Trafic d’enfants / varotra zaza ao Antsohihy

resumé en français: les Fokonolona d’Antsohihy tirent la sonnette d’alarme sur le trafic d’enfants effectué par un haut fonctionnaire dans cette région.  Dans cette sale besogne, le monsieur se fait aider par son épouse et une autre femme, selon les dires des Fokonolona. Ces vahoaka demandent aux journalistes de la RADIO ANTSIVA et de L’EXPRESS de faire le nécessaire pour tirer tout ça au clair. D’enqueter auprès du Ministere de la population à Antsohihy et auprès des représentants de l’ordre sur place, car ces derniers  sont déjà au courant de l’affaire, parait-il.

Ils demandent à ce que le nom et l’adresse mail de celui qui a partagé l’info ne soient pas divulgués, par peur des représailles.

+++

Naharay hafatra toy izao avy any Antsohihy ny teto amin’ny Gazety_Adaladala. Niniana nosaronana ny anaran’ny andrim-panjakana voatanisa, ny anaran’olona, ary ny toeram-piasany ao an-toerana. Rehefa miseho miandalana eny moa ny mikasika ny fahamarinany na tsia, dia arahantsika araka izay koa ny famoahana ireo andininy notakonana ireo.

Ny fokonolona mihitsy raha ny fahazoana ny lahatsoratra no nanondro solotena hampita ny hafatra sy mangataka ny gazety hanao fanadihadiana. Asa na noheveriny ho mpiara-miasa akaiky amin’ny RADIO ANTSIVA sy ny L’EXPRESS ny ato , na ahoana. Fa na iszany na tsy izany dia raisina an-tanan-droa izay manome vaovao.

Manahy ny amin’ny ainy, sy ny ain’ireo fianakaviana voakasika  ny mpanome vaovao ka dia nangataka ny tsy hamoahana ny anarany sy ny adiresy mailakany. Hajaintsika izay
Ity ary ilay hafatra

Auteur :  (IP :  ,.blueline.mg)
E-mail   : xxxxxxxxx@yahoo.fr
Adresse :
Whois    : http://whois.arin.net/rest/ip/xxxxxxxx.222
Commentaire :
Tompoko,
Fantatra izao fa voaroiroy amin’ny fivarotana sy fividianana zazakely (trafic des enfants) ny XX mivady ao Antsohihy, Andriamatoa YYYYY sy ny vadiny ao amin’ny ZZZZZZZ D’ANTSOHIHY sy Vehivavy iray mitsikombakomba amin’izy ireo. Azo hamarinina ao amin’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Mpitandro ny filaminana aty Antsohihy ny vaovao.
Koa mangataka izahay Fokonolona mba hamarinin’ny Gazety Express io vaovao io ary dia lazaina izay marina rehefa mari-pototra.

Fokonolona Antsohihy.
Angatahinay tsy havoaka ny adiresin’ny mpanome vaovao ho fiarovana ny aina sy ny fianankaviana.

Fanavaozam-baovao (13/06/2011)

Rehefa nandefasana mailaka ny adiresy naharaisana ny hafatra etsy ambony, dia tsy mamaly mihitsy. Noho izany – sady tsy voamarina hatreto ny fahamarinany – dia raisina ho toy ny hafatra niniana nalefa tamin’ny tompon’ny blaogy mba hanohintohinana azy sy hamelezana azy ambadika ny hafatra voaray. Tsy afaka ny hamoaka ny anaran’ilay andrim-panjakana sy ny an’ilay mpikambana voatonontonona ao araka izany ny eto amin’ny blaogy. Tsy nety ilay tetika raha izay no tena tanjon’izay nanoratra azy iny

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :