Monja Roindefo – Andohatapenaka

Raha nilaza i Monja Roindefo fa eny Ankorondrano androany amin’ny 10 ora maraina, Boulevard de l’Europe, no hatao ny fihaonany amin’Iarivo, dia ny teny amin’ny kianjan’Andohatapenaka (ilay tany nototofan-dRavalomanana Marc tamin’ny fotoan’andro) no nomen’ny mpiadidy ny tanana hampiasainy amin’izay famoriam-bahoaka izay manomboka amin’ny 2 ora tolakandro.

Nisy ihany anefa ny olona tonga teny Ankorondrano, nefa nangaina fotsiny niandry teo, ary namonjy fodiana rehefa fantatra fa nafindra toerana ilay fihaonana. Ny fiaraben’ny mpitandro filaminana, niisa 2, sisa no niandry tanàna teny.

Teny Andohatapenaka indray dia sasa-niandry ny vahoaka hatramin’ny tamin’ny 3 ora tolakandro mahery nialàn’ny tena teny an-toerana. Mbola teo am-pikenonkenonana mametraka ny fanamafisam-peo ireo mpikarakara.

Mikarakara fanamafisam-peo hiandrasana an'i Monja Roindefo

Ary etsy amin’ny ilany havia kosa dia mbola mitohy ny lalao baolina kitra ifanandrinan’ireo mpilalao efanaka toerana teny talohan’ny mpamory vahoaka

Politika mandeha, Baolina mandeha. Goooooooooal!!!!

Tety an-jorony kosa anefa dia heno fa METY tsy ho avy i Monja Roindefo noho ny resaka « sécurité « .

Miandry izay ho tohiny izany isika rehetra

Fa mandra-pahatongan’izay dia indreto sary vitsy avy teny

Mitsotsotra ety amoron'Ikopa miandry an'i Monja Roindefo

Na ny havia, na ny havanan'ny fefilohan'Ikopa dia samy manana ny alehan'ny lohany. Samy mandeha samy mitady na ny mpanasa lamba, na ny mpaka fasika, na ny mpanotrona ny resakapolitika

 

Fa ankoatra ireo dia nisy fisavoritahana tsy fantatra antony teny amin’ny faritra manodidina ny tetezan’i Behoririka sy Ambatomitsangana iny.  Matetika moa dia avy eo amin’ireo faritra ireo foana no ivo finidin’ireo mpanararaotra iaingan’ny zavatra ataony.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :