Mila vonjy i Soanirina kely

Zaza vao roa volana i Soanirina, ary tratry ny aretina fivontosana be eo anelanelan’ny orona roa, noho ny taolana tsy mikaona ara-dalana eo amin’izany faritra izany.

Tsy vita tany amin’ny toerana niaviany ny niaviany ny fitsaboana ka voatery nampakarin’ny mpitsabo ho aty an-drenivohitra izy sy ny ray aman-dreniny.

Efa nisy ny nanampy tamin’ny fanaovana scanner. Mbola hiatrika analyse anefa izy amin’ny Alatsinainy, hijerena ny tokony ho fizotry ny tohin’ny fitsaboana tsy maintsy hatao aminy. Tsy maintsy hiatrika fandidiana i Soanirina kely, nefa tsy manana izay ho enti-manana ho amin’izany ireo nahitàny masoandro.

Azonao atao ny mitondra anjara biriky ho fitsaboana sy ho ala nenina amin’ity zaza ity, ka na ianao manatona mivantana eny amin’ny HJRA Efitrano 129 ao amin’ny Neuro Chirurgie, na antsoinao koa ny eto amin’ny Gazety_Adaladala izay hanolo-tena hampita izany amin’izy telo mianaka.

Andriamanitra manana ny fanomezam-pahasoavana tsy mety ritra anie hamaly anareo araka izay azonareo ho atao ho an’ny zaza

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :