Lapan’ny tanàna vaovao – Institut d’hygiène sociale

Toy ny teny Behoririka androany tamin’ny 4 ora tolakandro dia nisavoritaka koa ny teo amin’ny Lapan’ny tanàana vaovao io hariva io, nanodidina ny tamin’ny 6 ora teo ho eo.

Tsy dia nisy inona loatra anefa fa ny fahasahian’ny sasany tamin’ireo mpivarotra amoron-dàlana misangy ny mpitandro filaminana no tena antony.

Nalain’ny sasany tamin’ireo mpivarotra ireo ny baoritra tsy miasa intsony ka mody nanangana korontana izy no sady nandrehitra izany sy nanipy azy teo afovoan-dalàna.

 

Nisy nikitika vodin-tsoavaly ry zalahy teto androany hariva an! Soa fa tsy tratry ny tsipaka be mahafaty

Sanatria ve efa tonga eto ny "esprit Kamikaze" no dia misy sahy misangy ratsy toy izao?

 

Nadiodio tao anatin’ny seondra vitsy toy ny hoe tsy nisy fitohanana iny ery teo amin’ilay faritra. Hay va re ka mba afaka atao tsy misy fitohanana ihany eo rehefa misy izay mahamaika e! Fa rehefa tsy misy mahataitra izany dia mi-sitilina eny ambony familiana, na eny ambony arabe eny koa ny mpandeha an-tongotra.

 

Tsy mahazatra ny mahita ity ampahan-dàlana ity malalaka toy izao rehefa faran'ny herinandro. Toy ny hoe notsofin'ny rivotra tampoka teo daholo ny fiara teto

 

Ny zavatra voamarika kosa aloha dia ny hakingan’ny fahatongavan’ireo mpitandro filaminana nipoitra tampoka avy aty amin’ny faritry ny Lisea Rabearivelo. Raikitra ny mandroso/mihemotra teo amin’ny mpamily. Ny fetsifetsy moa tonga dia nivily tsy nisy fihambahambàna niditra tao an-tokotanin’ny Lisea.

 

ireo mpitandro filaminana nipoitra avy aty amin'ny faritry ny Lisea

Tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo dia efa vonona teny an-tanan’ireto mpitandro filaminana ny baomba mandatsa-dranomaso, saingy tsy nisy nilàna loatra ny fampiasàna azy ka tsy nisy ny narefotra teo amin’io faritra voalaza io.

 

Fotoana firavan’ireo mpianatra manamafy fahaizana avy ao amin’ny ACCEEM indrindra ny taoriana kelin’izay fotoana izay. Tsy nisy nahalala ny fisian’izay zavatra izay anefa izy ireo satria vetivety ihany dia voalamina ny raharaha.

Fa ny nahavaka kely ny saina teo ampihainoana ireo olona nialokaloka tao anaty tokotanin’ny Lisea dia ny nihainoana ilay rangahy iray somary sola loha izay niampiditra ny  fiarany tao. Nony tafavoaka ny fiarany ingahirainy dia niteny fa hoe ny TGV ihany no mitady handoro ny Lapan’ny tanàna vaovao mba handotona ny ankolafy telo. Asa aloha izay ho fahamarinan’izany! Fa ny mahalasa saina dia ny hoe: Tombontsoa ho an’iza ny fananana Lapa tsara tarehy toy io? Ary raha voadoro tokoa io, iza ary rahoviana no hahatsangana ho solony? Tsy idirantsika ny hoe vola avy aiza, na an’iza, afa-tsy ny hoe samy mandoa hetra ka zara aza mahita foto-drafitrasa mitsangana toy ireny ho fiononan’ny saina hoe rehefa tsy fantatra izay nalehan’ny hetra naloan’ny tena, dia angamba mba isan’ny lasa ao  nentina nanangana azy io. Asa re!

Fa raha mijanona mitsangana eo moa izy io, tsy izay rehetra mifandimby mitondra eo moa no afaka hampiasa azy? Raha tsy hoe azo ahorona toy ny tsihy angaha ilay Lapa ka entin’izay nanngana azy hatrany am-pasana raha azo atao!

Nanomezan-tsiny ny hafa ny 26 janoary 2009, ny fanaovana zavatra tsy voahevitra sy ny sisa. Koa raha milaza ho hendry sy nanome tsiny izay nanapo ireny ny aty aoriana, dia angamba fahendrena ny mitahiry ny zava-bita, na avy amin’iza io, na avy amin’iza, fa tsy ho lany andro hanangana isaky ny mihetsika izao foana.

Ny olana eto amin’ity Malagasy ity dia ny olona no jerena sy ankahalaina, ary dia manaraka azy daholo hatramin’ny asany, na tsara io na ratsy. Nitranga izany faha-Ratsiraka, mbola niverina faha-Ravalomanana ary dia io fa tarazo mbola hita izao faha-Rajoelina izao.

Manjaka tokoa ankehitriny ny antsoina amin’ny teny frantsay hoe « incivisme », ny fahapotehan’ny toe-tsaina eo amin’ny Malagasy, hany ka lasa manaotao foana tsy misy fiheverana, fa mampiasa fotsiny ilay hoe « fanatisme » na ny mpomba ny fitondrana, na ny mpandrodana fitondrana. Tsy lehibe, tsy kely fa tratr’io « incivisme » io daholo. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe: Rahoviana no ho voatsabo izay areti-mandoza tafiditra ao anatin’ny fiarahamonina Malagasy izay (enga anie mba ho ny eto Antananarivo ihany no tratra fa zava-doza raha sanatria mihanaka amin’ny Madagasikara manontolo ny aretin-tsaina toy izany), Afaka andro maromaro ve? Volana? Taona iray, folo, zato? Manahy aho sao dia efa tena very tanteraka tsy ho hita intsony ilay toe-tsaina maha-Malagasy ny Malagasy.

Afaka andro vitsy dia ho tonga ny andro iraisam-pirenena napetraky ny Firenena Mikambana ho Andron’ny Fandeferana (16 Novambra – Journée Internationale de la Tolérance) . Koa iza amin’ireto mpifanandrina efatra eto ambonin’ity kianjabe antsoina hoe Madagasikara iombonana ity re no handefitra e?

 

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :