Fahaleovantenan’i #Madagasikara (#madagascar #indépendance)

Ety am-piandohana dia ialako tsiny raha mety hisavoritaka kely ity fanehoan-kevitra ity noho izy natao maimaika be. Ratsy be mantsy ny fifandraisana eto amin’ny aterineto amin’izao fotoana anoratako izao ka nahatonga ahy niantso an-telefaona ny #moov mihitsy ( Bande Passante 7.801 Kbps (0.975 Ko/sec) )

Fahaleovantena no anton-dresaka eto.

Nankalaza ny 26 Jona faha-4 taorian’ny krizy 2009 isika, andro vitsy lasa izay. Tato anatin’izao Tetezamita izao, tetezamita niriana hifarana haingana, ary efa nisy aza tany aloha ny famoahana datin’androm-pifidianana nataon’ireo mitàna ny fahefana. Toy ny vanim-potoana fety samihafa dia safononoka ao anaty lanonana ny olona rehefa manakaiky io andro io isan-taona. Nefa tsy mbola teraka Ambatobevohoka hatramin’izao, satria ny vahiny no nibaiko. Tsy nanana Fahaleovantena sy fiandrianam-pirenena isika izany!

Nandritra ny volana Mey koa anefa dia nafampàna ny hetsika politika isankarazany, satria teo no natao ny fitakiana rehetra avy tamin’izao karazana sendika sy fikambanana samihafa izao. SEMPAMA, SECES, sns… Nahazo aina teo ny fanoherana, fa nidonaka ary mbola midona-tsetroka kosa ny mpitondra amin’ny fiatrehana izany fitakiana rehetra izany. Fomba efa nahazatra hatramin’izay izany fanararaotana vanim-potoana hanoherana izany, ary fotoana efa voakajy hatrany hatrany. Tsy sahy mandray andraikitra araka izay tandrify azy ny mitàna ny fahefàna. Tsy mbola manana Fahaleovantena izany isika fa mbola ny vahiny ihany no mibaiko.

Milaza ho tsy mankasitraka izao fitondràna izao ny sasany nefa tsy miala ao ihany, dia milaza fa tsy tomponandrakitra amin’izay tsy fandehanan’ny firenena, nefa ny sonianao mbola miasa ao ihany. Milaza ho tsy hivory raha tsy raharaha tena manohintohina ny fiainam-pirenena. Mbola endrik’olona tsy manana Fahaleovantena ihany koa izay, satria mbola tavan’olona sy tombontsoan’antoko no mibaiko.

Fahaleovantena no ankalazaina ka anentananao ny olona tsy hanangan-tsaina noho ny tombontsoanao manokana na ny tombontsoan’antoko? nefa ianao mbola mitazona ny toeranao ao anatin’ilay ministera ohatra, dia fanitsakitsahana tanteraka an’ilay vahoaka lazainao fa tompoinao izany r’ingahy a, ary midika koa izany fa itsahanao ny hasin’ny firenena. Adidy anie no atao ao fa tsy zo nomena anao akory e ! Dia faly mitsentsitra fotsiny ny volam-bahoaka ao sady milaza ho tia ny firenena ihany. Izany hoe mbola eo ambanin’ny tombontsoa politikan’ny mpanao politika sy ankolafy tsirairay ny firenena. Milaza ho tsy tia vary mohaka ry lerony, nefa mahalany masiso iray vilany. Mba menatra ry zalahy a! Olon-dehibe ianareo fa tsy ankizy intsony, sa izany no vokatry ny fitaizana nandritra ny fanjanahantany fahiny, izay mbola ezahan’ny maro aminareo mpanao politika tazonina amin’izao fotoana izao? Tena mbola tsy misaina ny hananana Fahaleovantena.

Rehefa mieritreritra Firenena ianao dia mahita sary an-tsaina ny sainany, tafika ao aminy, ny lalàna mifehy azy, ny sisintany,  fa tsy tsangan’olona velively no jerena ka hoe rehefa tsy mitovy hevitra ara-politika, na mifanolana dia ny fanajàna ny fankalazana ny fetim-pirenena no hatao tsinontsinona. Fetin’ny tafika ihany koa io.

Nisy fotoana rehefa mety amin’ny mpanao politika ny manonona ny momba ny tafika, dia antsoiny handray fitondràna, nefa nony injay mba tonga ny andro natao ho azy, hankalazany ny fety toy io andro 26 Jona io, dia lasa fako aman’ahitra no fahitàn’ny mpanao politika sasany an’izany tafika izany. Koa raha tsy ilay fetin’ny Fahaleovantena no notroninao, dia tokony ho nanome voninahitra ny tafika kosa ianao. Satria aoriana, raha ianao no ho eo, dia tsarovy fa ny taifka ho tafika foana, fa ianao mandalo miserana. Mifanaraka amin’ny toerana ara-politika raisin-dry zareo no tiany koa hametrahana ny tafika araka ny eritreretiny. Raiso ny tranga CAPSAT sy BANI, iza amin’ireo no naninona, ary iza no nanao ny mety? Antsika rehetra no mamaly an’izay. Araka ny lazain’i Honoré de Balzac hoe :

« Il y a deux histoires : l’histoire officielle, menteuse, puis l’histoire secrète où sont les véritables causes des événements ». Raha adika malalaka dia hoe Misy tantara roa samihafa, dia izay ambara amin’ny fomba ofisialy, miharo lainga, sy izay tena marina iniana tsy avoaka.

Hoy rafa joss any amin’ny Serasera Yahoogroupes any :

“Mba nisy fihetsehana tamin’ny andron’ny VVS (nopotehena), MDRM (nisy nazera velona avy teny ambony avion mihintsy aza ny Malagasy) . Mba nandeha nifidy koa fa fangalaram-bato ny valiny. Ankehitriny aza dia tsy misy voafidimbahoaka na iray aza ny ao anaty Andriampanjakana rehetra, ny ben’ny faritra/tanana ; ary raha sahisahy mihetsika dia tongavan’ny miaramila be baoty sy ny basiny (marihiko kely fa ny miaramila ao dia nampianarina hiaro ny « fitondrana » fa tsy ny vahoaka sy ny firenena akory : vokatrin’ny politika antisubvertive avy amin’ny frantsay izany).”

Ho fikatsahana Fahaleovantena daholo no anton’izany.

Nosimbain’ny mpitondra ny foto-pisainana Malagasy tia fihavanana, novolena ao anatn’ny rehetra ny fifampiandaniana sy fifanenjehana. Hoy indrindra i Rary, mbola ao amin’ny vondrona voalazako etsy ambony :

«Ity fisian’ny tsy rariny eo amin’ny mpitondra (fitsaràna), dia manova, manaratsy ny toetsain’ny vahoaka, azo atao hoe ny sain’ny firenena iray manontolo mihintsy no simba. Ampian’ny fanapotehina ny fiveloman’ny gasy (orinasa nikatona, fandriampahalemana tsy misy…) dia mitombo avo heny ny fahoriana, ankasitrahana ny tsy rariny, miseho ny fialonana, ny halatra, ny risoriso., ireo toetra manapotika ny fanahy, ka tsy ny fitombon’ny fiangonana izay mitombo araka ny fahantrana mitombo eo amin’ny malagasy, no ahitana olana, fa toa lasa manaiky ny zava-misy ny kristiana, miandrandra ny fiainana any ankoatra maharitra !!! fa ny fiainana eto an-tany dia fandalovana !!!

Ny SADC no mampiantso dia faly sy mibitaka fa naharay fanasana na ny mpitondra sy ny ankolafy hafa: hay tokoa moa, azafady fa saika adinoko, ny SADC sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena no efa mitantana an’i #Madagasikara sy mametraka ny lalàna eto. Efa fotoana elaela ihany izao. Efa nifirana mantsy ny Lalampanorenana sy ny fiandrianam-pirenena Malagasy. Dia ireo fianakaviambe iraisam-pirenena efa toy ny sokina nananika vatolampy. Efa tapitra teo an-tampony ny làlana azony naleha, ary efa tokony hamarana ny fitsangantsanganany, kanefa dia mbola isika ihany no misisika miantso azy hikaroka làlana hidinany eny sy hitady làlana ho antsika. Tsy mbola hanana Fahaleovantena isika satria mbola ny vahiny no hibaiko.

An’iza i Madagasikara? An’i RATSIRAKA Didier Ignace, RAVALOMANANA Marc, ZAFY ALBERT sa Andry RAJOELINA ? Ahy sy ianao, antsika rehetra. Mpindrana daholo ireo, mba tsy hitenenako hoe ‘mpisandoka’ fahefana raha sanatria ka mihevitra fa hoe azy ny kadasitra manontolon’ity firenena ity. Iretsy lehibe, toa misarisarin-jaza fomba sy fisaina, sa ity tanora sadasada manan-tsoratra? Amiko ireo rehetra ireo dia samy tsy misy tia ny firenena, samy miseho azy ho bàbany avokoa. Mila olom-baovao ny firenena. Tsy ilainy intsony ireo nantsoina amin’ny maha-raiamandreny azy mba ho mpanelanelana, hay nivadika ho mpikatsaka fitondràna mbola mitetika mafy izay fomba rehetra azo atao hiverenana eo amin’ny fitantanana, na ireto roa nahatonga ny olana iainantsika ankehitriny.

Fiaraha-mitantana hono, Oadray! Fomba fiteny ny hoe ‘Raha te-hahazo anjara sakafo, aza miady amin’ny mpandao-bary’, sy ny hoe ‘Raha te-hahalehibe zaza, mihavàna amin’ny mpamosavy’. Saingy kosa raha ny hevitro dia hafa ny hoe ‘mihavana’ sy ny hoe ‘manambady’. Ny zavatra misy mantsy amin’izao dia (fiaraha-mitantana) fifanambadian’ny mpifamosavy no hitako ery ambony ery amin’ny fitantanana an’i Madagasikara.

Izao ka hatramin’izay ho fahafahana na tsy fahafahan-dRakotogasy sy Rabegasy hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena Malagasy avy no ny vahiny no handinika sy hanapaka azy. Any anaty gazety no ahitanao hoe firenena vahiny 4 manaiky fa 3 mandà. Dia hilaza ve ianao fa manana Fahaleovantena? Ntsssss, aza mampihomehy eee!

Fehezina amin’izay ve? Mety tsy ho voafehiko sady satry foana hanohy hanoratra, fa ity misy tsetsatsetsa tsy aritro. Betsaka sy maro ny Malagasy nianatra, betsaka araka izany ny be diplaoma, be baoritra hoy ny fiteny, fa hatreto dia antontan-taratasy mamendrofendro sy mandranitra vahoaka no betsaka nivoaka, taim-bava sy fifampihantsiana no betsaka nafafy, fa izay tena mba vaha-olana nentin’ireny tampom-pahaizana ireny, tsy mbola nisy tena niantraika tamin’ny vahoaka. Mandehana anie mitaraina e (mangataka mihitsy ho an’ny sasany, efa mahazatra loatra koa moa io, satria izay no toa fampianarana an-kolaka nasesika ao an-tsain’ny maro), fa raha hanoanana no teneninao, dia mofo no omena anao avy hatrany, tsy arahana fepetra hisorohana izy mety ho hanoanana amin’ny ho avy. Tranga ankapobeny io lazaiko io fa sao misy haningantsingana hilaza tranga manokana indray an. Moa va tsy izany no hevitr’ireo filazana ombieny ombieny momba ny resaka fanampiana avy any ivelany eee, fankatoavana eeee, sy ny maro tsy tanisaina! Dia milaza isika fa nahazo Fahaleovantena (#independance) (an-taratasy angamba dia ekeko, fa raha ara-tsaina sy ara-pitaovana ary ny ho enti-manana dia ‘lavitry ny afo ny kitay). Anaram-petaka sy anaran-tsy very ihany ny hoe Fahaleovantena, fa nofy antoadro no tena marina iainana eto, rediredin’adala ihany ilay hoe mahaleo tena sy tsy mandohalika, fa ny tena marina dia mandady amin’ny kibo mihitsy sy efa tafiditr yny vovoka hatrany anaty vava sy vavorony ny tsirairay, mitalaho havia sy havanana ny mpitondra mba hisy mpijery sy mpanolotolotra. Tsy ny harena anefa no tsy misy, fa ny saina no mifotetaka. Raha milaza fa kere ve ohatra ny any atsimo, dia telethon fanangonana vola sy sakafo ve no tokony hahavaha olana? Ekena fa hahavita izay ho vitany izany, saingy ny fijerena ny lavitr’ezaka, toy ny fanomezana azy ny masomboly, ny tany hovoleny, ny mba hitazonana azy hitoetra amin’ny toerana nomena azy ka hamokatra ny hohahiny sy ho azony hamidy koa raha ilaina, izany no hitako fa tanjona hahatonga azy hanana Fahaleovantena, ara-tsakafo, ara-tsaina, ara….tsy fantatro koa.

Ho an’ny maso mijery, ary maro no miombona amin’izay fomba fijery izay, dia ny rafitra teo aloha ihany no miverina amin’izao fotoana, ary toa miha-ratsy lavitra aza, satria manjaka ny kiantranoantrano, ny finamànana ary ny resa-pianakaviana. Miseho lany ny aferafera isankarazany sy ny fanampenam-bava an’izay sahy milaza ny fantany (amin’ny fomba samihafa) . Indrindra anie fa rehefa resaka aferafera mahatafiditra ny mpitondra sy ny fianakaviany. Dia manana ny Fahaleovantena ve ny mpanadihady?

Izao dia hoe tratra indray ny volamena am-polony kilao saika halefa an-tsokosoko hampandalovina tany Kenya. Voalaza fa misy rahalahin’olo-malaza eto amin’ny firenena tafiditra ao anatin’io afera io, misy mpitantana rantsa-mangaika amin’izao fitondràna izao, misy an’itsy sy iroa samy manana ny toerana ambony ao anatin’izao Tetezamita izao. Enga anie tsy hihena an-toerana ny lanjan’ny entana tratra, fa ny teo aloha aza tsy fantatra izay tena niafarany marina sy ny nalehany. Ary enga anie hatao fanta-bahoaka ny momba ny fanadihadiana mikasika an’ilay karana sy ny mpiray tsikombakomba aminy rehetra ao anatin’ity raharaham-bolamena ity. Hanana ny Fahaleovantenany tokoa ve ny fitsarana? Fahaleovantena mantsy eto no resaka.

Koa satria miainga avy any amin’ny mpitondra ny ohatra, dia aza gaga raha rafitra sampona sy tsy mandeha ilàlana no sady manao bingo milatro no hitantsika ankehitriny, misalovana hatrany ny an’ny sasany. Raha misalovana fotsiny moa ka haninona, fa tena maka mihitsy ny anjara-masoandron’ny sasany e. Dia mbola hilaza ve ianao vahoaka Malagasy mamaky ahy io fa hoe manana Fahaleovantena amin’izay zavatra ataonao, sy hitan’ny masonao?

Miainga avy amin’izay hitan’ny masonao ataon’ny mpitondra no manova, manaratsy sy mamotika tsikelikely ihany koa ny sain’ny vahoaka entina . Aza gaga àry amin’izao fotoana raha toa ka tsy an’ny fiara ny arabe, ary tsy an’ny mpandeha an-tongotra ny sisin-dàlana, satria vanim-potoanan’ny TSY MISY BEDY izao iainantsika izao. Ny lehibe tsy sahy miteny ny kely fa matahotra ny hahazo ompa ratsy, ny kely tsy manaja ny lehibe satria sendra ny lehibe tsy aman-tsaina. Izay ilay izy.

Ekeko fa misy ‘ihany’ ny fahalalahana maneho hevitra, amin’izay endrika ijereko azy, saingy mbola mampahatahotra ihany, aleo dia tsorina.

Dia aza faly mifanàsa vangy ety anaty sehatry ny aterineto sy tambajotra samihafa ety fotsiny koa moa fa mba mirotsaha an-tsehatra mitondra izay mba azonao atao e. Izany no hitondra ho amin’ny fanavaozana, sy ny Fahaleovantena, fa tsy hanao sàka “Miao, Miao Miao” lava eo, na hanao toy ny alika “Oao , Oao” isaky ny tezitra sy tsy faly. Satria samy manana adidy. Mba ialao koa ilay foto-pisainana tia manimba manao hoe “Tsy an’i Dada na i Neny”. Sahia manao dingana oooooooh

Fa aleo aloha hatsahatra eo ny siakan-tatatra fa aleo nareo mba ampideraina sary fankalazana ny fetin’ny tafika e. Fetin’ny tafika hoy aho an,  sao dia misy hilaza eo hoe fetin’ny Fahaleovantena.

(noho ny antony avy amin’ny #moov dia tsy tafakatra amin’ity anio ity daholo ny sary, fa sombiny ihany ireo manaraka eto ho haingon’ity vavan’ny maty an-drano ity)

sarintanin’i Madagasika eo am-piandrasana ny tena Fahaleovantenany

Ilay fiaramanidina kely lazaina fa an’ny tafika, angamba handeha haka ilay Fahaleovantena verintsika

Helicopters, mbola an’ny tafika ihany. Jejojejo miseho vahoaka

Teo ambonin’i Mahamasina

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :