Mpangataka niteny anglisy – gaga aho

Zoma maraina ny andro. Niala ny trano toy ny olon-drehetra namonjy lahasa. Saingy rehefa tonga teo amin’ny fisasahan’ny maraina, ilay efa fiomanana hiala hamonjy sakafo iny indray, dia mba nandeha nitsidika ny Tsenam-boky nokarakarain’ny  FMBM / Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy ny tena.

Teo an-tampon’ny tohotohobaton’Antaninarenina teo no toera-nofinidy hanaovana ny tsenam-boky, toy ny andiany teo aloha ihany. Maro ny olona no niato kely nanopy maso ireo karazany maro azo nisafidianana, na dia ho fahafinaretan’ny maso tsy hitondra hody fotsiny ihany aza. Samy mandalo eo daholo mantsy izay rehetra miakatra an’iny havoana iray eto Antananarivo iny, na ny teratany na ny vahiny.

Tsy dia ny boky loatra no fototry ny resako etoana. Fa mpangataka. Eny tsy diso ianao, mpangataka miandry sy  manaraka ireny vahiny ireny.

Indreo andianà vahiny vitsivitsy mandalo sy mijery ity tsenam-boky ity toy ny olona rehetra ihany. Tsy lavitra eo kosa, zaza roa mifampitrotro. Angamba ilay ankizivavy mitrotro mety ho zokiny iray tampo amin’ilay bitika eny an-tanany.

Nanatona mora iretsy andiam-bahiny ireto zaza mifampitaiza, ka nony tonga teo amin’ireo vahiny, toa ahy efa nahatratra rahateo ny nisy azy ireo koa, dia zavatra tsy nampoiziko no nipololoatra nivoaka ny vavan’ilay heverina ho zokiny.

Asa na efa nofantarin’ireto ankizy sy narahany nialoha tany ananona tany ireto vahiny ireto, fa raha vao tonga teo amin’izy ireo ry zareo, dia tsy mba tamin’ny fomba mahazatra (rehefa tsy teny Malagasy, dia teny frantsay) no nanaovany ny fitalahoany mba hahazo izay pitiny avy any amin’ireto nozohiany fa teny Anglisy madio rano, tsy nisy diso na ny fomba fiteny na ny firafitra, no nanaovany ny tambezony. Tsy naharitra ny tena fa nanongilan-tsofina sao mba diso fihaino ihany. Tsia, tsy diso fihaino mihitsy fa tena teny Anglisy no nataony.

Lasa ny saina nanao hoe: nandia fianarana hatraiza àry ity zaza ity no nitsahatra? Nefa rehefa nojerena akaiky sy nalaina sary an-tsaina, lavitra araka izay mety ho takatra, dia toa sarotra heverina ny hoe tonga hatramin’ny kilasy faha-enina rakalakely. Ary na tonga hatrany aza, dia mbola azoko anaovana fanamby fa vitsy dia vitsy ny ankizy Malagasy no mahafehy ny firafitra sy fiteny ny Anglisy.

Raha tsy lasa lavitra indray tamin’ny fianarany izy, dia taiza no nianarany ilay fomba fangataka?

Ny namana vitsivitsy nizaràna ity fahitàna manokana ity dia nahenoana fanehoan-kevitra samihafa, tonga hatramin’ny hoe: Na izy misy an’ireny ‘assistante sociale’ireny mampianatra azy (atao tsianjery maimbo ve?), na efa misy koa eto amintsika ny olona manakarama ireny zaza irany anaty tambajotra (sanatriaviko anie izany)

Natao tsianjery tokoa ilay fomba fangataka – nanaraka miadana teny aho nandritra ny metatra vitsy – satria ny teo foana no miverina mandra-pirotsaky ny rakitra.

Hoy aho anakampo hoe, efa nivoatra ilay sehatrasa, satria dia asa tokoa io ho an’ny sasany, ary angamba ny hafa efa ela no nahafantatra ny fisiany fa izaho no taraiky. Tsy misy maharatsy azy fa taratry ny fanontoloana daholo koa angamba izany.

***********************************************************************

Hetsika miandry anao ato ho ato eny amin’ny CCI Ivato

TEDxAntananarivo 2011 « Ideas For Women Cancer Control In Africa.

***********************************************************************

Publicités

TEDx Antananarivo / CCI Ivato 14 Mai 2011

Tapa-bolana mahery andro vitsy monja sisa dia higadona ny 14 Mai 2011. Andro nofinidin’ny TEDx Antananarivo hampanakoako ho ren-tany ho ren-danitra ny feo mitondra ireo hevitra afaka hampandroso ny mpiara-belona. Hevitra tsy avy aiza fa avy teny anivon’ny fiaraha-monina ihany, saingy tsy dia re loatra ve, sa nodiana tsy norenesina? Raha izany, fotoana iray io hilazàna amin’ny olona rehetra fa any ho any misy olona mikatsaka ny hahasoa ny hafa, any ho any misy olona manana hevitra azo zaraina hampivoarana ny tontolo, any ho any misy manam-piniavana hijery ny hafa fa tsy ny tenany ihany. Ary indrindra indrindra, fotoana io hitondràna ho an’ny maro ny lohahevitra amin’ity andiany ity manao hoe « Des idées pour endiguer le cancer chez la femme en Afrique ».

Ankoatry ny zavatra hafa azo ifampizarana araka izany, dia horesahana mandritra io fotoana io ny hevitra azo aroso hisorohana ny homamiadana mahazo ny vehivavy aty Afrika.

Homamiadana, antony fahatelo mahafaty ny olona aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, ary hamono olona 84 tapitrisa manerantany ato anatin’ny folo taona ho avy raha tsy misy ny ezaka hamongorana azy.

Homamiadana, aretina faharoa mamono ny olona any amin’ny tany mandroso ihany koa.

Homamiadana, tsy afaka miala amin’izany i Madagasikara. Hita eto ny karazana homamiadana samihafa, toy ny mahazo ny rà, ny nonom-behivavy sy ny maro hafa.

Misy toerana manokana omena antsika mpitoraka bilaogy amin’io andro io, izay isaorana manokana ny mpikarakara, koa entanina ianao mpitoraka bilaogy io, na raha misy fantatrao fa mpitoraka bilaogy tokony ho afaka manely ny feo mandritra io andro io, mivantana avy eny amin’ny CCI Ivato, dia ampitapitao ity hafatra ity. Homena fahafahana miditra maimaim-poana ianao amin’izany. Saingy kosa mila misoratra anarana. Raha manana solosaina finday moa ianao ho entina eny hanelezana ny zava-mitranga, dia vao mainka tsara, satria hisy WIFI matanjaka be hapetraky ny orinasa ORANGE Madagascar, miara-miasa amin’ny Fondation Akbaraly sy ny TEDx Antananarivo. Mandefasa hafatra momba anao sy ny bilaoginao ao amin’ny kaonty twitter @TEDxTNR manambara ny faharisihanao hiara-hiasa.

Ny CCI Ivato toerana handraisana ny TEDx Antananarivo 2011

Koa manentana anao tsy hanadino ny andron’ny 14 Mai 2011, fa ny TEDx Antananarivo dia miezaka hatrany manokatra valan-dresaka mora takatry ny rehetra, ho ahy, ho anao, ho an’ny tsirairay.

Ireo tenifototra azo anarahana ny TEDx Antananarivo : ao amin’ny Twitter @TEDxTNR , ao amin’ny Facebook  TEDx Antananarivo