GV Summit 2010:Fahatsiarovana ny herintaona lasa

Herintaona lasa izay no nanatrehana ny ny GVO Summit 2010 tany Santiago de Chili. Vovonamben’ny GVO 2010 raha atao dikanteny malalaka amin’ny teny Malagasy. Nahafinaritra ny dia, Nahafinaritra koa ny fotoana rehetra tany.

Tsy adino ny fiarahana tamin’ireo namana samihafa, ry Tarek Amr, Ayesha, Hishma, sns…

Fa indrindra ilay iray avy any Bolivia, Ruben Hilary, sy ilay Kambodjiana vavy Chak Sopheap.

Ny dingana samihafa nahatongavana tany no ndha mba hiverenana kely hotsiahivina:

Nivoaka ny filazana ny hisian’ny fihaonana, avy amin’ny mpitantana. Isan’ireny moa i Georgia Poplewell. Naharay izany ny tompon’andraikitra voalohany teto Madagasikara. Io tompon’andraikitra voalohany io indray avy eo no nanontany tamin’iretsy voalohany raha azony atao ny manampy olona roa hafa hiara-dia aminy.

Hoy indrindra izy tamin’izany:

Mail from Jentilisa Editor of GVO Lingua Malagasy

Mardi 9 février 2010 9h06
Mrs Georgia Popplewell,
I have already read the Announcing GV Summit 2010 which takes place in Santiago and I would like to know what should I do in my part to get the visa. I also would like to add Avylavitra and Candy in the list of the Malagasy attendees if it’s still possible.
Best regards,
Jentilisa
Avy eo izy nampahafantatra anay ny faniriany sy ny dingana notanterahany. Hatreo dia tsy mbola nahalala velively ny tena hoe isan’izay natolotr’io tompon’andraikitra voalohany io ho isan’ny olona ho any Santiago de Chili. Sady tsy mbola nivoaka ny faritry ny ranomasimben’i Gasikara rahateo.
Hoy indrindra aho nanoratra hoe:
À:<ny_jentilisa@xxxxx>
Miandry ny valinteny avy any amin’ny Georgia ve aho vao mikarakara taratasy? Ary inona avy ilay tsy maintsy karakaraiko satria tena tsy mbola nivoaka ny faritry ny Nosy mihitsy aho?Ny anao angaha efa ok daholo?

Izay nahazoako valinteny toy izao manaraka izao:

Ny ahy efa visa io no andrasako. Nandefa io fangatahana io aloha aho ka raha voavaly haingana dia tsara. […] Tsara iomanana ihany izay taratasy mety ho lavitra ny hakàna azy aloha. Azo atao ny miandry fa sao manko taraiky fotsiny no mety hanahirana […] fa raha ela dia mety ho sarotra ny fitantanana. Tsy maninona aleo miandry sao dia lany vola fotsiny raha sanatria. Izaho koa mbola tsy nivoaka an’i Gasikara dia manontany azy aloha.

Samy voalohany araka izany ireto tarika Lingua Malagasy ireto no handeha hanatrika vovonana lehibe tahaka izao.

Na dia mbola tsy fantatra aza izay ho valinteny, ho ENY sa TSIA, dia efa nampitainy kosa ny amin’ireo antontan-taratasy ilaina raha hanamboatra fahazoan-dàlana hivoaka ho any ivelany. Natao izany mandra-piandry ny tohiny.

Volana May ny vovonana, nefa aty amin’ny Febroary dia efa mafotaka ny fanomanana isan-karazany ka nahatonga ny resaka eto ambany manao hoe:

Mila manomana ohatrinona rehefa mankany amin’ny atitany? Raha ireo taratasy lazainao ireo mantsy dia toa tsy dia sarotra amiko ny manomana azy, ankoatra izay hoy ianao hoe sao misy adinonao.
[…]
Miala tsiny fa be fanontaniana be, satria miankina amin’ny valiny avy any hoe OK na TSIA no hametrahako taratasy mialoha ato ampiasana mangataka ny andro tsy fiasana amin’io volana io.

Avylavitra

Valiny:

[…]Ny vidin’ny vignette 60 000ar na 300 000frs ihany no omanina raha manamboatra pasipaoro iray ka. Tsy nangataka vola fanampiny manko ry zareo tamiko […]

Rehefa tena fantatra ary fa neken’ny foibe GVO ny fangatahan’io tompon’andraikitra avy amin’ny Lingua Malagasy io dia toy izao indray ny mailaka nalefany tany

Hello Georgia,

As you look for, I’m sending you the full name of Avylavitra and Candy :

Avylavitra : xxxxxxxx
Candy : yyyyyyyyyyy

Thank you very much to add them to the list.

See You Soon,
Jentilisa

Tonga ny 22 Febroary2010, izany hoe tapa-bolana latsaka taty aorian’ilay fangatahana nalefan’ny tompon’andraikitra dia nandefa ity mailaka ity ny foibe:

[GV-Authors] List of GVers selected to attend GV Summit 2010

Lundi 22 février 2010 16h01
De: « Georgia Popplewell »
Hi Everyone –

At the end of this email is the list of GV contributors (the list does not include editors or other GV staff) who have been selected to attend the GV Summit in Santiago, Chile from May 6-9. (nesoriko ilay lisitra tery ambany)

As we said in our earlier note about the Summit, we’d really like to bring the entire GV community to Santiago, but unfortunately this is neither financially nor logistically possible.  The editors of the various GV sections have had the unenviable task of selecting which of their contributors will be invited to the summit, and some editors even delegated the task of choosing to the contributors themselves. […].You’ll receive further information about travel and other arrangements

[…]
We’re very excited to be able to bring together the GV community once again, after a year and a half. We’re hoping that the summit will be a great opportunity for learning, sharing, and growing as a community.
[…]
Best,
Georgia

Nifanampiana daholo ny zavatra rehetra nahatonga iny fivoahana iny ho tanteraka, koa isan’ny tolorana fisaorana etoana i Lova sy Mialy (samy mpiara-miasa daholo amin’ny Lingua Malagasy, saingy tsy eto an-toerana kosa no manatanteraka ny anjarany).

Manomboka eto amin’izay izany ny tena fikarakarana ny antontan-taratary rehetra,: fahazoan-dalana, fiantohana, tapakila, visa, fampiantranoana sns…

Momba ny fampiantranoana moa dia ny GVO Foibe no niantoka azy ho anay mpandray anjara:

We’re covering the nights of May 5, 6, 7, 8 and 9 – so five nights. We’re expecting most people to arrive on the 5th, so will be offering shelter from that night, till the night of May 9. People who are staying in Chile only for the Summit will more than likely be checking out of the hotel and leaving on May 10.

Noraisin’ny mpikarakara an-tanana araka izany ny fampiantranoana ny mpandray anjara rehetra ho anaty hotely iray.

Nifarana ny volana Febroary ary vita ihany koa ny fahazoan-dalana mivahiny any amin’ny firenena hafa (passport). Nampitaina haingana tany amin’ny mpiandraikitra foibe ao amin’ny GVO izany tamin’ny 03 Martsa 2010.

Nokarakaraina ny visao tao amin’ny Ambassade de France. Nanahirana mafy tokoa satria tsy maintsy nilàna ny taratasy avy any amin’ny GVO milaza ny fansàna, ary koa ny taratasy avy amin’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny tany Chiuli vao nitohy tamin’ny dingana manaraka.

Isan’ny olana nosedrain’i Candy ihany koa ny maha-tsy ampy taona azy. Ary nandalo sedra manokana tamin’ny fifampiresahana tamin’ny teny anglisy mihitsy moa izy tao amin’ity Ambasady iray ity vao nahazo niroso koa tamin’ny dingana manaraka. Nifanandrify indrindra tamin’ny nisian’ny horohorontany tao Chili izany fotoana fikarakarana rehetra izany. Araka ity mailaka voaray tamin’ny 3 Martsa ity:

{…]Everyone else will be on the list we send to the Chilean Ministry of External Relations, who will attempt to facilitate the visas in some other way. As you can imagine, the Ministry is very busy at the moment with earthquake-related matters, but our Chile coordinator Rosario Lizana is in contact with them.

Ny momba ny tapakila fiaramanidina dia tsy maintsy nalefan’ny Foibe GVO mivantana tamin’ireo Agence de Voyage SylverWings nikarakara ny dia ny vola. Izay tsy azo averina rehefa tsy handeha ianao. Ny vola efa voarotsaka, ny tapakila efa an-tanana, nefa ny antontan-taratasy aza tsy mbola feno ara-dalana, sy mbola nisy nandrasana avy any Chili. Isan’ny niasa be nanao izay hahatafita izay resaka taratasy izay tany an-toerana ry MaryAlice sy ny ekipany.

Ny niandry an’io taratasy avy any Chili io sisa no tena tantara be tamin’ity dia ity, satria dia raha Alatsinainy 03 Mai 2010 no tokony hiakatra ao anaty fiaramanidina, dia ny Zoma 30 Aprily 2010 no fotoana nomen’ny Ambasady Frantsay anay telo maianady mianaka tsy mainst hiverenana any aminy. Tsy Efa faha 29 Avrily 2010 maraina anefa tamin’izay, mbola tsy nisy ihany ny mangirana momba ilay taratasy. Toe ireo andro teo alohany dia tsy nitsahatra ny naneno ny telefaoninay mirahalahy mifampiansto mifanontany vaovao. Dia ny nivavaka sisa no natao, satria dia efa volabe an-tapitrisa tokoa no nirotsaka tamin’ny fikarakarana iny fivoahana iny. Tonga ny 29 Aprily 2010 alina, niantso ahy ingahy tompon’andraikitra voalohany fa tonga ny taratasy. Ny olana indray anefa dia ny hamoahanay azy datria tapaka n y jiro teny amin’ny manodidina ny fonenany, no sady tsy misy fitaovana natao ho amin’izany tao aminy. Tamin’ny endriny PDF ilay taratasy ka nila navoaka. Dia nifampitadiavana ny Cybe Cafe amin’ny andro alina mba hamoahana azy, hoentina any amin’ny Ambasady ny Zoma 30 Aprily 2010 amin’ny 8 ora maraina.

Dia vita teo indray ny amin’ny fiandrasana iny taratasy avy any Chili i ny, fa dia niatrika ny tao amin’ny Ambasady Frantsay avy eo.

Napetraka taminay daholo izao karazana fanontaniana rehetra izao: inona izany GVO izany? Inona no ataon’izany? Iza avy ianareo no mpiakambana amin’izany eto Madagasikara? Inona no halehanareo any? Nahoana no ianareo no nofidiany fa tsy olona hafa? Ary maninona no misy ankizy tsy ampy taona toy izao miaraka aminareo? Ianao tsy ampy taoana io koa ve dia efa manao an’izany GVO izany? Tsy manakorontana ny fianaranao ve izany? Dia mahay teny anglisy tsara izany ianao raha miteny anglisy amianao aho izao? sns… Ary dia navadik’ilay mpandray tao amin’ny Ambasady tamin’ny teny anglisy tokoa ny fanadihadiany an’i Candy. Izay vovailin’i Candy soa aman-tsara avokoa. Izay vao nahazo nanohy ny dingana manaraka tany amin’ny efitrano hafa indray izahay telo mianadahy mianaka. […]

Rehefa vita ny tao amin’ny Ambasady dia nilazana izahay fa antsoina an-telefaonina rehefa ekena ny hahazoanay visa, nefa kosa tsy afaka manontany ny antony rehefa sanatria sendra fandavana izany fangatahana visa izany.

Ny nahafinaritra sy nampilamina tanteraka ny saina dia niantso ny Ambasady nilaza fa efa azonay alaina ny visa. Ary dia namonjy an’Ivato izahay ny alin’ny 02 May 2010 handray ny fiaramanidina vao maraina be ny 03 May 2010.

Tonga tany Chili rehefa nivahiny ora vitsy tao Parisy.

Nahafinaritra ny tany an-toerana, fifanatrehan-tava tamin’ireo namana mpiresaka anaty virtoaly fahiny, fifampizarana traikefa, tafatafa eny an-tsefantsefany eny, ankoatry ny anton-dia fototra, dia ny fandinihana ny fiainan’ny GVO amin’ny ankapobeny sy ny hoaviny.

Tsy nahazaka nampakarana sary ny 2debit internet2 ka dia aleo amin’ny manaraka no apetraka

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :