Mivarotra « staphylocoques dorés » i Chine, raha misy mila

 

SAO MISY HIVIDY staphylocoques dorés, manana atao kado ny Sinoa

Otrikaretina ny « staphylocoques dorés » ary miteraka ny antsoina hoe « pneumonie » sy « méningite » rehefa tonga amin’ny faratampony.

Nisy fotoana, rehefa hita fa nahitana taratra ny fisian’ny « staphylocoques dorés » tany anatiny, dia nasain’ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana sinoa nesorina teny amin’ny toeram-pivarotana samihafa ireo vokatra toy ny « raviolis » novokarin’ilay orinasa isan’ny goavana amin’ny fanaovana ireny sakafo « congélés », ny Synear Food.

Tsy mampahatahotra ny manampahefana sinoa anefa izany ka dia izy ireo indray no nanome alàlana ny amin’ny hahazoana mivarotra ireo vokatra « congélés » ireo raha tsy dia betsaka ny tahan’ny « staphylocoques dorés »  tsikaritra any anatin’ireo vokatra, tafiditra amin’izany ny vary sy ny karazana paty samihafa.

Tsaroan’ny maro angamba ny resaka ronono misy kasinga mitondra homamiadana vokarin-dry zareo sinoa na ny atao hoe « lait contaminé » nahitàna « mélamine » mifangaro aminy, na ny menaka tsinponina eny amin’ny tatatr’ireo toeram-pisakafoanana sy karakarain’ny sasany mba ho ampiasaina indray avy eo na « huile frelatée » .

Lahatsoratra miresaka momba ny zava-doza aterany, azonao jerena ato

FADIO NY MIHINANKINAM-POANA IZAO REHETRA IZAO. Izao azonao enjehana eo anatrehan’ny lalàna aza, efa miferinay ianao vao vita ny ady, mainka fa…..

Aoka araka izany mba hifanentana, tsy hividy izay sakafo fantatra fa mampahatahota, indrindra fa raha teny tsy fantatrao no eny amin’ny fonony. Araho tsara ihany koa ny resaka datin’andro farany tokony hampiasana na hihinanana vokatra iray. Teneno ny ankizy amin’ireny karazana vatomamy sy bisikoitra, ary habobo amidy eny amoron-dàlana irany. Rehefa tsy handray andraikitra ihany ny tompon’andraiki-panjakàna (Ministeran’ny Varotra, Fahasalamana, ny Kaominina, sns) dia anjarantsika olom-pirenena tsirairay ny manao izany

 

Une Réponse

  1. Ny tena mampalaelo dia maro amin’ireo mpanjifa no tsy mahafantatra fa ratsy ho an’ny fahasalamana ireny vokatra maro amidy eny amoron-dalana ireny. Eo koa ireo izay sodokan’ny vidiny mirary fotsiny ka tsy tonga saina akory.
    Tiako be ilay hoe « Rehefa tsy handray andraikitra ihany ny tompon’andraiki-panjakàna (Ministeran’ny Varotra, Fahasalamana, ny Kaominina, sns) dia anjarantsika olom-pirenena tsirairay ny manao izany »😉

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :