ESCOPOL dotè 2 nlle coordination: Fanambaràna tsy fankasitrahana ny fanitsakitsahana ny tondrozotra ataon’i #Omer Beriziky sy ny Ankolafy 3

Votoatin’ny fanambaran’ny ESCOPOL ilazan-dry zareo ny tsy fankasitrahany ny zava-miseho amin’izao fotoana izao eny amin’ny Villa La #Franchise, trano fonenan’i #Zafy Albert. Miaraka aminy ao i #Mamy Rakotoarivelo, #Monja Roindefo

1* Fandikàna ny andininy faha-6 ao amin’ny Tondrozotra izay milaza mazava fa tsy misy quota eo amin’ny fanolorana minisitra, ny fanerena ny praiminisitra sy ny filohan’ny tetezamita ataon’ny vondrona Zafy sy Ravalomanana ary Monima handray tsy misy fepetra ireo kandidà minisitra natolotr’izy ireo

2* fandikàna ny andininy faha 3 amin’io tondrozotra io ihany koa ny fanaovan’ireo vondrona Zafy sy Ravalomanana ary Monima ‘droit de veto’ hiala raha tsy tanteraka ny fitakian’izy ireo;

Koa manoloana izany, ny ESCOPOL dotè de nouvelle coordination dia miantso ny praiminisitra sy ny filohan’ny tetezamita hampihatra tsy misy fepetra sy tsy misy hatak’andro izay voalazan’ny tondrozotra,

Tsy azo ekena ny fanaovana takalon’aina ny vahoaka Malagasy, koa mitaona ny praiminitra sy ny filohan’ny tetezamita izahay  handray andraikitra avy hatrany ka hanendry ireo olona izay vonona sy efa natolotr’ireo vondrona politika maro

Ireo coordonateurs ESCOPOL nivory androany faha-17 Novambra 2011:

Le Noble Pierre, Hasimana, Brigitte RASAMOELINA, Ephraim Randrianasolo, Pascal R. ,Doudou Michel Andriamparany, Pierre Randrianantenaina,  Harinaivo Rasamoelina, Ratefinanahary Emile.

Une Réponse

  1. Izay mamaky an’ity dia aleo mba mandinika kely.
    Raha mbola misy tia tanindrazana ireo mpanao politika matihanina (professionnelle) ireo dia tsy mandeha ity e! Ohatra kely e! ZAFY Albert ve dia tokony mbola manana fotoana sy hery hoentina hiady raha haverina ny 1947? RAKOTOARIVELO Mamy ve tsy efa manana ny Midi efa ampy hivelomana? RA8 ve dia meritreritra ny ho aty dago intsony? VONINAHITSY Jean Eugene anie ka tsy à jours intsony e! RATSIRAKA Didier efa tokony ho afa-po, fa izao; maninona ary no hasarotina ity zavatra ity?????????
    Miangavy anareo aho ry MANANDAFY mba hijanona aloha, ary hipetraka amin’ny maha izy azy RAMAKAVELO, satria RAMAROSON Alain anie tsy tokony hilatsaka ho Filoha e! tsy aleo ve RAJOELINA Andry hajanona ho voninahitra le tetezamita tonga lafatra, na koa mipetraka amin’ny maha izy azy PETY. Ilay problemes manko dia ity: ianareo rehetra ireo dia ekena fa tia tanindrazana daholo afa-tsy izay tsy voalaza ohatran’i RANJEVA sy MAILHOL Donné. Maneke ianareo izay voatondro ho lehibe mpitarika aloha, maneke ianareo izay voatendry hitondra, ka rehefa vita ny azy dia midira raha te hiditra ka tafiditra fa aza asiana fikafika fa mahakamo e! Manody sy misy tsiny any amin’ny taranaka fara mandova anie ny alahelo e! Lasa tsy manjary ozizy Rakhiky.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :