Toetrandro: Vaovao farany

Fantatsika fa amin’ny Aprily any izay vao tapitra ny « SAISON CYCLONIQUE. Tianay àry ny mizara amintsika fa misy RIVODOZA niforona any amin’ny 2600KM ATSINANAN’i SAINTE MARIE ANY: ALAVITRA ANTSIKA izy izany, ka dia tsy ahiana hisy fiatraikany amin’ny toetry ny andro misy eto amintsika, AZA MANAHY FA LAVITRA ANTSIKA IZANY, tsy maintsy mampandre mialoha hatrany izahay ny amin’ny fizotrany.
Loharano: Météo

Publicités

Toetrandro ho an’ny herinandro faran’ny volana Febroary

Miarahaba antsika rehetra indray o,

Somary nahazo orana misimisy isika tamin’iny herinandro lasa teo iny, indrindra ny teto amin’ny afovoan-tany.
HANAO AHOANA INDRAY ITY HERINANDRO VAOVAO ITY?
Mbola hitohy ny orana rahampitso ho an’ny faritra sasantsasany, maromaro no hifandimby ny rahona sy ny masoandro amin’ny ankapobeny, fa tsy hahavanona orana akory!
Mirary herinandro feno faherezana ho antsika tsirairay avy indray ny Meteo Météo Malagasy – Madagascar