Behoririka : Ahiana hivadika ho fankahalàna vahiny

Tsy zoviana amin’ny maro ny tiana lazaina amin’ny hoe fankahalàna vahiny, na xenophobie.

Feo nampivarahontsana re teny amin’ny manodidina ny gara Soarano sy ny Hotel Tana Plaza io androany hariva tamin’ny 5 ora hariva. Mbola tohin’izay niseho teny amin’ny VENIC Behoririka ihany.

Nisy ny fitaonana ireo gonim-pasika teo akaikin’ny gvavahadin’ny gara ka naparitak’ireto olona marobe ireto teo amin’ny arabe tsy lavitra teo. Efa nisy ny fanozongozonana fiara nandalo midina amin’iny faritra iny tamin’izay fotoana izay. Lehilahy vitsivitsy, 3 na 4 eo no miresaka eo afovoan’ny arabe manandrify ny gara. Hoy ny iray:

Aoka tsy hokitihana ny fananan’ny Malagasy, Fa izay fiaran’ny vahiny mandalo eo, ka miseho ho be monkon-doha, tonga dia haongana dorana eto.

Hatramin’ny fotoana nanoratana dia mbola voafefin’ny mpitandro filaminana ary tsy azo aleha ny faritra manodidina akaiky an’iny Behoririka iny, mba ho fisorohana ny mety ho fanararaotana sy ny mety ho fihoaram-pefy

Ho valin-kafatra noho ity fanaovana tsinontsinona ny mpiasa Malagasy ity dia nifafa ny kihony izay sinoa tratra teny an-dàlana teny. Tsy vao izao tokoa mantsy fa efa hatry ny ela no nahenona ny tsindrio fa lavo sy ny fanaovana habibiana avy amin’ireto kelimaso ireto.

Tsy dia nahagaga loatra ihany koa ilay fahatongavan’ny olona teny amin’ny nanaoloana ny gara Soarano, satria tao no nandositra niaraka tamin’ny fiarany ilay sinoa vendrana. Vendrana satria sady efanitsoaka, no mbola niseho vahoaka tao indray avy eo. Voatery noho izany, nanidy ny Café de la Gare ny tompony mab hisorohana izay sanatria.

Araka ny voalazan’ny vaovao tselatra tao amin’ny Radio Antsiva, dia milaza ity fampielezam-peo ity fa tsy nisy ny maty fa naratra tsaboina eny amin’ny hopitaly no misy.

 

Amin’ny 20h 15 izao eto Madagascar. Ity ny fanavaozam-baovao farany ananako hatreto:

Nanao fanambarana ny Masoivoho Sinoa ny amin’ny tsy maintsy hanolorana ny Fitsarana Malagasy ilay Sinoa nanao hadalàna tetsy Behoririka, ary miantso ireo teratany Sinoa rehetra eto Madagascar mba hahay miara-monina amin’ny Malagasy sy hanaja ny lalàna misy eto. Maniry koa ny Masoivoho Sinoa ny tsy hisian’ny akony ratsy eo amin’ny fifandraisan’ny Sinoa sy ny Malagasy avy amin’ity tranga androany ity.
Voalaza moa izany hatreto fa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ny naratra. Misafotofoto araka izany ity vaovao ity

6 Réponses

  1. tena manalika olona anie reo sinoa reo ê, sady miavonavona. Misy ihany aloha no mety tsara fanahy fa iray am 50 angamba; REO KOA NO TENA TOMPON’NY BIZINA MASISO Ä? AFERANA DEVIZY IREO NO TENA TOMPONY FIRY MOA NO EFA TRATRA TENY IVATO FA RAGASY MATIM-BOLA MOA VIDIANA REO MANAM-PAHEFANA D MITOHY FOANA NY ATAON’IREO KELIMASO IREO

  2. Ny sinoa koa dia mitady ny hanery ny malagasy tompon-tany hivarotra ny tanindrazany fotsiny izao hanaovan’ny sinoa affaire-na carrière vato. Ohatra akaiky an’izany ny tany any Ambohimalaza sy ny any Ambohimifangitra. Manome tsolotra vola ny maire-ny tanana ny sinoa mba ahafahany mividy ny tany ho azy. Mamporisika ny malagasy hivarotra ny tanindrazany fotsiny izao. Mila mitandrina tsara isika amin’ny vahiny sasantsasany.

    • Tsy amidy ny tanindrazana ingahy maire a! satria ve tambanivohitra ireo dia ambakaina @ izany , nefa ange ianao milaza fa avy ao Ambohimifangitra dia sahinao ny milalao ny mpiray tanindrazana aminao toy izao ? nefa ianao dia midradradradra fa mbola hilatsaka maire . Tsy izany no niantsoana anao fa ny hanasoa ny vahoaka ka aza ambakaina nèy gasy mitovy aminao , ny sinoa anie sinoa foana e , ary ianao gasy fahotana kely fa vidiana lafo avy eo . Tandremo lahy .

  3. Sady tsy mahalala fomban-tany no tsy mahay miara-monina ka inona moa no ilan-tsika an’izany eto amintsika. Tsy ny sinoa ihany fa rehefa mety vahiny toa manambany gasy avokoa. Manainga mavesatra antsika hanao fiarahamientana toy ilay omaly reny raha mbola misy tranga manimbazimba malagasy toy ireny. Raha mbola te-hipetraka eto dia aoka mba hanaja antsika tompon-tany reny vahiny mila ravinahitra eto amintsika ireny.. Tsy momba ny Xenophobisme akory ny tenanay kanefa kivy ihany koa mahita ny fanararaotana ataon’ny ireo vahiny @ amin’ny mpiray tanindrazana ka.
    Farany te hanisy tsindrimpeo kely ny tenanay @ reto vahiny ao @ secteur petrolier zay mampijaly ny vahoaka tokoa, eny fa na ny mpiasa ao aminy aza dia mitaraina mafy fa misy ny tsy fanajana ny zon’olombelona sy tsy fanarahana ny convention collective.
    Inona no tsy andraisan’ny fanjakana fepetra fampodiana tsy misy hatak’andro ny vazaha toy izany.

  4. misaotra anareo mapita ny vaovao reahatra izay fantatra aloha hatreto!ny gasy mihintsy no tena mampalahelo e!nef anie ka ny entana ratsy indindra any @ zareo no tonga eto @tsika e!zany hoe tokony tsy itako izay tena ilaina sinoa loatra raha tahaka ny tenako!sady maka tahaka fotsiny no ataony dia mividy marika ka mahasosotra!rariny ho azy @ko no homena sazy fa miseho henjana loatra!asa lahy na tena vokatry ny fo marina io tenin’ny Masoivoho Sinoa io na fiarovana ny rambony tsy ho tapaka?maro mako ny tombotsoa azony eto @ tsika!rehafa kelikely eo mantsy de isika ndray no mety hanofa trano na hividy tany @ vahainy!mapalahelo ny zavamisy!

    • Mbola mietraketraka ihany ny sinoa amin’izao taona 2013 izao, Tsy matahotra sy tsy menatra olona ary tsy manaja ny olona any Ambanivohitra fa dia manao lalan-kita kisoa fotsiny izao. Velon-taraina atia amin’ny zanaka ampielezana ny olona eny ambanivohitra amin’ilay tanana atao hoe Nandihizankely sy ny manondidina fa hanaovan’ny sinoa làlana fotsiny izao hono ny tanimbarin’ireo olona sasany eny ambanivohira; tanimbary izay nokolokoloin’izy ireo hatramin’ny andro fahiny ka mandraka ankehitriny. Inona no fepetra azo raisintsika amin’izany fa tsy hisy hamela ny sinoa hahazo ny tanintsika na iray metatra aza. Misy izany Maire avy ao Ambanitsena, voatambitambinm-bola dia manaika ny hamadika tanindrazana. Tsy ho ela dia ho ravaintsika izany fomba izany, indrisy fa misy ny malagasy mpamadika tanindrazana ka mitady ny hivarotra tany amin’ny vahiny amin’ny fomba tsy ara-dalàna.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :