Blog Action Day 2011 #BAD11- Momba ny Sakafo

Andron’ny Fitorahana Bilaogy Manerantany androany, ka ho an’ity andiany 2011 ity dia mikasika ny SAKAFO no lohahevitra nofinidy.

Malalaka ny zavatra azon’ny rehetra tantaraina, soratana sy aseho mandritra ity andro ity.

Nofidiako manokana ny hiresaka mikasika vokatra Malagasy iray, voajanahary tanteraka, nefa tsy ambaka amin’izay vokarina amin’ny sehatra indostrian’ny fahasalamana sy ny farmasia  any amin’ny tany lazaina ho mandroso sy efa lasa lavitra any.

Sendra nikarokaroka taty anaty aterineto tany aho indray andro ka tamin’izany fitsidihana pejy maro samihafa izany no nahitako fa hay na ny mpanamory fiaramanidin’ny NASA any Amerika any sy ny European Space Agency aza, dia efa nampiasa azy io nandritra ireo sidina notontosaina, ka raha eto Madagasikara izy miseho amin’ny endrika vovony na koa spaghetti, dia ny an-dry zareo kosa amin’ny endriny pilina. Lafobe tokoa izy io any ampita any, raha ny sandany no asian-teny. Saingy noho izy misy eto amintsika ny mamokatra azy, dia ariny araka izany raha atao takatry ny fahefa-mividin’ny sarambabem-bahoaka ilay izy. Mbola manodidina ny 25.000Fmg na Ariary 5000 eo aloha ny vidin’ny fonosana hatreto.

Fomba fampiasa telo eo amin’ny ankapobeny no azo ampiasàna ity vokatra Malagasy haroso ho anao ity.

  1. Voalohany dia azo atao tohana ara-tsakafo ho an’ireo mila izany izy io. tombony ho an’ireo sahirana ara-pivelomana araka izany
  2. Faharoa dia ampiasaina eo amin’ny sehatry ny fitsaboana maro koa izy io. Ny mpitsabo irerey ihany no afaka manome ny fatra sahaza ny tsirairay arakaraky ny ilain’ny vatany sy mifanaraka amin’ny valin’ny fizahana natao. Tsy mitovy araka izany ny fatra ho an’ireo manaraka fitsaboana ho fampahiazana ny tenany, na ny fatra ho an’ireo tsy ampy otrikaina ka mila tohana, na ihany koa ho an’ireo mpianatra manao ezaka mafy amin’ny lafiny fianarana.
  3. Fahatelo, dia azon’ny rehetra (na iza, na iza, tsy anavahana sokajim-piarahamonina, na saranga misy azy) ny mihinana azy ity isan’andro, saingy mbola averina ihany fa tsy tsara ny manao dokotera tenany, satria raha olona mifady sira ohana ianao, na manana olana amin’izany lafiny izany, dia tsara ihany ny manatona mpitsabo.

Izahay, ary ireo ankizy marobe tohananay miaraka amin’ny fikambanana TETEZANA ONLUS, amin’ny alàlan’ny tetikasa SaD Antananarivo, dia mampiasa azy io ho fanohanana ireo ankizy avy amin’ny fianakaviana sahirana, mba ho fanampiana azy ireny amin’ny resaka otrikaina sy ho fanamafisana ny hery fiarovana ao anatin’ny tena ho afaka miatrika sy manohitra tsara ny aretina.

Efa liana angamba ianao hoe: « mba inona loatra ary izao vokatra Malagasy tsy manampaharoa izao? Ny Spiruline

Ny Spiruline du Menabe vokarin’ny ECAR SPIRMEN no atolotro ho anao mpamaky. Miara-miasa amin’ny famokarana azy io ny Diosezy ECAR Morondava sy ny CODEGAZ France, saingy ny toerana hamokarana sy anaovana ny zavatra rehetra dia eto Madagasikara.

Ho fankalazana ity andro ity izay napetraky ny FAO rahateo ho andro manerantany ho an’ny sakafo afaka mitsinjara ara-drariny ho an’ny rehetra, sy ho fampisondrotana ny fari-piainan’ny olona, dia indro arosoko ho anao ny soa rehetra hita ao anatin’ny Spiruline

Zavamaniry anaty ranomasina, fantatry ny maro amin’ny hoe algue fihinana ny spiruline. Azon’ny sokajin-taona rehetra hanina ary misy protéine eo amin’ny 60 ka hatramin’ny 65 % eo izay ilaina tokoa amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy hampitombo ny hery fiarovan’ny vatana. Miaro ihany koa amin’ny tsy fahampian-drà, anémie, ny tazo sy ny rarintsaina. Toroina handray azy ihany koa ireo ankizy madinika sy ny vehivavy bevohoka ary ny zokiolona sy ireo mpanao fanatanjahantena.

Azo hanina miaraka amin’ny karazan-tsakafo rehetra (arakaraky ny mety amin’ny tsirairay), na io ranombary, na vary, na paty, na yaourt, na lasaosy, na iny nem fihinanao eny an-dàlana iny aza.

Eo amin’ny fonony dia efa misy torolàlana napetraky ny mpamokatra, ka:

raha resaka fahaosaosana ara-batana, na tsy fahampian-tsakafo niserana dia 1/2 na 1 sotrokely fanaovana dite sy kafe isan’andro dia ampy (2 => 5 g)

Tsy fahampian-tsakafo amin’ny endrika lalindalina kokoa dia hatramin’ny 1 sotro lehibe fihinanana

Aoka anefa tsy handrahoina, na afangaro zavatra mamay be ny spiruline fa manimba ny otrikaina voatahiry ao aminy izany.

Mandritra ny 2 na 3 herinandro tsy tapaka no anaovana an’izay.
Toy izao ny kasinga ao anatiny (anarana amin’ny teny frantsay fa ialàna tsiny amin’ny mpamaky)

protéine végétale …….. manodidina ny 60% amin’ny fonosana iray

lipides………………………. 6

glucides…………………….19

minéraux…………………….8

oligonutriments vitsivitsy.

vitamine A (β-carotene)..100

vitamines B1 à B12 ……….22

vitamine E……………………10

Fer………………………………60

Phosphore……………………800

Calcium……………………..1400

Magnésium………………….200

Chlorophylle…………………790

Acide γ-linoléique…………1000

Dia mirary anao hahazo ny soa avy amin’ity vokatra Malagasy ity. Azo jerena eny amin’ny toeram-pivarotana fanafody sy eny amion’ny ECAR Antanimena ny Spiruline. Nahasoa olona maro tamin’ireo mifanerasera amiko isanandro izy io, ka heloko raha tsy zaraiko aminao

4 Réponses

  1. […] …од Мадагаскар: Blog Action Day 2011 #BAD11- About Food (исто така достапен на малагашки) […]

  2. […] it's an edible seaweed, used in many food supplements. Read more about the virtues of Spirulina in Malagasy or in English (thanks to Candy for […]

  3. […] an edible seaweed, used in many food supplements. Read more about the virtues of Spirulina in Malagasy or in English (thanks to Candy for […]

  4. […] an edible seaweed, used in many food supplements. Read more about the virtues of Spirulina in Malagasy or in English (thanks to Candy for […]

Répondre à Food Around the World on Blog Action Day 2011 | My Blog Annuler la réponse.