HAFATRA FARAN’IZAY MAIKA HO AN’NY MALAGASY REHETRA, indrindra ny faritra andrefana

Dia gaga ianao mahita ny fankalazana ny #POWERBALANCE tao anaty #GAZETIKO androany (10 /08/2012). Hanafika an’i Mahajanga, Maevatanana Ankazobe ry zareo ato anatin’ny andro vitsy, hetsika mety hiarahany amin’ny #MadaVision. Indrisy…..!
Dieny izao ampitampitao ny hafatra mba tsy ho voafitaka ny havanareo sy ny namanareo.
Asaivo mba mijery sy manao recherche anaty Google ny hoe ‘power balance + arnaque’ ny olona

OMAPI, hono

Mampalahelo raha ilay filazan’ilay #JKGroup azy ao hoe efa nahazo alalana tamin’ny #OMAPI hono izy hivarotra azy io. Fa angaha moa izany no andraikitry ny OMAPI , manome alàlana hivarotra hosoka? Tsy ny manamarina sy mitahiry ny marika sy ny fizaka-mànana ara-indostrialy va re no andraikiny?

TANY TSY MISY MPITONDRA TOKOA VE?
Fa aiza ireo Ministera isan-karazany ireo, sy ny mpitondra isan’ambaratongany no tsy maneho hevitra sy mandray andraikitra e ? Sa koa olona tsy manjary daholo, hatrany amin’ireny ambaratonga ambony rehetra ireny no misy eto ka tsy afaka ny handanjalanja izay hahasoa ny vahoaka intsony? Sa zavatra hjafa mihitsy no laharam-pahamehana, ka avela ho resabe toy ny Club Satanika indray vao mody hisehoseho etsy sy eroa haneho hevitra?  Tena mampametra-panontaniana an!

EFA BETSAKA  IZAY

Efa betsaka izay resaka natao izay, indrindra taorian’ireo dokambarotra nalefan’ny #RNM sy  ny #TVPLUSMADAGASCAR mikasika azy ity, fa ny hany làlana tsotra atoro anareo dia mba tsidiho ny pejy Facebook tvplus dia karohy ao ny resabe niainga sy ny fanamarihana avy amin’ny olona mpanaraka io pejy io. Hatramin’ny olona avy any Italie aza naneho ny tsy maha-izy azy io ao

Rohy azonareo tsidihana hanamarinana izay voalaza etoana:

http://tulearenvie.mondoblog.org/2012/07/31/3-choses-que-vous-devez-savoir-sur-le-bracelet-power-balance/

http://www.europe1.fr/International/Power-Balance-le-bracelet-de-l-arnaque-833473/

http://belli-sport.over-blog.com/article-l-arnaque-power-balance-enfin-devoilee-86393396.html

http://www.melty.fr/power-balance-la-fin-de-l-arnaque-des-bracelets-actu46820.html

http://blog.surf-prevention.com/2010/12/23/bracelets-a-hologrammes-power-balance-remboursement-clients/

http://blog.surf-prevention.com/2010/08/09/power-balance-efx-efficacite-danger-hoax-placebo-bracelets-magiques/

http://www.linternaute.com/sport/pratique/bracelets-power-balance-l-arnaque.shtml

http://www.smh.com.au/small-business/power-balance-wristbands-a-sham-accc-20101223-1960g.html

http://www.meltystyle.fr/power-balance-le-bracelet-magique-teste-par-actu40295.html

Mbola be no azo atolotra fa ireo aza efa mahavalalanina ny maso sy  ny saina

Une Réponse

  1. ka vola be anie no azo avy amin’io PB io eh!tsy atao mahagaga ra manakipy maso ny ministera isan-tsokajiny.nahagaga ahy ary ny vidiny toa ambany dia ambany raha 30 euros eo ho eo ny vidiny any europa. na ny tombotsoa azo avy amin’izy io aza anie miankina amin’ny loha ihany fa tsy hoe misy miracle akory ka hoe lasa mahatosika camion na hoe midina tension eh!afa tsy hoe lany vola nga?!

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :