Ho an’ny TV PLUS MADAGASCAR momba ny POWER BALANCE

ZENDANA, tsy misy teny azoko ambara afa-tsy ny hoe ZENDANA
.
Zendana tanteraka tokoa nahita ny vaovaonareo androany alina. Momba ilay #PowerBalance. Mino aho fa tsy zavatra miafina aminareo izay rehetra efa voasoratra ety anaty tambajotran-tserasera ety, na ny avy any am-pita io, na izay nezahako ihany koa nozaraina tamin’ny teny Malagasy, mba ho takatr’izay tsy mahafehy afa-tsy io teny io, nefa mety mba hanana vintana hikirakira teknolojia.
Tao anatin’ireny hafatro ireny dia niteny hatrany aho hoe azo atao tsara ny manao fikarohana aty anaty aterineto GOOGLE momba io zavatra nataonareo sy ny #RNM dokambarotra io, izay efa nodradraina fa HOSOKA sy TSY MISY ASANY, nefa izao dia mbola vitanareo ihany koa ny nampiteny ilay milaza azy ho mpisahana ny famarotana azy eto #Madagascar fa hoe handeha hitety faritra eran’ny Nosy hampahafantatra sy hivarotra io zavatra fanadalàna saim-bahoaka io (tsy haiko izay fanoratra ny anaran’ilay orinasa na ZIKA na GICA group). Eto aho dia mba miantso ny Ministeran’ny Fahasalamana sy ny Fikarohana Siantifika, antsoiko amin’izany koa ny sampana eny amin’ny Ambaratonga Ambony misahana ny Fizika Nokleary, asa raha mba azon’ireo sampana ireo atao ny manao, na mampanao fanadihadiana sy fitsirihana momba ity POWER BALANCE dradraina sy hamitahana ny olona ity.
Aminareo TvPlus indray no itodihako, mba angataho amin’ilay vahininareo iny hoe iza no anaran’ny orinasa soloiny tena eto Madagasikara hanaovany izao varotra izao, ary avy aiza ny fanamarinana ny maha-tena vokatra azo antoka ny zavatra amidiny?
Raha voaporofony ireo fangatahako aminareo Tvplus ireo, dia hanao fialantsiny imasom-bahoaka aho fa niteny zavatra tsy fantatro, ary nanonononona foana ny anaran’ny hafa noho ny havendranako
Raha nanoratra ireny zavatra rehetra ireny ho an’ny mpiray tanindrazana ny tena, dia noho ny fikatsahana ny tombontsoan’ny be sy ny maro, ary ho fiarovana ireo izay mety ho voarebireby (raha sanatria ka…), izay no antony nanoratana fa tsy sanatriavina ho famelezana ilay orinasa izay milaza fa zavatra mahomby ny entana amidiny, na ny TvPlus izay isan’ny nanao ny dokambarotra, toy ny RNM ihany koa. Fahitalavitra mba isan’ny mahazo isa ambony amiko ianareo, nefa tamin’ity kosa tsy lefitro ny zavatra nitranga, koa ialako tsiny.
Misaotra anareo nanam-paharetana namaky ny soratro izay lava dia lava tokoa, no sady mbola manentana anareo ihany hanao fikarohana mikasika azy io ety anaty aterineto fa mba fahitalavitra manana ny teknolojia vaovao sy avo lenta ho entina miatrika izany ianareo raha oharina amin’ny sasany
Misaotra tompoko

36 Réponses

  1. Vola ny azy satria publireportage io e. Business avant tout

  2. bofff, sosy fotsiny marina ny an’ny tv plus, za ko aza mba saika liana saika hividy tany am-piandohana

  3. za kou mba saika roboka hividy tany am-piandohana, sosy ny an’ny tv plus

    • fa nga de tsisy resaka aftsy sosy e ,fa anambakana ny mpiray firenena @tena ve dia hatao ihany e ?tsy vola ny malagasy lasa any ivelany ve ny fividianana ireny? nga moa tsy ho tokony ho mpanabe vahoaka ny haino amanjery ? sa za ndray no hampianatra azy ireo izany?

  4. miarahaba antsika rehetra, mampidina tension hono le powerbalance eh!lol be.tsy misy porofo maneho an’izany mihitsy na ny tompony ary tsy sahy.izany anie no antsoina hoe publicite mensongere eh! ny malagasy koa mora rebirebena saina toa tsy miheritreritra mihitsy. ny olana anie dia ohatry ny misy ambadika mihitsy ilay izy satria dia na ny ao amin’ny fanjakana miandraikitra ny tsena sy ny fahasalamana aza tsy mba manadihady(bizna vola be).

  5. aza maika ry zareo, fa angaha rehefa manohitohina ny tombotsoan’ny orinasa pharmaceutique eran-tany, na koa tsy hitan’ny siansa azavaina ny zavatra anakiray dia lazaina fa tsy mandeha na tsy marina? raha izao ataonareo izao dia hiasa hoan’ny mafia pharmaceutique ianareo, dia hamporisika ny olona hampiasa fanafody simika sns, …. diniho tsara aloha fa tsy hoe izay dradradradrain’ny voakarama amin’ny internet dia marina daholo…. aiza isika no handroso raha izay mahita vahaolana « tsy azahoan’ny » mpanjanaka tombony, dia lazaina fa mpandainga daholo, andramo aloha , izay isika vao maneho hevitra…..izaho manokana dia tsy mbola nanandrana , noho izany tsy manan-jo hanaratsy aho!

    • Asa ianao io, izay raha ny fahitàko azy manokana, mba manana fahafahana miditra ety anatin’itony fitaovan-tserasera itony ihany, raha mba efa nanao fikarohana momba azy io tety, ary dia tsy sarotra ho anao ny mahita fa NY ORINASA NANAMBOATRA AZY MIHITSY NO EFA NIBABOKA FA HOSOKA SY TSY MANJARY NO NATAONY ARY NANAIKY HANDOA ONIRA 56 MILLION DE DOLLAR AMERICAINS,
      Tsy fanaratsiana araka izany no atao fa filazana ny zava-misy sy ny efa fantatra hatrany amin’ny taona 2007 tany ho any. Misaotra anao na izany aza naneho hevitra teto

    • zany toe tsaina zany ihany anisan’y mampahatra ny Malagasy , efa sahirana ,dia mbola fetsena asaina mamaky loha sy mandany vola amin’izay zavatra tsy sy efa voalaza fa tsy mahomby, zany toetsaina tsy mihevitra afatsy ny tombotsoan’ny tena manokana, tiakely tsy mihevitra sy mahay mijery lavitra zay ho avinn’y firenena manonotolo, dia mampidioza ho an’ny Malagasy, tsy miray saina hiaro ny tombotsoann’y Mpiray tanindrazana fa tia vola lotra ka dia amidin’ny vazaha , mbola tsy hita fona ve fa efa alainy sy vidian amin’ny vidiny mora dia mora ny harena ankibon’ny tany , hazo , trondro ect dia zao ko dia mbola asaina mividy zavatra tsy manjary ihany koa , mba matahora an’Andriamanitra fa misy farany ihany anie zavatra ratsy atao e! Fa anisan’ny mahagaga ahy koa izao dia nahona ny ministera n’y fahasalamana sy ireo mpiakroka ary ireo lazaina fa manampahaizana any amintsika no mbola tsya mihetsika na maneho ny heviny ihany amin’nizao zavatra izao , manaiky anondranan’ny vahiny zavatra tsy manjary dia tsy mijery sy miaro ny fahasalaman’ny vahoka ?

  6. efficace ry zareo ny power balance fa aza dia ny fitenitenenana foana zavatrolona sy ny fanaratsiana ary ny fialonana no atao mibahantoerana amin’ity tany ity a! tena mahomby ary azo porofoina tsara. Misaotra ô!

    • Misaotra an’i Mialy nilaza ny fahitany azy, saingy angamba tsara lanjainao ihany ny dikan’ny hoe fialonana sns… raha mba nanana fotoana kely ihany nanoratana teto ianao, dia inoako marimarina fa mbola mba mety hanana fotoana kely hanaovana fikarohana ety anaty aterineto momba ny anton’ireo fanambaràna sy fanakànana samihafa ampitainay eto. Ankoatra izay, mety niharan’ilay antsoina hoe effet PLACEBO koa ianao na ny olona akaiky anao matoa lazainao fa mandaitra iay izy. Sans rancun. hoy ny vazaha e

    • TENA EFFICACE IO POWER BALANCE IO. AZONAREO JEERENA @ INTERNET FA ZAHAY NAHITA DOC MOMBA AZY IO AVY ANY IVELANY « Le capital: Power balance: objet fetiche? » d mba araho fa olon-tsotra narary no nanamboatra an’io ary nampiasain’ny zanany. @ io doc no ahitanareo fa Cristiano Ronaldo sy Ny Basketeur Lakers manao an’io daholo. Koa nahoana io no lazainareo fa hosoka? D vendrana V reny mpilalao malaza ireny @ nareo?

      • Misaotra anao mizara hevitra. Andrasantsika ny fanehoan-kevitry ny sasany. Fa raha ny fikarohana mba lasa lavidavitra ihany vita tety anivon’ny aterineto natao hatreto dia HOSOKA no andraisana azy, ary tsy adala ny firenena tany ivelany, nampandoa onitra volabe an’ilay nanamboatra azy, ary inoako fa tsy adala koa ilay nilaza ho nanamboatra raha nanaiky nadoa ny onitra sy namerina ny volan’ireo olona nofitahany

    • Hita mihitsy fa « MIALY » ianao!

    • nga ianao karamain’ny jk group aloha? ataoko adala ianao ka tsy hahatezitra !

  7. aleo ianao mihintsy no tonga de miteny imasom-bahoaka fa ny gasy ange vitsy no mba mahita aterineto e sa sarotra be ve izany, raha ny hahasoa ny mpiray tanindrazana ihany no tadiavinao tsy izay torohevitrako izay arahina?

  8. Bjr, misy ny power balance tena izy, ary misy koa ny hosoka. Toy ny zavatra rehetra ihany.

    • Mba azonao itondrana porofo siantifika ve ny Malagasy mba hahazoany antoka fa tena ilay izy no novidiany, dia mba azonao omena ve ny anaran’ilay orinasa mano ny tena izy azafady? Misaotra indrindra mialoha, satria fanampiana ny Malagasy mpiray tanindrazana izao ataonao izao

  9. Tena lava loatra ilay tetezamita, izaho mahita fa tena lasa mikoroso fahana ny malagasy sasany, tena mampalahelo. Ny mpitondra tsy miraraha izany mihitsy fa ny hamenony ny poche-ny no mahamaika azy

  10. mba jereo iany izay zavatra vidina. Tsy oe avy any andafy de vidina fa ireny ange tokony hisy notice miaraka aminy e. Indrindra moa raha miresaka fahasalamana. Misy ao ny effet positif sy effet secondaire izay tsy mintsy soratana. Tsy resaka fialonana sns.. fa ianao ve ialona ny orinasa tsy itanao maso fa tsy ny mba itsinjovana ny volan’ny Malagasy ho lasan’olona @ zavatra tsy misy dikany no mba jerena.
    Ary io mitranga @ tany misy crise fona. Mamorona aretina ny sasany de milaza mahay manasitrana , mahay manatsara fiainana, sns… ; nA ny fivavahana ary oh anizany koa, milaza mahay manao fahagagana daolo!!! Maninona moa ireny raha any @ireny tany lavitra andriana ireny no mande fa tsy eto foana raha te hanampy olona!!! Sa eto no misy vola dia mitsetsitra fotsiny? Any @ faritra atsimo izay anjakan’ny ody ratsy izao tokony hazavaina @ filazantsara!!!
    Tsy mahagaga raha azo ambakaina isika satria reraky ny CRISE tsy te handany vola @ fahasalamana satria CRISE de ambakaina fotsiny
    Mampalaelo ny toetsain’ny Malagasy @izao fotoana izao.
    VOLA! VOLA! VOLA!……….

  11. arnaque io e ! sad power balance fosika dol reny na jk group na inona na inona ! sad le mr tiana herizo mba manana connexion ihany nefa de tsy amhay anzany ! sa enao mpandrahara ao anatiny jk group? tsss

  12. raha efficace ve ny power balance ! manino no interdit de vente any europe ,australie etc??? valio !

  13. tsara foana ny mandalina sy mitady porofo vao manaratsy na tsia ny produit iray, tsy miteny akory aho @ ‘izany hoe efficace na tsia ny powr balanace fa mba tena tiako hasongadina ny fijerin’ny malagasy io p^roduit io :
    1- tsy niteny kosa aloha ireo mpivarota hoe : mahasitrana io , mampidina tosi-dra io fa mandamina;; hevitra 2 samihafa izany fa ny an’ny gasy mantsy dia rehefa malaza dia tena tsara.
    2-very hevitra ny fiainana ny olona ka izay rehetra hahitana rirany kely dia lazaina fa tena mahasoa daholo; ny mpivarotra koa mahay marketing tsara dia ampiasainy ny fahaizany ka tsy vitsy ny voa.
    3-tsy misy technologie apetraka @ ‘ny hoditra izany ka mampiova tosi-dra raha mbola fijery tandrefana no ifotoran’ny fijery.
    ary raha fijery tatsinana kosa no hiaingana dia tsy maintsy manaiky ny fisian’ny canaux sy points meridiens izany vao mety azo adika ny fisian’ny fifandraisana, nefa tsy plastique no fitaovana hampiaisain’ny sinoa fa tsy maintsy vy ( conducteur de chaleur).
    noho izany mila fanadihadihana lalina ihany vao afaka miteny hoe : manova ny energie @ point meridien ve ny plastique na ny totongan-tsary ( hologramme)??
    ilaina izany ny manandrana saingy tsy mila finoana fa manandrana fotsiny dia jerena ny valiny
    ny effet placebo mantsy dia misy na dia @ ny fanafody simika aza, ary ny tsara marihina foana dia maninona no misy manenjika na voarara @ ny firenana hafa io??? mba tena tadiavina ny antony marina fa tsy ampifangaroina « halako bika,tsy tiako tarehy », fa izany no mora mahavery ny gasy.
    koa raha resy lahatra ianao fa mamely tsara dia mahaiza mifaly; fa raha hitanao kosa fa mampihomehy, dia anaro ny hafa tsy hividy mba tsy ho voa toa anao fa ny anao efa safidy ka mila mahazzaka.

  14. Mampalahelo RAMALAGASY lazaina fa tia fihavanana sy mifanampy no dradradradraina nefa izao hitam-poko hitam-pirenena izao ny zavamisy, na dia fahatongavantsaina kely aza dia tsy misy fa efa andevozin’ny vola ny zanankolona. Atsipy ihany ny tady eny antadrok’omby eeee!!!

  15. raha tsy diso ny tenako dia misy ilay atao hoe BNM na Bureau des Normes de Madagascar izay ny Ministera ny varotra no miahy azy io, tokony mandray ny andraikiny izy io refa misy zvt iray vita avy any ivelany na avy eto an-toerana tiana ho hamparitaka eto Madagasikara ka tsy haiko rah mbola miasa izy io na tsia

  16. Tsy fantatra aloha na mahomby na tsy mahomby ny lazaina momba ity « Power Balance » ity. Fa mba te-hahalala ny toerana misy ny JK GROUP eto Antananarivo na ny adiresiny izahay. Raha « Groupe » lehibe hoatra an’itony manko mba tsara ihany ny hahalalana izany. Misaotra tompoko.

  17. tena tsy faly aho,tena tsy faly aho,nohon’ny fahamaroan’ny olona faran’izay mahay eto antanana nefa mitazampotsiny @ reny hosoka sy fanambakana ny malagasy ireny.mampalahelo e

    • Hay ve mba misy an’izany BNM (Bureau des Normes de Madagascar) izany eto amintsika e. ôtran’ny gaga aho raha misy izany satria raha ny fitobaky ny entana « fôpla » eto amintsika a… aoka fotsiny. Tonga dia fanambaniana ny gasy e. Marina oe tsy mahatakatra an’ireny « vraie marque » ireny tsika, dia izany ve no ho entina hanararaotana an’ny malagasy. Miova daolo ny anaran’ny marque internationale eto Madagasikara. Exemple : SONY > SQNY, JBL > BJL na JBN, SHARP > SHARQ, NOKIA > NOKLA, SAMSUNG > SAMSVNG, … tena betsaka e. Eny @ entana iainana andavanan’andro no tena feno hosoka. Nefa dia ny gasy enjahana mafy @ cd pirate !! ary io entana pirate be dia be tafiditra eto amintsika ireo ? Tsisy qualité fa morabe !

  18. Inona mo ny zavatra tsy critikén gasy nefa tsisy mahavita azy na n’ray àry ??? raha mahay reo olona miteny reo de tokony manamboatra fanafody ko nareo na fomba hafa hisorohana ny fiakaran’ny tosy-dra, na vodim-panjaitra àry tsy vitanareo ka aona ny fomba hinoana anareo!! zay fona ny mahavoa ny gasy be critika ne fa tsy mavita azy sady potehina foana zé olona mba mahavita zavatra kely.

    • Mino aho fa efa nahazo valiny sahaza azy ity hafatraoa ity ry ALY, na izany avy amin’ny ministera mpiahy, na avy amin’ireo mpamaky marobe. Indrindra moa fa dia mbola ity JK Group ity ihany koa ankehitriny no tompon’antoka amin’ny famitahana Malagasy maro tamin’ny resaka solosaina, tsy ela akory fa vao am-bolana vitsy talohan’ny nanoratana ity hafatra apetraka eto ity

  19. eh mampalahelo le malagasy fa dia hivarotan’olona zavatra tsy misy dikany dia roboka, nga izy ty hoe mividy an’iny dia par magie hiova ny fiainanao ? Mba tiava mitady sy mikarokaroka oa fa dia aza dondrona ka hivarotan’olona fatina fingotra sy feuille d’aluminium 125 000 fmg

  20. ô rankizy a ô rankizy a ! ny hafa firenena anie ka izay hitsetsefany izay ambany noho izy ihany no tanjony e, ary efa mihamahantra tokoa ry zareo izao ka atao daholo izay azo atao, amidy na aiza na aiza, na eoropeana na amerikana na sinoa na iza na iza.
    mety mba nisy ihany anie ny hatsaran-tsitrapo @ireo mpanafatra sady mba ahazoany tombony ihany amin’ireny entana ireny na hosoka na tsia, satria tsy àry ho takatry ny fahefan’ny Malagasy ihany koa ny tena izy (vraie marque) – ny momba ilay power balance aloha dia ilay atao ho « effet placebo » no mihatra raha ny fahitako azy
    raha resa-pahasalamana : ohatra ny ahy tsy mba tia mihinana fanafody simika loatra, ny sakafo no lanjalanjaina , ny voankazo no tsy tapaka ary ny fanatanjahan-tena atao (na dia an-tongotra fotsiny ihany aza) – tsy mila vola be rey olona ny sakafo voalanjalanja ahena ny fatra ampitomboana ny voankazo, araka ny voankazo misy @vaninandrony
    mba torohevitra ny ahy : anontanio ry bebe sy dadabe salama tsara ny olona taloha tsy nisy loatra ny fanafody simika, ny ravin-kazo tenehina no natao (tsy tapakazo na ody gasy akory izany ! ny zavamaniry ihany ko no nanaovana ny fanafody vazaha ary izy aza mitsikilo ny aty amin-tsika), ary amin’izao, tsy sanatria dokam-barotra akory, efa misy ny orinasa malagasy mikarakara ireny araka ny fatra tokony hohanina.
    dia aoka izay ny fitsiriritana sy ny fakan-tahaka be fahatany ny any ivelany, diniho izay ataony, jereo ny mety sy ny tsy mety, fa tsy àry mety amin’ny fiainan-tsika daholo akory

  21. reraka eo ….nareo fa tena tsy rara ny…….na dia kely aza.vola io.menomeno ….fotsiny nareo eto.vrai marque…..inona fa vola ariana izay mividy any io.hita fa arnaque ko.maty …. ihany anie na manao power balance zato ary anaovany la eo e 150.000fmg x100 no azony fa ela 4 ami.azo ve?

  22. ra za alo d ef nampiasa nef tena itako fa tsis inona niova,fa n teo ian,oe mba aitana torimaso sns,fa eee,tsis e,ny sakafo iany no atao ara pahasalamana d zay no mety,sady isika mbola manatombo fa afaka mihinana produit frais,ny voankazo hanina betsaka araka ny fotoanany,ary ts oe manao an »io ny olomalaza d oe efficace zan fa ny az ts haintsika na la mode,zareo ko manambola ,fa ny malagasy kely,mba aona,manantena oe ho salama nef ts zay fa sady lany vola no voafitaka

  23. za ku manana saka beloha ze ividy ô!!

  24. ento aty vidiako ô

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :