Hirotsaka hofidiana hifehy ve?

Ho anareo Kandidà ireo, ity misy zavatra mampaharary tokantrano maromaro vitsivitsy, na dia tsy ny Malagasy rehetra aza. Nefa inoako fa mbola be no ho tratra: iza aminareo no sahy hampiditra ao anaty programan’asanareo ny fanamorana ny saram-pifandraisana? tafiditra amin’io ny resaka aterineto? IZA? IZA? fa mety manana chance hahazo ny vatoko.
Tsarovy fa io resaka fita-bitro ataon’ny #TELMA #MOOV amin’ny mpanjifa io dia mahavoa tokantrano vitsivitsy maromaro.

Tsy zoviana amin’ny ankamaroantsika fa maro ny tokantrano Malagasy ankehitriny no tsy matoky intsony ny oniversitem-panjakana eny Ankatso, noho io resaka fitokonana matetika io, ka nisafidy ny handefa ny zanany ho any amin’ny tsy miankina, na farafaharatsiny ao amin’ny CNTEMAD. Izaho anisany.

Maro amin’ireo mpianatra amin’ny CNTEMAD sampana mikirakira  ny resaka tontolon’ny teknolojia sy ny manodidina azy no mahafantatra tsara fa mifandray amin’ny CNAM any ampita io fianarana ataony io. Misy amin’ny fianarana na ny fanadinana atrehana ao no atao mivantana ety anaty tambajotra, iarahana amin’ireo mpiaraka miombon’antoka aminy.

Mba te-hivoatra sy te-haharaka ny fampianarana sy  ny lenta any amin’ny firenena hafa any ny zanaka Malagasy, nefa raha izao zava-mitranga amin’ny ampihimamba sy ny antsojay ataon’ny #TELMA #Moov izao no iainana eto tsy mitsahatra dia tsy rariny. Ho gisitra lalandava eny ny taranatsika, ny frantsay sy ny karana hiha-be hatoka hatrany amin’ny fanivaivana sy faniratsirana ny taranaka Malagasy manontolo. Sa ianareo mpirotsaka amin’ny hazakazaka hahazo seza ireo koa mpiray saosy ao?

Enga anie mba hisy ny fiovàna, fa araha izao no mitohy dia hoy aho hoe: ‘tsy misy zava-doza toy ny vahoaka LEO, ary indrindra indrindra moa fa rehefa io vahoaka io no miteny hoe ‘ALEO TSY MISY TOY IZAY……-SY’ dia efa manampoiza zavatra hoy ny bebeko izay faha-velony.

Mba miezaka ihany araka izany ny ray sy reny manao izay hahatafita an-janany, saingy, na ny mpitondra ny tany sy ny fanjakana no fositra voalohany, na ny karazana orinasa toy itony. Anjarantsika tsirairay araka izany no misaina.

MISIA IRAY AMINAREO MBA HO HENOKO HO SAHY HANAKIANA MIVANTANA AN’IREO HO HITAKO, fa raha mbola tsy sahy manao an’izay dia ialako tsiny fa olona KANOSA, na FANGOLOKA MPIRAY LOVIA AO DAHOLO IHANY.

Hatreto rahateo koa moa dia sarin’ady no betsaka, fa araka ny teny hoe i dada ihany no neny, dia hoy kosa aho hoe ‘IZY IHANY NO IANAREO REHETRA’. Mirotsaka HIFEHY, tena hifehy sy hangeja no betsaka.

Mpanoratra: RADIFERA RANAIVOSON Maminirina

Laisser un commentaire