CNEAGR Nanisana: tsy milamina mihitsy

Samy nahatsiaro ireo lahatsoratra navoaka teto amin’ny Gazety_Adaladala mikasika ity toeram-piaofanana iray etsy Nanisana ity angamba ny maro mpanaraka ity bilaogy ity.

Nisy fotoana moa dia voatery nandraisan’ny teto amin’ny bilaogy Gazety_Adaladala fepetra mihitsyka  nampirimana ireny lahatsoratra ireny ho an’olom-bitsy sisa no afaka namaky azy, satria nafàna sy navaivay ny fanenjehana sy fitadiavana ny mpitantana ity bilaogy ity.

Tsara anefa ny manamarika ankehitriny fa nahatonga fitarainana indray ireo mpiasa ao amin’izany toeram-piofanana izany. Tsy miova hoy izy ireo fa mbola mitohy hatrany ary vao mainka aza henjana noho ny tany aloha ny fomba fanao ratsy ampiharin’ny mpitantana. Efa mihevitra ny hanao hetsika ireo mpiasa ao amin’izany toerana izany amin’izao fotoana, andro angamba sisa no andrasana. Saingy mba tsy hahatongavana amin’izany dia miezaka izy ireo ny mitady vahaolana. Tafiditra ho isan’ny vahaolana noheverina ny fanatonana ny Minisitera mpiahy. Tsy mety voaray foana anefa izy ireo, fa misedra valinteny toy ny hoe, mbola eo ampivoriana ny Minisitra, na hafa koa…

«Tsy afenina ho an’olom-bitsy voafantina intsony ity lahatsoratra ity satria sao ny fanafenana ny teo aloha no tsy nampipoaka ny marina, hoy hatrany ireo mpiasa nampita ny hafatra »

Mandinika izay ho tohin’ny hetsika ankehitriny ireto mpiasa ireto, ary miankina amin’ny valin’ny fihaonana ataon’izy ireo (mety ho amin’ity anio ity) ny ho tohin’ny hetsika rehetra.

Araka ny feo heno dia efa misy ankehitriny ny mpiasa atao antsojay sy lasa isan’olona sisa mandra-piandry izay ho mety fandroahana azy ao amin’io toerana io.

Manantena ireo mpiasa ireo fa handray ny andraikitra mifanandrify aminy mikasika ity raharaha CNEAGR ity ny tompon’andraikitra mahefa, izay toa ny Ministeran’ny Rano.

Asa raha ny filazana an’ity indray no mbola hanaovana izay itadiavana ny mpiandraikitra ny bilaogy.

Saika adinoko: tsy afenina ho an’olom-bitsy voafantina ity lahatsoratra ity, satria sao ny fanafenana ny teo aloha no tsy nampipoaka ny marina, hoy hatrany ireo mpiasa nampita ny hafatra

3 Réponses

  1. tena marina fa tsy milamina ao amin’ny CNEAGR, za dia mpianatra 7eme promotion tao fa nohon’ ny tsy miankina dia mba nangataka fihemorana ny fandoavana ecolage za nefa dia nolavin’ny directeur! efa ho 1 volana latsaka anefaa sisa no tokony ahavitan ny fiofanako vtamizay! ankehitriny dia lany fotsiny ny volako naloa tao ary lany ny fotoanako no sady malahelo aho ka raha azo atao dia soloina ny mpitatana ao amin io toerana io fa tsy mba mahalala ny tokony andeferana sy ny fiangaviana! afaka manazava misimisy kokoa za fa ity ny adresseko! andrianarivoanicet@yahoo.fr

  2. mila soloina mihitsy ny directeur @zao fa na ny mpiasa ao ary tsy misy tamana avokoa, sady olona tsy manana experience akory no ao, mandany vola fotsiny…..hafa ihany ny directeur teo alohan’io tsy mahay mitantana io

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :