WUHAN UNIVERSITY 6th LUOJIA AUTUMN INTERNATIONAL CULTURAL FESTIVAL

 

« WUHAN UNIVERSITY 6TH LUOJIA AUTUMN INTERNATIONAL CULTURAL FESTIVAL »

Teny faneva: « Diversity & Harmony; Interaction and Integration »

Fotoana nanaovana azy: ny 20 sy 21 Novambra 2010

Toerana nanaovana azy: Wuhan University, Wuhan; Hubei Province, Chine

Io « festival culturel » io dia efa fandraisan’ny Mpianatra Malagasy any Wuhan anjara nanomboka tamin’ny taona 2005 niforonan’ny fankalazana, ka ny 20 sy 21 Novambra teo ny andiany faha-enina. Mihoatry ny 70 ny firenena nandray anjara, ka anisan’izany i Madagasikara izay nosoloan’i AEMW (Assocition des Etudiants Malgache a Wuhan) tena. Ny tanjon’ny fikambanana dia ny fampahafantarana ny firenena, ny fampiroboroboana ny fikambanana ary ny fanamafisana ny firaisankinan’ny mpianatra Malagasy any an-tany lavitra any.

Maro be ny zavatra natao tamin’izany:

Ataovy matsiro sy tsara endrika toy ireto ny amin'ny faran'ny taona sy ny fandraisana taona vaovao ee! Dia mirary taona 2011 sambatra sahady ho anareo Malagasy any Chine ee!

  • – ny haihanina malagasy (nahandro gasy): composé, katilesy, mofo-baolina, makasaoka, vary sy kabaro sns.

  • – ny fomba fitafy nentin-dRazana
  • – ny fampirantiana haitao vita malagasy(arts malagasy) sy ny harena(ressource) mampiavaka an’i Madagasikara.

Tsy ambaka ny hafa ny vita Malagasy. Jereo anie ireto Maki miezaka mambabo mpitsidika e!

  • – ny dihy toy ny afindrafindrao, kilalaka, mangaliba, salegy, kininike, sy ny sisa; izay nahaliana ny mpijery ka nampianarin’ny Malagasy azy ireo

Soa fa mbola mahatsiaro ny fomban-drazany ny taranaka na lasa any ampita aza

Nisokatra ho an’ny olon-drehetra toy ny mpianatra, mpampianatra, mpandraharaha ara-toekarena, mpitondra fanjakana sy ny olon-tsotra rehetra araka io teny faneva eo ambony io hoe « Diversity & Harmony; Interaction and Integration ».

Fahombiazana tanteraka ny hetsika natao. Izany fahombiazana izany dia vokatry ny fiaraha-miasa akaikin’i ANDRIANJAFY Francois Herve filoha  amperianasan’ny AEMW sy RAVELOMANANA Fidelys filoha lefitry ny AEMC(Association des Etudiants Malgaches en Chine) no sady filoha am-boninahitry ny AEMW, ary ny fandraisana anjara mavitriky ry: Fifaliana, Frederick, Stephanie, Soja, Nounou, Tahina, Mathilde, Setra, Nancy, Noro, Fanja, Gerald, Natacha ary Eldie.

Marihina fa any Wuhan no be Mpianatra Malagasy be indrindra ao Chine, izay miisa ho 28.

(Mpiara-miasa nampita ny vaovao : Fidelys Ravelomanana)

3 Réponses

  1. zahay mpianatry nahazo bourse d’état mandeha en chine ka sahirahira avao @ ty inscription zahay ka mba laha mety mba hifanoratsy @ e-mail toy tsika raha mety azafady. miandry valin-teny avy @nareo zahay lahy fa hihily ty inscription. misaotra mialoha @ nareo

  2. mahafinaritra be re mamaky an’ilay izy fa de mirary soa anareo mba ho tafita daholo amin’izay fianarana atao na de mafy aza ny fiainanareo any , fahataran’ny bourse

  3. Fanehoan-kevitra mikasika ireo mpianatra any Chine, nalaiko tatsy amin’ny pejy Facebook-n’ny
    Manifestation Anti-rajoelina. Inoako fa tsy ho sarotiny ny tompony, satria VAOVAO MILA AMPAHAFANTARINA NY MALAGASY indrindra fa ny MPITONDRA ny toy izao
    il y a 13 heures

    Mpianatra Malagasy any Chine
    Nanamafy ny fitakiany ny vatsim-pianarana

    Namoaka fanambarana mitantara ny najo ilay mpianatra Malagasy izay nindaosin’ny fahafatesana tany Chine ireo mpianatra namany mbola any amin’ity firenena ity. Tamin’izany fanambarana izany ihany koa no nitantaran’izy ireo ny fasahiranana mbola sedrain’ireo mpianatra Malagasy any Chine amin’izao fotoana izao noho ny tsy fanomezan’ny fitondrana HAT azy ireo ny vatsim-pianarany. Nanamafy ny antso avo izay efa nataony hatramin’ny ela izy izao any mangataka ny mba hijerena haingana ny vahaolana momba azy ireo. Toy izao no fitantaran’ny mpianatra namany ny nanjo ilay mpianatra Malagasy maty tany Chine farany teo. Efa ho herinandro maromaro no efa narary ary nolazoin’ny aretina RAKOTOMALALA Hery Harivelo Bruno : nivonto ny tongony roa, nihitatra tamin’ny vatany manontolo, tsy afaka nandeha, niha osa.

    Noho ny tsy fanana vola sy ny fahataran’ny Vatsim-pianarana avy amin’ny fanjakana Malagasy, efa ho taona iray sy tapany nefa, dia tsy mba afaka nisakafo ara-dalana, tsy afaka mba nitsabo tena sy niala nenina akory nizaha ny toe-pahasalamany sy nandeha hopitaly izy. Vokatr’izay dia niha nihombo hatrany ny aretina nahazo azy ka nitarika hatramin’ny fahafatesany. Niantso vonjy tamin’ireo mpianatra Malagasy ny iray trano taminy, nitondra niala nenina ity marary ho any amin’ny Hopitaly saingy tsy avotra ny aina. Marihina fa efa ny 13 febroary 2013 no nivoaka sy tapaka tamin’ny filan-kevitry ny Minisitra fa hanome vatsim-pianarana 2 volana mba hamonjena ny fahasahirananay mpianatra indrindra ireo mpianatra efa narary sy niditra hopitaly. Ny Praiminisitra Omer BERIZIKY, ihany koa , dia niteny tamin’ny TV+ fa hojerena manokana ireo marary satria mba ho famonjena ny ainy. I Tompokolahy RAKOTOMALALA Hery Harivelo Bruno dia efa niantso vonjy sy nitaraina tany amin’ny Masoivoho Malagasy tany Beijing in 4, fa tsy nisy valiny na famonjena na fanampiana mba nahafahany mitsabo tena, na dia nitaraina mafy aza ity nody mandry fa tena marary sy mangirifiry, vavolombelon’izany ny mpiray trano aminy.
    Tsara ho marihina etoana fa: Ny “Compagnie d’Assurance chinoise” no miantoka ny fampodiana ny razana manomboka avy aty WUHAN –CHINE ka mandrapahatonga ny razana aty an-tanindrazana Madagasikara. Ny fahafatesan’ I Tompokolahy ivelan’ny Hopitaly anefa no mahataraiky ny fikarakarana rehetra amin”ny fampodiana ny razana satria tsy maintsy nanao fanadihadiana ny Polisy mba hahafantarana ny tena antony nahafaty azy. Ny valin’ny fanadihadiana anefa dia tsy maintsy mila ny fankatoavan’ny Ray aman-dreny avy aty Madagasikara vao afaka indray miroso amin’ny dingana manaraka.

    Mbola tsy nomena vatsim-pianarana

    Noho ny fahataran’ny vatsim-pianarana avy amin’ny fanjakana Malagasy sy ny tsy fahafahan’ny ankamaroan’ny Ray aman-dReny mandefa fanampiana intsony dia miha tsy zarizary ny fiainanan’ny mpianatra. Betsaka no tsy misakafo ara-dalana , miha maro ihany koa ireo marary , atahorana ny hiverenan’ny trangan-javatra toy ny nahazo an’ i tompokolahy RAKOTOMALALA Hery Harivelo Bruno. Efa maro ireo mpianatra voaroakan’ny tompon-trano noho ny fivangongoan’ny hofan-trano tsy voaloa
    Eo amin’ny lafiny Fianarana kosa, maro ny mpianatra mbola tsy mahaloa ny « Assurance » , nefa iaraha-mahalala ny fiatraikan’ny tsy fandoavana izany ara-potoana raha sanatria ka misy voina mahazo. Noho ny tsy fandoavana ny saram-pianarana ara-potoana izay efa mampimenomenona ny toeram-pampianarana dia sarotra ny fazahoan’ny mpianatra ny atotan-taratasy ilay amin’ny fanomezana na ny fanalavana ny VISA. Omeny tsikelikely isan-telo volana ny fanalavana VISA raha toa ka tokony ho isan-taona ny fanavaozana izany. Lasa mandoa avo efatra heny noho ny saran’ny tokony ho aloha ny mpianatra. Izany hoe: lasa mandoa vola 1600 rmb isan-taona raha toa ka tokony ho 400 rmb fotsiny vokatry ny fahataran’ny fandoavana io saram-pianarana io ihany.
    Manampy trotraka ny fahasahiranan’ny mpianatra noho izany ity resaka VISA ity satria nandritra ny telovolana roa voalohany ( Septembre 2012 ka hatramin’ny Mars 2013 ) dia nanaiky hatrany ny toeram-pampianarana, saingy nanapa-kevitra ireo Oniversite mikasika ny mpianatra Malagasy fa ny 31 Marsa 2013 no fe-potoana farany fandoavana ny saram-pianarana sy ny hofan-trano ho an’izay mipetraka anaty campus, ary tsy hanaiky intsony izy ireo raha toa ka tsy voaloa ny saram-pianarana rehetra. Efa nandefa taratasy ofisialy any amin’ny Ministera ny fampianarana ambony mahakasika izany ny fitanatanan’ny Oniversite Sinoa. –

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :