POWER BALANCE – FITAKA BEVAVA

Manana io karazana ‘bracelet’ io ve ianao? Nanova zavatra teo amin’ny fainanao? Ary sao mba terenao hanaiky ny fisian’ny fiovana fotsiny kosa ny sainao, mba tsy hanenina amin’izay vita?Tany Eoropa tany izy io dia namidy 26 euros ny iray ary na ry David Beckham sy Ronaldo Cristiano ary Kim Gevaert aza dia mba isan’ny voajono taminy. Namidy toy ny mividy mofo izy tamin’izany fotoana. Nampitsiry hevitra tao an-tsain’ny mpanao hosoka rahateo koa moa izany mba haka tàhaka azy ity sy hanao azy ho fidiram-bola. Vita amin’ilay akora antsoina hoe « silicone » izy ity. Mety hiloko fotsy, mainty na « fluo », ary eo afovoany no misy sary voasikotra tamin’ny alalan’ny teknolojia antsoina hoe « hologramme ».Ary nodradraina fa afaka hitondra firindràna sy tanjaka eo amin’ny toe-tenan’ny olona mitondra azy. Nameno tsena tany Belzika izy io tamin’ny 2010.

Le bracelet Power Balance était une arnaque

ilay mpanjakan’ny fandrindram-piainana. Hahaha

Nisy aza moa tafakatra ambonin’ilay voalaza ery ambony ny vidy nandrosoana azy teny amin’ny tsena, narahana doka mampilendalenda toy izao:

« Power-Balance dia teknolojia mampiasa ny  hologramme nokarakaraina manokana miaraka aminà fréquences miara-miasa amin’ny hery avy amin’ny tenan’ny olombelona mba hanatsara ny firindrany sy ny tanjaka ary ny fahalefahany.
Taorian’ny vokatra tsy mampino hita tany USA, efa azo jifaina eto Eoropa ankehitriny ny Power Balance !
Vidiny tsy mampino !
vidiny tokony ho izy : 35,90 €
Vidiny mandritra ny fotoana voafetra : 24,90 € »
tao amin’ny http://www.leaderpharma.com/.

Nampiasa fatratra ny Facebook mba hanelezana sary sy hanaovana dokambarotra tamin’ny alàlan’ny fampandraisana anjara ireo atleta samihafa ny Power Balance. Ary tamin’izany dia vitany mihitsy ny nampitandrinasao voafitaky ny mpanao hosoka! Hasahiana re izany! Izy ireo izay mpanao hosoka sy mpamita-bahoaka rahateo.

Maro ny mpampahalala vaovao tamin’izany no efa nahatsikaritra fa tsy misy fototra ara-tsiantifka azon’ny Power Balance hanamarinana ny zavatra lazainy. Ho an’i Frantsa dia ny tranonkala Surf Prevention no nampitandrina voalohany. Fa tsy nandray fepetra mifanaraka amin’izany ny sampan-draharaha Frantsay miaro ny mpanjifa sy mpanenjika ny fanaovana hosoka, na ny Direction Générale de la Concurrence, de la Consommation et de la Répression des Fraudes (DGCCRF), raha ny mifanohitra amin’izany kosa no nataon’ny ACCC tany Aostralia. Tonga dia nanasazy avy hatrany ny tompon’ny ‘bracelet Power Balance’.

Voatery nilaza ny marina sy niaiky ny Power Balance taorian’ny fandraisana andraikitra nataon-dry zareo Aostraliana fa dokambarotra feno fitaka sy lainga no nataony, ary tsy misy fototra siantifika manamarina ny zavatra nolazainy. Noteren’ny Aostraliana ihany koa ry zareo  hamerina ny volan’iro mpanjifa izay manao fangatahana ho amin’izany ary mahatsiaro tena ho voarebireby. Noterena hanaisotra ny laza masaka fanaony tao amin’ny tranonkalany sy ny fonosan’entany ihany koa.

Hatramin’ny faran’ny taona 2009 dia nisy koa ireo orinasa hafa nirotsaka tamin’ny fandrebirebena ka nahita vokatra toy ny azy ity, ary ny Power Tonic dia isan’ireny, nolazaina fa « bracelet magnétique dernière génération », namidy (29€) teny amin’ny Farmasia sy toeram-pivarotana fanafody samihafa.

Greg Whyte, manampahaizana manokana momba ny fanatanjahantena ary mampianatra ao amin’ny Anjerimanontolon’i Liverpool dia nilaza fa ireny no antsoina hoe ‘effet Placebo’, izany hoe rehefa resy lahatra ianao, dia toa mandaitra sy nahitàna vokatra ilay izy, mandra-paha….tonga saina anao fa hoe hay fita-bitro no nahazo anao.

Taorian’ny nataon’i Aostralia, iza no firenena ho sahy hilaza ampahibemaso fa hoe fitaka bevava mahatsiravina iny? Sa hanakombom-bava satria nahita rirany kely tao, na tena tompon’antoka voalohany mihitsy koa aza angamba?

Mba te-hahazo fanehoan-kevitra avy amin’ireo eto Madagasikara (#Madagascar) izay efa nividy azy iny koa aho raha misy afaka mametraka amin’ity lahatsoratra ity ianareo mpamaky. Satria dia nanaovana dokambarotra be teto amintsika izy ity ary namidy taminà farmasia teny Antaninarenina teny, ho an’ny teto an-drenivohitra. Isaorana mialoha. Toy ity ny endrika sasany amin’ireo ‘bracelets fototry ny resatsika eto:

Power Balance arnaque Le bracelet Power Balance = Arnaque

Fanontaniana mampiasa loha: tena tsy nahafantatra an’izao zavatra izao ve ny mpiaro ny mpanjifa eto Madagasikara? Toy izany koa ny manampahefana isan-tokony? Sa sao sanatria hoy aho tery aloha ka , na mahazo tombony ao anatiny, na tena mpisehatra voalohany amin’izy ity? Ohatra hoe, nifampiraharaha tamin’ny tany amin’ny mpanao azy mihitsy hoe, aiza ho anay fa hainay ny mandafo an’io, SATRI any Madagasikara ny DIKY ihany no tsy azo amidy. Miala tsiny
Lahatsoratra mifandraika:

22 Réponses

  1. Nisy namako nanana an’io dia tena nanao démonstration nilingilingy mihitsy. lol
    Dia nanandrana aho fa tsy misy effet akory😀

  2. Za aloha dia tena tara tamin’azy ity satria vao androany no nahafantatra azy io. Tonga saina ihany za fa ny zavatra voaeritreritro voalohany dia ny hoe marketing avo lenta be izy zany ary nampiako ny hoe inona no indicateurs ahafantarana fa mahomby izy io? Merci.

    • Tena tsisy dikany le izy tsara ra mba sazina le mpivarotran’io eto Madagascar fa tena tsy mandinika mihitsy nefa pharmacie!! tena tany mahatra isika!!!

  3. C’est après avoir publié mon billet et en traînant un peu sur ton fil twitter @avylavitra que je me suis rendu compte que tu as déjà parlé du problème dans ce billet en malgache!
    En fait le hic c’est que tout ce qui se vend bien à Tana, la capitale, le devient aussi dans les autres villes comme Tuléar. Et apparemment on peut dire que ce truc a fait tabac là-bas!
    Merci pour le commentaire que tu as laissé sur mon site🙂

  4. iz ti zan mis aty maurice f saing style ftsn toy ireny bracelet rht reny ftsn,za ku manan vert a.

  5. Rehefa jerena le izy dia karana bracelet mitovy @ firavaka rehetra tsy misy dikany akory satri vita @ fingotra de zany ve!!!!!! za lo tena naheno le pub mihitsy fa tsy nampiraika a e! tena sazio mafy le pharmacie fa mamosavy sady tsy manana traikefa @ asany!! ny fingotra ne tsy conducteur tsy;;; misaotra e!

  6. manana page fb , tsy maninona raha zaraina ao ve ito

    • Tsy maninona mihitsy fa tanisao fotsiny ny loharano nakanao azy dia ny Gazety_adaladala, mazava ho azy. Asianao lien fotsny mitondra ny olona hahita ny lahatsoratra niandohana

    • Ka ny gasy anie efa mahantra de lasa tsy mahatakadavitra intsony é, manjary miantsampy fotsiny @ zv ts marna tsony

  7. raha vao manelingelina ny tombotsoan’ny sasany ka mahasolo ny fanafody simika dia lazaina sy terena hoe tsy mandaitra e!!!

  8. Zoky Andry! gaga dia gaga aho an! fa mivarotra azy io angaha ise?

  9. soa iany fa tsy nandany vola t@io

  10. tsara raha misy fanafana ny aretina malagasy nefa mbatoroy ny tsara lay gasy mahantra f’aza omena taolana fa vao maika kenda hoatra ny raharaham-pirenena ankehitriny

  11. diso anao satria aty Diego tsy malaza zany io .Donc taraiky ve zay?maro ny zavatra malaza any tana fa tsy arakin’ny faritra sasany.heureusement satria mety malaky very ****

  12. lamode lamode lamode! hihihihi ny ahy maintimainty! raha ny fanaovako an’ilay bracelet no maha positif tsara ahy, tsy misy olana ka! tsy noterena koa anié ny client hividy e! toa ilay PUB be hoe ADSL firy GIGA illimité ihany io, fôsika be, ary tsy ireo ihany ny publicité mensongère fa bobaka be, fa misy manjifa ihany an! fa le anaovako ity aloha cadeau e!tsy nialako vola fa tsy foiko na placebo na pas placebo! Fa hoy ny dokoterako izay hoe tout est dans la tête! manampy ny fanafody avy eo! kiss avylavitra!

  13. ahoana no tokony hataontsika fa vao maika mirongatra be izy ity e?

  14. Voamarina izao fa vita sinoa ny P.B amidy eto satria izy ireo ihany no mahavita manisy marque na logo amin’io bracelet io .Fopla e !

  15. zah zao vao nividy d mba te halala ny momban’io zavatra io
    tena misy effet marina ve sa zavatra hafa no fonosin’io zavatr’io e!
    sao d mba misy hifandraisany @ resaka satanika koa io?

    • oudry, efa avy nividy hono izy vao mametra-panontaniana! sao diso diso kely? d raha satanika le izy d atao aona le vao avy novidiana? mdrrrr

  16. Lol b lo e! Za zan maht hoe « isika Malagasy » mora voadaladala e! Ze tenenin’ny olona, indrindra fa mombana « zavatra avy any ivelany » dia heverina fa marina avokoa😀 araka le Tenin’ny soratra Masina hoe « Ringana ny oloko nohon’ny TSY FAHAMPIAN’NY FAHALALANA » , zao, firifiry zao ny olona manenina eran-tany nividy an’io FITAKA io? Hafatra ho antsika Malagasy rehetra: firenena an-dalam-pandrosoana isika ary mivavaka aho mba ho lasa lavitra isika fa tsarovy fa mbola anatin’ny firenena mahantra isika ka tsy ho sarotra amin’ny firenena efa mandroso be sy matanjaka mihitsy ny hamitaka antsika noho izany MITANDREMA, MIAMBENA, MANOVOA FAHALALANA ARY AZA MINOMINO FOANA INTSONY! 🙂

  17. aza be vava eo daholo fa agit

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :