Ben Ali sy Tonizia (Tunisie)

Raharaha isan’ny nafana sy narahana be tato anatin’ny efa ho 5 herinandro izao ny tao Tonizia sy ny ho fiafarany: tonga tokoa ny farany ka dia nandositra nanao sesitany ny tenany ny filoha Ben Ali ary lasa nialokaloka any Arabia Saodita.

Resaka talantalana fivarotan-boankazo syu anana nalain’ny mpitandro filaminana, ka nitarika tamina famonoantenan’ilay tovolahy 26 taona hany mamelona ny tokantranony, ahitana ny reniny sy ny iray tampo aminy, no nampiorodana ny fanjakan’ingahy Ben Ali nandritra ny 23 taona. Ary ireo famoretana nataon’ny polisy tamin’ireo mpanao fihetsehana

Mampahatsiahy tantara tsy zoviana amintsika izany. Tamin’ity raharaha Toniziana ity dia nisy tamin’ireo mpitoraka tweet no nilaza fa pitik’afo mandrehitra hatezeram-bahoaka ny hanoanana. Efa nahavoa mpitondra maro tokoa izany. Ary be ireo milaza fa ohatra halain’ireo firenena Arabo maro i Tonizia atsy ho atsy ka ho isan’ireny i Ejipta sy Libia, ankoatra ny hafa. Isan’ny fitaovana ambara ho nandray anjara betsaka sy nitondra anjara biriky tamin’iny zava-nitranga tany Tonizia iny ny teknolojia vaovao toy ny Bilaogy (Blogs) sy ny Twitter.

Rehefa tafitan’ireo vahoaka ny tolona nataony dia nifety ny olona. Nisy Libane nampitandrina ihany anefa sao dia mifety tsy afa-tavony ny Toniziana.

Ary ny vahoaka Malagasy, mba manao ahoana?

Raha te-hamaky misimisy kokoa amin’ny zava-nitranga tany Tonizia amin’ny teny Malagasy ianao dia tsidiho eto.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :