#M21112 / Gl Ravalomanana Richard sy ny tarehi-marika

Tsy aritro ny tsy hanoratra ity zavatra ity rehefa avy nihaino ny fanazavan’ny Gl Ravalomanana momba ny tarehi-marika mikasika ny maty sy ny naratra nandritra ny hetsika teny #Ivato tamin’ny Sabotsy 21 Janoary 2012 lasa teo teto #madagascar

Raha olon-kafa no nanangona ny vaovao momba ireo isa navoakako, dia mety  ho nisalasala ihany aho hamaly, saingy hatreto dia niezaka foana namoaka izay niainana sy hitan’ny maso ny tena, koa dia entiko ity lahatsoratra ity ho fanitsiana ny isa izay naroson’ingahy Gl Ravalomanana. Mino aho fa misy ny telephone azony iantsoana tsara ny Hopitaly Loterana, na azony atao koa ny manantona mivantana eny manamarina ny arosoko etoana.

4 no niditra tao amin’io hopitaly io ny Sabotsy hariva hatramin’ny 7ora hariva latsaka nialako teny, ka toy izao no fizarazaran’izy ireo:

1 sempotry ny entona

3 naratra ka vehivavy ny 2 ary lehilahy ny iray

Amin’ireo naratra ireo dia i Mme Olivia no vehivavy voa teo amin’ny lohany, ary ilay vehivavy monina eny 67 Ha no vehivavy faharoa ka teo amin’ny ranjony no voa. Samy voatery nozairina daholo ireo olona ireo. Farany dia ilay lehilahy voa teo amin’ny hato-tànany.

Indro avoakako eto amin’ny sary daholo izany rehetra izany ho porofo.

Zendana koa aho nahita ny lohateny tamin’ny gazety MIDI Madagasikara omaly nilaza fa 2 no naratra, 1 maty, 7 voasambotra. Dia gazety azo lazaina fa isan’ny goavana sy zokiny toy ireny ve no hanao hadisoana toy izany, ka tsy mba hanadihady tsara sy hanangona ny vaovao araka ny tokony ho izy? Somary nitsiky vendrana ihany ny tena nahita an’izay no sady nieritreritra ny hoe: « Enjehina ery ny olon-tsotra sy bilaogera toa anay rehefa manangona vaovao, ka lazaina fa tsy ao anaty rafitra, noho izany dia tsy tokony hijabaka amin’izany fanangonam-baovao izany », nefa voaporofo tamin’iny indray mitoraka iny fa mbola manana ny toerany sy tsy azonareo matihanina ireo tsinontsinoavina ny bilaogera sy ny media sosialy.

Ireto ary ny sary nampanantenaina

Mme Olivia, tsy navelan'ny vadiny halaina sary akaky, teo am-pandraisana azy tao amin'ny hopitaly

ilay vehivavy avy any 67ha voa teo amin'ny ranjony

ilay lehilahy voa teo amin'ny hato-tànany

ity kosa ilay lehilahy sempotry ny entona, mameno ny isa ho 4

Kiraron'ilay vehivavy avy eny 67ha

kapoaka matevina nandefasana ny entona, niantefa teny amin'ny lohan'ny iray tamin'ireo vehivavy naratra

4 Réponses

  1. Mankasitraka ny asa nataonareo mpitoraka blongany mafana-fo amin’ny asa fizaram-baovao teny an-toerana

  2. Maninona moa raha avela hiditra eto Ravalo dia manao referendom seul a seul Ravalo sy Andry dia ho hita eo e!
    Ny comite international no mpikarakara, tsy mahazo manao propagande fa aleo ho tena safidy.
    Aza misy matahotra ary fa dia ataovy izay raha tena lahilahy.

    • eeeeeeehhhhhhhhhh! raha matoky ny tenany fa ho lany i andry dia avelany hiditra malalaka eto antanindrazany ny filoha teo aloha Marc Ra8manana, adin’ny kanosa anie r’se ny an’ireo e, mivavaha mafy fotsiny mba hiverina eto i Ravalo d ny vahoaka no hitsara sy hifidy izay tiany hitondra ny fireneny

  3. misaotr betsak @ fanomeza baovao tahak izao fa tena manampy manampy ny fanarahana raharaham pirenena.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :