FPVM sy ny taorian’ilay video

Araka ny efa fantatry ny maro, andro vitsyu taorian’ny Noely, dia navaivay tokoa ho an’ny mpino FPVM iny herinadro farany tamin’ny taona 2010 iny.

Tamin’ity Alahady voalohany aminìny taona 2011 ity, say voalohany taorian’ireny resabe tanaty gazety nahazo azy ireny, dia namonjy ny fotoam-pivavahana tao amin’io fiangonana io aho. Tamin’ny 8 ora maraina teo ny ora nahatongavana.

Raha noeritreretina fa hisy fiantraikany ratsy tamin’ireo vahoaka marobe mpanaraka ity FPVM ity ireny zavatra mamoafady ireny, dia ny nifanohitra tamin’izany kosa no tsinjo androany, satria dia feno olona nanomboka tamin’ny efitrano ambany indrindra ka hatrany amin’ny rihana faharoa io fiangonana io.

Fotoan-dehibe ho an’ny rehetra rahateo ny androany noho izy Alahady nanaraka ny fandraisana ny taona voavao

Tsy misy ny sary azo naroso satria entitra ny tao an-toerana androany ny amin’ny fahazoana alalana mialoha raha hampiasa camera na appareil photo ianao. Koa satria tsy nanana izany ny teto amin’ny Gazety_Adaladala dia tsy afaka nanatselatselatra flash, na naka sary ho enti-mandravaka ny lahatsoratra.

Fitohanana tsy nisy toy izany ny firavan’ity fiangonana ity tamin’ny 11 ora tany ho any.

Manararaotra etoana ny eto amin’ny Gazety_Adaladala MIARAHABA NY MPAMAKY REHETRA NAHATRATRA NY TAONA 2011.  HO FITAHIANA SY FAHOMBIAZANA ANIE IZAY REHETRA ATAO

38 Réponses

  1. bjr
    fa maninona kay io fiangonana FPVM io no tsy mety vita mihitsy hatramin ‘izao nefa ange de olona panakarena daolo no pivavaka ao e!
    ny mahagaga ana kely fotsiny dia naninona no dia ampitoviana @ shoprite na supreme ilay fiangonana tamin’ ny nanamboarana azy, kanefa ange ny fiangonana dia tokony isy famatarana azy hoe « FIANGONANA  » e! esory kely ange ilay soratra FPVM eo amin’ ny rindrina dia mitondra olona mbola tsy nahita anio, fa tsimisy mafatatra

    • ka notaperinao daholo tao kosa angamba ny rakitra rehefa manisa rakitra ianao dia eo no mody manankiankiana eo…

    • ambany b le fisainan’ ô!

    • tsy d aiko lotr ny amnw fa ra ny amk zay pino ao am fpvm alou d n fo sy ny toe_tsaina ary ny toe_panahy no marika aafatarana we fiangonana ny oul iray.tsy ny bikan’ny trano no zava-dehibe fa ny ao anatinao. Jesosy tsy mteny we ts maints misy tilikambo vo azo atsoina we fiangonana.mrci; hitahy an Faly fiangonan’Andriamanitra anie Jesosy Kristy

    • TY TENA MIREFAREFA AM TANY NY FOMBA FISAINANY BEURKKKKKKKKKK!!!!

  2. bjr
    za aloha dia tsy dacord mitsy amin’ilay pozin’ny fiangonana e! ohatrireny hoe supreme ireny ilay izy raha esorina ilay soratra hoe FPVM eo. Ny fiangonana manko amiko dia tokony misy fahamatarana azy na dia tsy misy soratra aza eo aminy, sa zao mitsy no nanaovana azy ka raha mikatona ny fiangonana dia atao trano fonenana angamba(ny fisainako) io

    • ita mits hoe ts mpivavaka fa ts mahalala afatsy shoprite hahaha

      • maninona ko ts lazaina hoe hotely na chambre ho aingana ! ny maso mits no efa mitapina ts hay oe notapenana in d iza no nanapina! fa ts efa fiangonana no eo anoloana mbl lazaina fa shoprite iany haha

  3. mmmmmm, hafahafa ihany iny horonantsary iny… hafahafa mihintsy… tonga amin’ilay fitenenana hoe : « tsy fampiseho masoandro »… asa raha ho jeren’ny mpianakavy eo anelanelan’ny tele novela sy ny vaovao an-tsary…

    • Ny amin’izay indray dia safidin’ny mpianakavy, raha hitany fa mety amin’ny fitaizana eo anivon’ny fianakaviany dia azy ny azy….

  4. tsy hitako ny Blem am’zay fa ref mahavonjy fanahin’ol D zay ny anareo ataov manakad’anitra ny tilikambo fa tsy izany akory no ahavoavonjy anareo, na supreme io na avance Jesosy ihany no ivavahana; d mba tarito ny mpivavaka any am’reo mba ho feno ol foana fa tsy rehefa fety ihany e!!!!!!!!!!!!!!no mameno trano;hita mintsy oe tsy manakatao fa ny mitsikera ny hafa foana;zay ny fombany GASY miseho…………..tsy ambony tsy ambany otran’ny lohalik’alika…………………..mba miova am’zay am fanavaozana saina f’az faly mitsikera foana aiza ny fianana no tsy mahantra sy mikorosy fahana hatrany!!!!! valio

  5. Zao fotsiny no izy e marina aloha fa tsy ny fanaovana tilikombo avo no mahavonjy fa ny zavatra teneny anao kosa aloha dia tsy any @ fitrano natao hivavahana no anaovana an’ireny fihetsika ireny e ! ary raha fanalana devoly ireny nataonareo ireny dia tsy tokony baikona hoatra ireny ilay olona no tsy vonoina hoatra ireny, efa olona mangana hoatra ireny ve no atao toa ireny hita izao fa tsy tompon’ny tenany intsony lay olona dia atao @ izay tiana anaovana azy, raha te hamonjy ny fanahinao ianao « Rason » dia jereo aloha ny tenanao fa aza mihinana ambolony fotsiny. hoatra an’i Babilona no anaovanareo ny trano hivavahana raha hoatra ireny

  6. herin’Andriamanitra raha mbola nivoha indray io fiangonana io ary tokony ho mailo ny mpitondra fivavahana fa efa mandondom-baravarana ny ratsy. mila mivavaka isika rehetra.

    • Mailo amninona kay?Tsy tokony ny mpivavaka ve no tokony mailo oe tena fiangonana mitory an JESO KRISTY ve ty fiangonana ivavahako ty sa aona?Nareo ao ary m se permettre manasazy olona nefa ts tokony nareo no manasazy sady ita be oe efa zvtra mahazeatr anreo le izy.Ai zao randrianatoandro amzao?Tsita mits satry nis le zvtr de menatra ny anao oe tsis ren fa coup monté!aza mapme eo an!!!

  7. namaky ireo cpmmentaire t@ ilay article FPVM talohan’ity aho dia variana be:
    1. betsaka ireo olona milaza azy fa mpivavaka be, nianatra theologie oe, pasitera oe, sns. Gaga aho satria raha ny zavatra lazain’ny maro t@ izy io dia na fanaratsiana olona na fikambanana (izay tsy tiany, ohatra Ravalo na ny GTT, sns…) na fanenjehana. Ohatr’izany angaha moa no tokony ataon’ny kristianina? Raha toy izany no firesaka sy fisainana, inona no antony handehana mivavaka satria mitovy @ olona tsy kristianina ihany?

    2. vao nivoaka tao @ site GTT ireo vidéos dia nijery aho saingy fohy ihany no hitako fa nakaleo ahy ny nijery azy, nodingadinganiko ny nijery azy. Tsy nino aho hoe tao ampiangonana no nanaovana an’ireny. Ny tao an-tsaiko voalohany dia hoe tsy tsara ho an’ny GTT ny namoaka an’iny saingy variana aho fa andro vitsivitsy taty aoriana dia niseho an-gazety iny resaka iny, ary ny Lagazette aza dia nilaza fa namidy mora teny Analakely ireo vidéos ireo. Janvier 2011 isika izao dia mazava fa tao @ fiangoanana FPVM no nanaovana an’ireny. Ny tena mahatalanjona dia tsisy réaction nataon’ny mpitarika ny FPVM mihintsy raha tsy efa aty aoriana be. Matetika koa ny olona milaza azy ho mpivavaka be dia mihevitra fa voenjika foana satria hoe manaraka an’i Kristy, any ka na misy tsy mety izao aza ao dia lazaina fa fanenjehana fotsiny fa tsy manadihady tsara hoe possible ve izany. Rehefa atao daholo ny recoupement dia tsisy resaka politika tao fa resaka bizina, izay no antony nanaparitahan’ilay olona aza, izy ary moa mambran’ny TCR (Tanora Contre Ravalomanana) any Mahajanga

  8. ataovy oa! zay ataon lisany fa na hanakatona ny FPVM lisany , na andefa sary porno , sns… ts mampiemotra anay zany. ny anay vavaka fotsn defa potika lisany . Zay ts mila milahatra makeny amn magro na makeny antsahamanitra sy makeny amn FIGN vao maharesy , juste mangina fotsn d mandefitra defa potika ny fahavalo. Iza tamn lisany mo no nanapoa oe hisy haharesy anie R8 dia hisokatra mora foana ny FPVM… hahaha . nandamoka le tetika hoe hakatona ny FPVM , dia potikin’ ny orana oazy eo dia mirodana ny farany, dia amzay ko kivy ny mpiangona dia miverindalana ny farany. kanjo nivadika ny rasa fa i MAGRO , ilay nafatifaty kely sady nanerana an ‘ i Madagasikara no potika voalihany. Sady zay niverin-dalana daholo koa amn’ io ny mpanohana an’ i Magro. Ny mpiangon’ i FJKM aza betsaka no lasa nivadika FPVM satria manao politika ny pasiterny hahah hohoho hehe. VALIO

    • marina mits lets zany lery e! mbola ho avy amn ndray ny ts mety fa alao anao eo an!

    • hita mints hoe avy @ secte borné!efa porno no atao ao ampengonanao mbola hanaratsy ny hafa ihany no atao lahasa, amizay pasitera mpikiky rindrina sy mpanararôtra ny ho vadin’olona, lazaina fa hapanao formation ny panambady nefa ny hanisy ilay fiangonana afatsy ny ao @ ffkm, raha tena mazana dia miverena any @reny fiangonana reny ireny ary ataovy ze hahazakàna ny fitsipika ao fa tsy hoe tsy tina ny ao de lasa ilaozana fa manenjika ny fivavahana secte mifanarakaraka @ sitrapo!!ntsss!mahonena!

      • winnie : mba fantatr’ i Toi moi ny atao oe secte : ny oe secte dia antokon’ olona na fiangonana niala tamin’ ny fiangonan-dehibe: zany oe na ny protesatanta aza dia SECTE satria niala tao amin’ ny Fiangoanana katolika rehefa tsy nahazaka ny fampianarana sy ny fitondrana tao. Fa ny zavatra ref ts tiana dia efa fanao ny manome anarana rats az ireny kanefa ny anao dia mandrora mitsilany ka ny tena ihany no aratsiana. Sa ianao katolika? Tsy anaratsy ah fa vao may pira lavitra. na faly enao na tsy faly dia ny fiainana ts maints mis revolution fona fa tsy hoe Protestanta d hijanona protestanta fona . Aleo ndray mb protestanta VAOVAO e! Sa kosa manimanina anay nareo? Makanesa aty e! aty ts mba mapatory ampitoerana ny toriteny sady ts theori fotsn sy resa politika sy filozofi.

  9. io ng anti jeu ataon ny ts tia fotsiny rah ny fahitak azy e

  10. oka leretsy zay le fanaratsiana fa vomé mapitombo ny mpiangona sy mampalaza ny FPVM manerantany a!hahahahaha! reraka fona ny mpanalabaraka fa Jesosy miady ho an FPVM mandrakariva! ary atsaharo le fanaratsina pasitera fa olon’Atra reny ka zay manaratsy anreny anie ka faizin’Atra mits e!

    • pasitera olon’Andriamanitra ve iny?manararôtra ny zanak’Andriamanitra no ataony raharaha nefa….mievera tena!

      • winnie : Aoka re ry Saoly a! Mbola hiova Paoly iany anie! hahaha ! Ny teny hoe secte oa aza ampiasaina fa ny definition an le mot aza ts hay akory . Aleo aza tonga dia miteny hoe devoly nareo hohoho

  11. tsiay alou winnie na aon na aon fa otrn ren we ef nanaiky nararaotin le pasteur tao am fpvm zany ny fanoratany.sa????

  12. Atao izay hidiranareo any amin’ny fanjakan’Andriamanitra fa aza variana mifanenjika sy mifanaratsy sao adino eo

  13. tsara ny mino ,ary tano mafy ny finoana zay anananao,nefa ny zavatra izay nisy t@ fiangonana io na inona filazanareo mpino ao dia zavatra nisy ary mamoafady ,ka na hanilika ny rihitra any am gtt na ny pro ra8 aza nareo ho fositra nivoy an iny,nareo ao aloha no tokony handini tena satria raha tsy diso aho mpitandrina voahosotra tao amnareo no nandray anjara tao antin’ iny , miala tsiny am Pasteur Randrianatoandro kosa ah fa ra iny declaration nataony oe tsy fantany dia disoako tanteraka,ramatoa Rinah Rakotomanga izay mpino ao efa nanamarina ny fisian iny taloha ela,fa tsy nampoizinareo ho scandale toy ireny sy niparitaka le video vao nanao reny déclaration nareo,tsotra ny teniko,probleme interne anareo no niteraka an ireny,ny gazety sy politika toy ny rehetra mahita fait insolite iany de normal ra manao commentaire,fa nareo no mibebaha,hamafiso ny finoana,de araho maso tsara ny ondry am sisa eh,

  14. tsetsatsetsa tsy aritra fotsiny ny a ty !!! fmaninin oa le FJKM ref mamaky baiboly any ampengonana de tsvakiny tsara oe JESOSY fa oe JESOA. in kay azafady nmatonga zan?nef ne tena jesosy minty ny ao anaty baiboly fa manao fanahiniana tsotrizao ry zareo e! amiko tokony anao baiboly vaovao ho azy manokana iny FJKM dia azony ovaina hoe jesoa ny jesosiny

  15. gravy > marin zan teneniny Mino foana zan f ts aik wé in n ten mapmé @lé teneniny enao zao n tena mapmé f ts mazaka n marina ha ha ha

  16. aza mitsara ry ireto mba tsy ho tsaraina a!ianareo hangina hoy jesosy an!fa izaho iady ho anareo e!

  17. n’inon n’inona zavatra mitranga na mbola mafy no ireny aza an!tsy ho rendrika mandrakizay ny fiangonanay refa jesosy no miasa an!tsisy mahasakana e!ary tena hita taratra mitsy anie fa tena miasa lay JESOSINAY e!n’iza n’iza iany ko anaratsy an!ts mihememotra @zany izahay e!vao maika mampiorina anay ary ny fanenjehana anay e!tsarovy anefa fa Jesosy manavaka ny olona mino sy ny tsy mino azy e!aok’izay ny fanenjehana sy ny fankahalana e!ary aza manaratsy ny an’ny afa fa jereo alo nenao zay enao vao mteny.ts misy tonga lafatra e!samy manana ny kilemany avokoa ka ra sahy mteny ianao oe tena tsisy kilemany ny anao dia tsy andiso anao mitsy za ra oatra ka anaratsy eo ianao.fa ra oatra kosa misy dia tsy tokon anaratsy ianao na ny kely aza e!mivavaka ho anareo izay tsy tia sy mankahala anay izahay e!

  18. Fantatro fa kristiana daholo no mifanoratra, tsy tsara ny adihevitra tsy mampandroso. Samia manontany tena hoe efa sur ve aho fa handova ny fiainana rahatrizay raha amzao fotoana izao aho no maty.

    • Miombon-kevitra tanteraka aminao aho, Sady am-pahamendrehana tokoa ny fanehoan-kevitra nataona fa tsymba toy ireo sasany mifamelively sy mifanindrontsindrona fotsiny. Tsy mampandroso marina

  19. de samy ela velona ao amin’ny tompony eeeehhhhh!

  20. mialatsiny bdb za gazetyavylavitra an. mety ho gaga ngamba enao oe tara be za raha resaka tantara satria zao vao mba mandefa hevitra am zavatra efa niseho ela be sy lany andro e? tsizany fa voatery nidina tany ambohitrolomahitsy nandritra ny fotoana elalela aho dia isaky ny mba eto ambatolampy ohatrizao no mba manararaotra mamoaka ny tsy tanty ao ampo sy saina ohatrizao e. misaotra amini blog nao, tamini herinandro lasa iny vao fantatro ny fisiany, taraiky be o, misaotra anilay namako nanoro ahy anao koa. ka araka ny voalazako etsy aloha dia mba misy zavatra tiko zaraina oe diso ve za amlay fomba fijeriko ny momba ilay video fpvm.

  21. Hitako hoe tsy tokony ho niteny betsaka ilay michel R porte parole fpvm. miasa mafy ao anatini fiangonana satana amizao andro farany izao. zay ihany no tokony namafisiny ary tena marina izany. Tsy ao aminio fpvm io ihany fa amini fingonana kristiana rehetra dia tena mandrovitsihy mihitsy rasatana. Raha jerena amini fo sy jery tsotra tsy miangatra anefa dia hitako hoe tsy lojika mihitsy oe voakarama vola be ireny olona rehetraretra hita tao ireny indrindra indrindra ireo mpijery: zaza minono atramini renibe. Naturel be loatra ny fihetsiky ny figurants raha oe voakarama izy na ny fiparitahani toerana nipetrahan izireo teny amini seza nipetrahany koa no jerena. Sarotra be koa ny haka sary an’eritreritra ny fidinan’ ilay nenibe na ilay reny mitrotro zaza hidina tamini tady avy any antafotrano hiditra ao anaty fiangonana , jereo film mission impossible, satria tsy nahazo ny lakile na alalana hampiasa ny fiangonana izireo taminio fotoana io. sa mety possible am gasy ve lay mission impossible e. Ary farany tiko hotsindrina dia oe lojika ve oe ny gtt no tomponantoka tamininy nefa ilay tovolahy realisateur – producteur n ilay film aza tsy tia maizina ny gtt sy an ingahy ravalomanana satria mpikambana ao amini tcr tanora contre an dravalomanana sady isani responsable ao am tanora tgv majunga. Dia tsy haiko re raiolona fa dia hoy aho hoe sao dia lasa ridicule e . Samia mibebaka mafy fa efa ho avy tsy ho ela intsony ny Tompo eny andrahoni lanitra. Amen

  22. Tompo ô omeo anay ny hery ny fanahimasina avy aminao. Ampahirato ny sainay. Atoroy anay ny tena marina Jesosy malala ô!

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :