Ho an’i (enylesyagmail.com)

Tsy dia fanao loatra teto amin’ity bilaogy ity ny mandefa hafatra manokana ho ana mpitondra fanehoan-kevitra iray voafaritra, saingy amin’ity indray mitoraka ity dia hiala kely amin’ny mahazatra isika ka hitondra taratasy misokatra.

Misaotra anao mitondra fanamarihana tao amin’ny resaka FPVM navoaka teto. Indro apetrako etsy ambany ny ampahany amin’izany. Ny mpanoratra dia i enylesya

…. Ngah lty fanaovangazety ity ataotao foana tahak’izao! mba misy fianarana ange lesy atao vao manao an’itony na dia ho mitarika ady hevitra fotsiny aza e! na ny mpmaky n’la aza tsy voafehyn’la dia sujet sensible ohatr’itony no ilangalangana!! Tss

Ny tiako hotsipihana kely fotsiny dia ny hoe, ny tena lehilahy dia tsy miafina ambadika adiresy mailaka antsoina amin’ny teny vahiny hoe ‘bidon’ tahaka io ataonao io. Na izany aza dia tsy nampaninona ny teto amin’ny Gazety_Adaladala ny namoaka ny fanehoan-kevitra avy amin’ireny olona tsy sahy miseho masoandro toy ny vorondolo ireny.

Ny olona afaka miditra an-kalalahana amin’ny aterineto toa anao izao dia afaka tsara mahafantatra ny fisian’ny antsoina hoe ‘blog’. Ianaro aloha ny dikan’io teny io vao mitondra fanakianana amin’ny manaraka.

Na iza na iza dia afaka manokatra blog avokoa ary afaka manoratra izay tiany hapetraka ao. Malalaka be ny lohahevitra sy ny fomba fijery azo entina amin’izany. Eny fa na dia ny tantaran’ny alikanao sy ny sariny aza no tiana havoaka ao, tsy olana izay. Na ny sarim-pianakavianao sy ireo sipa marobe efa notetezinao teo amin’ny fiainana aza, ny isan-jaza an’elakelan-trano mety ho efa vitanao. mbola tsy olana koa izany. Tsy misy mihitsy afaka hanakana anao raha aty anaty blog koa no hitanisanao an’zany. Anao manokana izany ary safidinao ny hanoratra mikasika zavatra iray araka izay heverinao ho fahitanao azy, na tsia.

Marina ny teninao, fa tsy nataotao foana ary tsy ataotao foana ny asa fanaovan-gazety. Koa aleo hamafisina indray fa angamba tsy mbola mpanaraka ity blog ity hatrany am-boalohany (2008)  ianao: TSY MISY MPANAO GAZETY MIASA ATO AMIN’NY GAZETY_ADALADALA, ary efa nahadiso hevitra olona maro io, na dia efa nisy foana koa aza tany aloha ny fitondrana fanazavana. Ary aoka ho fantatry ny maro fa matoa antsoina manatrika ireny fihaonana karakarain’ny fikambanana iraisam-pirenena ireny ny eto, dia amin’ny maha-blogger azy fa tsy amin’ny maha-mpanao gazety. Miainga avy amin’ilay famaritana (ny atao hoe blog)  izay anentanako anao mba hotadiavinao no fomba anoratana ny zavatra rehetra eto amin’ity bilaogy ity, fa tsy manaraka velively ny fitsipiky ny asa fanaovan-gazety (ilay antsointsika hoe Mainstream media’) mety ho ao an-tsainao akory. Tsy misy ligne éditoriale tsy maintsy harahana eto, na patron de presse tsy maintsy eken-teny. Tsaratsara ho anao araka izany ny mandalina bebe kokoa ny atao hoe ‘blog’ dia mety hazava aminao ny resaka.

Raha ny anarana entiny indray no mety mitondra anao any amin’ny hadisoana (ilay hoe GAZETY_ADALADALA) dia tanim-boanjo io. Tsy zoviana aminao ny fisian’ny antsoina hoe ‘journal intime’. Inona no soratana ao anatiny ao? Anao no mamaly an’izay. Amin’ny Malagasy sy ny Anglisy  dia antsoiny hoe Diary izy iny. Fa moa ve izany mahatonga ilay journal intime ho tsy maintsy ho heverina ho toy ny gazety (ilay asa maha-matihanina ny hafa) famakinao isan’andro sy araka ny andraisanao azy? Tsia avy hatrany no valiny.

Sehatra midadasika be araka izany ny tontolon’ny ‘blog’ ka tsy azo ferana, na amin’ny vontoatiny, na amin’ny anarany.

Fitaovana iray lehibe eo ampelatanan’ny olon-tsotra tsirairay ankehitriny ny ‘blog’, ary efa samy mahatsapa izany daholo na ny Mainstream Media (ndeha hataontsika hoe Gazety nentim-paharazana) nolazaiko ery ambony, na ny mpitondra fanjakana; raha fintinina amin’ny teny fohy dia ny manan-tsaina rehetra eee!

Izany no mahatonga ireo gazety mpiseho isan’andro efa mametraka koa ny tsanganana ‘blog’ any anatin’ny tranonkalan’izy ireny.

Momba ny resaka hoe voafehy na tsy voafehy ny fanehoan-kevitry ny mpamaky dia tsotra no hamaliana anao: rehefa mitsidika ny tranonkala hafa misy adihevitra mafana ireny ianao, na tranonkala tsotra io na ny an’ireo antoko politika samihafa mifanenjika eto amin’ny tany sy ny firenena, mba ampitahao ny zava-mitranga sy soratana ka avela hivoaka hovakian’ny rehetra any amin’izy ireny, dia ampifandanjao amin’izay hitanao misoratra ato, fa raha mahita teny manevateva sy teny ratsy ianao, isao hoe firy no hitanao tany, ary firy amin’izany no misoratra ato.  Fepetra isan’ny mahasarotiny ny eto izany, ka na misy aza amin’ireo efa mpitondra fanamarihana nahazo alalana hivoaka avy hatrany rehefa manoratra eto, no tratra manao fiteny tsy mendrika, dia mazava ho azy fa dia esorina avy hatrany ny fanehoan-keviny ary na izy aza tsy ho afaka mametraka fanehoan-kevitra eto intsony amin’iny anarany iny ( raha tsy hoe hanao bidon toy io anao io indray mandra-paha…)

Hamaranako azy dia ity: tsy misy fanavahana ny fanehoan-kevitra eto amin’ity blog ity fa rehefa atao am-panajana tsy misy tenim-boto dia afaka avoaka avokoa. Rehefa mihaino vata fampielezampeo aho ka tsy tiako ny mihaino izay fandaharana mandeha ao, dia ovaiko fotsiny ny onjam-peo. Toy izany koa, raha tsy dia mety loatra aminao ny mamaky ny hadalako eto (araka ny anaran’ity blog ity), dia mijere rohy hafa fa tsy andoavanao volabe akory izany, tsy mahafaty antoka anao velively. Ary amin’ny manaraka mba ezaho tadiavina ny fomba  hanafenana ny adiresy IP-nao  fa aza dia aely tahaka izao, eny fa na dia ny fomba firesakao aza dia fantatro fa olona akaiky ahy isan’andro ianao. Auteur : enylesya (IP : xx.xxx.x09.129 , xxx-x09-129.blueline.mg). Niniana natao xxx ireo marik’isa sasany fa efa hainao ihany tsinona.

Misaotra ihany anefa na izany aza

5 Réponses

  1. Tssss…. Hazavao kely fa tsy maimaipoana izy izany an!

    • Tsy azoko ilay tian’i Zoky angatahana fanazavana. Mba azo averina ve ny fangatahana ka atao mazava tsara?

  2. tsia! mananihany hoe hazavana tsy maimaipoana fotsiny aho fa tsy misy idiran’ny lahatsoratrao izay lazaiko ka!

  3. krkrkrkrkrkr – mahao mimeme eto ry avylavitra an !

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :