Behoririka: Sinoa mamono mpiasa Malagasy

Taitra ny rehetra androany nahita ireto Malagasy marobe nangorona ny entany sy niara-nirona nanoloana ny tsy rariny nataonà sinoa iray mpitazona tranombarotra etsy Behoririka.

Araka ny feo re avy eny an-toerana dia nisy mpiasa tao amin’io fivarotana io no notondroin’ilay sinoa ho tompon’antoka amin’ny tsy fahampian’ny isan’ny entana. Niharan’ny heriserta io (toa vehivay raha ny filazan’ny maro). Nisy mpiasa iray hafa (toa lehilahy kosa ity farany) nirotsaka niaro ilay tovovavy Malagasy niharan’ny herisetra.

Voadaka tany amin’ny an-kasarotany ranamana ary lavo tamin’ny tany. Na efa lavo aza anefa dia mbola nohitsakitsahan’ilay sinoa ihany ary tsy namelany raha tsy efa nalemilemin’ny hitsaka sy daka.

Nisy tamin’ireto olona marobe teny an-toerana no nilaza fa toa nipotsaka mihitsy ny tsinain’ilay zalahy Malagasy io (toa hoe voatrobaky ny hety). Samy namoy ny ainy na ny niaro na ny narovana tamin’ity raharaha ity, araka ny vaovao voaray.

Niray feo moa ireto olona marobe ireto tamin’ny hoe tokony ho, na nentin’ilay sinoa tany amin’ny polisy hatao fanadihadiana ilay mpiasa, na nesoriny tamin’ny karama, fa tsy azy akory ny ain’ny Malagasy, na dia azy aza ny vola mikararana.

Hatezerana ny an’ireto mpiara-miasa sy mpivarotra teny an-toerana ka niafara tamin’ny fitakiana ny hanolorana azy ireo an’ilay sinoa.

Tonga hatramin’ny hoe

« Aina solon’ny aina », « Tsy mahavidy aina Malagasy iray ny vola iray sakaosy », « Mivoaha daholo ny Gasy fa may ity anio raha tsy mivoaka eto ilay sinoa ».

Tokony ho tamin’ny 12h 26mn  ny tena no nandalo teo amin’ny toerana.

Minitra maromaro taorian’izay dia nanomboka ny famakiana varavarana nataon’ireo olona marobe nitangorona teo; samy niharan’izany na ny taty amin’ny faritra ambany amin’ilay tranobe na ny tany ambony mizotra ho any Tsiazotafo iny. Efa saika voavaha mihitsy izany talohan’ny nahatongavan’ny EMMO/REG tamin’ny 1 ora tolakandro.

Koa satria tsy nisy làlana hafa nahafahan’ireo Malagasy tavela tao anaty trano hivoaka intsony, dia maro tamin’izy ireny no teny ambony tafon-tranon’olona no nanao izay hanavotana ny ainy.

Ny zavatra tena nahatezitra ireo olona marobe ihany koa dia ny nahita ireo telolahy tao anatin’ilay fefy vy nanidy ny trano sy niaro mafy n y tsy hahatafidiran’ireo olona tao. Izy ireo indray no natsangan’ireo teny ivelany ho fahavalo.

hoy ny avy ety ivelany

« Aza milamina eo anie ioty hahitan’ialahy isany ny anjaran’ialahy isany miaro sinoa ireo eeeee, efa hita izao fa mamono mpiasa Malagasy ny sinoan’ialahy mbola arovan’ialahy ihany »

Izy telo lahy kosa avy any anatiny manondraka ny olona amin’ireny fitaovana famonoana afo, misy vovoka ireny (SICLI). Mazava ho azy fa mandositra noho ny tahotra ireo olona marobe, ary miverina indray rehefa lava ilay vovoka fotsy nafafy teo.

Tamin’ny fotoana niverenana nandalo teny (2 ora tolakandro) dia tsy mbola mivaha ny olana, tsy mbola nisokatra ny làlana, ary tsy mbola niala ireo olona marobe. Atahorana araka izany ny hitàran’ity raharaha ity ho amin’ny zana-tohatra mafampana, satria nisy sinoa tsy naninona tsy naninona, efa niharan’ny herisetra sahady teny amin’iny akaikin’ny Building Soarano ho any amin’ny Petite Vitesse iny raha vao niandoha teo amin’ny 30 na 45 mn teo ity fifanjevoana sy fangalam-piery ity.

Azonao atao ny mijery ny sary ao amin’ny flickr eto

Fanampin-dahatsary ao amin’ny Youtube ireto ambany ireto, mbola samy nalaina teny Behoririka ihany.

Marihina fa ny sary, ny lahatsary ary ny feo dia nalaina mivantana teny avokoa fa tsy nionona tamin’ny honohono fotsiny. Zonao mamaky ny mino, ary fahefanao tanteraka ihany koa ny tsy mino, toy ireo izay nilaza fa tsy nisy izany maty izany. Mitatitra no atao eto, ary miandry ny fanamarinana na fandisoana isika arakaraky ny hirosoan’ny ora sy minitra miasika ity raharaha ity.

*************

Amin’ny 15h 30 izao, aty Antaninarenina ny mpanoratra no mandre feon-javatra mipoaka any lavitra any, toa ireny baomba fandatsahan-dranomaso sy feom-basy ireny

**********

Amin’ny 20h 15 izao eto Madagascar. Ity ny fanavaozam-baovao farany ananako hatreto:

Nanao fanambarana ny Masoivoho Sinoa ny amin’ny tsy maintsy hanolorana ny Fitsarana Malagasy ilay Sinoa nanao hadalàna tetsy Behoririka, ary miantso ireo teratany Sinoa rehetra eto Madagascar mba hahay miara-monina amin’ny Malagasy sy hanaja ny lalàna misy eto. Maniry koa ny Masoivoho Sinoa ny tsy hisian’ny akony ratsy eo amin’ny fifandraisan’ny Sinoa sy ny Malagasy avy amin’ity tranga androany ity.
Voalaza moa izany hatreto fa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ny naratra. Misafotofoto araka izany ity vaovao ity

32 Réponses

  1. Merci Avy Lavitra

    • Miezaka hatrany manamarina ny vaovao isika. Hatreto izany dia milaza ny Gendarmerie fa tsy nisy ny maty, fa naratra fotsiny.

      Manoloana io fanambaràn’ny manampahefana io, dia tsara ihany ny mba hitandremana fa tsy kely làlana ny ratsy, mitady hirika hitondrana korontana sy hanaovana fandrobàna ao anatin’izao teo-draharaha politika misy ankehitriny izao.

      Ny faniriana dia hijanona ho fahatsiarovana sisa iny ho an’ny andron’ny 22 Novambra 2011

  2. Mazava loatra fa tena misy fiantraikany ratsy ny krizy! Fa ny hoe manala « AINA » kosa angamba efa tafahoatra loatra!

  3. sssi tsy maty zany e! sady vevavy lé izy fa tsy lelahy….
    marina fa nidaroka lé sinoa fa ts maty zany lé sipa ….
    dé tsy rariny aloha no nataon’ilay sinoa kosa e!! fa aiza ve dé behoririk a manontolo no nde akorotana …
    dé raha ny fahitako azy aliha dé fitiavana te androba fotsiny no betsaka e … hevitro manokana io fa siora za fa ts maintsy isy iteny ndray eto hoe miaro sinoa…
    amiko tery saina na lé sinoa nidaroka, na lé gasy mody tezitra hoe anao valifaty…. ( zay mantsy rehefa misy manendaka tsy mba misy « gasy » miaro zany na efa ita zao aza hoe mampalaelo)

    • Eo ampiandrasana ny tena valiny farany isika, fa izay aloha ny feo voaray teny an-toerana. Mino aho fa manana vaovao azo zaraina ianao matoa milaza an’izay ka diamiandry izany ny rehetra. Zarao eto

  4. ohatranareo ihany ny tenanay ka, nandalo teny antoerana niaino ny resaka rehetra mandeha dia izay no heno. tsy maty fa eny @ hôpitaly kosa anefa lé  » vevavy » voadaroko. araka ny voalazako tetsy ambony dia mbola lazaiko eto ihany kosa fa mampalaelo ilay toetsaina tia korontana na dia efa tonga aza ireo mpitandro ny filaminana.

    • Tena marina ny anao fa mampalahelo tokoa ilay teo-tsaina tia korontana. Mbola ao anatin’ny maro mantsy ilay toe-tsaina hoe Tsy an’i dada, na i neny. Nefa rehefa mikatona ireny, dia miara-mifafa ny kiho eto isika. Soa fa efa mba mahatsapa ankehitriny ny Masoivoho Sinoa fa misy tokoa ny manao tsinontsinona ny mpiasany ireo mpandraharaha sinoa tonga eto. Nefa tena amin’ny fo tkoa ve? Satria raha mpanaraka ny vaovao maneran-tany mantsy dia samy ahahlàla fa na any amin’ny taniny aza, dia tsy manaja zon’olombelona ny sinoa
      . Enga anie ka ho diso ny fijeriko!

      • marina tokoa fa na any aminy aza dia tsy manaja ny « droits de l’homme » mihitsy ry zareo!ary raha misy afaka mamaky ny boky hoe « chinafrique dia mba vakio fa ahafantarana zavatra be dia be!

      • Tsy ny sinoa irery ihany no tsy manaja ny zon’ny ny olombelona fa ny gasy ihany koa. Raha tsy diso ny tenako dia misy ireo gasy mampijaly ireo mpiasa an tranony. Tsy tadidiko ny daty nisehon’ny tantara fa otrany nisy mpivady izay no nandoro t@ rano mafana ny mpiasany teto Madagasikara.

        Marihiko eto fa misy sinoa teratany eto ary misy sinoa avy any Chine ka tsy mitovy ny toe tsain’izy ireo. Marina fa tratran’ilay sinoa nangalatra ilay mpiasa gasy, tsy tokony nodarohiny zany izy fa notsoahiny t@ asany. Sinoa aho, maro ireo gasy izay niasa tao @ nay izay tratra nangalatra. Na dia « Scout » aza dia tratra nangalatra. Nampiasainy @ fangalarana ny fahaizany.

        Ry mpanao gazetin’ny avylavitra, tsy hoe tsy mety ny nataonanreo na tsia fa mba « critique constructive » kosa no nataoko. Tokony mba ho nijanona teny ianareo nanaraka an tsipirihany ny zava nitranga. Toa t@ 1h angamba ianareo no niala tany ka t@ 2h vao niverina. Misy 1h be izao no tsy nahateo anareo. Ary ny hoe t@ 15h30 ianareo no naheno zava nipoaka tany antaninarenina. Tonga mba ho teny an toerana ianareo ra toa ka mpanao gazety vonona anao ny asany.

  5. Valala misy,ny mpilaza mahay e! Tena atao hoe nisy tokoa, nefa aloha mety efa fanaon’ilay gasy fôna jlay mangalatra d tezitra lay sinoa,ary sika tsy mahafantatra ny valeur nangalariny,donc tsy mety ny ataon’ilay gasy,ary tsy mety ko ny ataon’ilay sinoa mamono(ra nahafaty tokoa an’ilay gasy izy).Tsoriko fa ny mpanararaotra ihany no betsaka aminio,ka samy ho tonga saina avokoa fa tsy hentanimpo fotsiny.Tsarovy fa raha tahiny misy mandoro eo ndray i Behoririka d tsy hita ho lazaina intsony ny fahavoazana,.tsy ny sinoa ihany fa ny gasy dia tena hirefarefa am tany ny fahavoazana,Mba tokony ho tonga saina e! efa tena mahamenatra i Madagascar.Isika ihany no manampitrotraka ny fahavoazana.

    • manaiky aho fa misy ireo te hanakorontana fotsiny!nefa kosa mety misy ihany ny tena manana fo malahelo ohatra ny tenako satria aina tsy voavidy vola!na tahaka ny inona aza ny valeur nangalariny,tsy tokony hamono!misy ny atao oe « fitorina »,fa aza de maika ny hanome tsiny reo malagasy re e!efa leo ny vahiny ny gasy e!sady raha tsy manao an reny anie ny olona ka very anjavona tsisy dikany izay ain’olona izay e!ho hitantsika eo mantsy ny tohiny oe inona ny niafaran’izay sinoa izay?????misaotra indindra!

    • Toa resa-balala niniana natavezina marina aloha ilay izy raha ny filazan’ny Gl Ravalomanana. Nolazainy mantsy fa vono sy ratra tsy niafara tamin’ny famoizana aina no nisy, ary tsaho niniana naely mba hanaovana korontana hiafara amin’ny fandrobana iny nitranga iny. Enga anie ka tsy ho nisy tokoa ny aina nafoy, ary mba tsy hikatona ny toerampivarotana. Tsy hitombo ny tsy an’asa

      • Misaotra anao maneho hevitra.
        Raha ny fotoana nialako teny an-toerana dia tamin’ny 13h41 (ora ato anaty appareil photo nampiasiko io) ary niverina naka sary indray aho tamin’ny 14h 02), izany hoe tsy dia ela loatra.
        Marina fa ao anatin’ny iray minitra dia efa betsaka no zavatra mety hiseho. Miombon-kevitra isika amin’io lafiny io.
        Momba ny naha teny Antaninarenina, dia resaka asa no nahatany ny tena. Ny sofina anefa mitongila ihany ka maheno ny fipoahana na lavitra aza, ary nahatsinjo ny faritry ny Gara sy Tana Plaza rehefa nentin-kiry. Niverina teny anivon’ireo mpitandro filaminana teo amin’ny building amin’iny ilay mizotra ho any Tsiazotafo iny indray ny hariva ary tsy niala teny raha tsy efa hirehitra jiro

  6. « eto antoerana » > metisy sinoa ? zao e ! ny mpanararaotra ne mis fona e ! ny mpangalatra ko mis fona ! ny mpandroba ! fa zao kosa nefa, manina ra notorina e, nanaovana pleinte, nga mo azo atao ny mikasitanana olona r zareo ? sad efa ataon ny olona tsinontsinona any am tanindrazany, eto am tanindrazanao ko ve mbola ho atao an zany ? ieuuuuu ! de andefitra, de angina de hifanome tsiny eto iany, za manokana de ny zavatra niaraha nahita no hijereko azy, ts nahita ze nataon le gasy a, resaka ts mazava ny momba azy ! fa le sinoa no namono, iza no mahalala ny antony any fa de le gasy lo no voa mafy de mbola ho voa fona raha izao no mitohy !!!!! farany, manjakazaka ny vahiny, manambola iz de tsika no sady solafany no tsika ko no mividy ny entany de refa avy eo iz lasa mpanakarena aty am tsika na de ts nanana ar iz tonga teto ! de iz ko no mbola miseho milay sy manindry sns.

  7. Mamapalahelo ry zareo izany. Amiko aloha dia samy tsy misy mety avokoa na ny mangalatra (noendrikendrehina na tena nangalatra) na ny mamono olona na ny fandorana trano ny fanokorontanana. Ataoko angamba fa rehefa eo an-tanan’ny manam-pahefana ny raharaha dia miandry izay vokany sisa fa tsy hoe ny fanakorontanana no ndeha hotohizana eny behoririka. Amin’ireny vondron’olona marobe ireny anie ka misy ny sasany dia mananararaotra manao ratsy fotsiny fa tsy ny fitakiana ny rariny akory eh.
    Manantena ny fiovan-tsainan’ny gasy aho ary tsy mitsahatra mivavaka mandrakariva fa i Madagasikara an’i Kristy ary Kristy ho an’i Madagasikara.

  8. Tsy gasy angamba ramahenintiana, masoko efa nahita tamin’izaho nandalo teo ampitan’ny Institut… tena tsy zakako fa tsy afa-nanoatra, fa fombandry zareo sinoa ireo ny mamono ny mpiasany, TAFAHOATRA LOATRA E! afaka ifampiresahana anie zany satria mpiasa sy mpampiasa é! ASEHOY AZY FA MISY NY LALANA ARY MISY NY ZON’OLOMBELONA!!! Tena tsy voa tokoa ianao ramahenintiana â!

  9. tokony ho faiziny mihitsy ny vahiny mandratra gasy, raha nangalatra ny gasy tokony hoentiny any @ manampahefana natao ho @zany fa tsy ny lalàna fikasihan-tanana eo no eo no hasetriny. Ny gasy ve ? na hampihinanany #@? ary ve , d hanaiky faona

  10. grave tsika raha hanely tsaho â ! izahay aty am 8km naheno fa hoe maty teo no eo ilay olona novonoin’ilay sinoa. Na izany aza aloha dia raha mba misy firaisan-kina ohatr’izany isika dia tokony hihena ny mpanao sinto-mahery sy mpangarom-paosy. Fa isika zany rehefa samy isika no mifangalatra sy mifanao herisetra dia mifampijerijery fotsiny. Maninona raha haseho isananandro izanyfiraisan-kina zany fa ho fongana ny herisetra hihainantsika amin’izao fotoana izao ê. Hita koa androany, fa tena efa LEO ny rehetra, efa kirina amzao rivotra hihainana feno tsy andrariny zao, sy fanafenana ny adalana ataon’ireto mpitondra ireo zao, any kah vao misy tselatr’afo kely dia vory lanina sy te haneho hery sy feo daholo, sa ahoana no fahitanareo azy.

  11. samy diso daholo na ilay nangalatra na ilay namono. herisetra isan’andro tsy mitondra mankaiza?aiza ny lalàna @izany?izany fitsaram-bahoaka izany efa tokony havela any aoriana satria olon’ny fo LOATRA ny malagasy.izany akory tsy midika velively oe tsy tia tanindrazana aho, sanatria fa mba tokony samy hijery lavitra daholo, na ny madinika na ny lehibe.
    tsy fotoanan’ny fiangetsanana intsony izao andro efa mahalatsaka an-katerena izao (tsy ny malagasy iany fa eran-tany).
    ka aoka mba samy ho tony sy hisaina lalindalina ny amin’ny zava-misy.
    Ho fanampin’izay, ny lalàna no tokony ampiharina ary tsy hanavahana saranga na volon-koditra fa rehefa diso dia diso na rehefa marina dia marina.misaotra tompoko

  12. misaotra mizara

  13. ny sinoa mpihetraketraka hatrany ambanivohitra, mitady hividy tanin’olona fotsiny izao, ka mila mitandrina isika.

  14. c’est la crise qui incite les gens à voler à pillier!! les responsables de tous se qui nous arrive mntnant ce sont les politiciens; qui ne pensent qu’à leurs intérêts !!! c’est pathétique!! mapalaelo ny gasy kely mila miova n toetsaina ra te androso!

  15. Ny ahy soso-kevitra no arosoko mba ho vahaolana maharitra
    – Tokony asiana fikambanana ho an’ireo mpivarotra ao amin’ny sinoa (na ny karana ihany koa ary);tsy haiko aloha raha efa misy ary raha efa misy dia inona ny tena andraikiny,………
    -Tokony ho jeren’ireo sendika na fikambanana miaro ny zon’olombelona na ny ministeran’ny asa akaiky ny mombamomba ny toeram-piasana,ny ora iasana,ny karama ……..izay iainan’ireo mpiasa ireo
    -Tokony asiana fanisàna vaovao mihitsy ireo sinoa (na karana) miasa (manokatra fivarotana eto amitsika) mba tena hanaraka ny fenitra tokony ho izy amin’ny lafiny rehetra
    – Ny mpiasa ihany koa dia tokony ho mailo hatrany ny amin’ny asa atao,indrindra mialoha ny hidirana hiasa : ny contrat de travail,ny Karama sy ny prime (raha misy) atao tsara ny fifanarahana….
    -Ny sinoa sy karana ary misy ihany koa aza ireo vahiny sasany dia mitady hanjakazaka eto amitsika amin’ny lafiny rehetra koa manainga ny sain’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny mba hanara-maso azy ireny akaiky amin’ny antontan-taratasy sy ny zavatra ataon’izy ireny eny anivon’ny fiaraha -monina eny mba tsy hisian’ny hoe : efa may ny trano vao hiantso mpamono afo fa « aleo misoroka toy izay mitsabo »

    • Tena marina fa ilaina ilay soso-kevitra. Raha ny resaka nandeha teny dia toa efa misy fikambanana izy ireo ao, saingy tsy fantatra na fikambanana tsotra fotsiny, na mba voarakitra ara-panjakana.
      Nisy olona avy amin’ny SEKRIMA tonga teny an-toerana tamin’io andro io ary niteny tamin’ireo mpanangom-baovao rehetra teo fa efa ho an’arivony n y antontan-taratasy napetrak’izy ireo any amin’ny ‘Inspection de travail’ momba ny fitaraina’ireo mpiasa, saingy hatramin’izao dia tsy misy ny fepetra mba noraisina momba io fanitsakitsahana zon’ny Malagasy mpiasa io.

    • Marina mihitsy ny anao Toky; tsy sinoa irery fa reo karana reo marina tko; za manko nitady asa fahiny d Karana no niantso ahy comptable no asa notadiaviko t@zay d rehefa nanonona ny asa ataoko iz d nolazainy avoko zao asa reetra hatr@ mande any @clients maka vola sy mivarotra nefa refa tonga teo @resaka karama d 300mille fmg ono no meny ahy d tsy nanaiky mo za d notambatambazany d nijann teo @400mille fmg le karana; d tsy nanaiky atr@farany za fa lasa. D tsy azoko oe fa na d mahantra tahaka ny inn aza v le gasy d ambakaina toy izany;

      • Samy marina, ary raha tadidinareo dia tsy AVANCE CENTER no anarana voalohany niandohan’io an’ny siona io, fa WINMAY, magasinier no niantsoana ny tenanay tamin’izany fotoan, nefa sady tadiavina ho sady courcies, no mpanasa fiara, no mpiavarotra eo amin’ny comptoir, sns……Rehefa tsy net nanao an’izany dia nilàna kisa. Ary naleoko niala sy namela izay karama tany aminy tany, mba ho fantany fa tsy mahafaty ahy ny tsy handray ilay vola tany aminy. Nanirahana olona tany an-trano mba hilaza tamiko haka ny volako, saingy sty nasiako sira hoy ny fiteny

  16. Miala tsiny @ izay mety ho fahasorenena ho anareo izay mamaky ny commentaire-ko.
    voalohany indrindra dia tsy manome tsiny ilay malagasy aho raha toa ka nisy ny fangalarana nataony satria tsy ampy azy ny karama omen’ireo mpandraharaha sinoa ireo noho ny fanararaotana ny fahantrantsika malagasy.
    faharoa manarak’izay, raha ny fahafantarako dia tsy misy ny lalàna eto amintsika milaza fa azo vonoina izay tratra mangalatra, noho izany tokony henjehina araka ny lalàna misy ireo sinoa

    • nametraka commentair teto za omaly fa tsy haiko moa fa tsy hitako ny najavonany!ny malagasy efa vozanaka hatry ny ela!na iza na iza vahiny de manjanaka avokoa,ndrindra fa ny saina!ka tsy voahaja mihintsy ny zo maha olombelona antsika eo anatrehan’ireny vahiny ireny!tsy haiko oe »ara-bola angaha? »(sa mbola vidin’ny palais de sport fôna?),fa marina oe misy ireo de te hanakorontana tsotra izao,nefa kosa mba ao ihany ny manana fo malahelo tokoa ka miangavy re aho e!aza de faly manome tsiny ny gasy foana fa ny mpanararaotra tsy hiala mihintsy!@ko tsy tokony hisy fikasihan-tanana mihitsy na toy inona na toy inona valeur nangalarin’ilay gasy!!!mapalahelo ny zavatra toy izany!indrisy fa tsy tena hita mivaingana oe misy marina ve ny sazy hoan’ireny olona ireny???

      • tena miala tsiny fa toa tsy nahatsikaritra na nahatadidy fanamarihana nobahananany teto amin’ny faitantanana, afa-tsy ny miaty teny ratsy sy ompa. Hamarino sao mety tsy lasa tamin’ny fotoana nandefasana azy. Misaotra

  17. Tsy ny Sinoa ihany fa ny hafa koa sy ny Malagasy manapotika ny malagasy namany, dia mbola hangina sy hanao oui oui fotsiny ihany ve isike!!!

  18. amiko,dia tsy rariny ny mikasitanana olona,ka na sinoa na ina fiaviany d tsy mety amiko fotsiny izany.
    Jereo lay STEWARD tao @ AIRMAD fa nitory lay vaza FRANTSAY zay nilaza fa ANDEVONY hono nisika Malagasy,amiko tsy tokony 6mois fotsiny ny sazy nomena io olona io fa tokony 1an min.
    TOKONY hanana ny maha izy azy ny MALAGASY fa tsy ataon’ny firenena tohatra hiakarana sy zanahana ara moraly

  19. na dia tsy manambola aza isika dia tokony hataon’ny fanjakana ny hanamora ny hanaovantsika commerce malalaka eto amin’ny tanintsika ary dia isika indray no mampiasa ireo vahiny (sinoa…)

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :