Sakan-dàlana: very ny 3 milliards FMG, karama Congres de la

Fanavaozam-baovao 20h 45 :  Raha ny vaovao tamin’ny TV Plus Madagascar  izao alina izao dia manamafy ny voalazako etsy ambany hoe mampiahiahy ilay fanafihana nahaverezam-bola. Toa sarimihetsika ihany, satria izay olona nanontanian’ny mpanao gazety momba ny toerana mtena nitrangan’ny fanafihana dia tsy misy ‘mi-colle’ hoy ilay fiteny mahazatra antsika izay. Samy manana ny filazany , na ny mpamily, na ny mponina manodidina, na ny mpivaotra teo amin’ny manodidina, na ny teny akaikin’ny vavahadin’ny parc Tsimbazaza. Tsy  mazava koa na FMG na Ariary ny masom-bola (loharano: vaovaon’ny  TV Plus)

+++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++

 

Tamin’ny 1 ora sy sasany tolakandro, androany dia voaroba ny vola tokony handoavana karama Congres de la Transition.

Eo ampiandrasana ny fanambarana amin’ny fomba ofisialy dia ireto no azo aroso:

Avy eny amin Tresor ho eny Tsimbazaza, ka teo akaikin’ny vavahadin’ny valan-javaboahary Tsimbazaza no nisy Galoper na Toyota volom-batolalaka (gris) nisongona nibahana lalana ary nampidina ny mpandeha rehefa avy nanambana basy, ka  nentiny niaraka taminy ny 6951 TAF maintso, Galoper an’ny Antenimiera. Mpanafika 4 na 5 ireo jiolahy raha araka ny fanamarihan’ny mpamily voatafika. 4Olona 4 no tao anatin’ny fiara voatafika ka 1 mpamily, 2 vehivavy mpisahana ny fandoavana karama ary 1 irakiraka na planton.

Mitentina 3 milliard FMG no vola very. Tsy nisy ny escorte, na tao anatiny, na nanaraka ny fiara nitondra ny vola, nefa dia manana antokon-tafika iray manontolo nyAntenimiera  ao Tsimbazaza, .

Tsy nisy basy nipoaka, mazava fa tsy nisy naratra na maty.

Ny mpiasa milaza fa tsy nisy miaramila izany nanaraka vola hatrizay, ny mpamily toa milaza fa nisy saingy tamin’ity indray mitoraka ity no tsy nisy.

Somary mahagaga ihany ny zavatra mitranga satria volabe no nalaina, dia tsy hisy ve ny tomponandraikitra ho tonga saina ka handray ny fepetra mifanandrify amin’izany?

Rehefa dinihana ihany koa ny fitantaràna dia mampiasa saina ny hoe, tsy maintsy zavatra efa nomanina avy ao anatiny ny toy izao, ary mety ho tsikombakomba iraisana.

Enga anie tsy ho famerenan-desona na fanazaran-tena aminà sarimihetsika ity zavatra mitranga ity.

2 Réponses

  1. dia hisy hanaiky tsy handray karama eo veh ireo efa mamba voky ireo e!!!

    • ny tena mampiasa saina dia ny hoe fa maninona no natao en especes ilay karama? Sa amin’izay tsy andoavana hetra, sns…. Mahagaga an, mahatalanjona…

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :