleovantena sy ny nijoroan’ny foloalindahy Malagasy. Koa mahafaly anay mivady indray ny mandray anareo eto ankehitrio ary mitafa amin’ny vahoaka Malagasy rehetra, na ny eto an-tanindrazana, na ireo miely patrana maneran-tany. Mitsidika anareo vahoaka tsy an-kanavaka isan-tokantrano izahay ary miarahaba anareo tratry ny Asaramanitra.

Izany fiarahabana izany dia atao toy ny rasa akohon’ny mpianakavy ka ny lehibe manana ny azy, ny tanora tsy very anjara, ary ny kilonga tsy diso tandrify, satria ny rano no miriana hono dia noho ny vato, ny akoho no lehibe dia ny volony, ny andriana no manjaka dia ny vahoaka, ary ny firenena manana vahoaka hendry no miadam-pinaritra.

Ry Malagasy mpiray Tanindrazana,

Be dia be ny zokintsika, ray aman-drenintsika iza niady mafy, ny sasany aza natao sesitany na namoy ny ainy mihitsy mba hiverenan’ny fiandrianan’i Madagasikara sy ny fahaleovantenany.

Ny fankalazana ny 26 jona izany dia sady fotoam-pifaliana no fotoana ahatsiarovana sy anomezana hasina ireny mahery fon’ny Firenena ireny. Tahaka ny vato namelan-kafatra isika ka ny andraisantsika tsirairay avy ny andraikitsika hampanjary izany Fahaleovantena izany mba hitondra firoboroboana ho an’ny Firenena ary fihatsaram-piainana ho an’ny Malagasy, izany no tanjontsika.

Ry Malagasy mpiray Tanindrazana,

Tranga telo no tiako isarihana ny saintsika mba amantarana hoe aiza ho aiza isika izao, ary toa inona no azo itarafana ny ho avy.
Ny tranga voalohany dia ny nankatoavan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena na ny FMI ny tetikasa malagasy sy ny ezaka vita hatreto ho fanatsarana ny fitantanam-bola. Averiko tsara fa ny tetikasantsika malagasy no nankatoavina fa tsy hoe an’ny vahiny akory. Mba ankatoavany izany tetikasa izany sy anomezany ny tena fanalahidy eo amin’ny famatsiam-bola isan-karazany, dia nanao fanamby isika no sady nandray fepetra ihany koa, hanatsarana ny fitantanam-bolam-panjakana.

Nataontsika ny ezaka rehetra ary tsy maintsy mbola ho tohizana izany, fa izay vita hatreto aloha dia efa nahafa-po ka ny vokany dia ny nahazoantsika ny antsoina hoe Facilité Elargie de Crédit, na FEC.

Nambarako teo hoe tena fanalahidy io FEC io. Izao no antony : io no manambara amin’ny mpiray antoka hafa rehetra sy ny mpampiasa renivola rehetra maneran-tany fa miverina amin’ny fenitra tokony ho izy ny fitantanana eto Madagasikara ka azon’izy ireo atao amin’izay ny miroso araka izay tandrify azy avy eo amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Mety misy alaim-panahy hilaza hoe : tena ela be izany fifampiraharahana izany… Tsarovy tsara fa efa tany amin’ny taona 2008 ny FMI no nampihantona ny fifandraisana tamin’i Madagasikara satria tamin’izany fotoana izany dia efa tsy natokisany intsony ny firenentsika.

Ny lesona tiana hotsoahina dia ny hoe : vetivety dia mety rava izay natsangana, fa ela dia ela ny famerenana azy amin’ny laoniny avy eo. Valo taona aty aoriana isika izao. Mety misy koa ny hanao hoe : ka maninona raha mitady ny vola ilaina any amin’ny hafa ? Azo atao ny mamoha varavarana, fa mila lakile ny varavarana ary izao azontsika izao dia ny lakile hitondra ny varavarana hivoha ho amin’ireo mpamatsy vola maro samihafa, ary indrindra indrindra, ho amin’ireo mpamatsy vola tsy miankina ho avy aty amin’ny firenentsika. Ny miresaka sy manakiana, mora, fa ny manatontosa zavatra kosa, sarotra. Misy mihintsy aza ny nikatsaka izay tsy hahatanterahan’iny fifanarahana iny. Tandremo ny mandrora mitsilany tompoko ô, sao dia mahavoa tena !

Misy itovitovizana amin’iny ihany ny tranga faharoa. Ny itovizany indrindra dia ny halavan’ny fe-potoana nilaina amerenana amin’ny laoniny izay nikoro. Tafavoaka ny sazy henjana antsoina hoe Annexe B ny kompaniam-pitaterana Air Madagascar. Tamin’ny taona 2008, izany hoe valo taona lasa ihany koa, volana febroary, no nolazaina fa misy tsy fanarahana fepetra iraisam-pirenena eo amin’ny sehatry ny sidina an’habakabaka efa ho 500 mahery tsy voaharaka tao amin’izany orinasa izany. 2011 dia nilatsaka ny sazy satria tsy voahaja intsony ny fepetra tekinika ahazoan’ny fiaramanidintsika mankany Eropa. 2016 vao vita ny fanarenana, afaka ny sazy. Dimy taona nanaovana ezaka isan’andro vaky, 8 taona raha niainga tamin’ny 2008 nahazoana ny fanankianana voalohany. ka dia refeso amin’izany fa vetivety ny mahavoasazy fa ela ny manarina, koa arahabaina sy isaorana ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany noho izany.
Indray mipi-maso hoy aho dia mety rava izay natsangana ary izay indrindra no ilàna ny fahatsiarovantenan’ny tsirairay eo anoloan’ny fandehan-draharaham-pirenena.

Ry Malagasy mpiray Tanindrazana,

Isika dia sady manasitrana ny ratran’ny andro lasa no manangana ny ampitso andrandraina ihany koa. Ny tranga fahatelo tao anatin’izay tapa-taona voalohany izay, dia ny fahavitan’ny fotodrafitrasa lehibe izay mifameno amin’ny efa vita tamin’ny taona 2015 tany Atsimo Andrefana, faritanin’i Toliara.

Tsy dia fitia te hitanisa zavabita akory no tiako atao aminareo fa ny vina izay heveriko fa hitondra fampandrosoana mitozo sy mateza ary fihatsaram-piainana miakatra ho an’ny malagasy. Rehefa miteny isika hoe fotodrafitrasa ka vahavahana izany teny izany dia fototra mandrafitra ny asa no heviny. Raha io ao Atsimo Andrefana io no tarafina amin’izay hevitra izay, dia izao no fipetrany :

· Toha-drano lehibe no natao, lakan-drano amina kilometatra, làlana RN9 100 km mahery no namboarina satria tsy nisy nanamboatra tao anatin’ny 45 taona, fotodrafitrasa ho an’ny mpanjono 15 no napetraka, fanofànana ny tantsaha sy ny mpamboly no natao, mitombo ny vokatra, in-droa isan-taona ary efa mahatratra hatramin’ny 6 sy 7 taonina ny azo avy amin’ny hektara anankiray, naorina ny sekoly, misy jiro, misy rano, misy tranon’ny mpampianatra.

· Vao maika mihatsara ny fepetran’ny fiharian-karena rehetra satria vita ny tetezana lava mirefy 224 metatra natao ao Befandriana, hampifandray ny faritra maro samihafa, hanala ny fijaliana izay niharetana an-taonany maro.
Mazava ho azy fa mitondra fihatsaram-piainana ho an’ny mponina amin’iny faritra iny izany rehetra izany, fa ny zava-dehibe tiako lazaina aminao ry Vahoaka Malagasy, dia izao ihany : izany no fotodrafitrasa fototra tiantsika apetraka eto amin’ity firenena ity, ary izany no tiantsika atao manerana an’I Madagasikara.

Ry Malagasy mpiray Tanindrazana,

Izany fahombiazana azo tsapain-tanana sy ny firosoana amin’ny tsara kokoa izany no mety manahirana ny sain’ny sasany ankehitriny ka asahiany mampiseho habibiana tsy roa aman-tany mihintsy aza amin’ny famonoana Malagasy mpiray Tanindrazana an-kitsirano fotsiny izao, tsy amin’ny antony hafa ankoatra ny fihantsiana fitondrana.

Izany rehetra izany dia tiako isarihana ny saintsika fa manorina Fanjakana tan-dalàna isika ka sanatria tsy hamaly bontana amin-kery ireny mpanao ratsy ireny, fa tianay kosa ny milaza, fa na ho ela na ho aingana, dia tsy maintsy hiatrika ny làlàna sy fitsaràna ireny tsy mataho-tody ireny.

Ry Malagasy mpiray Tanindrazana,

Mila fotoana ny fanantanterahana ny vina sy ny fotodrafitrasa, araky ny nolazaiko teo. Tsapa tokoa izany ary tsy maintsy miroso amin’izany isika rehetra.

Noho ny fahasahiranana lalina mbola iainan’ny mpiray tanindrazana any Androy, dia any no anaovana fanampiana vonjy voina mivantana sy maika.

Mety mbola hanontany ianareo hoe : ka inona ary izany, Andriamatoa Filoha, no tolotànana ilainao, ilaintsika, tena hatafavoaka antsika ?

Ny voalohany dia ny fitoniana sy ny filaminana. Ny filaminana akory tsy manafoana ny ady hevitra politika. Fa ny filaminana kosa dia mifanohitra amin’ny fambolena korontana sy ny fitanisana fanonganam-panjakana isan’andro vaky izao, na ny fanaovana sorona ny vahoaka efa sahirana, ny fanelezana tsaho hampihorohoroana ny vahoaka : tsy izany ny filaminana ! Mamosavy ny fisainan’ny sarambabem-bahoaka fotsiny izany ary hampihemotra ny te hiara-miasa amin’i Madagasikara.

Ny faharoa, izay takiana amintsika Tompokolahy sy Tompkovavy, dia miankina amin’izay filaminan’ny fiainam-pirenena izay ihany, dia ny fiantsoantsika ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena hifampiraharaha amintsika hanabe voa ny toekarem-pirenena, ilaintsika izany, ilaintsika hampandrosoana ny faritra maro izany, ilaintsika hampandrosoana ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana hamitany ny andraikiny izany, ilaintsika ihany koa ampitomboana ny kitapom-bolam-panjakana izany.

Ny fahatelo, izay tiako ambara aminao amin’ity androany ity, dia ny hoe, mila firaisan-tsaina, mila firaisankina izany. Izany no iantsoako anareo rehetra, iantsoako antsika rehetra hifanohana raha miaka-piakarana, hifampitsinjo raha midim-pidinana, hifampitantana raha mizotra an-tany marina.

Ry Malagasy mpiray Tanindrazana,

Isan’ny tranga lehibe mifandraika amin’izany fivelarana ara-toekarena tadiavintsika izany ireo fihaonana fara tampony izay hifanesy amin’ity taona ity. Ao ny fihaonan’ny Parlemantan’ny Frankofonia, ao ny COMESA, ary ny Fihaonana an-tampony ho an’ny tany mampiasa ny teny frantsay. Amafisiko foana fa zava-dehibe ho antsika ireo satria fitaovana ho enti-manabe voa ny fiharian-karentsika ny fihaonana an-tampony tahaka ireny. Fotoana ahazoahna miresaka mivantana eto an-toerana amin’ny manam-pahefana ambony avy amina firenen-dehibe maro samihafa. Izany no hitranga eto amin’ny firenentsika, ary hampiroborobo, tsy am-pisalasalana, ny fiharian-karena eto amintsika.
Ka ny fanontaniana izay apetraka dia ny hoe, isika anateran-kira indray ve no hilaza fa tsy mahay ? Tandremo e ! tandremo tompoko ô ! ny manaratsy tena toa omby atsika, fa tahaka an’ilay efa nolaizaiko teo ihany hoe, sao mandrora mitsilany isika.

Ry Malagasy mpiray Tanindrazana,

Ny zava-dehibe anankiray izay tokony hampieritreritra antsika dia izao : 56 taona aty aorian’ny niverenan’ny Fahaleovantena, mbola betsaka ny fahantrana, mbola betsaka ny fiankinan-dohantsika amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany, aoka haseho ny ambompon’ny Malagasy ary arovy mafy ny fiandrianam-pirenena, ka ity andro ity dia fotoana mba iarahantsika manao velirano amin’izany tanjona izany.
Ny antony iray lehibe izay mahatonga antsika amin’izany toerana misy antsika izany dia tsotra : ny fiainana ara-politika be korontana loatra no nisy teto amintsika. Hevero tsara fa olona 13 no nitondra an’i Madagasikara tanatin’izay 56 taona izay kanefa dia ny 6 tamin’izy ireo ihany no voafidim-bahoaka. Ny sisa azontsika lazaina hoe nitondra tetezamita.

Ny fifandimbiasam-pahefana amin’ny alalan’ny fifidianana ihany no vahaolana hampisy fitoniana eto amin’ny firenena, hampisy fampandrosoana eto amin’ity firenena ity, ary izay ihan y koa no fanajana ambony indrindra ny safidin’ny vahoaka.
Koa, inona no safidintsika ? Isika efa nisafidy ny handroso, ary efa miroso tanteraka eo amin’ny fampandrosoana isika izao.
Miantso anao aho hisian’ny filaminana, mila fotoana ny fananganana fotodrafitrasa fototra, mila vina mahataka-davitra ny Firenentsika tompoko, raha tena tiantsika ny hampandroso azy, ka ho azontsika refesina eo amin’ny fihatsaram-piainana ny fandrosoana. Tandremo fa be ny mamporisika anao hoe, aiza ny vitantsika, na dia efa nandroso aza.

Tsy azo teren-ko masaka toy ny voalobo-jaza fa ny vary maitso hono tsy azo jinjaina ary ny omby mitsangana tsy azo hohanina.
Ary eto aho dia mitodika manokana aminareo tanora, amin’ny tanora malagasy rehetra : te hilaza aminareo hoe : SAHIA mijoro hanarina ny firenena. Manàna ambo-po miaro ny marina, ny rariny ary ny fihavanana. Mijoroa am-pahamendrehana amin’ny maha Malagasy, Arovy ny sotoavina sy kolotsaina maha-malagasy antsika. Ianareo no aoka hanitsy raha ilaina izany, ary hanatsara koa raha misy ny tokony hohatsaraina. Matoky tanteraka aho fa ny hevitra fananganana no be ao am-ponareo noho ny hevi-pandravana.

Ry Malagasy mpiray Tanindrazana, Tompokolahy sy tompokovavy

Mirary ny soa sy ny tsara ho anareo, mirary koa raha mirary, mba tsy ho diso ny mahasambatra fa ho tojo ny mananjara ianareo, ary ho ampoky ny soa sy ny tsara hatrany, ka, raha fararano tsy ho vaky lovia, ririnina tsy ho rovi-damba, fahavaratra tsy ho rovi-tsarotro, lohataona tsy ho tapaka zaran’angady, main’efitra tsy ho vaky vilany, voka-katsaka tsy ho banga nify.

Ho fankasitrahana anareo miaramila, zandary ary polisim-pirenena nikarakara ny matso, dia omena fialan-tsasatra 24 ora ianareo.
Eo ihany koa ny fanatonana ny sazy latsaky ny 15 andro na fanagadràna teo anelanelan’ny 01 janoary sy 26 jona 2016.

Ary voaraiko ihany koa ny fangatahan’ny maro mikasika ny kabary izay nataokko tamin’ny volana janoary, koa ekentsika ny hanemotra hatramin’ny faha 31 desambra ny tsy fandoavam-bola amin’ny fanatanterahana famindrana ny tany lova amin’ny samy mpandova.
Izany no fanambintsika Tompkolahy sy Tompkovavy. Androany, amafiso ny fitiavantsika Tanindrazana, izay tsy ampy hoy aho, fa matoky ny tenako fa mandroso isika, ary maro no vonona, maro no manolo-tànana.

Dia samia ho tahian’Andriamanitra tompoko !

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :