Safidy sy « Choix » dia Vazaha, hono, izy

Vazaha hono izy

Ny anabavin-draiko 30 taona no efa tany
fa tsy mba nanadino ny teny Gasy izany
ireo namako any am-pita
be koa no tafita
fa tsy nisy nanao azy ho valalan’alika
ny hafa kosa hono, taona 2 no vita
dia very tabilao mila tsy ho hita
na fiteny na fanoratra ny teny nibeazany
fa ny an’ny hafa indray no lasa tenindrazany
Avylavitra 09/ 04/ 2014 – 08h11 – Antsahavola

Safidy sy « Choix »

Moi, Tu vois,
cela fait deux ans, que je suis à Paris
à cause du taf et tous mes amis
la langue malgache, oh, j’ai vite oublié
tellement, tellement, c’est compliqué

Hay …
Fa tany amin’ny « Lyfr » angaha no sekoly ?
dia tao amin’ny « alliance » no niala voly ?
Sa nianatra tany an-tsekolim-bahiny
ka tena sahirana… tsy omena tsiny

Oh non, ça va
mon collège tu vois, c’était en plein Tana
c’était pas du tout, une école vazaha
c’était un CEG, le Square Poincarré,
à coté d’ «Annoussy » tu vois où c’est

Hay ,
Antanimbarinandriana, lalovako lava
rehefa hianatra, sy rehefa mirava
dia vita BEPC avy eo dia nankaiza
angamba sekolim-bazaha no nitaiza ??

oh que t’as une mémoire, c’était ça je crois,
« Antanimbari.. » quelque chose comme ça
eh ben, après, j »ai poursuivi,
au lycée d’en haut, au … lycée Gallieni

Hay …

et après le Bac, j’étais encore là bas
je « taffais » un peu à « Behoririkàh »
c’était là, que j’ai fait un peu d’économie
et puis après, je suis partie

Hay …

Cela fait deux ans, que je suis à Paris
je suis hôtesse de caisse, je travaille chez Tati
je m’intègre bien, et là ça va
surtout avec les cop’s, Silva et Nadia

Hay,
ny teny malagasy ve moa izany adino
toa sarotra ihany an, izaho aloha toa tsy mino
izaho izao taty, folo taona mahery
izaho miteny sy manoratra, tsy misy izy hoe very

oui, mais tu vois, je n’ai pas d’occasion
et en plus ce n’est pas important
même tu vois, quand il y a les soirées,
je n’y vais même pas, je ne suis pas intéressée

chacun son kif, chacun son truc
même si cette langue sera caduque
c’est pas mon souci, j’ai fait mon choix
tu veux, tu veux pas, c’est toi qui le vois

dia lasa aho nandeha tsy nanome tsiny,
nohajaiko ihany koa, fa safidiny iny
tsy hiteny betsaka aho, sao dia hoe masiaka
fa fiainany izany, izaho tsy hi »critique »

Raozigasy

2 Réponses

  1. Kisendrasendra no nahitako ity tononkalo ity, fa nahasarika ny masoko ilay lohateny hoe « avy lavitra » tena mampiomehy tokoa.
    Ny fiteny amin’ny faritra iray dia tena zavatra mora miofo tokoa, fa tsy mitovy ny fiantraikany amin’ny tsirairay. Za manokana mora andairan’ny tenin’ny toerana hipetrahako, eto Frantsa aho izao , saingy vao avy nipetraka tany Espagne, tsy ampy enimbolana akory dia be dia be ny voambolana « espagnol » hafangaroko ami’ny teny frantsay nony niverina teto Frantsa aho.
    Toy izany koa , nifindra monina tany Toamasina izahay fony kely, fa tsy ampy herintaona dia « miroko » avokoa izahay mpiray tam-po , izany akory tsy midika fa hadino tanteraka ilay teny nahazatra . Tadidiko tamin’ny izany andro izany misy havana milaza hoe « andray! tena very tany tamatave tany ny zanakareo »!

  2. Mahatsiaro menatra tokoa ny tena mahita ilay tonokalo izay tena zava misy tokoa, ny fiteny aloha zany dia tena io tokoa fa ny olana vao maika grave dia ny fihetsika sy ny toetra misy tena mahazendana. Mba manana namana vazaha koa ny tena aty Mampikony fa refa mahita ny gasy vazaha dia tena ataoko hoe exagérer loatra ny an’ilay gasy ary tena manahirana anao na dia ny mijery ny fampiasany an’ilay mouchoir a jeter aza, ny sakafo moa dia efa tsy lazaina satria tsy zatra hono ny kibo sa ny saina na marary ve?
    Ary ny tena tsy laitra dia manambany an’ilay gasy tena izy izay tsoriko fa mitovy fomba fiaina sy fijery ary tanjona amiko na dia mpanampy aza ny asany ao. Tsy manana hafatra ho azy ireo anefa aho fa dia izay zany fa tsy atao be ny resaka. Mazotoa ho vazaha raha ho tonga e!!!

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :