Liban-Madagasikara: Iza no mbola te-handeha hiasa any?

Resadresaka nifanaovako mivantana tamina namana iray monina sy mipetraka any an-toerana (Liban – Libanona) efa ho 14 taona izao ampitaiko aminao manaraka izao. Tsotra ny tiana hahatongavana: Be izay ranomainty lanin’ny gazety an-tsoratra izay, tataka ny vavan’ireo mpilaza vaovao nanambara ny zava-misy iainan’ny ankamaroan’ireo Malagasy nisafidy handao tanindrazana noho ny fitadiavana. Misy ny fomba fiteny hoe ‘mandeha mitady asa’, saingy misy koa ny ‘mandeha mitady vola’ ka iza amin’izy ireo no azo anasokajiana ny maro amin’ireo Malagasy nisafidy ny handeha any Liban mba hijery lanitra vaovao?
Sombiny ihany tamin’ireo resaka efa ho ora iray no entina etoana. Araho ary:
27 Febroary 2011 ny andro, amin’ny 10 ora alina latsaka kely
21:55
miarahaba e
manao ahoana ny any Libana any amin’izao?

manaona
ny aty ny fiandrasana zany avion zany no malaza
misy ny ankizy efa te hody

fa anisan’ny hody angaha ianao?

nonnnnnnnnn
6000 malgaches ny eto liban

260 ono no te hande

ok

ka toa oe ho avy tsy ho ela anie e
zay no henonay aty

ka tena miandry ny ankizy
misy ireo gasy any amponja koa mantsy

15 hono
andraso fa hataonay tam tam aty ary ny resaka momba an’io avion io raha izany e
efa nasiako aloha eto amin’ny FB fa ny any amin’ny Twitter no alefako afaka minitra vitsy

merci

dia ahoana ny amin’ireo gasy any amponja ireo? tena nanao hadalana sa tsindry hazolena

tsy misy manao adalana zany aty
fa tsy manana paps ny ankizy dia mitsoka
dia tratry ny polisy

fa iza no tena mitazona ny passport rehefa tonga any e?

zany ny lalana eto e
ny mpampiasa mitazona ny passeport

angaha rehefa tenenina ny polisy hoe nogiazan’ilay patron dia tsy mety manao demarche?

tsy misy droit zany eto e
refa tena mijaly ny ankizy de mitsoka no fanafodiny

gravy kosa izany an

ho faty ao kosa v izy
zany ny aty
kestion de chance
misy ihany ny olona tsara
ohatra ny erantany re!

ary manao ahoana ny fifanohanareo samy Gasy manoloana an’izany?

tsy misy
tsy miray hina ny gasy eto liban
tsy misy association na gasy matotra eto
zay koa ny tena bleme eto
rehefa mijaly ny ankizy any @ contrat de tsy hita mihitsy oe iza no antsoina

mampalahelo izany

ie
mampalaelo
mbola ho ela vao ho resolu ny probleme liban

kivy be aho mieritreritra an’izany

ie

izaho izao nihevitra fa mba efa milamindamina io resaka io taorian’ireny faty nifanesy tonga taty ireny

negatif b e

ka zahay anie ary mahare oe mbola misy gasy miditra ihany ono eto e

ka io no tena mahakivy ahy anie e, na efa be aza ny faty tonga, na be aza no efa niteny tamin’ny TV sy Radio, dia mbola be ihany no te handeha fa manantena ilay teninao hoe misy tsara, misy ratsy dia mi-tenter chance

zay koa aza gaga ko
mitenter chance e

tsy misy maharatsy azy, saingy raha eto akaikin’ny fianakaviana no misedra ny mafy, mbola mba misy antenaina, fa raha any an-tany lavitra any, tena mazana be

justement
fa misy koa aloha ny ankizy tsy motivé  e
tsy fantany inona no alehany aty
misy ny tsy vonona hiasa

hadalana be izany

aty ange tena miasa e
fa ny asa aloha dia misy ra tsy kamo e
mbola azo hiainana eto

ka ny olana dia ny olona sasany mitady vola fa tsy mitady asa, asa raha azonao ny tiako holazaina, tsy te hisahirana

azoko

fa angamba ataony fa tonga ho azy eo ny vola

misy reny eto, zay anie

zay no mahatonga ny ankizy efa ela teto na mody aza dia miverina
satria nahita ny tsirony teto
b d b ny zavatra mila amboarina e, voalohany ny fanazavana ny te hande fa tena miasa aty

ny malaina hisahirana izany no tena betsaka mandeha any raha azoko tsara ka nony tonga any vao torana mahita hoe tsy an-jaza ny

zay mihitsy

misy koa ny mievitra oe any andafy de mitady vady
tsy misy ho vadiana eto e

tena marina io resakao iray io an, be ny vehivavy gasy izao no tsy manan-draharaha afa tsy ny mitady vazaha ho vadiana amin’ny aterineto

marina io
14 ans za no teto liban
zany mantsy
tsy dia microire io vady en ligne io za
hevitrako manokana io

misy izao lasa tany Belgique tany hono fa nony tonga tany dia vadina mpiasa any amina ferme fiompiana avy eo vao manenina

22:20

ka any anie vao mahita e
azo foronina doly anie etoe
ka izany no mahavendrana ny sasany
tsy mandalina fa mijabaka fotsiny

ka manambady vazaha re !

adala be daholo. Mbola ho ela io vao ho voafafa satria raha ny generation miaina izao aloha dia mbola ilay mihevitra ny suprematie vazaha foana, na vazaha mainty io na vazaha fotsy an

lol

heveriny fa ny vazaha dia synonym paradis foana
justement
mentalite gasy io
laozako kely aloha ianao
bonne soiree !

misaotra nampahalala vaovao, manantena ny mbola ho tafaresaka amin manaraka

mandrampanoratra indray e

veloma

Dia toy izay ilay fampitàna vaovao sy zava-misy avy any Liban.  Anjaran’ny tsirairay ny mandalina, hoy aho, ary dia mba miandry ilay fiaramanidina manokana nampanantenaina azy ireo ny rahalahy sy anabavy te-hifankahita tava amin’ireo nilaozany ela teto Madagasikara. Tsy fotoana hifanomezan-tsiny sy handatsana intsony izao ka hitenenana hoe tsy nisy noterena ry zareo handeha ho any Liban, fa fotoana kosa itadiavana ny vahaolana.

7 Réponses

  1. fitadiavana mahazaka maniraka ,ny aina tsy ananam_piry sns fa izao aleo maty rahampitso toy izay maty androany

  2. marina fa fitadiavana ny aleha any fa araka ny voalaza teo ambony we mi tenter chance ary ny ahy tsy dia tiako loatra le ratsy foana no voalaza aminio resaka liban io fa misy koa anie no miaina tsara ao eh!! fa ny arsika gasy mantsy diso tia manaratsy foana de le coté ratsy fona no ita any ka lasa na ireo olona ireo sy ny fianakaviany dia lasa menatra satria fanaratsiana sy fanambaniana no betsaka !!liban dia toerana otran ny toerana itadiavana rehetra iany !! misy ratsy any misy tsara koa! fa refa tsy mahay mi se bébrouiller ny akizy any dia taraiky eo satria marina fa sarotsarotra ny any antanin olona !!mifanampy ny akizy any fa ny fifandraisana no somary sarotra satria ireo tena mijaly dia tsy misyserasera mitsy ka raha tafatsoaka ary izy dia tsy manana aleha !! ny tiako ambara dia hoe: ny fiainana tsy fantatra ratsy hiainana dia manadrana aloa ianao fa refa tsy zakan ny aian dia ajanona ary ANDRIAMANITRA TSY MANARY NY ZANANY IZANY ka mirary fahombiazana ho anireo zay mbola mitady hatrany ny soa mety ho any tenany sy ny fianakaviany ka mihaeitra sy miaina tsara any libanon ny tenanay msaotra!!

  3. ra za alo an!ra ny tena evitro de ts nisy noterana marina @zany fa safidy malalaka no natao!za alo za de tena mba maniry mafy zany mba iasa any ivelany zany e!sa diso ve za!itanareo iany fa eto amtsika ra ts manana vola ampiasaina de poins mits ra ivelona zany.za ranga maniry mafy ny mba itravy any e!

  4. mba atoroy ana ny mba aafaaoko mande miasa any ra mety.rktjn_7@yahoo.fr no mailko.misaotra mialoha amzay amaly ny afatra.

  5. Raha ny amiko kosa dia ity:ao Tamatave no misy ahy,24taona aho no nakany Liban,
    roa ny zanako vavy iray lahy iray,telo taona sy efatra taona izy ireo no nilaozako hiasa ho any Liban.Efa nisy ny resaka nandeha fa izaho no mbola nisisika satria ny karama eto Madagascar dia kely dia kely,ka izany no nanesika ahy handeha ary nandaozako ny asa tao @ commune,satria niasa tao aho tamin’io fotoana io.
    Ny azoko ambara dia ity ,Niala teto Madagascar aho ny volana Novembre .Vao niala tao Antananarivo aho dia hoy ilay directeur ny orinasa mpandefa ahy hoe misy numero omeko anao,ka dia vao miala ny fiaramanidina ianao dia atsangano ambony io numero io fa io numero io no ahafantaran’ny mpampiasanao anao.Dia rehefa tonga tany aho dia nataoko tokoa ilay zavatra nasain’ny Directeur natao,ka alina ihany ny andro tsy nisy olona tonga haka ahy za amin’izany sady matin’ny hanoanana.Ny ampitso maraina kosa dia nitomany aho satria tonga ihany ny antoandro mbola tsisy olona tonga tamin’ny seranam-piaramanidina aka ahy.ianao amin’izany raha te hipipy tsy mahazo mandeha.,ka ny farany tena poritra aho ka saika nalefako tao anaty zerikanina. Ny efitrano ipetrahana amin’izany loto tsy loto.Ka dia nisy polisy iray nanontaniako momba ilay mpampiasa ahy ka tonga dia nomeny vola aho mba hividianako sakafo sady nateriny aho fa tsy mahazo mivoaka irery sao mandositra..Rehefa tonga ny hariva dia tonga izy ireo naka ahy.rehefa tonga tany aho dia hoy izy ireo hoe alefa mandro manomboka andoha ka hatrany antongotra ,rehefa vita izany dia nitsindromina aho,,tsy nanaiky aho nefa hoy izy ireo hoe tsy maintsy satria tsy izaho irery no natao izany.Rehefa vita ireo dia tonga dia nanomboka ny asa.Nisedra olana mafy aho nandritra ny 3taona ny zanako lahy amin’izany narary mafy tsy fantatra na ho faty na ho velona tsy fantatra ny aretiny.,Daroka tsy daroka no anaovan’ilay ramatoa ahy rehefa tsy eo ilay ranga vadiny,fa izaho aloha dia mamaly ihany satria marary ny daroka ataony.fa ny farany herin’andro tsy hodiko mitohy ihany ny fanaon’ilay ramatoa ka dia tsy voalefitro ka dia tsy voatazoko intsony ny foko ka saika matiko ilay ramatoa.ka hoy ilay ranga vadiny hoe aleo mankany amin’ny orinasa ianao miandry ny fanaovana ny fanovana ny contrat ,mbola tiany hiasa aminy aho kanefa kosa miasa any amin’ny biraony fa tsy ao antrano intsony.dia hoy aho hoe alefaso mody aloha aho mba hijery ny zanako fa rehefa afaka roa vola aho miverina.Nataoko io teny io mba tsy hanaovany ratsy ahy,fa mino sy matoky aho fa raha toa ka niteny aho hoa alefaso hody aho ka tsy hiverina intsony angamba ratsy ny fiafaran’ny tantarako.Afaka iray volana nahatongavako teo anivon’ny fianakaviako dia niantso ahy izy fa hanapaka billet mba hiaingako ho any aminy,tsy nasiako valiny fa tonga dia notapahiko ny telephone ary ny andron’iny ihany dia nosoloiko ny puce.Nisy ihany koa ilay fiaramanidina Malagasy naka ankizy tany ireny,sady tsy henoko no tsy fantatro,efa tonga taty Madagascar ilay fiaramanidina vao niteny iizy ireo..Izany no hitako tany ,mafy ny tsy fananana ka na dia mafy aza ny manjo dia iaretana,amin’izany ianao antanin’olona ka tsy afaka mikotika.Ny tena nampalahelo ahy tamin’ny fiainako anefa dia ity,nilaozako ny zanako mba hitadiavako vola ho an’izy ireo ,mba hahazahoako vola mba hitovizan’izy ireo ho toy ny ankizy rehetra nefa indrisy mantsy telo volana nahatongavako teo amin’izy ireo dia maty ilay lahy matoa.Koa dia mba mananatra ihany aho na mafy na mora ny eto Madagascar aleo miaritra ny zava-misy eto antanin-drazana toy izay hijaly antanin-olona
    Fa mikasika ireo zay lasa adala kosa, lasa ny heritreritro Mety noho ilay tsindrona hatao amin’ny fahatongavana io,ka maro no tsy mahatanty ka dia lasa mahatonga ny ankizy ho lasa adala.Ity ny fanontaniako inona io tsindrona io,inona ny antony???Manontany tena aho hatramin’izao fa tsy mety voavaliko.Raha misy mahafantatra,omeo ahy ny valiny

  6. Manahona daholo zaho dia anisan’ireo akizy mipetraka aty Liban efa ho 4taona sy tapany. Liban dia toy firenena rehetra misy ny ratsy misy ny tsara eny na eto amitsika aza misy anizany hevero ilay hiran’ny Tarika Ainga ikala jeanine ,fa raha ny firenekafa no manao fahadisoana dia hitatsika horesahina fa ny ato amintsika tsy misy miresaka na mahita aza .Ekeko fa misy ireo fitondrana ratsy atao ireo namana taty nefa indraindray koa anie dia manaiky le akizy e alohany hialana any Mada dia omena ny numero ny Consulat raha sanatria ka misy ny olana, ny zavatra efa hitako dia maro ny akizy mifampitaraina fotsiny fa tsy sahy miantso le consulat na farafaharatsiny mitaraina aminireo birao nikarakara .Ka iza moa no hanampy anao eo raha tsy ianao no mitady fanampiana?Fikambanan’ny Gasy aty vo mba iray volana lasa zaho no naheno fa misy izany.Momba ny asa ndray dia maro mihevitra fa miasa andafy miadana angamba diso fanantena tranon’ny zareo aty dia tena lehibe ka vo mahita iny fotsiny dia efa mivarahotsana .Zay aloha zavatra hitako raha mananjanaka koa ny olona ipetrahana dia vo maika loza satria vita raharaha ao antrano dia miandraikitra ny zaza.Raha fitiniko ny asa d mila fahazotoana sy fahasahiana ary fanajana ka raha tsy misy ireo dia mitranga ny olana ka izay no tena ilana fahasahiana Miala tsiny raha manafitohina sasany fa izay no fahitako azy

    • Marina tsy misy lavina izay rehetra notantarainao izay nefa kosa ny ankizy ange sur tout ny vehivavy efa zatra mitadivola eo ampandrina dia mieritreritra hanoy ny fanaony any antanin’olona any sady ny olana amintsika vehivavy gasy die ity:matimatin’ny hahazo vahiny nefa tsy fantany fa asa no aleha any.Ka rehefa tonga any izy ka tsy mifanaraka amin’izay ilainy ny toe-javatra mitranga dia lasa manao ny tsifanao.Ny momba ny fifanajana kosa dia ity,ny itako aloha no azoko ambara fa tsy ilaza izay zavatra tsisy aho,Misy ny pampiasa manao ny vahiny ho toy ny andevo,ka na dia manaja azy aza ianao dia toy ny zava-poana izany ka noho izany mila maherihery andro ny ankizy mandeha miasa any.Fa raha ankizy malemilemy dia faty no tsenain’ny havany satria vonovonoin’ny pampiasa azy.Ny momba ny hoe efa misy numero ny consulat sy nny orinasa omena ny ankizy kosa dia ity.Mialatsiny aloha aho fa alohany nandehanako dia tsy nahazo numero ny consulat aho fa ny numeron’ny birao,nefa raha nisy ny olana nitranga teo amiko,niantso ny birao aho nefa tsy nisy namaly.
      Toy ny filazan’ny ilay ramatoa pampiasa ahy izay hoe:<>Mampalahelo sady mampitomany raha toa ka ny maro no mahazo izay teny izay,nefa tsy nisy noterena ny nandehanana tany.Ka izaho tsy mampirisika,no sady tsy manao hoe mandana fa ny tsirairay no misafidy.Fa izaho kosa dia mitantara izay hitan’ny masoko.Lava ny tantara fa izay ihany aloha no azoko ambara

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :