#YCC #Fanehoan-kevitra sy ny fomba tsara hanaovana izany

Androany Alarobia 06 Jona 2012 no fotoana voatondro hifanakalozana hevitra teny amin’ny YCC, na Youth Civic Center teny amin’ny MDLC Anosy. Lohahevitra tamin’izany ny mikasika ny fomba tsara ho entina maneho hevitra, – ny soratra sa ny teny, ary malalaka ve sa misy ny teritery?

Nifanao andaniny ny mpanotrona ka tao ireo nanohana fa hoe ny teny no izy, ary tao irao nilaza fa ny soratra no tsara. Samy nanana ny tohan-kevitra nampiasainy avy. Papango lahy tanaty katsaka, ka izay nivoaka babany avokoa. Tsy nisy  ny hevitra azo namaivanina. Avara-pianarana rahateo no nifandresy lahatra ka nafàna tsy nisy toy izany ny fotoana. Izany rehetra izany dia teo ambany fanaraha-maso sy fitantanan’i Arivola hatrany.

Mbola be loatra hoy ireo avy amin’ny mpanohana ny ‘teny’ raha ny tahan’ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra eto amintsika, koa tokony handray andraikitra mifanandrify amin’izany ny fanjakana, tokony hisokatra hatrany amnin’ny fokontany mantsy ny fahafahana maneho hevitra, ary jerena izay zavatra mety ho sakana amin’izany.

Raha ny zavatra hita hoy i Domoina Rasamoelson, mpanao gazety, dia 90% amin’ny lahatsoratra mivoaka anaty gazety no saika resaka politika ny ankamaroany. Antony iray mahatonga ny olona tsy dia miraika intsony hifanakalo hevitra mikasika ny lafim-piainana hafa intsony izany, satria leo ny adilahy politika izy ireo.

Zavadoza kosa no hitranga raha tsy hiteny sy tsy haneho hevitra isika hoy i Ony Rambelo, mpanao gazety.

Mba hahafahana manatsara ny fahalalahana maneho hevitra dia ilain’ny tanora ihany koa, hoy ny mpandray fitenenana iray, ny tokony hahaizan’ny tanora mandanjalanja izay vakiany. Tokony koa, hoy hatrany izy, beazina ny tanora hanana ny antsoina hoe « culture de débat » ary tokony mahafantatra lalàna mahakasika ny fanehoan-kevitra ny rehetra. Ho amin’ity resaka fahafantarana ny lalàna ity dia naroson’i Domoina ny hevitra hoe tokony haverina ny fandaharana didy aman-dalana ao @ RNM ary tokony samy mamorona sehatra iadiana hevitra ny rehetra.

Mila zaraina malalaka koa ny vaovao fa rehefa mahafantatra ny olona dia tonga ho azyny ny fahalalahana maneho hevitra, ary tsy voatery miandry ny mpitondra fanjakana, na ny ONG sns mba hanatsara ny fahalalahana miady hevitra.

Fijery ankapobeny niraisan’ny maro nanatrika ny fotoana ny hoe tsy mbola misy loatra ny fahalalahana maneho hevitra. Hany ka na te-haneho hevitra aza ianao, na amin’ny ‘teny’ io, na amin’ny ‘soratra’ dia manaraka sy manjaray sakana ho anao eny foana ny tahotra.

Marihana fa tamin’ity fotoana ity ihany koa no nanolorana ny loka KINDLE ho an’ny nahazo izany tamin’ny lalao teo aloha.

Mamporisika hatrany antsika rehetra mba hilalao, sy haneho hevitra hatrany amin’ny alalan’ny fandefasana sms ao amin’ny laharana 033 56 322 22, ary ny lohahevitra azonao tohanana sy isafidianana amin’izany, miaraka amin’ny fepetra arahana raha hilalao dia azonao jerena ao amin’ny pejy Facebook an’ny  « kozy liberty« ,na ny an’ny YCC

Rehefa vita moa iny tapany voalohany momba ny fanehoana hevitra iny, dia niditra tamin’ny ampahany faharoa ireo izay mbola nisafidy hijanona tao amin’ny YCC, ka i Lalaina avy amin’ny Liberty32 no nitarika ny fiofanana fohy momba ny fitarihana adihevitra. Mbola maro ireo karazam-piofanana atolotry ny YCC ho antsika izay kiana, ka raha isany ianao, dia tsara manaraka ny pejy etsy ambony fa efa hivoaka any ny laminasa (raha tsy efa nivoaka aza angamba)

 

#freeexpression

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :