Raharaha #DAHALO #REMENABILA sy #TOKANONO

Dia gaga elah! Lasa fiteny tsy zoviana amin’ny rehetra intsony izy io tato ho ato taorian’ireny hetsika nataonà onjam-peo iray teto Antananarivo ireny.

Fa ny tsy aritro mahatonga ahy hanoratra androany dia tsy inona fa ny raharaha fanafihana nataon’andian’olona an-jatony maro tany atsimon’ny Nosy tany. Tany akaikin’Amboasary Atsimo.

Voalohany aloha dia na dia efa andro vitsy aza no nitrangany tamin’izany fotoana, tsy nisy mihitsy ny fanambaràna avy amin’ny tomponandraikitry ny mpitandro filaminana sy ny fitondram-panjakana raha tsy efa hitany fa efa manomboka be resaka ny vahoaka. Indrindra moa fa isika ety anivon’ny sehatra fifandraisana sosialy ety, izay haingana sy malaky tokoa ny fifanakalozana vaovao. Alakamisy 14 Jona isika androany, ary ny bitsika voalohany nalefako momba azy ity dia ny Alatsinainy 11 Jona raha tara indrindra

Tamin’izany fotoana dia nambarako tanaty bitsika (tweets) samihafa fa nisy ny mpitandro filaminana maty, nisy ny olona nalaina an-keriny, nisy ny basy naterin’ny dahalo tany amin’ny tomponandraiki-panjakana taorian’ny fifampitfirana,. ary nisy ny razana nogiazan’ireo dahalo sy tsy mbola naveriny hatramin’ny fotoana anoratako ity lahatsoratra ity. Mba niandriandry fanampim-baovao tamin’ny #RNM sy #TVM koa ny tena fa dia he he he, na nisy aza dia efa taty aoriana be sady mbola vaovao nampihomehy koa avy eo.

Tsy takatry ny saiko ny antony nikononkononan’ireo tomponandraikitra ireo azy io tany fotsiny, fa izay tena mbola tsy takatry ny saiko dia ny fiheveran’izy ireo ny vahoaka Malagasy ho toy ny kentrina sy adala daholo. Azafady, fa tsy ny rehetra kosa angamba no azonareo rebirebena sy raisina ho toy ny kentrina.

Nahoana moa aho no masiaka fiteny androany? Tsotra no antony: nandre tao amin’ny onjam-peo iray ny fanazavana nentin’ny MINISITRA, Jeneraly RAKOTOARIMASY Lucien aho nilazany fa hoe ‘tsy hay na basy avy aiza ireny basy naterin’ireo dahalo ireny, ary tsy voaporofo koa hoe an’ireo mpitandro filaminana voalaza fa matin-dry zareo’. O r’ingahy Minisitra a, ataovy adala ny hafa, fa izaho kosa tsy manaiky ny handraisanao ahy ho toy ny adala, azafady kely. Fomba ahoana moa no ahafahanao miteny toy izany? Fony izahay mba nandalo an’izany fitaizana tao anaty tafika izany, dia mahalala tsara fa misy laharany ny basy tsirairay, ary fantatra hoe iza no nitondra inona nivoaka ny magasin d’arme, rehefa andro toy inona. Koa dia nahoana no mifandrebireby e? Mba atsaharo rangahy ity fiheverana ny vahoaka ho toy ny valalabetsimifoha ity a!

Izao koa ka hoe ‘tsy hanao fanafihana mivantana satria tsy fahavalo fa Malagasy toy ny tena ka hifampiresaka aloha mba tsy hisian’ny famoizana aina sy rà latsaka’..  Tsy fanaovana ny ain’ireo mpitandro filaminana sy olon-tsotra avy amin’ny fokonolona  latsaka nandritra ny fifampitifirana ho toy ny fatin’alika ve izany? Fa angaha moa ireo dahalo nitsitsy azy ireny, no ianao no hiseho ho mpamindra fo sy mpitsimbina ny ainy?

Efa voalaza fa an-jatony maro ireo hifanatrehana, nefa dia isa tsy mifanandrify amin’izany no tohana nalefa any an-toerana.

Lazaina fa hoe rehefa fotoana tsy milamina eto amin’ny firenena vao mitranga ny toy izao, nefa marihako fa na nisy aza ny dahalo fahiny, tany aloha tany, na andron-dRATSIRAKA na RAVALOMANANA dia tsy toy izao no fitrangany. Tsy milaza koa izany fa hoe aleo ny asan-dahalo tamin’izany fotoana ihany. Fa rehefa nisy kosa amin’izay ny resaka fanondranana omby ho any Kaomoro sy ny firenena hafa taty aoriana, dia mirongatra ny halatra omby sy  ny vono tsy misy indrafo. Iza no ao ambadika ao? Sao mba misy aminareo mpitondra kosa manome vahana azy ireo e? Ny tiako lazaina amin’ny hoe mpitondra, dia miainga mihitsy avy any ifotony ka hatrany an-tampony. Raha tsy misy mantsy izany tohana izany, tsy ho sahy hiantsy mpitandro filaminana sy hampilaza mialoha ny fanafihana hotanterahany ny olon-dratsy.Aiza ka hoe asaina miomana ny mponina any #Ranomafana_Taolagnaro fa ho avy hanafika ry zareo ny faha-20 Jona, mba azonareo an-tsaina ve ny fijalian’ireo olona marobe voatery mitsoa-ponenana ato anatn’ny fireneny ihany, latsa-dranomaso sy lotiky ny hatezerana nefa tsy afaka manoatra fa atody miady amam-bato? Mba tsapanareo ve izany?

Be ny velom-panontaniana ankehitriny hoe, tena dahalo tokoa va re? Ary misy mihitsy aza ny sahy milaza fa andia-miaramila mihoko amin’ny fitondrana izany fa tsy dahalo tsotra fotsiny.

Miandry ny marina avy amin’ireo iraka mpikaro-baovao nalefanareo ny vahoaka, ary miandry izay vokatry ny dian’ingahy Omer Beriziky sy ny Minisitry ny Fitsarana lasa any Ambovombe any. Mba tsy ho variana fotsiny amin’ny fanokanana trano anie, fa hijery sy hitondra vokatra amin’ity raharaha ity.

Sanatria va re hitsanga-menatra manoloana ireto lazaina ho ‘Dahalo’ ireto ny foloalindahy Malagasy? Raha izay no mitranga, aza miseho vahoaka akory mandritra ny andron’ny 26 Jona fa tsy misy ilànay anareo sy ny fitaovana raitra mety hasehonareo eo amin’izany fotoana. Ny tahaka izao no hitsaràna anareo sy ny fitaovana eny am-pelatananareo

Ity izao vaovao farany voaray ny 14 Jona: Lehilahy iray no hita faty tao #Behara #AmboasaryAtsimo ary napetraka teny an’arabe ny fatiny avy eo. Tapaka tanteraka ny lohany. Voalaza anefa fa efa niainga avy aty Antananarivo ny tohana ara-tafika ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Mampieritreriotra an

34 Réponses

  1. Feno dia feno tokoa ny voalazanao momba an’i REMENABILA ry ingahy mpanoratra, saingy izao :
    – Milaza ianao fa afenin’ny fanjakana ny fisian’io vaovao io, noho ny antony inona ary araka ny fiheveranao? Ary inona no mety ho tombotsoan’ny fanjakana amin’izany? Tsy mitovy velively amin’ny mpanao gazety, izay faly mandefa izay vaovao henony avy hatrany na marim-pototra na tsy marim-pototra, akory ny fanjakana fa tsy maintsy zavatra marim-pototra no anaovana fanambarana, fa tsy hoe akory mihevitra ny olona ho adala sy ketrona ; aminao zany ny tsy miteny dia midika fa mandainga sy mamerivery? Mba tsy azoko koa ny fanaovanareo « ANALYSE » ny fiainam-pirenena!
    – Milaza indray ianao fa fanaovana tsinotsinona ny fatin’ireo miaramila sy fokonolona maty nandritra ny fifampitifirana nisy ny nilazan’i Minisitry ny foloalindahy « FIFAMPIRESAHANA » aloha. Nanao fiofanana miaramila ianao ka tsy mahalala ny tokony hatao raha misy olona voatazona ankeriny ao amin’ny toerana misy fahavalo? Miala tsiny aho raha masiaka kely milaza aminao fa ambany dia ambany ny fahalalanao momba ny miaramila, fa angaha izy io atao mokondoha fotsiny toy izany fa mba mila « STRATÉGIE » e! Mba mandiniha kely aloha vao manome tsiny ny hafa!

    Ary tsoriko aminao fa n’aiza n’aiza eto Madagasikara no be dahalo, tsy « normal » mihintsy izany dahalo amanjatony izany. Dia izany ve dia tsy takatrao hoe misy olona hafa ambadika manakarama andian’olona entina hanakorontanana ny fiainam-bahoaka? Aiza ary zany « capacité d’analyse » nao izany? Maninona koa zao raha mba tadiavinao ny marina momba izany raha mpanao gazety marina ianao? Hoy i Onitiana Realy tamin’ny Zoma hoe : »NY MPANAO GAZETY DIA NATAO HITADY NY MARINA FA NY FOLOALINDAHY DIA NATAO HITANDY HOE IZA NO DISO »! ka tadiavo ary ny marina ambadik’izao raharaha REMENABILA izao dia mba alefaso eto fa tsy faly mandefa fanakianana eto fotsiny e!

    Ary lazaiko eto koa fa na ianareo mpanao gezety aza dia misy tsy mijoro marina amin’ny maha mpanao gazety anareo (mamoaka vaovao marina eto amin’ny firenena), fa dia manao mpolitika fotsiny (manakorontana ny fiainam-bahoaka, miatsy ny mpitondra fanjakana, mitarika ny olona hitokona, sns). Izany ve no atao hoe asa fanaovan-gazety aminao. Tsy handray ohatra afatsy ny « FREE FM » aho akoatr’ity ataonao hitako maso ity. Samia manao ny asany tsara dia mandeha hoazy ny firenena e!

    Raha olona tena mandinika ianao dia mba jereo ange fa ianareo mpanao gazety, ny haino aman-jery, no ataon’ireo mpanao mpolitika te hahazo fitondrana fitaovana hanitikitihana ny hambopon’ny vahoaka Malagasy ; hany ka tsy manam-potoana handinihana ny tokony hataony intsony ny olona fa zary manaonao foana!

    KA SAMIA ISIKA REHETRA MANDINIKA

    • Mahafinaritra ahy ny tsy fisoronanao manoratra ny ao an-tsainao sy ny loyauté amin’ny fitondrana. Tsy misy maharatsy an’izay. Ny ahy kosa anefa rehefa hitako fa marina dia marina, rehefa tailana dia tailana, ary rehefa tokony ho donina hahatsiaro tena dia doniko.
      Fa mba tiako hampitaina aminao fosiny ny hoe FA MANAO INONA FOTSINY IZANY NY SAMPANA MPANANGOM-BAOVAO ao amin’ny fitondrana sy ny tafika ao? Raha efa andro telo na maromaro aty aoriana vao hilaza ho nahavita nanamarina ny heveriny ‘siosio’ na ‘tsaho’? Mba isao hoe firy andro taty aoriana vao navoaka hoe Arthur RABEFIHAVANANA no anarany marina? Firy andro aty aoriana mbola tsy naneho fiaraha-miory amin’ny fianakaviana tratry ny manjo ny fitondram-panjakana, indrindra fa ny filohan’ny Tetezamita? Firy andro aty aoriana mbola tsy avoaka izay tena sarin’ingahy Arthur Remenabila? Mikasika ireo ministera isan-tsokajiny, inona no nataony momba ireo olona nandositra ny toeram-ponenany ka lasa vesatry ny tanàna hafa ankehitriny (ara-piarahamonina, ara-pahasalamana, sns), sinanina amin’izany ny mpiahy ny mponina manoloana ireo mpitsoa-ponenana ato anatin’ny tanindrazany ireo ihany. Nefa isika androany efa faha-25 Jona 2012.
      Vakio tsara daholo izay voasoratra hatrizay, tsy haiko moa na teto na tany mian’ny sehatra hafa, ary efa andro maro tany aloha no namoahana azy fa miaramila nanana ny naha-izy azy tao amin’ny 2eme RFI Diego ingahy io. Aiza ny toeran’ny fanjakana izay arovanao fatratra ao anatin’io fanamarihanao io amin’ireo rehetra ireo?
      Izao dia dahalo telo raindahiny no mihantsy ny fanjakana, fa tsy ny mpanbao gazety velively. Jereo koa ny fanontaniana napetraka any anaty lahatsoratra samihafa any, fa efa voavaly any anie ny fanamarihanao mikasika ny resaka ambadik’izao zavatra izao e, voalaza any ny resaka fanondranana omby sns….ny resaka olona nalaina an-keriny…Rehefa misy moa ny fotoana dia lahatsoratra lava toy izao no soratana, fa rehefa tsy afa-manoatra dia any anatin’ny atao nay hoe bitsika (tweet) no ampitànay ny sombiny kely, nefa mahalaza betsaka momba azy itony,ao anatin’ny ezaka fanairana hatrany ny tompon’andraikitra matetika, nefa koa ho fanomezantsiny ihany koa rehefa tsy misy, na tara loatra ny fandraisana andraikitra. Ataoko fa mbola andraikitry ny afaka mampahalala vaovao ihany koa ny manao izany, Sa diso aho? Na ry zareo ao amin’ny mpitandro filaminana aza anie ka mitsotra indraindra hoe miainga avy amin’ny zava-boalazan’ny mpampita vaovao ihany koa no anaovany fanadihadiana amin’ny tranga sasany e. Hatreo aloha

  2. Milavo lefona ny miaramila M/gasy manoloana ndry Remenabila. Aiza ry jeneraly Richard @ izany? Alaivo Ramena hanao matso e!

  3. Saika latsaka ny ranomasoko nahita le miaramila sy zandary tsy maty. nandeha antongotra firy andro namonjy tanana. Ady aman’aina ilay asa, « Aina miaro Aina ».

    Dia hoe hifampiraharaha hono ry zalahy tsara toerana! Tena hafa tokoa raha hafa ny fitondranana firenena eto!

    Aoka mba ho entina ambavaka ireo rahalahy, maty ho an’ny mpiara-belona aminy!

  4. Tena mampalahelo tokoa ity tranga ity e! Maninona moa raha alefa hisambotra an-dRemenabila ireny mpandraraka lakrimozena eny Ambohijatovo ireny e! Sa ao anatin’ny demokrasia koa ny fahafahan’ny dahalo mamono miaramila sy mampijaly vahoaka. Asa aloha fa amiko dia midika izao fa tsy misy fanjakana eto na farafahatsarany, misy ihany fa tsy afaka miaro ny vahoaka.

  5. Amiko dia tsotra fotsiny, ny tafika malagasy dia tsy mamokatra velively, mambotry ny vahoaka majinika izay mandoa hetra ara-dalàna izay tsy harovany akory fa vao maika aza hampahoriany. Manenjika ireo mba te haneo ny heviny sy mitaky ny zony amin’ny fitaovam-piadiana no mba tena hainy. Miaro tsy misy fepetra ity fitondrana sadasada ity sy ny tombotsoa manokan’ny olom-bitsy… Hoatrinona isan’andro moa raha mba fantatrareo ny tambikaraman’ireo tafiaka sy emmoreg mitanin’andro eo analakey sy ny manodidina azy??? hoatrinona ny vola nozaraina tamin’ny tamin’ny fanoganam-panjakana nataony ho an’ny tombotsoan’ny « VAHOAKA » hono, inona avy ny tombotsoan’ireo tandroka aron’ny vozona ireo? ary mba aiza kosa ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany??? Ohatrinona ny vola hatokana ho fiarovana ny majinika???? Nankaizay ireo mpitandron’ny filaminana isaky ny kiondalana mafana izay nampanatenaina amin’ireo faritra mafana raha tsy hilaza ny eto Antananarivo fotsiny aho no toa roa andro dia tsy hita??? Vonona hiatrika ny tafikin’ny SADC hono ny tafika malagasy nefa Remenabila aza tsy hitany izay anaovany azy… Mahamenatra… Raha olo-kendry ireo dia mametraka fialana rehefa tsy mahavita azy… Hay moa… Mbola mamy ny seza… Ho an’ny tanindrazana??? Tsy ny tafika malagasy velively izany. Ny tafika malagasy dia lasa fialofan’ireo tsy manankatao sy ny totakely. Tsy ho an’ny tanindazana velively ireo fa ho an’izay manambola…..

  6. Hafatra manokana ho an’i Jeneraly Richard RAVALOMANANA
    Mandehana sambory Remenabila sy ny ekipany raha favy fa tsy eto no miseho milay,any ampiarina ny traikefa ny école de guerre sy ny maintien d’ordre ary ny communication fa tsy eto @ vahoaka tsy maninona anao eto Tana. Ary aza miala pa hoe tsy secteur nao any @ faritra atsimo any , fa angaha enao tsy Malagasy ,fa angaha tsy tanindrazanao Madagasikara . Mba mahalàla menatra !

  7. Ry mpitondra fanjakana mahefa, olombelona hianareo, ary olombelona ihany koa ny Malagasy rehetra. aza manao ny kely tsy mba mamindro fa mba jereo ny fijalian’ny vahoaka any amin’ny faritra Anosy momba ity « Dahalo » ity. tsy vitany jerena fotsiny fa itondray vahaolana mihintsy. asehoy eo ho hitan’ny vahoaka Malagasy ny maha mpitandro ny filaminana anareo, indrindra ireny GESTE nareo ao amin’ny TVM isanandro ireny. taiza teto antany no nisy Miaramila hifampiraharaha amin’ny Dahalo? raha tsy ny Gasy, aza manalabaraka tena fa mahamenatra amin’ny firenena hafa. mitodika aminao aho ry A/toa Gnl Richard Ravalomanana, aza hadino mandrakariva ny teny voizinao matetika ao amin’ny TVM hoe: izahay dia natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany. mba fantatrao moa fa Omby firy no azon’ireo Dahalo ireo izay? mba ento ny éléments nao midina any hamongotra n’dry Remenabila sy ny namany fa aza faly ny hamoriporitra ny vahoaka maneho ny heviny sy mitaky ny zony eto Antananarivo. raha tena marim-pototra ny fitondranareo dia mba hazavao amin’ny haino aman-jery fa avy aiza io fitaovam-piadiana mahery vaika ananan-dry Remenabila sy ny forongony io! am-patsiahiviko ihany fa tsy misy amidy eny amin’ny Quincaillerie izy ireny. raha tsy voalaminareo alohan’ny 26 juin io dia aleo alaivo ry Remenabila hanao MATSO eny Mahamasina. de tsy mba mahalala menatra ve hianareo hilanja fitaovam-piadiana isaky ny 26 juin nefa ny Dahalo tsy azonareo akory?

    • mdrrr, tiko be zany teninao zany!!!!! j’avoues!!!!!!!!!!!!! te,a marina fa ny tena tiko le oe oetina manao matso eny mahamasina amin 26 juin

  8. Marina daholo ny voalazanareo, vahaolana tsotra mivavaha ho an’ireo mpitondra antsika fa mbola lavitra azy ireo ny fiainana manana an’i Kristy Mpamonjy, rehefa miova fo ny tsirairay dia miova ho azy ny fiainan’ny Malagasy. Amen!

  9. Menatra za ra eo toerany be galona fa ts misy ilaivana azy,Remenabila aza d efa ts ita zay anaovana azy,nefa mbla daholo,ra kelikely d ts angalatra omby tsny Remenabila fa avy atrany toby miaramila ndray tafihany angabany,GL oe nefa ts aao mihits e,natao oe nianatra fa ts misy alehany mihits e,fatiatoka neny RAD ra otrany GL ravalomana bomba daholo olna,ts ao mihits e,ZERO

    • le emmoreg anie miaraka @ geste technique te aneho oe zany ny enjana de le vahoaka madinika kely efa tsisy inin ery no tsindrina.ko ra tsy hoe manana basy de tsisy maharesy mintsy.maninona raha remenabilo no isehosehona ohatry ireny raha sahy?mino aho fa raha i madagasikara no misy manafika dia very isika malagasy satria dia tsy hahatohatra mpanafika na dia iray andro akory aza fa mitsoaka avokoa afa tsy ireo izay voakarama vola be hitondra hitsoaka ny eo @ seza handositra eto.

  10. Ny mivavaka arahan’asa no tena ilaina amin’zao fotoana izao. Amiko aloha ny antony mampirongatra ireo dahalo dia ny krizy misy eto amitsika mihitsy. Raha hoe 300 mahery no isan’ireo dahalo (impossible zany!). Nohon’ny fahaverezan’asa sy tsy fisian’ny fidiram-bola no antony mahatonga izany rehetra izany.
    Ohatra: raha mahita vola amin’ny sakosy, na volamena, sns enao dia inona no ataonao amin’ireo zavatra hitanao ireo! fantatro avy hatrany ny ao an-tsainao, tonga amin’ilay fitenenana manao hoe « nahita a fa tsy nangalatra » tsy hanana heritreritra angamba enao hoe voa mafy izay tompon’ity fa hafalina ndray ary no hitranga!
    Eo koa lay fitenenana manao hoe: « Izay miaraka amin’ny amboa lambo dia amboa lambo » ka izay ataon’ny lehibe ihany no arahin’ny madinika avy eo!

  11. Ra ny hevitro dia tsotra!! efa vita kajy avoko ny zavamisy eto Mada! ka tsy mahagaga i Remenabila fa efa ministera iray io amiko ka ny tafika rehatra no mpikambana feno ao aminy! ka noho izany dia ny tafika no miady @ vahoaka!!! sady miadiatrano! tsy mahagaga ra matin’ny olona ny mpikambana « Tafika= Remenabila » ra vao tsisy basy sy bala!!.

  12. Maro @ Malagasy no tsy mba mihinana hena afatsy 1/mois satria! efa vita kajy ao @ Ministera izany!

  13. Fanampiny Ny Birao miady @Kolikoly ko! dia efa miditra ao ministeran’ny hena! fa sao de very isika!

  14. Ireo le atao hoe mpangalapinana satria tsisy dikany ny asandry zareo! mandaiga fotsiny! ra didiny 3 dy lasa 1.5 sisa! misaotra e!

  15. Mba valio reo ra enjana!!

  16. experience-ny tafika gasy dia tsy misy na ny kely aza afa tsy hoe kaontina ireo adiny izy samy izy izay tsy midika inona.raha formation militaire alo dia tsisy mihitsy fa mamoritra vahoaka malagasy ihany noho hainy.raha misy manafika dago dia eo isika no raisina fa tsy misy miaro.mibitabitaka ri zala vao antsoina itam-basy satria tsy manan-katao dia zara aza mizesta @ basy eny analakely.

  17. za aza zao mahita fa ohatran tena incapable mints le tafika gasy eo anatrehan i remena bila sady mis ian ko vao2 mlaz fa oe ts le vrai remena bila iny atao wanted @ télé iny fa ts itan zareo tson g atao d farany olo mety azo atao oe ts manantsiny no mody tadiavina

  18. Zao kosa e! Remenabila = Dahalo, donc tokony samborina aloha dia ho tsaraina amin’ny lalàna velona sy misy eto Madagasikara.
    Ny tafika Malagasy dia tena anisan’ny elite dans le monde mihintsy satria mahay mampiasa fitaovana tena tsizarizary.
    Ny mahagaga manko dia nahoana Remenabila no maitre ny situation amin’izao?
    Mandiniha tsara fa mitovy hevitra daholo isika ireto an! Satria sao dia mivoaka eo ny SUPERMENABILA, olona iray no nahabaiko ny teo Mahamasina tamin’ny 26 Juin teo, maninona raha manome baiko koa izy amin’ny procedures rehetra mety sy tokony atao amin’ny fisamborana an’i Menabila?????????Andao atao any aminy ny defile amin’ny 26 manaraka ohatra, na tohizana jusqu’any ny defile fa vola efa ho laniana ihany io.
    Ny mampalahelo dia ity, lazaina fa fahombiazana daholo izay atao rehetra sauf MENABILA.
    Mampihomehy ilay hoe ny tanam-polo no karamaina hisambotra an’i MENABILA fa tsy ny armee.

  19. Ilay mpitondra Andry rajo.. amiko no tena tsy clé e! tsy clé mihitsy! mampiaraka sy manan.. fotsiny!! »Tena tsy mandinika! lavaka tena goavana no hototoifan’izay mpitondra manarakeo… ra ny fahaleovantena no iaingana de tara be tara 40 taona isika tena mahantra ny vahoaka malagasy!!!

  20. Ra ny kajy a! de i Madagasikara no firenena mahatra ara-toetsaina voalohany indrindra!!!erantany! ary isika malagasy no mahatra indrindra zao!! tena marina zany a! tokony ho tafa isika fa le harena angalarin’ny mpitondra nefa tsy fa lolo ne reny e! ny ahy zao a! 10 000 fmg 2000ar isambolana no alefako ao @ kitapombolam-panjakana de apokandry tsy mandina fotsiny!! nefa za ary mande antongotra sady miazakazaka refa ande iasa!!! mba mandiny ihany ry zalahy a! za lo tsy manaiky e!!!! aiza ny volako!!!! !!! hihihi

    • Miala tsiny aminao fa TSY NAVOAKA ny fanehoan-kevitrao anankiray teo aloha, noho izy miaty fihantsiana fifankahalàna, misy fepetra faran’izay kely mba ilaina arahana mantsy ny fanehoankevitra eto. Misaotra anao mahatakatra an’izay

  21. REMENAB=tia tanindrazana, satria fa naona, isika reetra izao miminomenona fotsiny fa mahantr, laf b ny fiainana sns…. aiza izay action, ary ra mba manao action aza dia izao olon tsy manjary retra izao no tonga eo @ familiana zéro…!!!!

    • bon remeb tsy tia tanindrazana amin zao fotoan izao ohatranireo t@ 1971 tany atsimo izay novonoina fa dahalo, fa vao mivadik ny fitondrana dia ireo no mahery fo ny malagasy izany fona io e!!!
      setriny : tsy tokon hifamono ny malagasy na dahalo io na tsy dahalo fa hampiasao ny fitsarana dia sazio izay diso, foano ny dina reefa miditra ny fanjakan.

  22. be resaka daholo ito, fanomezantsiny ny miaramila ny mpitondra…ny fahoriana dia eran’izao tontolo izao misy ny krizy – ny olona any Greece zao manary zanaka fa ts velona intsony… fa tsy misy manome tsiny ny fitondrana satria crise mondial zao – anatin’izany dago. Ny mpitondra hatramizay mpangalatra daholo ka na iza na iza hitondra eo ho sahirana foana. MombandRemenabila – misy mpiantoka izy ao ambadika ao ray zay faharoa ny toerana iafenany midadasika ary tsy azona 4×4 fa dia tongotra miakatra midina dia izay no mahasarotra ny fisamborana azy. Izay manda an’izany ka bola tsy tany atsimo andrefana dia ny fahendrena angamba mangina fa tsy manambany ny miaramila gasy.

  23. Aza taitra isika. Remenabila atao tsakyiii de Andry kely no DJ. Vita ny fetintsika. Sa aona hoy ianareo?
    Mitadiava hono dia ahita, antsoy izy dia amaly.
    Mahita isika izao sady mamaly koa ny daalo.

    Mba ainareo ve ity:

    Indry mande ty saka ono
    Naita izay totozy izay,
    Ande isika samy atono ka ho ita izay tsy may….. de toizo.

    Andry kely le totozy de isika saka be lo, maiiiiiiiiiiiiii

    • SUPER MENABILA angaha izao tsy efa SUPER EXTRA MENABILA mihintsy. OAY azafady amin’ilay crise mondial, ry zareo milaza fa tratran’izany tsy manana harena na dia charbon de terre aza, donc logique be raha crise ry zareo satria naharaka ny filana teo amin’ny tolotra sy tinady, na faillite ny fanjakana satria be loatra ny ketrika amin’ny fitantanana. Tsy tian’Itompokolahy President Thomas SANKARA io an! Nefa indray nahagaga fa Itompokolahy President KHADAFY mifanohitra amin’izay. Donc ho ahy manokana tsy mandresy lahatra fa 0/20 ny fitantanana ny antsika satria tsy ampy solaitra ireo izay nitondra teo hatrizay.

  24. I Lylison hono efa mahalala tsara ny terrain. Jeneraly Baomba nilaza ho mahalamina ny raharaha raha alefa any izy
    De sur terrain i Lylison fa i Jeneraly Baomba eo ambony latabatra no manome baiko.
    Efa nisy nahare ve isika hatramizao fa voasambotr’ireo milaza azy ho spécialistes ireo i Remenabila.
    Rehefa tsy nahavoa ry zalahy dia lazaina fa ny ranching nampiasain’ny mpitondra teo aloha no nahatonga ny dahalo.
    Koa raha hiteny izany ihany, nahoana no tsy tany am-boalohany, fa rehefa tsy nahavitazy dia mahaiza ny miaiky ny tsy fahombiazana e!
    Toa anareo ve dia azo antoka ho tena miaramila hiaro tanindrazana @ fahavalo?
    Mandany volam-bahoaka fotsiny ny galona baojy azonareo t@ izao tetezamihitatra izao.
    Mbola dedaka sa menatra @ izany ianareo e?

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :