Opération Smile – Septambra 2013 indray no fotoana

Fampitam-baovao avy amin’ny CPM ANTSAKAVIRO – 18 Marsa 2013

Hiverina amin’ny volana septambra indray ny “Opération Smile” nandraisan’ireo “volontaires” ao amin’ny Corps de la Paix/ Madagascar anjara

Tapitra androany ny ny hetsika ara-pitsaboana “Operation Smile” nandraisan’ny ireo mpiasa an-tsitrapo na “volontaires” ao amin’ny Corps de la Paix/Madagascar miisa iraika ambin’ny folo mianadahy anjara tao amin’ny hopitaly Ravoahangy Andrianavalona. Nahatratra 177 ny isan’ny fandidiana natao nandritra ny efatra andro sy tapany. Ny iraka ataon’ireo mpitsabo vahiny miisa enina avy amin’ny firenena isan-karazany nandritra ity “Operation Smile” ity, dia ny fandidiana maimaimpoana ireo zaza malagasy sy olon-dehibe sima na koa manana fahasembanana eo amin’ny endrika mba ahafahan’ireo mitsiky toy ny olon-drehetra indray.

“Tena nahaliana ahy ny nanampy ireo mpitsabo nandritra ity hetsika ity satria hanohy fianarana momba ny fitsaboana aho rehefa vita ny asa an-tsitrapo ataoko eto Madagasikara,” hoy Raphael Macri, “volontaire” amerikana ao amin’ny “Corps de la Paix/Madagascar tamin’ity Operation Smile ity. “Tsy vitan’ny mandika teny fotsiny ny asanay fa noho ny fahafantaranay sy niainanay niaraka amin’ny Malagasy dia afaka mampahery ny marary izahay ary manampy tsara ireo dokotera vahiny.” Mafimafy ihany ny asa satria maharitra adiny 12 ora vao misolo indray ny ekipa ary niloa-bava mihitsy ny dokotera, hoy Raphael Macri, fa tsy nahavita ny asany izy ireo raha tsy teo ireo “volontaires.”

Ny andraikitr’ireo mpanampy an-tsitrapo avy amin’ny fikambanana samihafa tamin’iny “Operation Smile” iny, ahitana Malagasy sy Amerikana, dia ny fandraisana sy fanomezana torolàlana ny marary amin’ny fahatongavany ao amin’ny toeram-pitsaboana; fandikana teny avy amin’ny anglisy amin’ny teny malagasy; fanazavana ho an’ny marary ny zavatra hatao azy ao amin’ny efitra fandidiana ary fanampiana amin’ny alàlan’ny fanomezana sakafo ny ankizy rehefa vita ny fandidiana.Androany dia mbola niasa ireo “volontaires” nandray ireo marary nodidiana tamin’ny herinandro lasa ka nasaina niverina. Amin’ny volana septambra dia hiverina ny “Operation Smile” ka any Toamasina indray no hanaovana ny hetsika, izay indray mandeha isan-taona ihany teo aloha.

Ezaka iraisam-pirenena ny “Operation Smile” ary tanterahina maneran-tany any amin’ny faritra sahirana sy an-dàlam-pandrosoana. Mahatratra hatramin’ny 60 ny isan’ny mpitsabo mandray anjara maimaimpoana, manolotra ny fahaizany sy ny fotoanany manatanteraka fandidiana amin’ny ankizy. Miara-miasa amin’ny toeram-pitsaboana amin’ireo firenena hivahinianany ny “Operation Smile” ary ny tanjony dia tsy vitan’ny hoe mamerina fotsiny amin’ny laoniny ny tsiky eo amin’ny ankizy tratry ny fahasembanana eo amin’ny endrika fa mizara koa traikefa amin’ireo mpitsabo eo an-toerana, mamela fitaovana fandidiana ary manorina fiaraha-miasa manara-penitra mba hisian’ny fivoarana sy fahavitan-tena aty amin’ny tany an-dàlam-pandrosoana.

sMILE2012 195
(Sary: anjara asan’ireo volontaire koa ny mampifalifaly sy manary dia ireo ankizy andeha hodidiana na efa vita fandidiana)

Une Réponse

  1. Oviana ny any @ faritany?

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :