Fivarotan-tanindrazana vaovao indray

Anisan’ny nanenjehana mafy ny filoha teo aloha sy antony nionganany, ankoatra ny maro hafa, ny hoe nanomezany tany midadasika ny Daewoo hotrandrahana.

Ankehitriny anefa – isaorana ny teknolojia vaovaon’ny serasera – fa dia misy ny lahatsoratra mampivarahontsana, no sady tsorina fa dia manirikiry, mivoaka aty anaty aterineto aty. Endrika fivarotana tanindrazana amin’ny endriny vaovao indray. Ary ny toy itony no mahatonga ny olona hiteny hoe « TIM e!  » (Ny Teo Ihany no Miverina).

Dia sanatria tokoa ve misy otrikaretina tsy matim-panàfana ao anatin’ny milina manodina ny raharaham-pirenena ao, ka rehefa ety ivelany ny tena, dia mahay milaza ny Habobo sy ny Antsanga ataon’ny hafa, fa rehefa tonga ao anatiny ao indray, dia mivadi-dela toy ilay tratry ny tromba mampitsinjaka, ka hiteny fa hoe tsy tompon’ny fanapahana.

Tsia, Tsia, Tsia!

Raha toy izao foana no zavatra hataonareo izay mihevitra ny  hitondra ity tany ity, dia aza gaga raha hiverimberina hifanongana eto isika mianakavy. Fa angaha ny Malagasy tsy mba misy afaka mandoa izay vola zara fa vola raisin’ny fanjakana isan-taona amin’ny karazana fampanofana sarintsariny toy itony?

Sao kosa tambin-javatra tsy fantatra natao tany ho any ny tahaka izao? Asa lahy! Fa mba mieritrereta ihany izay tompon’antoka amin’ny zavatra toy izao. Raha tsy ho adinina aminao androany ny antony, dia mahazo antoka kosa ny vahoaka mitrongy vao homana fa « mbola ho tompon’ny teny farany »

Na dia amin’ny teny Anglisy aza ny lahatsoratra manontolo dia inoako fa tsy vitsy amintsika Malagasy manana fahafahana mampiasa ny aterineto no mahay io fiteny io, fara faharatsiny mahazo izay ambara ao anatiny.

Voalaza amin’izany ny hofantany zara raha misy sy ny haben’ny tany nomena hofaina mandritra ny 50 taona. Mirehareha fatratra ireo Indiana ireo noho izany satria zavatra tsy fahitany mihitsy sy tsy noeritreretiny hiseho no mitranga amin’ny fiainany.

Rehefa niala tamin’ny fanandevozan’ny Frantsay ve izany (raha efa tena afaka tokoa!), dia hiditra indray amin’ny fanandevozan’ny Indiana ny tantsaha sy mpitrongy vao homana any amin’ny faritra Avaratra any  (sy ny hafa mety mbola ho andalam-pikotrehana)?

15 dollar isan-taona ny hektara iray (1 dollar = 2000 Ar eo ho eo,amin’ny fotoana anoratana ny lahatsoratra). Ataovy ny kajikajy tsotsotra raha ity taim-bavan’ilay Indiana mpamboly mitrandraka any amin’ny faritra avaratry ny Nosy ity no dinihana

Hoy izy:

Two years ago, he leased 500 acres at Diego-Suarez, 300 km from Madagascar’s capital city, Antananarivo. « I will be paying $15 per acre a year for the next 50 years. In India, I could never imagine having so much land for that price, » says Singh, who has sown maize and peanuts in his farm. The rent for cultivable land in Punjab ranges between $400 and $1,000 per acre a year.  […]  Also, companies such as Parle Agro and Ruchi Infrastructure are in talks with the Madagascar Investment Promotion Board to strike deals. SS Johl, former president of the Indian Society of Agriculture Economics and former vice-chancellor at Punjabi University, Patiala, feels that countries such as Madagascar and others could be « effective grain-production pockets » for Indian farmers who can lease hundreds of acres at nominal prices.

Ampitahao ny hofany ao Antsiranana sy ny any aminy izay mahatratra hatramin’ny 1000 dollar isan-taona.

Natao ho an’ny rehetra ny fitaovan-tserasera avo lenta tahaka itony, ary isan’ny mikirakira izany ianareo ao amin’ny fitondrana ao, koa inoana fa tokony ho nahafantatra izany ianareo talohan’ny fanapahan-kevitra mivilana toy izao.

Tsy hoe satria mitady izay fomba hahatongavan’ny mpampiasa vola vahiny ho eto amintsika akory, dia hanaotao foana ka na amin’ny manaraka aza ho sandainy amin’ny sakafo in-telo isan’andro mba ho fitazonana aina sisa isika mianakavy, dia mbola ho ekena ihany koa. MBA TONGAVA SAINA FA AZA TIA TENA E!

Nilaza moa ny fanjakana fa hanara-maso akaiky ny fampitam-baovao aty anaty aterineto, koa antenaina fa ny filazana ny zavatra toy izao,  sy hakany lesona ho fanitsiana ny dia  no tena isan’ny hanaovana ilay fanaraha-maso mba hihatsaran’ny fomba fitantanansy ho fanatsarana koa ny fiainam-bahoaka, fa tsy sanatria ho FANAMPENAM-BAVA ny olona tsy hiteny na hampita ny zavatra HITA SY RE.

Ho an’ny Malagasy manontolo indray dia tsorina koa fa mbola misy, ary  raiki-tampisaka ao anatin’ny toe-tsaina any amin’ny faritra, ny hoe rehefa samy hivarotra, na hampanofa ihany, dia aleo tsy manome ny ambaniandro, fa omena ny vahiny. Mety hanafintohina ny hafa izay teniko izay, saingy fahamarinana mbola mitoetra io, vokatry ny fifankahalana nafafin’ny mpanjanatany frantsay teo amintsika samy Malagasy. Mba ialao amin’izay rehefa tsy mahomby e! Raha nampandroso moa dia tazony ihany.

4 Réponses

  1. Mila miasa ireo tambajotra tantsaha mba ho arofanina, fa efa « malalaka » tokoa ny location @ vahiny @ repoblika faha4 !

  2. Madagasikara anie ry ZAREOS dia mbola tsy an’ny Gasy e! Iza no mpitondra teo ary ka tsy nanao trano ho an’ny Malagasy fa firy %, iza no teo ka tsy tia tanindrazana, nefa miantso mpamatsy vola vahiny, banques rehetra rehefa vazaha dia mahazo credit facile fa ny mpanao kiraro gasy? tsemboka e! dia aleo ihany mitady. Comique be le hoe trano mora, dia misy ampiana 4L, 35 000 logements, maison sociale, credit logement, trano, trano, rindrina sy tafo dia varavarana, fa manaova ianao projet, ny vao omaly no tsy fantatro fa aza miady amin’ny tompon-trano aloha ny toro hevitra omeko an! Tsy anjaran-tsika io Dada a!

    • Tena marina ilay teninao, Aza miady amin’ny tompon-trano, fa sarotra be izao ny mitady izay hisitrihana, na dia lafo be aza ny takalony. Resaka no betsaka amin’ny tetikasa atao atsy sy aroa, ary rehefa tsy mahalala ny fianakavian’ny ambony, na lava tanan’akanjo, dia aza manantena hahita rirany amin’ireny. Manginy fotsiny ilay lazainao momba ny findramam-bola amin’ny banques: inona no hataon’ny Malagasy kely antoka…? Mazava loatra fa tsy hahazo izy

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :