Noho ny zava-misy eny IVATO

Noho ny zava-misy eny IVATO izay nanaovan’ny Minisitry ny Fiaraovana antso mba handaozan’ny sivily ny toby BANI (nilaza moa izy fa tsy noho ny eritreritry ny maro hoe hisy fanafihana, fa antony ara-miaramila fotsiny), dia maro no niahiahy.

Nisy ny nametraka sakana teny Talatamaty sy Ambohibao. Nisy fipoahana re teny Talatamaty, izay tsy misy afaka nanome fanamarihana hoe inona no nipoaka, ary iza no nanapoaka. Voalazan’ireo nantsoina tamin’ny finday ihany koa fa toa nisy fipoahana tsy fantatra avy tao amin’ny toby.

Izay rehetra nantsoina dia samy nampiasa ny teny « sakoroka » avokoa ho entina milaza ny zava-misy eny Ivato eny. Miitatra lavitra hatrany Ankadindravola sy Fitrohafana any izany tranga izany fa tsy mijanona fotsiny ho ny faritra akaikin’ny toby.

Mifandray amin’io resaka sakoroka io dia nandray fepetra ny ankamaroan’ny toeram-pianarana teny an-toerana ka nandrava aloah’ny fotoana ny mpianany mba hahafahan’iretsy farany mamonjy toeram-podiana.

Tsy ny tany Ivato ihany anefa no nampodiana ny mpianatra fa hatrany amin’ny Lisea Jules Ferry Faravohitra koa dia noravana mialohan’ny fotoana ny fanmpianarana ary nampodiana ny ankizy. Rehefa nanontaniana ireo mpianatra dia nilaza fa noho ny fifampitifiran’ny miaramila any Ivato hono no antony voalazan’ireo tao amin’ny sekoly fa fototry ny firavana mialoha.

Nanao toy izany koa ireo sekoly sasany teto Antananarivo Renivohitra, toy ny La Poussinière etsy Andravoahangy Andrefana.

Toa ny mpianatra hatrany no lasibatra rehefa misy ny toy izao. Manao ny ataony ny eny Ankatso, ka mampiditra ny mpianatra « tsy misaina » ho fitaovana entina hanatrarana ny tanjona tian’ireo mpampianatra SECES sy ireo mpandraharaha ho tratrarina. Iza anefa no ho tratry ny taona fotsy, sy ho very taona? Tsy ireo olona efa voky andro sy voky vola ireo mihitsy, fa ireo mpianatra nanaiky holalaovina sy ho rebirebena. Ny ray reny any lavitra any lany fatotra amam-pondrana mandefa azy hianatra, nefa inona no atao rehefa tonga eny Ankatso? Tsy  ny zanaky ny Malagasy rehetra no hahatakatra Anjerimanontolo tsy miankina, nefa tsy ny zanaky ny Malagasy rehetra koa no ho tsara vintana ho afaka hiakatra an’Ankatso sy « hokaramaina hianatra ». Nefa dia izao no atao.

Ho an’ireo mpampianatra indray dia mba lasa ihany ny saina manao hoe: tena mihevitra tokoa ny lanjan’ny fampianarana ve ireny olona ireny? Raha n y vola takian-dry zareo mantsy dia an-tapitrisa maro. Lazaina fa tambin-karama amin’ny maha mpampianatra mpikaroka azy no takiany, sns… Ary raha mba mitaky aho eto hoe mba apetraho ato anatin’ny faritra tokony hametrahana fanamarihana amin’ity lahatsoratra ity hoe ny voka-pikarohana vitan’ny tsirairay taminareo, sy ny tohiny avy eo mba ho fantatry ny Malagasy rehetra, iza aminareo no ho sahy hanao an’izay? Tena mba miandry aho fa maharary ahy loatra ny mahita ireo mpianatra lalaovinareo ireo. Mbola ireo mpianatra ireo aza no ampanaovinareo fikarohana, ka tsarainareo avy eo. Ary ireny voka-pikaraohana vitan’ny mpaianatra ireny avy eo nankaiza? Lasa tahiry eny Tsimbazaza any amin’ny biraon’ny Ministera sy ny Foibe isan-karazany any fotsiny ve? Sanatriaviko anie izany!

Rehefa manao fikarohana tokoa mantsy dia tokony hanana tanjona itodiana. Izany hoe miandry vokatra. Ka tratra ve izay tanjona izay, sa ny volam-bahoaka fotsiny no lany sy takiana hitombo lava izao? Mba mieritrereta ihany e!

Raha misy tena fototra niaingan’ny fanabeazana, ary isan’ny nobeazina avy any ianareo, dia ny mpampianatra eny amin’ny Fanabeazana Fototra (E.P.P)  no manana ny toerany indrindra. Ireny no namokatra sy nikaroka ny fomba hampanoratana, hampamakiana teny ny zana-bahoaka tsirairay. Nitay ny vokatry ny ron-dohan’izy ireny fotsiny ianareo avy eo. Nefa mba be « taim-bava sy fitakiana » toy izao ataonareo izao ve ry zareo? Tsy miteny aho hoe hendry izy ireny, ary tsy midika koa izany fa miforitra izy ireny. Saingy angamba tsapany fa tsy fotoanany izao. Anaty rafitra mitsingilahila ve ianao no mitady hilingilingy hanao fampisehoana miaraka amin’ny « tongotra tahon-kifafa » toy ny fanao fony ankizy? Mazava ho azy fa na tokoa tafita ianao (raha tsara vintana), na voan’ny nataonao (mitaty ny henatra sy vavam-bahoaka). Nefa tsy heloka tokoa hono ny manandrana, satria izay « sahy maty ihany no mifono lambamena »

Fanampim-baovao faramparany: Tsy namokatra ny fifampiresahana nandritra ny 2 ora natao teny Ivato Ndrianarijaona / BANI, vokatr’izany dia miely ny feo fa mety hoesorin’i Camille Vital tsy ho Chef d’Etat-Major intsony rangahy io. Misy koa anefa ny fampiantsoana mpanao gazety hataon’i Gal Ndrianarijaona André ato ho ato, ka ho hita eo izay zavatra hiseho

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :